“Nahoana aho no tokony hitaraina?”, Liahona, jan. 2026.
Fanehoana ny finoana
Nahoana aho no tokony hitaraina?
Ny fifindranay monina inefatra amin’ny maha-fianakaviana mpitsoa-ponenana anay dia tena fisedrana mafy. Saingy mihazona ilay anja-by izahay miaraka amin’ny fananana antoka fa mampandroso anay mankany amin’ny hoavy tsaratsara kokoa ny Tompo.
Tamin’ny fararanon’ny taona 2019 dia tonga tany Espaina niaraka tamin’ireo zanako aho, dia i Aaron izay 8 taona sy i Jorge izay 17 taona, izay autiste. Nifikitra tamin’ Andriamanitra sy nitoky Taminy tanteraka aho, niaraka tamin’ireo zavatra izay mba hany tao anatin’ny valiziko.
Nisy Samaritana tsara fanahy iray nandray anay tao an-tranony ka nijanona nandritra ny roa herinandro tao izahay. Saingy tsy mora ny fanesorana an’i Jorge tao amin’ilay tontolo izay fantany. Noho ny toe-javatra iainany dia manaraka fomba fanao mahazatra amin’ny fomba hentitra izy. Nandritra ireo alina vitsivitsy voalohany dia kapokapohiny ny rindrina, ka nitsangana haingana aho mba hanakana azy tsy hamoha ny olon-kafa. Nandohalika nivavaka teo akaikiny aho, nahatsiaro ny Isaia 41:10: “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”
Nandritra ny faran’ny herinandro faharoa nodiavinay tany Espaina dia tonga tany am-piangonana tamin’ny fotoana nifaranan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo iny mihitsy izahay. Nanatona tovovavy iray izay niaraka tamin’ireo ankizy tao amin’ny Kilonga aho ary nanazava fa mpikamban’ny Fiangonana aho saingy tsy nahafantatra na iza na iza. Nampahafantatra anay tamin’ny mpikambana maro hafa izy.
Ny ampitson’izany dia nanaiky anay ho mpitsoa-ponenana ny filankevitry ny tanànan’i Zaragoza ka nentin’izy ireo tany amin’ny trano iray tsy nisy rano na jiro izahay. Ny episkôpà sy ny Fikambanana Ifanampiana ary ny kôlejin’ny loholona avy tao amin’ny paroasy izay natrehanay dia tonga nanampy anay ka nanome bodofotsy, sakafo izay tsy nilaina nafanaina, akanjo fitondra amin’ny ririnina, ary ireo zavatra hafa ilaina.
Nanomboka nianatra ireo zanako, ary nanomboka nanaraka fanofanana arak’asa aho. Olana ho an’i Jorge ny ora fisakafoanana noho izy efa zatra nisakafo amin’ny antoandro. Nampahafantatra ahy ilay mpampianatra azy fa na iza na iza mampianatra, rehefa mipaika ny mitataovovonana, dia alainy ny sakafony ary manomboka mihinana izy.
“Hifady hanina koa aho”
Fisedrana mafy nyy fifindranay monina inefatra. Nivavaka aho mba hitoetra ho matanjaka saingy matetika aho no nitomany irery. Nandritra ny herinandro maro dia matetika adiny roa na adiny telo isan’alina teo ihany aho no natory. Taorian’ny andro maro nitadiavana asa dia voatahy aho satria nahita asa mikarakara vehivavy tanora iray tratran’ny homamiadana izay eo am-bavahoanan’ny fahafatesana. Isaky ny avy miasa aho dia mitsena ny zanako sy manampy azy ireo amin’ny fianarany ary avy eo manao ny enti-mody ao anatin’ilay fanofanana arak’asa ataoko.
Nikarakara an’io vehivavy tanora mahafinaritra io aho nandritra ny herintaona mandra-pahafatiny tamin’ny faha-48 taonany, ka namela zanaka anankiroa izay mbola kely izy. Ny toe-javatra niainany dia nanosika ahy hanontany tena hoe: “Nahoana aho no tokony hitaraina?” Ny fikarakarana azy dia namatsy ireo zavatra nilainay ary nameno fankasitrahana ny Ray any An-danitra ny fanahiko.
Isan’andro izahay ao an-trano dia mamaky soratra masina, mivavaka ary mandrindra ireo fomba fanao mahazatra mba hiarovana an’i Jorge. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 2024 dia nanomboka ireo fiomanana mba handehanana any amin’ny Tempolin’i Madrid Espaina izahay. Nahatsapa aho fa tokony hifady hanina izahay mianakavy mba hanakaikezana kokoa ny Ray any An-danitra. Nanaiky i Aaron ary ny ampitso marainan’izany dia nilaza tamiko i Jorge hoe: “Neny a! Hifady hanina koa aho anio.” Fotoam-pifaliana tsy hay faritana izany.
“Mba hanakaikezana kokoa ny Ray any An-danitra rehefa nanomboka ireo fiomanana mba handehanana any amin’ny Tempolin’i Madrid Espaina izahay, dia nahatsapa fa tokony hifady hanina izahay mianakavy,” hoy i Yesmin. “Hoy i Jorge tamiko hoe: -Neny a! Hifady hanina koa aho anio.- Fotoam-pifaliana tsy hay faritana izany.”
Hatramin’ny nitsidihanay ny tempoly dia tena nihatsara i Jorge. Afaka manovaova kokoa ny fandaharam-potoanany izy. Manomana ny akanjony izy isaky ny sabotsy mba hahafahany ho vonona ny hizara ny fanasan’ny Tompo ny alahady. Nisy fivoarana lehibe koa izy teo amin’ny lafiny ara-pianarana.
Ankehitriny izahay dia afaka mamatsy ny tenanay, tohanan’Ilay Ray any An-danitra be fitiavana. Nanangana anay avy tao amin’ny lavenona i Jesoa Kristy (jereo Isaia 61:3). Nandray fitahiana miavosa izahay tamin’ny alalan’ny fandoavana ny fahafolonkarenanay. Mihazona ilay anja-by izahay (jereo ny 1 Nefia 8:24, 30; 11:25; 15:23) miaraka amin’ny fananana antoka fa mandroso mankany amin’ny hoavy tsaratsara kokoa.