Tahirim-pitaovana
Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara


“Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

zatovolahy mandeha an-tongotra sy miresaka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Ny fomba hanasantsika am-pitiavana ireo zanak’ Andriamanitra handray ireo fitahiana avy Aminy

Alaovy sary an-tsaina hoe mandeha amin’ny lalana iray miaraka amin’ny namana iray ianao. Maizina ilay lalana, saingy manana jiro fanao am-paosy ianao mba hanazavana ny lalana. Azonao ampiasaina ilay jiro fanao am-paosy mba ho mora kokoa aminao fotsiny ny mahita ny zavatra miandry anao ao aloha ao. Kanefa noho ianao maniry ny mba hahamora ihany koa ny dian’ny namanao, dia zarainao amin’izy ireo koa ny jironao.

Manasa ny rehetra isika mba handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy noho ny antony mitovy amin’izany: mahatonga ny diantsika mandritra ny fiainana hazava ny filazantsara. Mamaly ireo fanontaniana ananan’ny fanahy izany ary manome antsika fomba fijery sy fiadanana ary fifaliana. Noho izany dia zaraintsika amin’ny zanak’ Andriamanitra izany satria tiantsika izy ireo ary tiantsika hahazo tombontsoa avy amin’ny fahazavany avokoa (jereo ny 3 Nefia 18:24).

Inona no dikan’ny hoe Manasa ny rehetra handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia miezaka isika ny hanasa ny rehetra handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy satria “teny soa mahafaly” (Romana 10:15) izany. Manasa ny hafa isika handray ny filazantsara “amin’ny teny sy amin’ny ohatra.” Mety ho toy ny mizara ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro izany, manompo amin’ny maha-misiônera, ary “[manampy] ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao sy niverina mazoto indray handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.” Rehefa manampy ny hafa isika “handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanomezan’ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany,” dia afaka miaina fifaliana marina isika.

Topimaso momba ny lohahevitra: Asa fitoriana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Church of Jesus Christ, Conversion, Everlasting Covenant, Gathering of Israel

Fizarana 1

Manampy an’ Andriamanitra hanatanteraka ny asany isika rehefa manasa ny rehetra handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

vehivavy mifampiresaka any am-piangonana

Tian’ Andriamanitra handre ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny zanany rehetra mba hahafahan’izy rehetra mandray ireo fitahiana avy amin’izany. Fomba iray hitondran’ny Tompo ny filazantsarany any amin’ny hafa ny fiantsoana antsika “hanambara ny teniny eo anivon’ny vahoakany” (3 Nefia 5:13). Mahatsapa fifaliana isika rehefa mizara ny teniny, manome fahafahana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy sy hahatsapa ny fampiononany sy ny fanantenany ary ny fiadanany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Sarobidy amin’ Andriamanitra ny fanahy tsirairay. Tiany hiverina any Aminy daholo isika rehetra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16, ary diniho ny hasarobidin’ireo zanak’ Andriamanitra. Nahoana no tian’ny Tompo hizara ny filazantsara amin’ny hafa ianao? Mieritrereta olona iray izay nizara ny filazantsara taminao na nanampy anao hanatona an’i Kristy. Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nizara ny fahazavan’ny Mpamonjy taminao izany olona izany? Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao ary soraty avy eo ny fomba ahafahanao mizara ny teniny amin’ny hafa.

  • Mahomby amin’ny fizarana ny filazantsara isika rehefa manasa ny hafa hianatra momba izany na mba ho avy fotsiny ary hahita hoe mombana inona izany. Mety hanaiky ny fanasantsika izy ireo, na mety tsy hanaiky. Vakio ny fizarana antsoina hoe “Zarao ny tantaranao” ao amin’ny hafatry ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe “Ilay dianao lehibe mampientanentana.” Eritrereto hoe iza no azonao asaina hianatra momba ny filazantsara na iza no azonao asaina indray. Ahoana no ahafahanao maneho ny fitiavanao sy ny fanajanao izany olona izany rehefa manasa azy ireo ianao? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia zava-dehibe ny mifandray amin’ny hafa amin’ny fomba izay tian’izy ireo na ilainy. Miaraha mamaky hevitra vitsivitsy mikasika ny fomba hanaovana izany ao amin’ny “Tadiavo any amin’izay misy azy ireo ny olona” ao amin’ny toko 9 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Resaho ireo fanontaniana sy hevitra ato amin’ity fizarana ity ary mifanakaloza hevitra amin’ny hafa. Avy eo dia lalaovy an-tsehatra ny resadresaka iray izay hanasanareo olona hianatra momba ny filazantsara. Aorian’izay dia ampiharo amin’ny fiainanareo manokana ireo fitsipika ireo rehefa manasa ny hafa hanatona an’i Kristy ianareo.

  • Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 dia miresaha momba izay olona voantso hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny andininy 3). Ifanakalozy hevitra avy eo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy voatanisa ao amin’ny andininy 5–6 sy ny fomba ahafahan’izy ireo manampy antsika hizara ny teniny. Afaka miara-milalao kilalao ianareo mba hanampiana anareo hahatsiaro ireo toetra ireo. Atombohy amin’ny fanipazana baolina amin’ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anao izany. Rehefa mahasambotra ilay baolina izany olona izany dia asaivo milaza ny iray amin’ireo toetra noresahinao izy ireo. Tohizo ilay kilalao mandra-paha voatonona ireo toetra rehetra voalaza. Afaka mamerina im-betsaka ilay kilalao hatramin’ny voalohany ianareo mba hahitana raha mahavita manao izany haingana kokoa isaky ny mandeha. Misafidiana toetra iray hanaovana ezaka ny mba hananana azy, ary jereo rehefa mandeha ny fotoana ny fomba anampian’izany anao hanasa ny hafa handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Afaka manampy ny hafa handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika rehefa mitia sy mizara ary manasa

vehivavy miresaka amin’ny vehivavy iray hafa eo ivelan’ny trano iray

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia tiantsika handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona rehetra “satria tia an’ Andriamanitra sy ireo zanany isika” ary tiantsika hahatsapa fifaliana tahaka izay tsapantsika ny hafa. Tsotra ny fitondrana ny filazantsara any amin’ny hafa—mila mitia sy mizara ary manasa fotsiny isika. Indraindray isika dia manao izany amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataon’ny misiônera ao amin’ny Fiangonana. Matetika isika no mitia sy mizara ary manasa amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny firesahana momba ny finoantsika amin’ny fomba mahazatra sy mandeha ho azy. Rehefa mizara ny filazantsara amin’ny olona any amin’ny toerana rehetra isika dia manampy amin’ny fanomanana ireo zanak’ Andriamanitra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Indraindray isika dia mety te hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy saingy tsy azontsika antoka hoe aiza no hanombohana izany. Avereno jerena ny hafatry ny Loholona Gary E. Stevenson hoe “Mitia, mizara, manasa” mba hahazoana hevitra mikasika ny fomba hizarana ny filazantsara amin’ny fomba mahazatra sy mandeha ho azy. Vakio avy eo ny Matio 7:7 sy ny 3 Nefia 18:20 ary saintsaino ny fomba ahafahanao mangataka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fizarana ny filazantsarany amin’ny hafa, anisan’izany ny namanao, ny mpifanolo-bodirindrina aminao, ary ireo olona akaikin’ny fonao. Mivavaha mba hahazo ny fitarihany, ary avy eo dia mitadiava fahafahana hanao asa fitoriana. Raketo an-tsoratra ny fomba fahitanao ny fiasan’ny tanan’ny Tompo rehefa manasa amim-pitiavana ny hafa hianatra momba ny filazantsarany ianao.

  • Manana fahafahana hanompo amin’ny maha-misiônera isika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Vakio ny “Torio ny filazantsaran’ny fiadanana” izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny “Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo” izay nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband. Nahoana ny Tompo no mila misiônera amin’ny sokajin-taona rehetra mba hitondra ny filazantsarany amin’ny hafa? Ahoana no hitahiany azy ireo noho ny ezaka ataon’izy ireo? Eritrereto ny fomba nahitanao ireo misiônera nanaraka ireo fitsipiky ny fitiavana sy ny fizarana ary ny fanasana mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy. Inona no azonao atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’izy ireo? Azonao atao ihany koa ny misaintsaina raha afaka manao asa fitoriana ianao ary manomboka miomana amin’izany lalana misokatra izany.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ao amin’ny hafany hoe “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanome sosokevitra tsotra miisa dimy hizarana ny filazantsara. Iaraho mijery ireo sosokevitra ireo ary resaho ny fomba ahafahantsika mampihatra izany eo amin’ny fiainantsika manokana. Azonareo atao ihany koa ny mijery ny “Des moyens simples pour aimer, faire connaître, et inviter” na ny “Simple Ways to Love, Share, and Invite for Youth” ary miresaka ny fomba ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fomba mandeha ho azy. Ampiharo araka ny fitaomam-panahy azonareo ireo fitsipika ireo amin’ny alalan’ny fizarana amin’ny fomba mandeha ho azy ny filazantsara eo amin’ny fiainanareo. Afaka mihaona indray ianareo mba hiresaka momba ny ezaka nataonareo sy ny zavatra nianaranareo momba ny asa fitoriana ao anatin’izany dingana izany.

  • Ny fanaovana asa fitoriana dia mety ho lalana misokatra manova fiainana. Vakio ny “Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana” izay nataon’ny Filoha M. Russell Ballard mba hianarana momba ny sasany amin’ireo fitahiana azo avy amin’ny asa fitoriana. Raha efa nanao asa fitoriana ianao dia zarao hoe nitahy ny fiainanao tamin’ny fomba ahoana ny asa fanompoana nataonao. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny fomba ananan’ny mpikamban’ny Fiangonana fahafahana hitia sy hizara ary hanasa amin’ny maha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno, misiônera mpanao asa fanompoana, ary misiônera zokiolona, ary resaho ny andraikitra samihafa sahanin’izy ireo. Azonareo atao ihany koa ny miara-mihira ny “Ny lalanao no lalako sy mifanakalo hevitra momba ny fomba hanampian’ny Tompo antsika hitia sy hizara ary hanasa na aiza na aiza angatahiny hanompoantsika (jereo ny 1 Nefia 3:7).

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Asa fitoriana,” Médiathèque de l’Évangile.

  2. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2.3, Médiathèque de l’Évangile.

  3. Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 1.

  4. Dieter F. Uchtdorf, “Ilay dianao lehibe mampientanentana,” Liahona, nôv. 2019, 88–89.

  5. Torio ny filazantsarako, 171–172.

  6. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.1.2.

  7. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 17.

  8. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.1.3.

  9. Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 92.