“Nahatsapa fiadanana aho”, Liahona, jan. 2026.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Nahatsapa fiadanana aho
“Toy ireny hoe tsy mbola ampy ireny ny fanaintainako,” hoy aho tany an’eritreritra, “Izao aho dia voatery hitendry hira sarotra indray.”
Sary nataon’i Allen Garns
Rehefa nandray antso anankiroa tao am-piangonana mba ho mpitendry pianô aho tao anatin’ny herinandro iray, dia nanomboka niahiahy ny amin’ny fomba hahitako fotoana hanatanterahana ireo andraikitro hafa any an-tokantrano sy any am-piasana ary any an-tsekoly. Ny faniriako lehibe indrindra tao am-poko dia ny hanompo ny Tompo sy hitondra ny Fanahiny eo amin’ny olona eo am-pampivoarana ny talentako. Tsapako anefa ny tsy fahafahako manolo-tena araka ny hitiavako azy amin’ireo antso vaovao noraisiko ireo.
Ny herinandro manaraka dia maro ireo zavatra nangatahana mba hatao tany amin’ny orinasa niasako. Ny ankamaroan’ny asako dia atao amin’ny alalan’ny fitendrena solosaina ka nanomboka narary ny sandriko sy ny hatotanako. Niahiahy aho raha toa ka ho afaka ny hitendry pianô na tsia, raha tsy miala ny fanaintainako.
Ny alahady rehefa nitendry feon-kira mialoha ny fivoriana tamin’ny pianô tao amin’ny trano fiangonana aho, dia nanomboka narary indray ny hozatro. Nivavaka haingana tao am-poko aho, nangataka hery mba hanohizana ny fitendrena nataoko.
Nandritra ny fanasan’ny Tompo dia hitako fa ny hira manaraka izay efa nalahatra dia hira iray izay tsy notendreko efa ela. “Toy ireny hoe tsy mbola ampy ireny ny fanaintainako,” hoy aho tany an’eritreritra, “Izao aho dia voatery hitendry hira sarotra indray.” Tamin’izay fotoana izay no namakiako ireto teny ireto, izay nilaza mazava ny zavatra tsapako:
Rehefa namaky izany aho dia nahatsapa fiadanana. Fantatro fa nahafantatra ny fanaintainako ny Mpamonjy. Raha ny marina dia efa niaretany izany (jereo ny Almà 7:11–12). Tsy voatery hiatrika izany fotoana izany irery aho! Tsy nampoiziko fa nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo aho.
Rehefa nanomboka nitendry aho dia tsy nahatsapa fanaintainana intsony, ary toy ny efa nahazatra ny rantsantanako ireo mari-peo. Tsapako fa ny asa fanompoana nataoko dia nanoritra ny lalana hanasitranana ahy sy hitondrana ahy hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra.
Rehefa misaintsaina ny zavatra niainako teo amin’ny pianô aho dia fantatro fa tsy nitendry irery aho. Nikasika ahy ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavany. Tonga izany traikefa ara-panahy izany satria nanompo Azy aho. Fantatro fa ho eo foana Izy hanohana sy hanome hery antsika raha toa ka vonona ny hanompo Azy isika.