“Natahotra ny hiresaka tamin’ny evekako aho—Ahoana no ho fihetsiny?” Liahona, jan. 2026.
Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro
Natahotra ny hiresaka tamin’ny evekako aho—Ahoana no ho fihetsiny?
Nanao safidy ratsy aho. Saingy rehefa niresaka tamin’ny evekako aho dia fampaherezana no zavatra tsapako.
Rehefa nipetra-drery voalohany aho dia nanana fahatsapana fahafahana vaovao.
Nifindra tany Philippines aho mba hanomboka hianatra, ary lafo ny saran’ny fiaramanidina mody any aminay. Noho izany dia indray mandeha isan-taona ihany aho no mitsidika mba hanavao ny visa. Noho ny tsy fisian’ny hery mitarika feno fahatokiana avy amin’ny fianakaviako teo akaiko, dia nihananalavitra ny filazantsara aho.
Nanomboka nifoka sigara sy nisotro toaka ary nanao ireo zavatra hafa izay nampianarina ahy fa mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra aho.
Fahatsiarovana ilay hoe “iza aho”
Tsy niraharaha aho tamin’ny voalohany. Hitako ho toy ny feno famerana ireo fitsipiky ny Fiangonana. Mbola nandeha niangona aho, saingy nahatsapa ho tsy mendrika aho tany anatiko lalina tany ka nitsahatra tsy nandray ny fanasan’ny Tompo nandritra ny volana maro.
Namely ny COVID-19 avy eo ka nampiato ireo zavatra nataoko rehetra. Nahafantatra zavatra iray nanafintohina aho nanodidina izany fotoana izany, dia ny hoe zanaka natsangana aho. Tsy nilaza izany velively tamiko ny ray aman-dreniko, ka nandalo olana kely mikasika ilay, maha-izaho ahy, ahy aho.
Tsapako ho lavitra an’ireo zavatra rehetra izay, nisy fotoana, efa ninoako aho. Fantatro fa nila namantatra indray aho hoe iza marina moa aho. Rehefa nody aho tamin’ny farany dia naborako tamin’ny ray aman-dreniko ny zavatra rehetra—tafiditra tao anatin’izany ireo safidy nataoko. Namaly tamim-pitiavana izy ireo fa tsy nibedy ahy. Nampahatsiahivin’izy ireo ahy hoe iza marina aho; zanakalahin’izy ireo sy zanakalahin’ Andriamanitra malalany.
Fanampiana teo am-piovana
Naniry ny hiova aho. Namporisika ahy mba hiresaka amin’ny evekako ny ray aman-dreniko, sy hanomboka ny dingan’ny fibebahana, ary hiantehitra amin’ny hery manavotry ny Mpamonjy.
Natahotra aho anefa! Natahotra ny ho voasazy na hotsaraina noho ny safidiko aho. Raha ny mahazatra dia tsy miraharaha izay eritreretin’ny olona momba ahy aho, saingy ny evekako dia lehilahy iray tena miavaka, ka tsy te handiso fanantenana azy aho amin’ny alalan’ny filazana aminy ny zavatra nataoko.
Nampianatra anefa ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Aza miafina an’ireo izay hitia sy hanohana anao, fa mihazakazaha kosa mankany amin’izy ireo. Afaka manampy anao hahazo ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo eveka sy filohan’ny sampana, ary mpitarika mahafinaritra.”
Ny eveka dia “mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana mba hisoloana tena ny Tompo amin’ny fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hibebaka.” Raha tokony ho niatrika fitsarana henjana aho rehefa niresaka taminy, dia fampaherezana no zavatra tsapako tao amin’ny biraon’ny evekako. Tsapako fa natoky azy ny Tompo mba hanampy ahy, ary tsapako fa afaka matoky azy koa aho.
Namporisika ahy hianatra momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ny evekako tamin’ny alalan’ny fanorenana fahazarana ara-panahy. Nihaona tsy tapaka tamin’ny evekako aho, ary niantso ahy isan-kerinandro izy mba hanontany vaovao. Nahatsapa ho tena tiana tokoa aho isaky ny niresaka taminy.
Ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana
Tamin’ny farany, dia nanalavitra ireo fitondrantena tsy mendrika teo amin’ny fiainako aho niaraka tamin’ny fanampian’ny evekako. Somary sahiran-tsaina ihany anefa aho mikasika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo indray. Tena mendrika tokoa ve aho na dia taorian’ireo asa rehetra izay efa nataoko aza?
Nanome toky ahy anefa ny evekako. Nampahatsiahy ahy izy fa tsy voatery ho tonga lafatra aho—fa vonona fotsiny. Nanao izay tsara indrindra vitako aho ary fantatry ny Mpamonjy izany ary mbola hanohy hamela ahy Izy rehefa miantehitra amin’ilay fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana aho.
Vao haingana ny Rahavavy Tamara W. Runia, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany no nampianatra hoe: “Ny manatona an’i Kristy dia ny miteny hoe -Hanampy ahy ve ianao?- amim-panantenana, izay fanomezan-toky nambara fa ny tanany dia mitolotra aminao mandrakariva.”
Taorian’izany zavatra niainana izany dia nanomboka nanavao ny fanekempihavanako tamim-pahatokian-tena tamin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo aho. Nahatsapa ho toy ny olona vaovao aho, niaraka tamin’ny fahatsapana vaovao hoe iza marina aho ary inona no vitako miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Nanao asa fitoriana mihitsy aza aho satria taorian’ny nahitako fa tena nanova ny fiainako ny fanomezana fanavotana avy amin’ny Mpamonjy dia naniry ny hanampy ny hafa hahita ny fanantenana omeny ahy isan’andro aho.
Tsy feno famerana ny didy. Misy izany satria tian’ Andriamanitra hahomby sy hivoatra ary hanalavitra ny fandriky ny fahotana isika. Ny ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny fitiavany sy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika. Satria miaina izany fitiavana tonga lafatra izany aho dia miezaka ny hitovy kokoa amin’ Izy Ireo.
Mameno fifaliana ny fiainako ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana avy amin’ Izy Ireo.