“Nanalefaka ny fo sy nanokatra ireo varavarana tao Corse ny asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy,” Liahona, jan. 2026.
Nanalefaka ny fo sy nanokatra ireo varavarana tao Corse ny asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy
Rehefa nanolo-tena mba hanampy ireo mponina tamin’izay mety ho fomba azon’izy ireo natao ireo misiônera izay nanompo tao amin’io nosy Mediteraneana io, dia tapa-kevitra izy ireo ny hanasa ny olona hanatona an’i Kristy.
Fantatry ny ben’ny tanànan’i Bastia tsara fa vahiny ireo misiônera nijoro teo anoloany. Nahoana, hoy izy nanontany tena, no ho tonga avy any amin’ireo firenena hafa ireo zatovolahy ka hanolo-tena hanampy ireo vahoakany ao amin’ny nosy Corse?
Rehefa avy niato kely izy dia nanaiky ny tolotra nomen’izy ireo ary nanome fanamby azy ireo mba ho tonga aloha ny ampitso maraina mba handoko ny lapan’ny tanàna keliny.
Nanaja ny fampanantenana nomeny ireo zatovolahy, ka dia tonga tamin’ny 7:00 maraina izy ireo, maika sy vonona ny hanavao ny lapan’ny tanànan’ny ben’ny tanàna tao amin’io nosy tsara tarehy manamorona ny morontsirak’i Frantsa ao amin’ny ranomasina mediteraneana io.
Rehefa tonga tao amin’ilay lapa ny ben’ny tanàna afaka kelikely tamin’io andro io mba hijery ireo misiônera mbola niasa teo ambanin’ny masoandron’ny morontsiraka, “dia talanjona izy rehefa nahita anay tao,” hoy i Jake Lowry izay iray tamin’ireo misiônera nanompo tamin’izany fotoana izany.
Talanjona tamin’ny fahavononan’izy ireo hiondrikondrika hanampy olona tsy fantatr’izy ireo ilay ben’ny tanàna ka nampihena ny fanoherany ary “nangataka anay hipetraka sy hilaza aminy ny zavatra nilainay,” hoy Rahalahy Lowry.
Nizara ny filazantsara ireo misiônera ary nilaza fa ny hitahy ny olona tao amin’ny nosy Corse no tanjon’izy ireo. Nilaza ny fahasahiranan’izy ireo nitady trano hipetrahana izy ireo noho ireo mponina izay mailo tamin’ireo vahiny. Volana vitsivitsy talohan’izay dia nesorina hiala tao amin’ilay nosy ireo misiônera rehetra noho ny resaka fandriampahalemana. Saingy namerina indray ny fanaovana asa fitoriana tao ireo elders ireo tamin’izany fotoana izany.
Nihaino ireo elders ilay ben’ny tanàna. “Ny ampitso marainan’io,” hoy Rahalahy Lowry, “dia efa namandrika trano tsara toerana ho anay izy ary nanoratra teny kely feno hatsaram-panahy.”
Tamin’ io hariva io, rehefa nandeha nipetraka tao amin’ny trano fonenany izy ireo “dia nisy solontena roa tsara fitafy avy ao amin’ny biraon’ny ben’ny tanàna nandalo mba hiarahaba anay sy hanome toky anay fa tonga soa izahay ary tsy misy tokony hatahoranay ao amin’ilay tanàna,” hoy Rahalahy Lowry.
Nanomboka nanatrika tao anatin’ny fotoana vitsy ireo fivoriana alahady niaraka tamin’ny sampana ny ben’ny tanàna sy ny vadiny, ary tian’izy ireo ny nihira ireo hira ao amin’ny fihirana. Vetivety dia natao batisa ny vadin’ilay ben’ny tanàna.
Tany lonaka
Nanomboka tamin’ireo fiantombohana tsotra tany amin’ny voalohandohan’ireo taona vitsivitsy nanaraka ny taona 1990 ireo, dia namaka tao amin’io nosy izay fanta-daza amin’ny maha-toerana nahaterahan’i Napoleon Bonaparte azy io ny Fiangonana. Vetivety dia niroborobo ny asa fitoriana. Telo volana taty aoriana dia olona mihoatra ny 40 no nanatrika fotoam-pivavahana isaky ny Alahady tao anatin’ny toeram-pivoriana mahafinaritra izay nalamin’ny ben’ny tanàna.
“Rehefa manao jery todika isika dia afaka mahita fa niharihary ny fiasan’ny tanan’ny Tompo tamin’ny fotoana sy ny fomba nanorenana ny Fiangonana tao amin’ny nosy Corse,” hoy i Richard W. Thatcher, izay filohan’ny Misiônan’i France Marseille tamin’izany fotoana izany, ary filohan’ny Misiônan’i France Lyon amin’izao fotoana izao.
Saingy tsy mora ny nanomboka nahazo fahombiazana tamin’ny fitoriana ny filazantsara teo amin’ilay nosy. Notsenain’ny fanoherana sy ny fandrahonana ho azon-doza ny ezaka voalohany natao mba hametraka misiônera tao. “Nitombo ny fihetseham-po nanohitra Frantsay niotrika tao am-pon’ireo teratany Corse ny voalohandohan’ireo taona vitsivitsy nanaraka ny taona 1990,” hoy Rahalahy Thatcher.
Naneho ny tsy fankasitrahany ireo vahiny ireo teratany Corse tamin’ny alalan’ny fanamboarana baomba vita tany an-trano mba hamotehana ireo orinasa sy fananan’ireo vahiny. “Tsy nahagaga,” hoy Elder Darin Dewsnup, “ny nandre fipoahana maro isan’andro tao amin’ilay tanàna. Tsy Frantsay izahay, kanefa tsy Corse ihany koa.”
Nampitandremana tamin’ireo loza ny misiônera, ary rehefa nisy baomba nipoaka teny amin’ny manodidina azy ireo dia nesorina ka nalefa tany amin’ny faritra hafa an’ilay misiôna tao Frantsa renivohi-paritany ireo misiônera efatra tao amin’ilay nosy.
“Tsy tao amin’ilay nosy intsony ireo misiôneranay,” hoy Rahalahy Thatcher, ary nilaza izy fa fotoana azo araraotina hianarana sy hivoarana izany tsy fahombiazana izany.
Asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy no valin’izany
Mba hahatakarana tsara kokoa ny tanjon’ny lanitra dia nanolo-tena ny handalina ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana nataony ireo misiônera mba hianarana amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny fombany. Nandalina momba ny asa fanompoana sy fangorahana nataony izy ireo, ary tafiditra tao anatin’izany ny famahanana sakafo sy ny fanasitranana ary ny fitiavana. Nanatsoaka hevitra izy ireo fa manan-danja ny asa fanompoana mba hahazoana ny fitokian’ireo vahoaka sy hanompoana araka ny fomban’ny Tompo.
Tao anatin’ny fananana fifantohana nohavaozina mba hanompo no nandefasana misiônera telo hanomboka indray ny asa tao Corse tamin’ny martsa 1992. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nalefa tany amin’ny tanàna lehibe faharoan’ilay nosy izy ireo, dia i Bastia. Nanapa-kevitra izy ireo tao ny hihaona tamin’ny olona tamin’ny fomba mahazatra fa tsy nandondona varavarana, izay niteraka tahotra teo anivon’ireo mponina tao indraindray.
“Voavaly ny vavakay. Tsapanay fa afaka naneho ny fahitsim-ponay tamin’ny fiarahamonina ny asa fanompoana ary nampalefaka ny fon’ireo olona izay nanohitra ny vahiny, “hoy Rahalahy Thatcher.
Nampahafantatra ny tenany tamin’ireo mponina tao ireo misiônera vaovao tamin’ny alalan’ny fanolorana fanampiana tamin’izay fomba azon’izy ireo natao. Nanala ahi-dratsy tamin’ny zaridainam-pianakaviana sy nanamboatra fiara izy ireo, ary raha ny mahakasika ilay ben’ny tanàna, dia nolokoin’izy ireo ny lapan’ny tanànany izay vasoky ny toetr’andro. Nahazo namana vaovao matetika izy ireo, ary nankasitrahana ny ezaka nataon’izy ireo. Efa saika ho isak’izay mihetsika izy ireo no nasaina nipetraka mba hisotro “limonata” (limonady) ary nitenenana hoe “resaho aminay ny momba ny fiangonanareo,” hoy Rahalahy Thatcher. Vetivety dia “niova tsy nisy toy izany ny fahazoanay fahombiazana.”
Nisy anaran’olona natolotra tany aloha tany izay nitarika ho amin’ny batisan’ny fianakaviana Lota, izay nitondra nankany amin’ny anaran’olona iray hafa natolotra indray avy eo. Rehefa niditra tao an-tranon’ilay olona natolotra ireo misiônera, dia “nandohalika” ilay renim-pianakaviana izay efa nivavaka hatry ny ela mba hahafantatra ny fahamarinana, “ary nitomany tamim-pankasitrahana ny Tompo noho ny famaliany ny vavaka nataony.”
Mamitra-pihavanana
Tamin’ny fotoana nanombohan’izy ireo ny asa fanompoany tany Bastia dia nanolo-tena hiasa an-tsitrapo tany amin’ny hôpitaly katôlika lehibe indrindra ireo misiônera, saingy nolavin’ilay monseigneur tompon’andraikitra tamin’ny fitantanana ilay hôpitaly ny asa fanompoan’izy ireo rehefa fantany ny finoan’izy ireo. Nisalasala izy ny hampiditra finoana Kristianina hafa handray anjara tao amin’ilay hôpitaly.
Volana vitsivitsy taty aoriana, tamin’ny mey 1992, dia nirodana nandritra ny lalao niadiana izay ho tompon-daka ny ampahany lehibe tamin’ny kianja filalaovana baolina kitra iray, izay nahafatesana olona niisa 19 ary nandefasana mpijery baolina an’arivony naratra mafy tany amin’ilay hôpitaly.
Rehefa nirodana ny kianja filalaovana baolina kitra iray tao Corse, izay nahafatesana olona niisa 19 sy nandratra olona an’arivony, dia nandany ora maro ireo misiônera nanampy tamin’ny fanomezana fitsaboana vonjy taitra voara-maso tao amin’ilay hôpitaly teo an-toerana.
Sary nalain’i Craig Peterson
Tsy araka intsony ny fikarakarana ireo olona niharam-boina tao amin’ilay hôpitaly. Nameno ireo efitrano sy nitandahatra teny amin’ny lalantsara ireo mpankafy baolina kitra naratra. Nalefa fiaramanidina nankany Frantsa renivohi-paritany ny sasany mba hotsaboina. Ilay monseigneur izay nitady mafy mpilatsaka an-tsitrapo tena afaka nanampy, dia nahatsiaro ilay karatra iray izay navelan’ireo misiônera ka dia niantso azy ireo mba hanampy.
Nihazakazaka nanenjika asa maro ireo misiônera nandritra ny 36 ora, nanampy tamin’ny karazana fitsaboana vonjy taitra voara-maso maro, toy ny fanantonana ligne intraveineuse, ny fametahana famehezana ratra, ny fanadiovana ireo efitrano ary ny famindrana ireo maratra. Nanome tsodranon’ny fisoronana an’ireo mpikambana tao amin’ny sampana izay naratra nandritra ilay firodanana izy ireo.
Rehefa nahatsikaritra ireo ezaka tsy nitandroana hasasarana nataon’ireo misiônera ilay monseigneur dia nantsoiny niaraka izy ireo ary nentiny nitety ny hôpitaly, ka nolazainy tamin’ireo marary fa lehilahin’ Andriamanitra ireo misiônera ary namela azy ireo hanome tsodrano ireo maratra.
Nitantara Rahalahy Thatcher hoe: “Nahazo fanajana sy fankasitrahana avy amin’ny manam-pahefana ambony toerana iray teo amin’ilay tanàna sy avy amin’ny manampahefana ara-pivavahana mitana toerana ambony iray izahay noho ny asa fanompoana nataonay.” Nampalefaka ny fo izany ary nanampy tamin’ny fanafoanana ny fanoherana teo amin’ny fiarahamonina, hoy izy. “Tena nanan-danja tamin’ny fahombiazan’ny asa fitoriana nataonay izany.”
Hoy i Jason Soulier, filohan’ny Misiônan’i France Lyon tamin’ny 2024: “Amin’izao fotoana izao dia mitohy ny fahagagana amin’ny fivoarana ao Corse, na dia eo aza ireo fanakorontanana isan-karazany. Tamin’ny 2024, dia nandeha nankany amin’ny Tempolin’i Paris Frantsa ny mpikambana niisa 14 tao amin’ny Sampana Bastia mba hanatanteraka asa atao any amin’ny tempoly nandritra ny andro maromaro, izay vondrona nahitana olona betsaka indrindra nandeha avy tany amin’io nosy Mediteraneana lavitra io nankany amin’ny tempoly iray. Manohy mitahy ity nosy paradisa ity amin’ny fanomezana mpikambana vaovao niova fo ny Tompo miaraka amin’ny fanampian’ireo mpivady zokiolona manompo amin’ny fotoana feno sy elder sy soeur miisa dimy feno fahavitrihana.”