“Tsy very amin’ny Mpamonjy,” Liahona, jan. 2026.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Tsy very amin’ny Mpamonjy
Feno fankasitrahana aho noho ny fitahiana mampionona azo avy amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly.
Sary nataon’i Allen Garns, miaraka amin’ny fahazoan-dalana haneho ny sary hosodoko nataon’i Del Parson izay mitondra ny lohateny hoe The Lost Lamb (Ilay Zanak’ondry Very)
Vao haingana ny olona iray ao amin’ny fianakaviana sy ny vadiny no nanapa-kevitra ny handao ny Fiangonana niaraka tamin’ireo zanany kely. Nahavaky fo ny fianakavianay ilay vaovao. Tao anatin’ireo herinandro vitsivitsy manaraka dia niezaka niaina ilay fiainanay vaovao mahazatra izahay.
Feno tebiteby sy ranomaso ary vavaka avy amin’ny fo tamin’ny Rainay any An-danitra ireo andro taorian’ny nanaovan’izy ireo ilay filazana. Isan’ireo valim-bavaka azoko teo no ho eo ny hoe nila nandeha nitsaoka tany amin’ny tempoly isan-kerinandro aho. Amin’ny maha-mpianatra sy vady ary reny miasa ahy dia hitako ho somary nampatahotra izany valim-bavaka izany, saingy nanapa-kevitra ny ho mpankatò ilay bitsika araka izay azoko natao aho.
Indray hariva taorian’ny fotoam-piasana tena sarotra tany am-piasana, dia nahatsapa mafy aho fa nila nandeha tany amin’ny tempoly tamin’io alina io. Nangataka ny zanako lahy aho mba hiaraka amiko hanao ny asa fanomanana.
Rehefa tonga tany amin’ny tempoly izahay dia samy nandeha tany amin’izay tokony halehanay. Rehefa nanao asa isoloana tena ho an’ny rahavavy maro aho ary nihaino ireo fitahiana nampanantenaina azy ireo, dia heniky ny fihetseham-po. Tsy afaka tao an-tsaiko mihitsy ireo fianakavianay izay nivily lalana.
Rehefa vita izay nataoko dia nisolo akanjo aho ary nandeha nankany amin’ny efitrano fiandrasana ary nipetraka. Vetivety anefa dia nahatsapa aho fa nila nifamadika toerana mba hahafahako nahita ny zanako lahy rehefa nivoaka avy tao amin’ny efitrano fisoloan’ny lehilahy akanjo izy.
Nifindra aho saingy nahatsapa ho tsy nahazo aina isaky ny toerana nipetrahako, mandra-pipetrahako teo amin’ny seza iray nifanatrika tamin’ny rindrina teo akaikin’ny fidirana tao amin’ny tempoly. Vao avy nandray ny soratra masina aho, niezaka nanalefaka ny foko nikorontana, no indro niandrandra nijery ny rindrina.
Hitako teo ny sary hosodoko iray efa mila hitovy habe amin’ny olona maneho ny Mpamonjy nitrotro zanak’ondry kely teo an-tsandriny. Tampoka teo dia nampahatsiahy ahy ny Fanahy fa na dia tsapako ho toy ny very aza ireo fianakaviana tiako, dia tsy very izy ireo amin’ny Mpamonjintsika.
“Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
“Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy” (Lioka 15:4–5).
Manohy mitia sy mivavaka ho an’ireo izay nivily lalana izahay. Saingy rehefa difotry ny alahelo aho, dia tadidiko io zavatra niainana io, ary manantena fa indray andro any dia hahita ny lalany miverina omban’ny fanampiana avy amin’ny Mpamonjy be fitiavana ireo izay very.