“Jesoa Kristy,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Jesoa Kristy
Ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao
Olona maro eto amin’ity izao tontolo izao ity no nandre momba an’i Jesoa Kristy saingy tsy mahalala ny zavatra nataony ho azy ireo. Ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia manampy antsika hahatakatra fa mihoatra lavitra noho ny maha-olona manan-tantara azy fotsiny i Jesoa Kristy. Izy no Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, izay nanao ny zava-drehetra mba hahatanterahan’ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay ho an’ny rehetra. Rehefa mianatra momba ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy ianao dia ho hitanao fa afaka milanja ny enta-mavesatrao Izy ary manova ny fiainanao mandrakizay. Rehefa misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy sy hatoky ny heriny tsy manam-petra ianao dia afaka mahazo fitarihana sy fanampiana eo anatrehan’izay mety ho olana rehetra eto amin’ity fiainana ity.
Iza i Jesoa Kristy?
I Jesoa Kristy no ilay Lahimatoa sy Zanaka Lahitokan’ny Ray any An-danitra. Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia voafidy ho Mpamonjy ireo zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy (jereo ny Abrahama 3:27). Nandefa Azy teto an-tany ny Ray any An-danitra mba hijaly sy ho faty noho ny fahotantsika (jereo ny Jaona 3:16–17). Nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny hery masina i Jesoa Kristy ary nitsangana tamin’ny maty. Velona Izy amin’izao fotoana izao. Nampanantena izy fa hiverina eto an-tany indray andro any (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:10–11, 25).
Topimaso momba ny lohahevitra: Jesoa Kristy
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Ny Andriamanitra, Fiainana talohan’ny nahaterahana, Fahariana, Fahaterahan’i Jesoa Kristy, Asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Fitsanganana amin’ny maty, Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, Famonjena
Fizarana 1
I Jesoa Kristy no ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao
Tsy misy zavatra manan-danja kokoa ho antsika ny mianatra azy noho ny momba an’i Jesoa Kristy, momba ny hoe iza Izy, inona no nataony ho antsika, ary ny zavatra tiany ho fantatsika sy hataontsika. Ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina dia manampy antsika hahafantatra ny anjara asany manan-danja amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy.
Mianatra isika ao amin’ny soratra masina fa tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia voafidy ho Mpamonjy ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Petera 1:19–20; Abrahama 3:27). Hatrany am-piandohana dia i Jesoa Kristy no olona manana toerana manan-danja eo amin’ny fanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena ireo zanany sy ho an’ny fisandratan’izy ireo. Nahary ny lanitra sy ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa Kristy (jereo ny Mosesy 1:32–33). Nandritra ny vanim-potoanan’ny Testamenta Taloha dia fantatra tamin’ny hoe ilay Jehovah lehibe i Jesoa Kristy. Nitarika sy nanoro lalana ireo mpaminany sy mpino fahiny Izy. Nampatanjaka azy ireo ny fitiavany sy ny famindram-pony nandritra ny fitsapana natrehan’izy ireo.
2000 taona mahery lasa izay dia tonga teto an-tany tamin’ny alalan’ny fahaterahana mahagaga i Jesoa Kristy. Niaina sy nanompo teo anivon’ny vahoaka tao amin’ny tanin’i Isiraely Izy. Nanatanteraka fahagagana mahery vaika Izy, toy ny fanasitranana ny marary sy ny fananganana ny maty (jereo ny Matio 11:4–5). Nanorina ny Fiangonany Izy ary nampianatra ny fotopampianaran’ny fibebahana, ny famelana ny fahotana, ary ny fiainana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay hanaraka Azy. Niaina fiainana tonga lafatra i Jesoa Kristy, nandeha foana teo amin’ny lalan’ny fankatoavana ny Rainy (jereo ny 2 Nefia 31:7).
Satria tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba hamonjy ireo zanaky ny Ray dia nitondra teo Aminy an-tsitrapo ny sazy noho ny fahotan’izy ireo Izy. Taonjato maro talohan’izay dia naminany i Isaia hoe: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika. … Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika” (Isaia 53:4–5). Niaina fanaintainana goavana i Jesoa izay nahatonga Azy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra (jereo ny Lioka 22:44; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20). Nosamborina izy ary voaheloka noho ny fiampangana diso ka nomelohina ho faty. Nofantsihana tamin’ny fomba feno habibiana teo amin’ny hazo fijaliana Izy, izay toerana nijaliany sy nanolorany ny ainy ho antsika (jereo ny Matio 27:50). Saingy tsy ny fahafatesany no fiafaran’izany. Nitsangana avy tao am-pasana i Jesoa Kristy ary nanompo ireo mpanara-dia Azy tamin’ny naha-olona nitsangana tamin’ny maty Azy (jereo ny Lioka 24:36–40; 3 Nefia 11:8–15).
Ankehitriny, ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miandrandra ny fiverenany eto an-tany izay nampanantenainy. Tsy misy mahafantatra ny fotoana hitrangan’izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:7), saingy ny soratra masina dia miresaka momba ireo famantarana sy zavatra hitranga izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany. Hiova ny tany rehefa miverina ny Tompo ary hanambara ny zava-drehetra amin’ireo izay marina Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23–34).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nofidin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy mba hanatanteraka ny drafiny ho an’ny famonjena antsika sy ho an’ny fisandratantsika. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3 ary diniho ny fahalalana sy ny hery nananan’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany teto an-tany. Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny halehiben’ny fahalalan’ny Tompo sy ny heriny izay tsy manam-petra mampitombo ny finoanao sy ny fahatokianao Azy ankehitriny?
-
I Jesoa Kristy dia fantatra amina anarana sy anaram-boninahitra maro. Vakio ireto soratra masina manaraka ireto mba hahatakarana tsara kokoa ny antony iantsoana an’i Jesoa Kristy hoe Mpamonjy (Asan’ny Apôstôly 4:10–12; Helamàna 14:15–16) ary Mpanavotra (Titosy 2:13–14; 2 Nefia 2:6–7, 26). Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra manokana fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra anao?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Azonao atao ny manasa ny mpikambana ao amin’ny vondrona mba hamerina hijery ireo fampahalalana nofintinina hita eny amin’ny tampon’ny teny iditra “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (Médiathèque de l’Évangile). Ahoana no ahafahan’io fampahalalana io manampy anao hieritreritra momba an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra anao?
Hianatra misimisy kokoa
-
Jaona 11:25–26; Môzià 3:5–13; Abrahama 2:7–8
-
“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Médiathèque de l’Évangile
-
“Jésus-Christ apparaît dans l’Amérique ancienne ” (horonan-tsary), youtube.com
Fizarana 2
Manatòna an’i Jesoa Kristy
Nanomana fitahiana maro ho an’ireo izay mandray an’i Jesoa Kristy Zanany ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanan 84:37–38). Nanambara i Jesoa Kristy hoe: “Raha mankaty Amiko ianareo dia hanana ny fiainana mandrakizay. Indro, ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko.” (3 Nefia 9:14). Maneho ny faniriantsika hanaiky ny fanasan’ny Tompo hanatona Azy isika rehefa mametraka ny finoantsika Azy, mibebaka amin’ny fahotantsika, atao batisa, mitandrina ny didin’ Andriamanitra, ary mandray ireo ôrdônansy masin’ny tempoly.
Rehefa mitodika amim-panetrentena any amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny finoana sy ny fibebahana isika dia afaka mahazo ny famelana ny fahotantsika (jereo ny Môzià 4:2–3). Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy koa dia manome fahafahana antsika “hahazo ny herin’ Andriamanitra, hery ampy hizakana ireo enta-mavesatra sy sakantsakana ary fakam-panahy misy amin’izao androntsika izao.” Ny fitiavana sy famindram-po ary famelan-keloka azontsika avy amin’i Jesoa Kristy dia afaka mitondra fiovana maharitra eo amin’ny fiainantsika ary manome antsika ny hery handrosoana amin’ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Môzià 5:2; Helamàna 15:7–8).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny aretintsika i Jesoa Kristy mba hahafantarany ny fomba hanohanana sy hanampiana antsika ao anatin’ny rofintsika manokana. Vakio ny Almà 7:11–13 ary saintsaino ny fahatakaran’i Jesoa Kristy tanteraka ny fanaintainantsika sy ny olantsika sy ny fomba hitahiany sy hampiononany anao, na dia rehefa tsy misy olona hafa manao izany aza. Oviana ny Mpamonjy no nanampy anao tao anatin’ny fotoana nisian’ny fitsapana na fakam-panahy? Ahoana no ahafahanao miantehitra Aminy rehefa mila fanamaivanana ianao?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Manana hery masina tsy manam-petra hamelana sy hampitrakana ary hampatanjahana antsika i Jesoa Kristy. Ny fahafantarana izany dia afaka manampy antsika hiatrika ireo olana miaraka amin’ny fananana fanantenana bebe kokoa. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
“Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!”
Ifanakalozy hevitra ny teny nambaran’ny Filoha Nelson. Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona hamantatra ny sasany amin’ireo fanontaniana na olana atrehantsika amin’izao fotoana izao. Mifanakaloza hevitra mikasika ireo fomba ahafahantsika mahita vahaolana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
Hianatra misimisy kokoa
-
Matio 11:28–30; Efesiana 5:1–2; 2 Nefia 31:16; 3 Nefia 27:21; Môrônia 10:32–33
-
Jereo ihany koa ny Neil L. Andersen, “Nifantoka tamin’izany eritreritra momba an’i Jesoa Kristy izany ny saiko,” Liahona, mey 2023, 91–94
-
Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73–76