Liahona
Ny namanao “Avia, hanaraka Ahy”
Liahona janoary 2026


“Ny namanao Avia, hanaraka Ahy”, Liahona, jan. 2026.

Ny namanao Avia, hanaraka Ahy

Ny loharanom-pitaovana ho an’ity taona ity dia ahitana zavakanto vaovao sy hevi-baovao mampisaintsaina ho an’ny fandalinanao ny Testamenta Taloha.

Sarin’ny lehilahy iray izay ampiakarina amin’ny alalan’ny tady

I Will Surely Deliver Thee [Fa hovonjeko tokoa ianao], nataon’i Eva Timothy, tsy azo adika

Moa ve tsy ho tsara raha toa ka rehefa mamaky ny soratra masinao ianao, dia manana namana iray mipetraka eo akaikinao foana, izay mankahery anao? Angamba izany dia olona iray izay tia ny soratra masina ary tena faly noho ny famakianao izany, ka mila tsy ho voafehiny ny fihetseham-pony. Indraindray ilay namanao milaza zavatra toy ny hoe: “Tsy mahatalanjona ve io ampahany io?” “Inona no eritreritrao momba ireo andinin-tsoratra masina ireo? “Oay! Tahaka ny fiainantsika mihitsy izany, sa tsy izany?” Raha toa ianao ka mihitsoka ao anatin’ny andinin-tsoratra masina sarotra iray na mikorontan-tsaina eo anatrehan’izany dia mety hiteny zavatra toy izao ilay namanao: “Ity ary misy fomba iray hijerena izany. Manampy ve izany?”—na dia mitandrina aza izy mba tsy hanambara zavatra tsy tokony hambarany. Namana rahateo moa izy, raha ny marina.

Ny Avia, hanaraka Ahy dia karazana namana toy izany. Ny tanjony dia ny hanampy anao hiaina zavatra mahatalanjona ao anatin’ny famakiana ny soratra masina. Afaka mampitodika anao any amin’ireo andinin-tsoratra masina izay hanampy amin’ny fanorenana ny finoanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izany—ary avy eo dia afaka manampy anao hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ireo zavatra izay mitranga eo amin’ny fiainanao. Afaka manampy izany rehefa manana fanontaniana ianao, saingy matetika ny Avia, hanaraka Ahy dia hametraka fanontaniana aminao fa tsy hamaly ireo fanontaniana, satria ny tena namana dia tsy handroba velively any aminao ilay fahafinaretana azo avy amin’ny fikarohana ireo fahamarinana ara-panahy izay ataonao manokana.

Ny Avia, hanaraka Ahy dia afaka manao ireo zavatra mahafinaritra rehetra ireo amin’ny fotoana rehetra hamakianao ny soratra masina. Eny fa na dia rehefa mamaky ny Testamenta Taloha aza ianao amin’ity taona ity.

Ankoatra ireo fanontaniana mampisaintsaina sy ireo hevitra momba ny sahanasa, dia hahita endri-javatra hafa manampy ianao ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ireto ny vitsivitsy amin’izany:

Topimaso ankapobeny momba ny Testamenta Taloha

Any am-piandohan’ny Avia, Hanaraka Ahy, ho an’ny taona 2026 dia hahita sary manome topimaso ankapobeny momba ny Testamenta Taloha ianao. Izany dia tahaka ny rindran-damina iray izay ahitana ny anaran’ireo mpaminany sy mpanjaka ary ireo olona hafa manan-danja. Manampy izany satria ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy milahatra ara-banimpotoana. Ilay topimaso ankapobeny dia afaka mampiseho anao, ohatra, ny toerana mifanaraka amin’ireo rakitsoratr’ireo mpaminany toa an’i Isaia sy i Jeremia ao amin’ny tantaran’ny Fanjakan’i Joda. Afaka mahita ny toerana mifanaraka amin’ireo tantaran’i Daniela sy i Estera ao anatin’ilay sary mivelatry ny Testamenta Taloha ianao. Raha toa ianao ka mahatsapa ho very ao amin’ny Testamenta Taloha, dia jereo ny “Topimaso ankapobeny momba ny Testamenta Taloha” mba hahitana fitarihan-dalana.

Zavakanto vaovao

Sary hosodoko vaovao novokarina manokana miisa roa ambin’ny folo no nafarana ho an’ny Avia, Hanaraka Ahy amin’ity taona ity. Ireto ny sasantsasany amin’ireo zava-baovao miavaka ireo:

  • Enoch Sees the Meridian of Time [Nahita ny mitataovovonan’ny fotoana i Enoka], nataon’i Jennifer Paget, izay fanehoana an-tsary mifono tandindona ny fahitana hitan’i Enoka momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Mosesy 7).

  • Stand as a Witness [Mijoro ho vavolombelona], nataon’i Kwani Povi Winder, izay mampisongadina ilay “zazavavy mpanompo” izay nitondra fahagagana lehibe ny fijoroana ho vavolombelona tsotra nananany (jereo ny 2 Mpanjaka 5).

  • I Have a Great Work to Do [Manana asa lehibe hataonao aho], nataon’i Tyson Snow, izay maneho ny fahavononan’i Nehemia hamerina hanorina ny mandan’i Jerosalema, na teo aza ny fanoheran’ireo fahavalo (jereo ny Nehemia 4).

  • I Will Surely Deliver Thee [Fa hovonjeko tokoa hianao], nataon’i Eva Timothy, fanehoana an-tsary ny nanafahan’i Ebeda-meleka Etiopiana an’i Jeremia tao amin’ny lavaka feno fotaka iray (jereo ny Jeremia 38–39).

“Hevitra tokony hotadidina”

Indraindray ny fisesisesen’ireo torolalana ho an’ny fandilanana isan-kerinandro ao amin’ny Avia, Hanaraka Ahy dia miato eo amin’ny “Hevitra tokony hotadidina.” Ireo dia lahatsoratra kely momba ireo lohahevitra toy ny fanekempihavanana, ny fahafoizan-tena, ny fanangonana an’i Isiraely, ary ny tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny “Hevitra tokony hotadidina” dia manolotra sahan-kevitra ara-tantara, fomba fijery amin’izao andro farany izao, ary hevi-baovao tsotra izay mety hanamora ny fiainana zavatra manorina finoana rehefa mandalina ny Testamenta Taloha.

Tahaka ny tao anatin’ireo taona maro lasa, dia tsy ny Avia, Hanaraka Ahy no fototry ny fandalinanao. Namana manampy fotsiny izany rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina ianao. Izany no ilàna ny namana.