“Tsy natao handresena ny fahotana fotsiny ihany ny fibebahana”, Liahona, janoary 2026.
Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro
Tsy natao handresena ny fahotana fotsiny ihany ny fibebahana
Ny fitodihana any amin’i Kristy, izany hoe, ny fanovana ny toetrantsika sy ny fampifanarahana ny fomba fijerintsika amin’ny Azy, dia endrika irain’ny fibebahana koa.
Sary nataon’i Nate Wilde
Fony aho tany am-panaovana asa fitoriana dia tsy afaka nanatrika ny fanambadian’ilay namako akaiky indrindra aho.
Tsy nitsahatra nieritreritra azy aho nandritra ny andro iray manontolo. Fony izahay niray efitrano tany amin’ny oniversite no nifankahafantaranay, ary tsy ela izy dia lasa toy ny rahavaviko. Fantatro fa notarihin’ny Ray any An-danitra aho mba hihaona aminy.
Saingy ankehitriny dia tsy afaka ny ho eo aho mba hankalaza ny iray amin’ireo fotoana lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Tena tezitra aho.
Fitsapana tsy nampoizina
Tsy tonga lafatra ny fiainako talohan’ny nanaovako asa fitoriana, saingy tsara. Tiako ny tany amin’ny oniversite, ary vao avy nanorina finamanana izay tsara indrindra tamin’izay nananako hatrizay aho. Azoko lazaina hoe faly aho.
Fantatro fa ho sarotra ny manao asa fitoriana. Na izany aza dia nanana fanantenana aho fa ny fanaovana asa fitoriana no ho 18 volana tsara indrindra eo amin’ny fiainako, ary ho zara raha hisy fahasarotana.
Saingy enim-bolana taty aoriana, dia ny fanambadian’ilay namako no lasa zavatra vaovao voalohany indrindra niditra tao anatin’ilay lisitry ny zava-tsarotra izay tsy neritreretiko mihitsy. Nahatonga ahy ho manirery sy nitebiteby ny fifindrana tany amin’ny firenena hafa iray sy ny fianarana fiteny vaovao. Nandreraka ny saina ilay fandavana niainana izay anisan’ny mandrafitra ny fiainan’ny misiônera. Tsoriko fa dia te hody fotsiny izao aho.
Reraka sy sorena aho, ary tsy nanana fahatsapana ho notoloran’ Andriamanitra ilay fanantenana sy fifaliana izay tena nilaiko mafy. Rehefa avy nanandrana ireo safidy hafa rehetra azo atao aho vao nitodika tany amin’ilay fampanantenana iray avy ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy izay milaza fa hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra aho amin’ny alalan’ny soratra masina.
Fomba fijery vaovao
Rehefa nandalina ny soratra masina aho dia nahita fa nisy nifandraisany lalina tamiko ny tantaran’i Eva. Noroahina hiala ny paradisa izy mba hankany amin’ny tany foana iray maizina sy mahonena, ary ohatrohatra izany ny zavatra tsapako. Nitranga ilay fiovana niainan’i Eva noho ny safidy iray manokana, ary nitovitovy tamin’izany ny zavatra niainako. Nanontany tena aho raha toa ka nanenina tamin’ny safidy nataony izy toy ny nanombohako nanenina tamin’ilay safidy mba hanompo.
Saingy nanana fomba fijery hendry kokoa i Eva raha oharina amin’ny ahy. Na dianamoy saika ny zava-drehetra aza izy, rehefa fantany fa nanana Mpamonjy izy dia “[faly] ka nanao hoe: Raha tsy nandika lalàna isika dia … tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika” (Mosesy 5:11).
Tsy nanenina tamin’ilay safidy nataony izy. Nahafeno fankasitrahana azy izany! Na dia noroahina niala tao amin’ny paradisa aza izy sy i Adama dia mamy kokoa ilay fifaliana avy tamin’ny fahazoana fanavotana raha oharina tamin’ilay fanaintainana tsapa noho ny zavatra nafoiny. Raha ny marina ny fanavotana dia toa nitondra fifaliana betsaka kokoa ho azy noho ny hoe tsy nila navotana mihitsy.
Ahoana no nahatonga izany?
Ny fifaliana avy amin’ny fibebahana
Mety hieritreritra isika fa ny fibebahana dia atao mba hanesorana ny fahotana sy ny fitondrantena ratsy eo amin’ny fiainantsika fotsiny ihany. Mety ho sarotra sy maharary indraindray izany dingana arahina amin’ny fanesorana izany, ka manamora ny fanampiana hevitra ratsy mikasika ilay teny.
Saingy ny fibebahana dia tsy midika fotsiny hoe lasa zara raha manam-pahotana. Midika koa izany hoe lasa mitovy kokoa amin’i Kristy.
Ny fitodihana any Aminy, izany hoe, ny fanovana ny toetrantsika sy ny fampifanarahana ny fomba fijerintsika amin’ny Azy, dia endrika iray amin’ny fibebahana koa.
Tsapako fa tao anatin’ny fahatezerana sy ny fanirery niainako dia lasa nikombona ny fomba fijeriko. Nifantoka loatra tamin’ny zavatra tsy nananako aho ka tsy nahita ny zavatra efa azoko, dia ny fifandraisana akaiky kokoa amin’ny Mpamonjiko izany.
Tsapako fa nila nibebaka aho noho ilay toe-tsaiko ambany. Nitaky fotoana izany, saingy rehefa nitalaho mba hahazo ny fanampian’ Ilay Mpanavotra ahy aho dia nomena toky fa “hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity” (Mosesy 5:10).
Mbola nalahelo aho tamin’ny tsy fanatrehako ny fanambadian’ilay namako, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia namaly ny vavaka nataoko ny Tompo. Faly tamin’ilay namako tokoa aho, ary nahita fifaliana lehibe tokoa aho tao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananako fa tena mahita sy tia ny zanany tsirairay avy ny Ray any An-danitra. Nahazo mihoatra lavitra noho ireo zavatra tsy azoko aho.
Nampianatra ny Rahavavy Kristin M. Yee, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Ny fibebahana dia manome fahafahana antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hahafantatra Azy ary hitia Azy amin’ny fomba izay tsy ho fantatsika mihitsy raha tamin’ny fomba hafa.”
Noho ny fibebahana dia fantatro ankehitriny fa rehefa manakaiky an’i Kristy aho, “dia hataony ho tahaka an’i Edena ny tany efi[tro] ao, ary ny tany foana[ko] ho tahaka ny sahan’i Jehovah; hafaliana sy haravoana no hita ao” (Isaia 51:3).
Rehefa nody aho taorian’ny asa fitoriana nataoko, dia tsy niverina tany amin’ny paradisa aho. Ny fiainana aorian’ny asa fitoriana dia tany foana vaovao natao mba hovoleko. Tsy mora izany, ary indraindray aho dia mbola malahelo ny fiainako talohan’ny nanaovako asa fitoriana.
Saingy fantatro fa noho i Kristy dia ho lehibe kokoa ny fifaliako ao anatin’ny fahalalana ny fanavotana ahy.