“Famonjena,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Famonjena
Ny fanomezam-pahasoavan’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fanadiovana amin’ny fahotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Mila an’i Jesoa Kristy isika. Ny iray amin’ireo anarana iantsoana Azy manan-danja indrindra dia ny hoe “Mpamonjy,” izay midika hoe “olona iray izay mamonjy.” Nahoana no mila vonjena isika? Nanazava i Abinadia mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “ny olombelona rehetra … ho very tsy nisy fiafarany raha tsy hoe nanavotra ny olony tamin’ny toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoany Andriamanitra” (Môzià 16:4). Raha tsy misy ny fanampian’ Andriamanitra dia hijaly mandrakizay amin’ny vokatry ny fahotana isika. Ankoatra izany, ny fahafatesana dia hihazona fahazoan-dalana mandrakizay ho an’ny rehetra.
Ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny hoe ny olona rehetra izay efa niaina teto an-tany—na inona na inona safidiny—dia hitsangana amin’ny maty sy handray vatana tonga lafatra sy tsy mety maty (jereo ny Almà 40:23). Ary noho i Jesoa Kristy dia afaka mahazo famelan-keloka sy fanadiovana amin’ny fahotana isika (jereo ny Môzià 4:1–3; Helamàna 3:35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).
Inona no atao hoe famonjena?
Ny famonjena dia fanomezam-pahasoavan’ny famonjena amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Tonga amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny herin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy izao tontolo izao izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:34). Tafiditra ao anatin’izany ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fahazoana ny tsy fahafatesana. Ny soratra masina sasany dia mampiasa ny teny hoe famonjena na voavonjy mba hilazana ny fiainana mandrakizay. Ny hoe mahazo ny fiainana mandrakizay dia ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fandraisana toerana hiaraka Aminy mandrakizay. Izany no “fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:13; 14:17).
Topimaso momba ny lohahevitra: Famonjena
Torolalalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Drafitry ny famonjena, Sorom-panavotan’i Jesoa Kristy, Fahasoavana, Fiainana mandrakizay, Ordonansin’ny fisolona tena ho an’ny maty
Fizarana 1
I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao
Iray amin’ireo tanjona lehibe indrindra eto amin’ny fiainana an-tany ny mianatra sy mino fa nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany ny Ray any An-danitra mba hamonjy antsika (jereo ny Jaona 3:16–17; 2 Nefia 25:26). Izany hafatra izany dia nambaran’ireo mpaminany nandritra ny arivo taona maro talohan’ny nahaterahany (jereo ny Môzià 13:33–35; Helamàna 8:13–20; 3 Nefia 20:23–24; Mosesy 4:1–2; 5:7–9). Tamin’ny andro farany dia nanambara ny tenivavolombelony sy ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24; 110:1–4).
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra hoe: “Ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelon’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra. Ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Vakio ny 2 Nefia 9:6–13 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42, izay mamaritra ny filantsika Mpamonjy iray. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika handresy ireo vokatry ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy?
-
Ny Topimaso mikasika ny Lohahevitry ny Filazantsara hoe “Famonjena” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile dia mampianatra fa misy lafiny manan-danja maro ao amin’ny famonjena. Avereno jerena ireo famariparitana ny famonjena voalaza ao amin’io lahatsoratra io, ary diniho hoe iza amin’ireo no manan-danja indrindra aminao. Nahoana izany famaritana izany no manako ao aminao? Hevero ny hirakitra ireo fahatsapanao ao amin’ny diarinao.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Jereo ny horonan-tsary “Because of Him” (2:44). Aorian’izay dia asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hizara ny zavatra tsapany rehefa nijery ilay horonan-tsary izy ireo. Inona no nianarako momba ny asa nanirahana an’ i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’izany fahalalana izany eo amin’ny fiainan’izy ireo?
-
Ny famonjena amin’ny fahafatesana dia fanomezana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra izay azo tanterahina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Iaraho mamaky ny 2 Nefia 2:4 sy ny 2 Nefia 25:23–24 Nahoana no zava-dehibe ny hoe tsy azo vidiana ny famonjena avy amin’ny fahotana, fa mifantoka kosa amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mitodika amin’ny Tompo amim-mpinoana bebe kokoa?
Hianatra misimisy kokoa
-
Russell M. Nelson, “Salvation and Exaltation [Famonjena sy fisandratana],” Liahona, May 2008, 7–10
-
Dallin H. Oaks, “Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray,” Liahona, mey 2022, 101–4
Fizarana 2
Tokony hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy isika
Olona tsara maro eto amin’izao tontolo izao no mikatsaka ny hahatakatra an’ Andriamanitra sy ny fomba ahafahany manatsara kokoa ny fiainan’izy ireo. Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ankehitriny dia lasa vavolombelon’i Jesoa Kristy rehefa atao batisa sy mandray fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 31:13, 18; Môzià 18:8–9; 3 Nefia 28:11). Rehefa miezaka ny ho tonga mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy isika dia miaina ny fahasoavany, izay mampatanjaka antsika. Ary amin’ny farany dia amin’ny alalan’ny fahasoavany no ahavoavonjy antsika (jereo ny 2 Nefia 25:23). Maneho ny fankasitrahantsika ny zavatra rehetra nataon’i Kristy ho antsika isika rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Amin’ny maha-mpandray ny fitiavany sy ny famelan-kelony ary ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny famonjena antsika dia manana andraikitra isika hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny olona rehetra izay mihaona amintsika (jereo ny Lioka 22:32; Môzià 18:8–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:61).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy ho anao? Rehefa mandinika io fanontaniana io ianao dia vakio na henoy ny lahatenin’ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika hoantsika?” Inona no ianaranao avy amin’io lahateny io momba ny herin’ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao? Inona avy ireo zavatra niainanao manokana niaraka tamin’i Jesoa Kristy ka azonao ampidirina ao amin’ny lisitry ny Filoha Oaks?
-
Ao amin’ny 2 Nefia 25:23, dia mianatra isika hoe “noho ny famindrampony no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.” Eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny hoe “voavonjy” dia midika hoe voadio amin’ny fahotana mba hahafahantsika miaina eo anatrehan’ Andriamanitra indray. Azonao atao ny mamerina mijery ny zana-pizarana “Ny zavatra rehetra azontsika atao” ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo.” Inona no dikan’ny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” eo amin’ny fiainanao? Inona no ifandraisan’ny “ny zavatra rehetra azontsika atao” sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Tian’ny Ray any An-danitra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampanantenana ny famonjena isika. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–17, izay mamaritra ny sasany amin’ireo antony hanantonana ny hafa miaraka amin’ny hafatra avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Inona avy ireo antony sasantsasany nomena ao amin’io andalan-tsoratra masina io mikasika ny antony hanasan’ Andriamanitra antsika hiaraka Aminy amin’ny asa hanampiana ny hafa hahazo ireo fitahian’ny famonjena? Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nahita ny fifaliana avy amin’ny fanampiana olona iray hafa handray ny filazantsara sy hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?
Hianatra misimisy kokoa
-
James E. Faust, “The Atonement: Our Greatest Hope,” Ensign, Nov. 2001, 18–20
-
“Takatry ny Mpamonjy aho” (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org
Fizarana 3
Mitohy ao amin’ny Tontolon’ny Fanahy ny Asa Famonjena
Mampianatra ny soratra masina fa ny fanavotana amin’ny fahafatesana, na ny fitsanganana amin’ny maty dia fanomezana ho an’ireo rehetra izay efa niaina hatrizay, na inona na inona safidin’izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 24:15). Kanefa ny famonjena amin’ny vokatry ny fahotana dia mitaky finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana. Fantatsika ihany koa avy amin’ny soratra masina fa tsy maintsy atao batisa isika mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 3:5).
Kanefa maro tamin’ireo zanak’ Andriamanitra no maty nefa tsy natao batisa na nandre momba an’i Jesoa Kristy mihitsy aza. Ahoana no ahafahan’ireo olona ireo mandray famonjena? Mampianatra ny soratra masina fa namangy ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy taorian’ny nahafatesany (jereo ny 1 Petera 3:18–20). Nandrindra ny ezaka mba hitoriana ny filazantsara tany izy, ka nanome lalana ho an’ny rehetra mba hananan’ny rehetra fahafahana hianatra ny filazantsara. Ireo mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manatanteraka batisa isoloana tena sy ôrdônansy hafa ho an’ny maty any amin’ny tempoly, manolotra fahafahana ny famonjena amin’ny alalan’i Kristy amin’ny fanahin’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5, 18).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo fanambarana manan-danja mikasika ny fanavotana ny maty. Ohatra, vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–32. Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io anao momba ny asan’ Andriamanitra mba hahatonga ny famonjena ho azo raisina any amin’ny tontolon’ny fanahy?
-
Mampianatra antsika ny soratra masina fa masina ny ankizy madinika ary hamasinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary tsy mila atao batisa mba hahazoana famonjena. Loharanom-pitaovana enti-mandalina: Vakio ny Môrônia 8:8–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:7; 137:10. Inona no nianaranao momba ny toetran’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ahafahan’io fotopampianarana io manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana izay manana olana amin’ny fahafatesan’ny zanaka iray?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128, dia nanoratra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo [ireo razambentsika]; sady tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika” (andininy 18). Inona araka ny eritreritrao no tian’izany holazaina? Manasà mpianatra maromaro hizara ny hevitr’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa ny olona ao amin’ny vondrona hianatra momba ny razambe iray izay efa nodimandry na, raha afaka manao izany izy ireo, mba hanao fanendrena ao amin’ny tranon’ny Tompo mba hanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny maty.
Hianatra misimisy kokoa
-
D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 9–11
-
Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 401–10
-
Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith (2011), 128–35