Liahona
Fiarovana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny
Liahona janoary 2026


“Fiarovana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny,” Liahona, jan. 2026.

Vehivavy manao fanekempihavanana

Fiarovana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny

Voasoritra mazava tsara ny lalana hiverenana any amin’ Andriamanitra raha manana finoana sy matoky ny Mpamonjintsika isika.

sarin’ny tongotr’olona iray mandeha amin’ny lalana iray

Noho ireo toetrantsika lavo sy ireo toe-javatra iainana eto amin’ny fiainana an-tany, dia atahorana ny hiala an’ilay Andriamanitra fantatsika sy tiantsika tany amin’ny fisiantsika talohan’ny nahaterahana isika. Izany no toetran’ny fiainana an-tany. Noho izany Izy dia nanome antsika fomba hihazonana antsika hifikitra tsara Aminy, hamehezana ny fontsika Aminy, ary hanampy antsika handroso amim-pilaminana araka izay azo atao hamakivaky ity saha misy vanja milevin’ny fiainana an-tany ity.

Nandritra ireo ady lehibe teto an-tany dia nanafina vanja milevina na baomba tany ambanin’ny tany ireo miaramila. Nisy saha lehibe maromaro nisy vanja milevina, ary mety nisy tafika nandeha tsy nahalala teo amin’ireo saha nisy vanja milevina ireo dia napoakan’izany.

Taorian’ireo ady dia nisy vanja milevina an’arivony tsy mbola nipoaka tavela tao, ary olona maro, isan’izany ny ankizy, no namoy ny ainy na ny rantsambatany rehefa nandeha tsy nahalala na inona na inona teo amin’ireo saha nisy vanja milevina. Nanavotra aina maro ireo fikambanana nanolo-tena tamin’ny fitadiavana sy ny fanisiana marika ny toerana misy ireo vanja milevina tao amin’ireo saha nisy vanja milevina ireo.

Toy ny saha misy vanja milevina ny fiainana an-tany. Tena mahay manarontsarona ireo loza mba ho toy ny zavatra tsy mampaninona sy mahasarika toy ny saha iray mahafinaritra ny fahavalo. Efa manana traikefa an’arivo taonany maro tamin’ny fanaovana izany izy. Matihanina izy amin’ny fanaovana ireo lalana mitondra mankany amin’ny vokany mampidi-doza sy ny ratram-po ho mahasarika.

Voatarika ho tody soa any an-trano

Fantatry ny Raintsika any An-danitra ny fomba hiarovana antsika ary efa nosoritany ny lalana afaka mitondra antsika soa aman-tsara any an-trano. Mazava ho azy fa maro be ireo loza sy zava-tsarotra ao anatin’ny zavatra iainantsika eto an-tany. Kanefa afaka misoroka ireo safidy izay mety hitondra enta-mavesatra sy ratram-po tsy ilaina isika.

Izany no antony nanomezan’ny Raintsika didy antsika, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ireo mpaminany hitarika antsika, ary ireo fifandraisana mahery vaika mifono fanekempihavanana Aminy sy amin’ny Mpamonjy antsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ihany no ahitantsika ireo marika sy fiarovana tena tsara izay afaka mitarika antsika ho tody soa any an-trano ireo.

Misy fitahiana lehibe avy amin’ny fananana mpaminany amin’ny andro maoderina. Ny Filoha Hugh B. Brown (1883–1975), mpanolotsaina iray tao amin’ny Fiadidiana Voalohany teo aloha, dia nitantara momba ny resadresaka izay nifanaovany tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny Antenimieram-pirenena Britanika izay efa mpitsara teo aloha. Nilaza io lehilahy io fa nihevitra izy fa tsy niresaka tamin’ny olona teto an-tany Andriamanitra hatramin’ny taonjato voalohany, ka novalin’ny Filoha Brown izany tamin’ny alalan’ny fanazavana taminy momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny.

“Nipetraka ilay mpitsara dia nihaino tsara,” hoy ny Filoha Brown nitantara. “Nametraka fanontaniana vitsivitsy mahitsy sy mazava ary nikatsaka valiny izy, ary rehefa vita ilay tafa sy dinika dia hoy izy: -Andriamatoa Brown, manontany tena aho raha toa ka mankasitraka ny lanjan’ny hafatrao ny olona ao aminareo. Mankasitraka izany ve ianareo? … Raha marina ny zavatra nolazainao ahy, dia izany no hafatra lehibe indrindra tonga teto an-tany hatramin’ny nanambaran’ireo anjely ny fahaterahan’i Kristy.-”

Miantso mpaminany Andriamanitra satria tiany ireo zanany. Tamin’ny alalan’ireo mpaminany mpanompony no nanambarany ny drafitry ny famonjeny, ny drafiny ho an’ny fahasambarana mba hitarihana ireo zanany. Maneho zavatra tsy afaka ny ho hitan’ny hafa amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Tompo. Mpitily eo amin’ny tilikambo izy ireo (jereo ny Ezekiela 33:1–7) izay afaka mahita avy lavitra sy manome fampitandremana ho an’ireo rehetra izay hihaino, matetika taona maro mialoha. Manana tombony manokana izay tsy ananantsika izy ireo noho ny fifandraisan’izy ireo amin’ Andriamanitra amin’ny maha-mpanompony nahazo lalana azy ireo. Tena zava-dehibe ny hahazoantsika rehetra fijoroana ho vavolombelona lalina sy an’ny tena manokana momba ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambarantsika ankehitriny.

Fahamarinana ao amin’i Jesoa Kristy

Mihasarotra kokoa ny mamantatra ny fahamarinana eto amin’ny tontolontsika ankehitriny. Maro tokoa ireo feo avy amin’ny lafy maro, toy ny Instagram, TikTok, Facebook, X, podcasts, vaovao amin’ny internet, sy ny sisa. Ary ankehitriny amin’izao fahazoan’ny Ilon-tsaina artifisialy, na IA sehatra izao, dia vao mainka sarotra kokoa ny mamantatra ny marina sy ny tsy marina, na izay zavatra tena misy mihitsy aza! Noho ireo horonan-tsary sandoka mamitaka dia mety ho toy ny hoe nilaza na nanao zavatra tsy nataony ny olona iray. Tena ho lasa sarotra tokoa ny hanavaka ny fahamarinana amin’ny zavatra tsy marina ao anatin’ny taona maro ho avy.

Nandritra ny fihaonambe voalohany nataony tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy tamin’ny aprily 2018 dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Velom-panantenana aho ny amin’ny hoavy. … Kanefa fantatro ihany koa ny zavatra miandry amin’ny hoavy. Miaina ao anatin’ny tontolo manahirana sy feno fifandirana tsy mitsaha-mitombo isika. Ny fahafahana mampiasa tsy tapaka ny tambajotran-tserasera sy ireo vaovao mandeha ao anatin’ny 24 ora isan’andro dia manototra antsika amin’ireo hafatra tsy an-kitsahatra. Raha te hanana fanantenana ny hahay hifantina tsara izay mahasoa ao anatin’ireo hafatra tsy tambo isaina sy ireo filôzôfian’olombelona izay manafika ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy mianatra mandray fanambarana.

“I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany dia mitantana ity Fiangonana ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra. Saingy ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny hahatafavoahana velona ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka. …

“… Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa.”

Vakintsika ao amin’ny bokin’ny Amosa 3:7 ao amin’ny Testamenta Taloha ny hoe “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” Rehefa mihamafimafy kokoa sy mandresy lahatra kokoa ny feon’izao tontolo izao dia tokony ho afaka ny handre matetika kokoa sy mazava kokoa ny feo malefaky ny Fanahy isika tsirairay avy mba handrenesantsika sy hanarahantsika ny fitarihan’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminany velona.

Tia ny zanany rehetra Andriamanitra

Vakintsika ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna fa Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay (jereo ny Hebreo 13:8; Môrmôna 9:9). Tia ny zanany amin’izao androntsika izao Andriamanitra tahaka ny nitiavany ireo zanany tamin’ny andro fahiny, ary satria tia ireo zanany Izy, dia manao izay nataony tamin’izany Izy amin’izao fotoana izao. Nasiany marika tamin’ny didy ny saha feno vanja milevin’ny fiainana an-tany mba hitazonana antsika eo amin’ny lalana azo antoka; mpaminany mba hanome feo fampitandremana rehefa mahita ireo loza miandry izy ireo; ary fanekempihavanan’ny fisoronana izay mampifandray antsika tsara kokoa amin’ Andriamanitra.

Rehefa mametraka ny finoantsika ny Mpamonjy sy matoky Azy isika dia hitarika antsika ho tody soa any an-trano Izy amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina; amin’ny alalan’ny soratra masina fahiny sy maoderina; amin’ny alalan’ny feon’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara maoderina; ary amin’ny alalan’ireo fifandraisana lalina Aminy sy amin’ny Raintsika any An-danitra izay azo tanterahina amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly.

sarin’ny tongotry ny Mpamonjy mandeha eo amin’ny fasika

Tsy misy fitarihana sy torolalana, filaminana sy fiarovana, ary fanamaivanana, fitoniana ary fanantenana ao amin’i Kristy be dia be toy izany mihoatra noho ny ato amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Ô toi, Source bienveillante !,” Cantiques—Pour le foyer et l’église, Médiathèque de l’Évangile.

  2. Jereo ny Hugh B. Brown, ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1967, 117–20; jereo koa ny Sheri Dew, Prophets See Around Corners (2023), 7.

  3. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96.