“31 martsa–6 aprily: -Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
31 martsa–6 aprily: “Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29
Na dia tamin’ny 1830 aza no nitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fahamarinana ara-pilazantsara maro no mbola ho ambara ary maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany no nanana fanontaniana. Namaky ireo faminaniana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fananganana an’i Ziona izy ireny (jereo ny 3 Nefia 21). Ahoana no hitrangan’izany? Ireo fanambarana nolazain’i Hiram Page fa noraisiny dia miompana amin’izany lohahevitra izany, izay vao mainka nanitikitika ny sain’ireo mpikambana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28). Nanontany tena momba ny Fahalavoan’i Adama sy Eva ary ny fahafatesana ara-panahy ny hafa. Noraisin’ny Tompo tsara ireo fanontaniana ireo tamin’ny taona 1830, ary mandray an-tanan-droa ny fanontaniantsika Izy androany. “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny finoana,” hoy Izy tamin’ireo Olomasina, “amin’ny fiombonam-bavaka araka ny didiko, dia ho azonareo izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:6). Raha ny marina, araka ny asehon’ilay fanambarana manan-danja ara-potopampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 dia mamaly ny fanontaniantsika ny Tompo indraindray amin’ny fanomezana antsika fahamarinana sy fahalalana mihoatra lavitra noho izay angatahintsika.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29
Manana drafitra ho an’ny famonjena ny zanany ny Ray any An-danitra.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 dia mampianatra fahamarinana maro momba ny drafitr’ Andriamanitra ho anao. Eo am-pamakianao dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny tsirairay avy amin’ireto ampahany amin’ilay drafitra ireto:
-
Fiainana talohan’ny nahaterahana (jereo ny andininy 36–37)
-
Fahariana (jereo ny andininy 31–33)
-
Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva (jereo ny andininy 40–41)
-
Fiainana an-tany (jereo ny andininy 39, 42–45)
-
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny andininy 1, 42–43, 46–50)
-
Ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny andininy 13, 26)
-
Ny Fitsarana Farany (jereo ny andininy 12–13, 27–30)
Inona no hevi-baovao azonao? Raha manampy anao izany dia azonao atao ny manoratra azy ireo eo amin’ny toerana misy ireo sary any amin’ny faran’ity drafitra ity. Inona no fiantraikan’ireo fanekempihavanana ireo teo amin’ny fiainanao?
Jereo koa ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Drafitry ny famonjena,” Médiathèque de l’évangile.
Ampahan-tsary avy amin’ny Come unto Me [Mankanesa atỳ amiko], nataon’i Jenedy Paige
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–28
Manasa ahy i Jesoa Kristy hanampy amin’ny fanangonana ny olony alohan’ny Fiaviany Fanindroany.
“Toy ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany” no iresahan’i Jesoa Kristy ny amin’ny fanangonana ny vahoakany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2). Inona no ampianarin’io fampitahana io anao momba an’i Jesoa Kristy? Inona no eritreritra na fahatsapana fanampiny tonga ao aminao rehefa mandalina ny fanoharana momba ny reniakoho sy ny zana-borona ao amin’ity rindran-damina ity ianao? Eritrereto ny zavatra tsapanao rehefa nanangona sy niaro anao i Jesoa Kristy.
Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–11, ianao dia mitadiava hevi-baovao momba ny:
-
Iza no hangonina.
-
Ny dikan’ny hoe “miangona” eo amin’i Kristy.
-
Nahoana isika no miangona eo Aminy.
Saintsaino ny antony tianao hiangonan’ny olona hafa eo amin’i Jesoa Kristy. Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hahafahana manampy?
Antsoina ianareo mba hanatanteraka ny fanangonana
Afaka mametraka fanontaniana mitovy amin’izany amin’ny tenanao ianao na mamaky na mihaino hira momba ny fanangonana, toy ny “Israel, ton Dieu t’appelle” (Cantiques, no. 6). Inona no tsapanao fa ezahin’ny Tompo ampianarina anao momba ny asa fanangonana?
A Witness of God
Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ankehitriny dia mitranga any amin’ny firenena tsirairay ny fanangonana. Nandidy ny mba hanorenana an’i Ziona ny Tompo any amin’ny fanjakana tsirairay izay natokany mba hahaterahan’ireo Olomasiny sy nanomezany azy ireo ny zom-pireneny” (“The Gathering of Scattered Israel,” Liahona, Nov. 2006, 81). Manampy antsika “hiomana ho amin’ny zava-drehetra” amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany amin’ny fomba ahoana ny fiangonana toy izany? (andininy 8; jereo ihany koa ny andininy 14–28).
Jereo koa ny Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018), Médiathèque de l’évangile; D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana,” Liahona, nôv. 2022, 53–56; Lohahevitra sy fanontaniana, “Fanangonana an’i Isiraely,” Médiathèque de l’évangile.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–35
“Ho Ahy ny zavatra rehetra dia ara-panahy.”
Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–35ianao, dia manontania tena hoe: “Amin’ny heviny ahoana no maha ara-panahy ny didy rehetra?” Azonao atao ny manao lisitra didy vitsivitsy ary misaintsaina ireo fitsipika ara-panahy mifandray amin’ny tsirairay avy amin’ireo didy ireo. Ny famerenana ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia mety hanampy—izay mampianatra ny sasany amin’ireo fahamarinana mandrakizay ao ambadiky ny didin’ Andriamanitra maromaro izany.
Inona no fiantraikan’ny fahafantarana fa “ny zavatra rehetra … dia ara-panahy” eo amin’ny fomba fijerinao ny didin’Andriamanitra? Mitadiava hevitra na tanjona ara-panahy amin’ny lafiny hafa koa amin’ny fiainanao.
Jereo koa ny 2 Nefia 9:39.
Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. “Fahafahana azo araraotina mba hampianarana sy hianarana momba an’i Jesoa Kristy ny lohahevitry ny filazantsara rehetra.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6). Inona no ianaranao momba ny toetrany sy ny anjara asany ary ny ohatra nasehony rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–50
Manavotra antsika amin’ny Fahalavoana i Jesoa Kristy.
Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–50 mba hanazavana ny antony ilantsika ny fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?
Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia nitondra fahafatesana sy fahotana teto amin’izao tontolo izao, kanefa nanomana ny lalana ho amin’ny fanavotana sy fifaliana amin’ny alalan’i Kristy koa izany. Rehefa ao an-tsaina izany eritreritra izany dia vakio ny andininy 39–43 ary mariho ireo teny sy andian-teny izay mitondra fifaliana ho anao. Inona no manaitra anao momba ny zavatra nolazain’i Adama sy i Eva momba ny Fahalavoana ao amin’ny Mosesy 5:10–12?
Why We Need a Savior
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29
Manana drafitra ho an’ny famonjena ny zanany ny Ray any An-danitra.
-
Mba hanombohana resadresaka momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika dia afaka miresaka momba ny fotoana iray nanaovanao drafitra ianao sy ny ankizy, toy ny tamin’ny dia iray na tamin’ny fanatanterahana asa iray. Azonao atao koa ny mizara ohatra ana drafitra toy ny tetiandro misy asa atao voasoratra na misy toromarika fanaovana zavatra iray. Nahoana no ilaina ny manao drafitra? Azonao atao avy eo ny miresaka momba ny zavatra tian’ny Ray any an-danitra hotanterahina sy ny fomba hanampian’ny drafiny antsika hanatanteraka izany.
-
Azonao atao ny mampiasa ireo sary any amin’ny faran’ity lesona ity mba hanampiana ny ankizy hahita andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 izay mampianatra momba ny ampahany samihafa amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Azonao atao koa ny manapaka ireo sary ary angataho ny ankizy mba hametraka azy ireo araka ny tokony ho izy. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny fahafantarana fa manana drafitra ho antsika ny Ray any An-danitra? Inona no fiantraikan’ny fahalalana ny momba izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2, 7–8
Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy mialoha ny fiaviany indray.
-
Ny sary etsy ambany momba ny reniakoho manangona ny zanany ChurchofJesusChrist.orgdia afaka manampy ny ankizy haka sary an-tsaina ny fanoharana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2. Avy eo dia afaka mamaky ireo andininy ireo ianao ary mifampiresaka momba ny fomba iarovan’ny reniakoho ny zanany sy ny fomba itovizan’izany amin’ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao ho antsika.
1:24Chicks and Hens
I Would Gather Thee [Hangoniko ianao], nataon’i Liz Lemon Swindle
-
Inona no mety hanentana ny ankizy hanana faniriana hanampy ny Mpamonjy hanangona ny olony? Mety ho tian’izy ireo angamba ny handre ny zavatra niainan’ny olona iray izay “niangona” teo Aminy tamin’ny alalan’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany. Ohatra hoe, iza no nampahafantatra ny Fiangonana tamin’ny fianakavianao? Tamin’ny fomba ahoana no efa nitahiana antsika manokana tamin’ny fanekena ny fanasan’ny Mpamonjy mba hiangona any Aminy? Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hiangona eo Aminy? ChurchofJesusChrist.org
3:30Video: A Message for Children from President Russell M. Nelson
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11
Ho avy indray i Jesoa Kristy.
-
Ny sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 66)na ny hira iray momba izany (toy ny “Raha ho avy indray i Kristy,” Bokin-kiran’ny Ankizy, 46) dia afaka manampy anao sy ny ankizy hifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11. Ampio ny ankizy hahatsikaritra andian-teny ao amin’ny soratra masina izay mifandray amin’ny zavatra iray ao amin’ilay sary na hira. Ifampizarao ny zavatra tsapanareo momba ny fiavian’i Jesoa Kristy eto an-tany indray.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.