“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Mpikambana niova fo voalohany,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Mpikambana niova fo voalohany,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny
Mpikambana niova fo voalohany
Na dia talohan’ny nananganana ny Fiangonana tamin’ny Aprily 1830 aza dia nanambara ny Tompo hoe, “Efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4). Io fanambarana io dia voaporofo fa marina nandritra ireo volana maromaro nifanesy taorian’izay, satria maro ireo mpikatsaka ny fahamarinana no notarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra hitady ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.
Maro tamin’ireo mpikambana voalohany ireo no nanampy tamin’ny fametrahana ny fototry ny Famerenana amin’ny laoniny, ary sarobidy ho antsika amin’izao fotoana izao ny tantaran’izy ireo. Ny finoana izay nasehony dia ilay finoana izay ilaintsika mba hiova fo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Abigail Calkins Leonard
Raha tokotokony ho manodidina ny dimy amby telopolo taona tany i Abigail Calkins Leonard dia naniry ny ho voavela heloka izy. Namaky Baiboly izy indraindray, ary nitsidika ny tranony ny olona avy tamin’ny fiangonana Kristiana, saingy nisalasala momba izay naha-samy hafa ireo fiangonana izy. “Indray maraina,” hoy izy, “Nalaiko ny Baiboliko ary nandeha tany anaty ala aho, ka nandohalika.” Nivavaka tamin-kafanam-po tamin’ny Tompo izy. “Avy hatrany dia nisy fahitana iray nandalo teo amin’ny masoko,” hoy izy, “ary ireo fiangonana samihafa dia nifanesy nandalo teo amiko, ary nisy feo niantso ahy, nilaza hoe: -Ireo dia natsangana mba hahazoana tombony-. Avy eo dia nahita hazavana lehibe aho, tao ambadik’izay, ary nisy feo avy any ambony niantso hoe: -Hanangana vahoaka iray Aho ka hahafaly Ahy ny manana azy sy mitahy azy.-” Fotoana fohy taty aoriana dia nandre momba ny Bokin’i Môrmôna i Abigail. Na dia mbola tsy nanana ny tahadikan’izany aza izy, dia nitady ny “hahalala ny fahamarinan’ity boky ity, tamin’ny alalan’ny fanomezana sy ny herin’ny Fanahy Masina,” ary “nahatsapa avy hatrany ny fanatrehany izy.” “Vonona ny handray izany” izy rehefa afaka namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny farany. Natao batisa tamin’ny taona 1831 izy sy i Lyman vadiny.
Thomas B. Marsh
Fony zatovo vao herotrerony i Thomas B. Marsh, dia nandalina ny Baiboly izy ary niditra ho mpikambana tao amin’ny fiangonana kristianina iray. Saingy tsy afa-po izy ary niala tamin’ny fiangonana rehetra nony farany. “Nanana ampahany kely tamin’ny fanahin’ny faminaniana aho,” hoy izy, “ka niteny tamin’ny [mpitarika fivavahana iray] fa niandrandra fiangonana vaovao iray mba hitsangana, izay hanana ny fahamarinana ao amin’ny fahadiovany aho.” Fotoana fohy taorian’izany, dia nanana tanjaka ara-panahy i Thomas mba handao ny tranony tany Boston, Massachusetts, ka nandeha niankandrefana. Rehefa avy nandany telo volana tany andrefan’i New York anefa izy ka tsy nahita izay notadiaviny, dia nanomboka nody. Teny an-dalana dia nisy vehivavy iray nanontany an’i Thomas raha nahare momba “ Ilay Boky Volamena hitan’ny zatovo iray antsoina hoe Joseph Smith” izy. Nampisaintsaina an’i Thomas izany ka nandeha avy hatrany tany Palmyra izy ary nifankahita tamin’i Martin Harris tao amin’ny trano printy, raha voantonta iny mihitsy ireo pejy 16 voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka nahazo ny tahadikan’ireo pejy 16 ireo i Thomas, ka nentiny nody tany amin’i Elizabeth vadiny ireo. “Tena faly” tamin’ilay boky izy ary notantarainy fa “nino izany ho asan’Andriamanitra izy.” Nifindra tany New York niaraka tamin’ireo zanak’izy ireo i Thomas sy i Elizabeth taty aoriana ary natao batisa. (Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’i Thomas B. Marsh, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31.)
Parley sy Thankful Pratt
Tahaka an’i Thomas Marsh, i Parley sy i Thankful Pratt dia notaomin’ny fanentanana ara-panahy mba handao ny toeram-pamboleny niroborobo tao Ohio niaraka tamin’ny fikasana hitory ny filazantsara rehefa takatr’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly izany. Raha nilaza tamin’ny rahalahiny i Parley hoe: “Ny fanahin’ireo zavatra ireo dia nampiasa ny saiko fatratra tato ho ato ka tsy nampitombina ahy.” Rehefa tonga tao New York atsinana izy ireo dia nahazo bitsika ny hijanona elaela tao amin’ilay faritra i Parley. Nanapa-kevitra izy ireo fa hanohy ny dia tsy miaraka amin’i Thankful. “Manana asa tokony hatao eto amin’ity faritra ity aho,” hoy i Parley taminy, “ary na inona izany, na hafiriana no hanatanterahana izany, tsy fantatro; fa ho avy aho rehefa vita izany.” Tany no nahenoan’i Parley voalohany momba ny Bokin’i Môrmôna. “Nahatsiaro ho liana tamin’ilay boky aho”, hoy izy. Nangataka tahadikan’izany izy ary namaky nandritra ny alina. Tamin’ny maraina dia fantany fa marina ilay boky, ary nanome lanja izany “noho ny harena rehetra eto amin’izao tontolo izao” izy Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia natao batisa i Parley. Niverina tany amin’i Thankful izy avy eo, izay natao batisa ihany koa. (Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’i Parley P. Pratt, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32.)
Parley P. Pratt Reads the Book of Mormon [Mamaky ny Bokin’i Môrmôna i Parley P. Pratt], nataon’i Jeffrey Hein
Sidney sy Phebe Rigdon
Raha teny an-dalana avy any New York ka hanao asa fitoriana tany Missouri i Parley Pratt sy ireo mpiara-miasa taminy dia nijanona tao Mentor, Ohio izy ireo, tao an-tranon’i Sidney sy i Phebe Rigdon—naman’i Parley fony nipetraka tany Ohio izy. Mpitondra fivavahana kristianina i Sidney, ary efa mpikamban’ny fiangonany i Parley taloha ka noraisin’i Parley ho mpanabe ara-panahy izy. Nilaza tamim-pientanentanana momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ireo namany i Parley. I Sidney izy tenany mihitsy aza dia nitady ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana marina izay hitany voasoritsoritra tao amin’ny Testamenta Vaovao, na dia nisalasala momba ny Bokin’i Môrmôna aza izy tamin’ny voalohany. “Fa hovakiko ny bokinao,” hoy izy tamin’i Parley namany, “ary hiezaka hamantatra aho raha fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany na tsia.” Taorian’ny roa herinandro nanaovana fandalinana sy vavaka dia samy resy lahatra na izy na i Phebe fa marina ilay boky. Kanefa fantatr’i Sidney ihany koa fa ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana dia ho sorona lehibe ho an’ny fianakaviany. Mazava ho azy fa ho very ny asany amin’ny maha-mpitondra fivavahana azy, miaraka amin’ny sata sosialy eo anivon’ny fiarahamonina. Rehefa niady hevitra momba izany izy sy i Phebe, dia nanambara i Phebe hoe: “Nanombantombana ny saran’izany aho, ary … faniriako ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra, na ho fiainana na ho fahafatesana no ho vokatr’izany.”