Liahona
Hitarika ahy ny Tompo
Liahona janoary 2026


“Hitarika ahy ny Tompo”, Liahona, jan. 2026.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Hitarika ahy ny Tompo

Tamin’ny alalan’ny finoana, fankatoavana, faharetana ary vavaka no nianarako fa tsy mila matahotra ny hoavy aho.

fanehoana an-tsary ny mpanoratra

Sary nataon’i Allen Garns

Lehibe tao anatin’ny fihirana aho ary voahodidin’ny mozika. Ny nofinofiko fony mbola ankizy dia ny ho lasa mpihira matihanina. Nibata fandresena maromaro mihitsy aza aho tao anatin’ny fifaninanan-kira. Saingy nisy fotoana teo amin’ny fiainako izay nahatsapako fahabangana rehefa nieritreritra ny tanjon’ Andriamanitra ho ahy aho mihoatra an’ireo sitraka sy dera avy amin’ny hafa.

Ny fananana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nihanibahana teo amin’ny fiainako dia nanampy ahy hanana finoana tao anatin’ireo fotoana nisian’ny fisalasalana. Nanampy ahy koa izany mba hahatakatra fa tian’ny Ray any An-danitra hampiasa ny talenta nomeny ahy aho mba hanakaikezana Azy sy hanomezana voninahitra Azy.

Na dia natsahatro aza ilay nofinofiko dia nahatsapa aho fa tokony hanohy hihira sy handalina mozika.

Tamin‘ny faha-25 taonako dia nahavita ny fianarako momba ny maritrano aho ary nanovo fianarana tamin’ny alalan’ny BYU–Pathway Worldwide sy Brigham Young University–Idaho, izay nanampy ahy hanatsara ny fahafahako miteny anglisy.

Avy eo dia nisy fahagagana nitranga.

Nahazo fanasana aho mba ho misiônera mpihira ao anatin’ilay Fandaharan’asa maneran-tany ho mpandray anjara ao amin’ny Amboarampeon’ny Tabernakely. Tsy nahafantatra aho fa ny zavatra rehetra izay nataoko nandritra ny taona maro dia nanampy ahy hiomana ho amin’izany fotoana izany. Valin’ny vavaka nataoko sy valin’ny faniriako ilay fanasana. Fantatry ny Ray any An-danitra any am-piandohana ny fiafarana ka nanome fahafahana ahy mba hihira miaraka amin’ny Amboarampeon’ny Tabernakely ao Temple Square Izy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana ôktôbra 2024.

Amin’ny alalan’io zavatra niainana io no ahafahako mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ny fananana faharetana, ary ny fahatokiana fa manana tanjona Andriamanitra, na dia mety tsy takatsika aza izany tanjona izany. Nampanantenaina isika hoe: “Mety tsy ho hainao ny tokony hatao rehefa avy eo, saingy afaka manaraka ny Mpamonjy amim-pinoana isika fa hifarana amin’ny fomba tsara sy amim-pandresena ny diantsika satria hitarika antsika soa aman-tsara any amin’izay tokony hisy antsika Izy.”

Ho an’ireo izay mikatsaka ny lalana hodiaviny dia fantaro fa ny Tompo dia manana zavatra nomanina ho anao izay tsara kokoa noho izay azonao eritreretina. Raha manaraka Azy isika dia hahazo izay nomaniny ho antsika. Mety tsy hazava ilay lalana, ary mety ho sarotra ny fiainana, saingy mbola manao fahagagana ho an’ireo zanany ny Tompo.

Nianatra aho fa amin’ny alalan’ny finoana, fankatoavana, faharetana ary vavaka dia hitarika ahy ny Tompo.