“Fahatokiana eo anatrehan’ireo mpaminany taloha sy ankehitriny”, Liahona, janoary 2026.
Fahatokiana eo anatrehan’ireo mpaminany taloha sy ankehitriny
Misy fitsipika dimy manan-danja afaka manampy antsika hisoroka ny fandriky ny fahatongavana ho mpanohitra ireo mpaminany sy apôstôly.
Fony aho 17 taona, nipetraka tany Philadelphie Andrefana, Pennsylvanie, Etazonia, dia nampianatra ny fianakaviako momba ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith ny misiônera. Ny fanirian’i Joseph izay zatovolahy mba hifandray amin’ Andriamanitra sy hahafantatra ny sitrapony dia niombom-peo lalina tamin’ilay faniriana nananako manokana.
Rehefa nampianatra anay momba ireo mpaminany sy apôstôly velona ny misiônera dia nanontany aho hoe: “Misy Apôstôly ve ankehitriny? Aiza izy ireo?” Nasehon’izy ireo anay ny sarin’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1980. Nanamafy orina ilay fijoroana ho vavolombelona vao nitsiry nananako izany fa Andriamanitra, izay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, dia mbola nila mpaminany sy apôstôly mba hitarika ireo zanany amin’izao andro maoderina izao.
Rehefa nandeha ny fotoana dia natao batisa tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny ray aman-dreniko sy ireo zanany rehetra niisa folo. Hatramin’ny nahafantarako ireo mpaminany sy apôstôly velona dia nitombo hery hatrany ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny antso masin’izy ireo sy ny fanalahidy masina hazonin’izy ireo.
Ireo olana natrehan’ireo Mpaminany sy Apôstôly
Mazava ho azy fa nikatsaka lalandava ny hampihena ny fahatokian-tenan’ireo mpaminany sy apôstôly i Satana. Raha ny marina dia izy ireo no vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy eran’izao tontolo izao tao anatin’ny tantaran’izao tontolo izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23).
Amin’izao androntsika izao, ny fahavalo dia mikatsaka ny hanakantsakana ilay nantsoin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao”, ilay fanangonana an’i Isiraely, izay tsy maintsy hialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Mihazona ny fanalahidin’izany fanangonana izany ireo mpaminany sy apôstôly. Noho izany dia miatrika fanoherana foana izy ireo.
Na fahiny na amin’izao andro farany izao, i Satana dia nahita mihitsy taloha sy amin’izao fotoana izao, fomba hamitahana ny sasany tamin’ireo zanak’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana mba hiady amin’ireo Apôstôlin’ilay Zanakondry (jereo ny 1 Nefia 11:34–36).
Ireto misy fitsipika dimy izay afaka manampy antsika hisoroka ny fianjerana ao anatin’izany fandrika izany.
Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo
Ny voalohany amin’ireo fitsipika ireo dia voalohany ihany koa amin’ny fitsipiky ny filazantsara: finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany.
Ny finoana dia hery mitaona. Ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha Mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nampianatra fa ny finoana dia manondro lalandava mankany amin’ny hoavy.
Rehefa mitombo ny finoantsika an’i Kristy sy ny fitokiantsika amin’ Andriamanitra dia “miandrandra amin’ny masom-pinoana ary mahita” ny fahatanterahan’ireo fampanantenana nataon’ Izy Ireo isika (jereo ny Almà 5:15; jereo koa ny Môzià 18:21; Almà 32:40). Nandritra ny fankalazana ny “Be One [Aoka ho iray ianareo]” izay nankalazana ny faha-40 taonan’ny fanambarana momba ny fisoronana natao tamin’ny 1978, dia nanasa ny rehetra ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany mba “hiandrandra ny firaisan’ny finoantsika sy ny fahatokiantsika ny fampanantenan’ny Tompo [jereo ny 2 Nefia 26:33].”
Izany zavatra ifantohana mifono fandrosoana hatrany izany dia mitondra antsika mankany amin’ny fahatanterahan’ilay fampanantenana nataon’ny Filoha Nelson nandritra io fotoana iray io ihany, dia ny “fiadanana sy filaminana tanteraka” izany, sy ilay andro izay araka ny nampianarin’ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa “hiverenan’i Jehovah Tompo hiaraka hiaina amin’ireo izay lasa olony ka hahita azy ireo ho iray ihany, ho iray fo, ary ho iray miaraka Aminy sy ny Raintsika any An-danitra.”
I Satana kosa dia mikatsaka ny hanamafy ny fo aman-tsain’ireo zanak’ Andriamanitra mba hampihitsoka azy ireo ao anatin’ny fomba fijery mihemotra, ka mampibahana ao an-tsaina ireo toe-javatra na teny nambara na fampianarana taloha, na dia ireo zavatra efa nohazavain’ireo mpaminany sy apôstôly tsara taty aoriana aza. Amin’ny maha-“mpiampanga ny rahalahintsika … andro aman’alina” (Apokalypsy 12:10) azy, dia mandrisika ny fanakianana tsy tapaka an’ireo mpaminanin’ Andriamanitra sy ny apôstôliny ary ny fampianaran’izy ireo izy. Izany dia mampihozongozona amin-kafetsena ny finoana an’ Ilay fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo, dia i Jesoa Kristy—izany no tanjona ratsiny faratampony indrindra.
Ireo teny nambaran’ireo Apôstôly maoderina izay mifono firaisan-kina, fiadanana ary filaminana dia mazava fa rehefa mandrisika amin-kafetsena ny fifandirana sy ny fisaraham-bazana i Satana, dia izay no fotoana tokony hiraisain’ny zanak’ Andriamanitra rehetra nanao fanekempihavanana hina (jereo ny 1 Nefia 11:34–36) mba handray ireo fahamarinana mandrakizay nambara tamin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly sy handray andraikitra eo anatrehan’izany. Amin’ny alalan’ny fanaovana izany dia lasa olona miray hina, faly, mahery, olon’ny fanekempihavanana isika ka tsy hahitana olana eo amin’ny lafiny ara-bolon-koditra, na eo amin’ny lafiny maha-lahy na maha-vavy, na eo amin’ny lafiny ara-poko, na koa tsy fifanarahana hafa.
Ireo fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly dia mandrisika ny hisian’izany firaisan-kina sy finoana azo antoka an’i Jesoa Kristy izany, izay hanosika antsika handroso foana.
Aza manameloka, aza mitsara, manaova asa amim-pinoana
Rehefa nahita ny androntsika i Môrônia dia nampianatra ny fomba ahafahantsika miaro tena tsy ho lasa mpitsikera ireo mpaminany sy apôstôly: izany dia ny fitsipiky ny tsy fanamelohana na ny fitsipiky ny tsy fitsaratsarana.
“Aza manameloka ahy noho ny tsy fahatanterahako,” hoy i Môrônia, “na ny raiko, noho ny tsy fahatanterahany, na ireo izay efa nanoratra teo alohany; fa aleo kosa manati-tsaotra an’ Andriamanitra fa Izy no efa naneho taminareo ny tsy fahatanterahanay, mba hahazoanareo mianatra ny ho hendry kokoa noho izahay” (Môrmôna 9:31; nampiana fanamafisana).
Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mifantoka amin’ireo fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly sy mianatra avy amin’izany sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy sy ny filazantsarany isika ary misoroka ny fijerena ny tsy fahatanterahan’izy ireo. Tao anatin’ny tantara nifandimby dia nanambara ny sasany tamin’ireo tsy fahatanterahana ireo ho tombontsoantsika sy mba hanampiana antsika hianatra ny ho hendry kokoa Andriamanitra. Manolotra fisaorana Azy aho noho ny fanaovana izany.
Na izany aza dia tsy maintsy mitandrina isika. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2019, dia nizara ity fampianarana avy tamin’ny Filoha George Q. Cannon (1827–1901), izay Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ity ny Filoha Eyring: “Andriamanitra dia nifidy ireo mpanompony. Noraisiny ho Azy manokana ny fahafahana manameloka azy ireo raha toa ka mila fanamelohana izy ireo. Tsy nanome antsika tsirairay ny fahafahana hitsikera sy hanameloka azy ireo Izy. Tsy misy olona, na dia matanjaka toa ny ahoana aza ny finoany, na dia ambony manao ahoana aza ao amin’ny Fisoronana, ka afaka ny hiteny ratsy ny voahosotry ny Tompo sy hitady fahadisoana amin’ny fahefan’ Andriamanitra eto an-tany ka tsy hiharan’ny hatezerany. Ny Fanahy Masina dia hisintaka amin’ny olona toy izany, ka handeha anaty haizina izy. Araka izany, tsy hitanareo ve ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandremantsika?”
Izaho sy ianao dia nomen’ny Tompo tsodrano sy didy mahakasika ireo fampianaran’ny mpaminany sy ny asa nataon’izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany izay mety ho zavatra hitantsika ho toa ny sarotra takarina na ekena:
“Hampandr[y] sofina amin’ny teniny rehetra sy ny didy rehetra izay homeny anareo [ianareo] araka ny andraisany azy ireny, amin’ny fandehanana amin’ny fahamasinana tanteraka eo anoloako;
“Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5; nampiana fanamafisana).
Averina indray fa tsy manameloka na mitsara isika (jereo ny Matio 7:1–2). Nahazo fitahiana maro aho rehefa nandroso tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy sy tamim-panehoana fankasitrahana noho ny fitahiana azo avy amin’ireo mpaminany sy apôstoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6).
Sorohy ny fakam-panahy hihoa-pefy eo anatrehan’ny fahefana ananantsika
Ny fitsipika iray manan-danja dia ny fisorohana ny fihoaram-pefy eo anatrehan’ny fahefana ananantsika na ny fanaovana zavatra izay tsy tokony hiandraiketantsika. Izany toe-tsaina izany dia mamandrika antsika mba hanindrahindra ny hevitsika manokana, izay miseho ho azy rehefa manambany ireo fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly isika. Ny fanamelohana ireo mpaminany sy apôstôly, tafiditra ao anatin’izany ireo mpaminany sy apôstôly taloha, dia mazava ho azy fa fihoaram-pefy eo anatrehan’ny fahefana ananantsika, satria nohazonin’ny Tompo ho azy irery ny fahafahana manao izany. Matoky tanteraka aho fa ilay Mpamonjy antsika izay mahafantatra ny zavatra rehetra sy feno fitiavana ary feno famindram-po dia nandray na handray an-tanana sy hamela an-tsitrapo izay mety ho fahadisoana na tsy fahatanterahana niseho taloha toraka ny antenaintsika mba hataony amintsika amin’izao fotoana izao.
Ny ohatra iray hafa momba ny fihoaram-pefy eo anatrehan’ny fahefana ananantsika dia ny fiheverana ny tena ho mitarika ireo mpaminany sy apôstoly eo anatrehan’ireo zavatra tokony hataon’ny Fiangonana na ny fomba tokony hitantana izany. Anjara asan’ny Tompo izany fa tsy antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2–7). Saingy na tsara toa ny inona aza ny eritreritsika, ny fanamelohana sy ny fiheverana ny tena ho mitarika ireo mpaminany sy apôstôly dia vokatry ny fieboeboana ka mitondra any amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy fahombiazana eo amin’ny fanarahana ny fahefana ananan’ny mpaminany.
Ny Famerenana amin’ny laoniny eo andalam-pitohizana
Nanomboka tamin’ny taona 1820 ka hatramin’izao, ny Tompo dia nitantsoroka tsy tapaka ireo mpaminaniny sy mpahita ary mpanambara tao anatin’ilay dingana arahina mba hahazoana fanambarana izay hitarihany ny Fiangonany.
Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:
“Rehefa mivory amin’ny maha-Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izahay, dia lasa efitranon’ny fanambarana ny efitrano fivorianay. Tena tsapa fa eo ny Fanahy. … Na dia mety ho tsy mitovy aza ny fomba fijerinay any am-boalohany, dia tsy miova mihitsy ny fifankatiavana tsapanay. Manampy anay hamantatra ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny Fiangonany ny firaisanay hina.
“Mandritra ny fivorianay dia tsy misy mihitsy izany hoe ny hevitry ny antsasa-manila no ampanjakaina! Mifampihaino ombam-bavaka izahay ary mifampiresaka mandra-piray saina anay.”
Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy fifanarahana tsotra fotsiny eo amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra akory no tanjona fa fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Fomba fiasa sady ahitana ny fampiasana ny saina sy ny finoana izany mba hahafantarana ny sain’ny Tompo sy ny sitrapony.”
Io fitsipiky ny fiarovana izay naverina tamin’ny laoniny sy tsara rindra io dia mampitombo ny fahatokiana ny fahafahan’ireo mpitarika amin’izao fotoana izao mitantana mandrakariva ny Fiangonana araka ny sitrapon’ny Tompo.
Manàna toetra feno fanetrentena
Mazava ho azy fa i Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonany ary mitarika ireo mpaminaniny Izy. Ny zavatra mety ho hitantsika ho toy ny tsy fahalavorariana ao anatin’ny tenin’izy ireo na ny zavatra ataon’izy ireo dia mety, raha ny marina, haneho ny tsy fahalavorarian’ny fomba fijerintsika na ny fahatakarantsika amin’ny maha-olombelona. Ny fahatsiarovana fa avo kokoa noho ny antsika ny lalan’ny Tompo ary ambony kokoa noho ny antsika ny fiheviny (jereo ny Isaia 55:8–9) dia manome fahafahana antsika hisoroka ny fitsarana ny mpaminany, ka tafiditra ao anatin’izany ireo mpaminany taloha. Izany toetra mifono fanetrentena izany dia manome fahafahana antsika mba hanaraka ny tenin’ny mpaminany velona “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5; jereo koa ny 1:28).
Izany koa dia manampy antsika handray fanambarana bebe kokoa, hanana fanantenana bebe kokoa ary hanana finoana an’i Jesoa Kristy bebe kokoa ao anatin’ity izao tontolo izao izay mihafeno fahasarotana ity. Nampianatra i Jakôba hoe: “Manadihady ny mpaminany ary manana fanambarana maro sy ny fanahin’ny faminaniana [isika]; ary satria manana ireo vavolombelona rehetra ireo [isika] dia manjary mahazo fanantenana, ary ny finoan[tsika] dia tsy voahozongozona” (Jakôba 4:6). Raha toa ka manetry tena isika, ireo zavatra masina iainana ireo dia afaka manaisotra ao amintsika izay mety ho faniriana hanakiana ireo mpaminany sy apôstôly, ka tafiditra ao anatin’izany ireo mpaminany sy apôstôly taloha (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124; 136:23). Ny fanentrentena dia manampy antsika “[hanadihady momba] ny mpaminany” mba hahitana fahamarinana izay hampitombo ny fifaliantsika sy ny fiadanantsika fa tsy hikaroka tsy fahalavorariana.
Eo anatrehan’izany dia zaraiko ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka sy feno fitiavana ananako fa ireo mpaminany nanomboka tamin’i Joseph Smith sy ireo tao aoriany rehetra dia mpaminanin’ Andriamanitra tao anatin’ny rojon’ny fifandimbiasan-toerana iray izay tsy tapaka, ka tafiditra ao anatin’izany ny Filoha Russell M. Nelson. Fitahiana lalina ho ahy ny “[manadihady momba] ny mpaminany” sy ny manakaiky kokoa an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo fampianarana avy tamin’ny tsirairay tamin’izy ireo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo izay voantso ho Apôstôly masina eo ambany fitarihan’ireo mpaminany ireo dia vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy eran’izao tontolo izao. Tombontsoa lehibe tokoa ny mibanjina an’i Jesoa Kristy sy mandroso mankany Aminy amin’ny alalan’ny fampianaran’ireo vavolombelona ireo.