Liahona
Vavaka ao am-poko
Liahona janoary 2026


“Vavaka ao am-poko,” Liahona, jan. 2026.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Vavaka ao am-poko

Nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainako ny torohevitra nomen’ny reniko isan’andro momba ny vavaka.

Sarina vehivavy iray manoroka ny zanany lahy

Sary nataon’i Allen Garns

Fony aho nianatra tany amin’ny sekoly ambaratonga voalohany dia fanaon’ny reniko foana ny manolotra ahy ny sakafoko, manoroka ahy eo amin’ny andriko ary milaza hoe: “Ataovy izay tsara indrindra vitanao anio, ary tsarovy ny manao vavaka ao am-ponao.” Niteny izany foana izy isa-maraina, hatrany amin’ny lisea.

Raha ny marina dia ny “manaova vavaka ao am-ponao” no zavatra farany nolazainy tamiko rehefa handeha fiaramanidina hanao asa fitoriana mandritra ny roa taona tany Floride aho. Tena zatra nandre izany fomba fiteny izany aho ka tsy dia nieritreritra loatra izany aho tamin’izaho mbola kely. Nieritreritra aho fa zavatra iray efa filazan’ny olona nitovy taona taminy izany, toy ny hoe “Mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao.”

Fony aho misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno dia nianatra niteny Espaniôla aho, rehefa nanompo tany Miami, Floride, Etazonia. Hitako fa ireo namanay vaovao, izay maro tamin’izy ireo no avy any Cuba sy Porto Rico, dia tahaka ny reniko mihitsy. Ny fianakaviana rehetra izay novangianay dia nanolotra firarian-tsoa mifono fitiavana nitovy tamin’izany: “Vaya con Dios” (Mandehana miaraka amin’ Andriamanitra).

Rehefa nanomboka nahatakatra ny tian’ny reniko holazaina aho tamin’ny farany dia nanomboka nitady fomba tena hanaovana vavaka ao am-poko. Rehefa nanao izany aho dia nitombo ny fankasitrahako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Niaina faharetana lalina kokoa aho tao anatin’ny fotoam-pitsapana sy fotoan-tsarotra. Nahatsapa fitiavana lehibe kokoa ho an’ny ray aman-dreniko aho sy fankasitrahana an’ireo fahafoizan-tena nataon’izy ireo ho ahy.

Indray andro dia namaky momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny Nefita taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty aho. Ny andro faharoan’ny fitsidihany dia “nandidy ny mpianany Izy ny hivavahany.” Rehefa nivavaka izy ireo dia nivavaka koa ny Mpamonjy, ka niteny teny “lehibe sy mahatalanjona”. Rehefa vita izany dia nandidy ny valalabemandry Izy mba “tsy [hitsahatra hivavaka ao am-pony]” (3 Nephi 19:17, 34; 20:1).

Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fieritreretana ny vavaka ho toy ny fitoeran-tsary efajoro izay mamaritra manodidina ireo zavatra ataontsika isan’andro. Izany vavaka mamaritra manodidina izany miaraka amin’ny fitiavana sy ny fankasitrahana dia manampy antsika hifantoka amin’ny Mpamonjy sy hitandrina ny fanekempihavanantsika.

Feno fankasitrahana aho noho ny torohevitry ny reniko isan’andro mba “tsy hitsahatra hivavaka” ao am-poko. Nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainako izany.