“21–27 aprily: -Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny Saints Move to Kirtland [Olomasina mifindra monina ho any Kirtland], nataon’i Sam Lawlor
21–27 aprily: “Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40
Ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ny Fiangonana dia mihoatra noho ny hoe toerana iray handrenesana toriteny vitsivitsy rehefa alahady. Nampiasa teny toy ny antony, fanjakana, Ziona, ary asa matetika ny fanambarana. Mety ho anisan’ny nahasarika ny olona ho ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny izany. Na dia tia ny fotopampianarana aza izy ireo dia maro ihany koa no naniry zavatra masina izay hanokanany ny fiainany. Na izany aza dia tsy mora ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba hiangona tao Ohio tamin’ny 1830. Ho an’ny maro dia nidika ho fandaozana tokantrano mampahazo aina ho any amina sisintany tsy mahazatra izany. (jereo ny “Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Mivondrona ho any Ohio”). Afaka mahita mazava tsara ny zavatra izay tsy afaka ny ho hitan’ireo Olomasina ireo afa-tsy tamin’ny masom-pinoana ihany isika ankehitriny: nanana fitahiana lehibe niandry azy ireo tany Ohio ny Tompo.
Efa lasana hatry ny ela ny filàna mivondrona ho any Ohio kanefa ireo Olomasina ankehitriny dia mbola manohy miray hina maneran-tany ho amin’ny tanjona, sy ny asa mitovy tamin’izany: dia ny “hampandroso an’i Ziona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:13). Toy ireo Olomasina tany am-piandohana dia avelantsika any “ny fahatahorana ny fanenjehana sy ny fiahiahiana izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:2) satria matoky ny fampanantenan’ny Tompo isika ny hoe: “horaisinao … ny fitahiana lehibe tokoa toy izay tsy mbola fantatrao na oviana na oviana.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10).
Jereo ihany koa ny Olomasina,, 1:109–11.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–38
Angonin’ Andriamanitra isika mba hitahiana antsika.
Ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Fayette, New York, dia tsy maintsy nanao fahafoizan-tena sarotra mba hifindra tany Ohio (miala lavitra mihoatra ny 250 kilaometatra) tamin’ny ririnina tamin’ny taona 1831. Rehefa mamaky momba ny didin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:3–4, ianao dia mety hieritreritra momba ny fahafoizan-tena nangatahin’ny Tompo taminao. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–33, dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay manome finoana anao hanaraka ny toroheviny. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny andininy 11–33 momba ireo fitahiana avy amin’ny fanangonana amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anao?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:22
“Henoy ny feoko ary manaraha Ahy.”
Ahoana no ahafahanao manao an’i Jesoa Kristy ho “mpanome lalàna anao”? Mahatonga anao ho “olona afaka” amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ireo lalàny?
Jereo ihany koa ny 2 Nefia 2:26–27.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30
Raha vonona aho dia tsy mila matahotra.
Oviana ianao no niaina ilay fitsipika nambaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30: “Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra”? Rehefa mandalina ny fizarana 38, ianao dia jereo ny fomba nanomanan’ny Tompo ny Olomasiny mba hahafahan’izy ireo miatrika ny hoavy amim-pahasahiana. Ahoana no tiany hiomananao amin’ireo olana mba tsy hatahoranao?
Jereo koa ny David A. Bednar, “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo,” Liahona, nôv. 2020, 8–11.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27
Tian’Andriamanitra “ho iray” isika.
Ireo Olomasina izay nivory tao Ohio dia avy amin’ny toe-javatra samihafa. Mety ho toy izany koa ny olona ao amin’ny paroasy misy anao. Fa ny Tompo dia mandidy ny olony mba “ho iray” (andininy 27). Ahoana no hanatanterahantsika izany karazana firaisankina izany? Inona no hevitra tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27 ianao? Nahoana isika no mila miray saina mba ho vahoakan’Andriamanitra?
Ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mety hanentana anao hieritreritra momba ny fifandraisanao—ohatra, amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao, na mpikambana ao amin’ny paroasy, ary ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Inona no mety hanakana anao tsy ho tafaray ao amin’i Kristy? Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao “ho iray”? Mety hahita hevitra ao amin’ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Manafoana ny fandrafiana ny fiadanan’i Kristy,” Liahona, nôv. 2021, 83–85 koa ianao.
PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_AFriendToAll_SUB_21Aug2025_HDF-2398_MLG.mov
Love in Our Hearts
Ahoana no ahafahanao manampy ireo vondrona ireo mba hiray hina kokoa? Ohatra, hevero ny handefa na hanoratra hafatra amin’ny alalan’ny SMS ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny kilasinao na ny fianakavianao. Iza no tsapanao fa asain’ny Fanahy toloranao tanana?
Manentana anao hanao inona ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao amin’ny Efesiana 2:14, 18–22; 2 Nefia 26:24–28?
Jereo koa ny Quentin L. Cook, “Fo mifamihina ao amin’ny fahamarinana sy firaisan-kina,” Liahona, nôv. 2020, 18–21; “Mifankatiava,” Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 74; Lohahevitra sy fanontaniana, “Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Médiathèque de l’Évangile.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:39; 39–40
Maniry ny hanome ahy ireo haren’ny mandrakizay ny Ray.
Araka ny hevitrao, inona no maha samy hafa ny “haren’ny tany” sy ny “haren’ny mandrakizay”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:39) Inona no traikefa nampianatra anao hanome lanja ny haren’ny mandrakizay?
Ataovy ao an-tsaina izany rehefa mamaky momba an’i James Covel ianao ao amin’ny andininy 39–40 (anisan’izany ny sahan-kevitra ara-tantara ao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana). Saintsaino ny fomba mety azo ampiharana ny zavatra niainany aminao. Ohatra hoe eritrereto ireo fotoana izay “[nampahitsy] teo anoloa[n’ Andriamanitra] ny fo[nao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:1). Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao noho ny fahatokianao? Eritrereto koa hoe inona ireo “fiahiahiana izao fiainana izao” izay atrehinao. Ahoana no ahafahan’izy ireo manakana anao tsy handray ny tenin’Andriamanitra “amim-pifaliana”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:9; 40:2). Inona no hitanao ao amin’ireo fizarana ireo izay mamporisika anao hankatò tsy tapaka an’Andriamanitra?
Jereo ihany koa ny Matio 13:3–23
Antsoina ianareo mba hanatanteraka ny fanangonana
Mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. “Ny fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatra hahita ny lanjan’ireo [soratra masina] hitan’izy ireo dia amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe: -Ahoana no ahafahan’ity manampy anao amin’ny zavatra iray izay iainanao amin’izao fotoana izao?- -Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahalala izany?- -Inona no fiovana azon’izany entina eo amin’ny fiainanao?-” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 23). Ireo fanontaniana ao amin’ity sahanasa mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40 ity dia ohatra hafa amin’ny fanontaniana izay afaka manampy antsika hampihatra ireo fanambarana ireo eo amin’ny fiainantsika.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37; 38:31–33
Angonin’ Andriamanitra isika mba hitahiana antsika.
-
Ny sarintany sy ny pejin’ny sahanasa any amin’ny faran’ity lesona ity dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny zavatra nandidian’Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:3. Angamba azonao atao ny manampy azy ireo hahita ireo toerana voalaza ao amin’ireo fanambarana ireo. Azonao atao koa ny manampy azy ireo hahita andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33 izay mamaritra ny antony tian’Andriamanitra hiangonan’ny olony.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27
Tian’Andriamanitra “ho iray” isika.
-
Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–25 miaraka amin’ny ankizy ianao dia resaho ny dikan’ny hoe mihevitra ny rahalahinao na ny anabavinao ho toy ny tenanao (jereo koa ny Matio 7:12). Ampio izy ireo hamerina ilay soratra masina, ka soloina amin’ny anaran’izy ireo tsirairay ilay hoe “ny rahalahiny.”
-
Mba hampianarana ny ankizy ny dikan’ny hoe “ho iray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27), dia azonao atao ny manampy azy ireo hanao sarina isa 1 lehibe ary handravaka izany amin’ny anarana sy sary na sarin’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianareo na ny kilasinareo. Azonareo soratana eo akaikin’ilay 1 ireo zavatra hataonareo mba hiray hina kokoa.
-
Mizarà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana izay maneho ny fomba ahafahan’ny zavatra maromaro hitambatra na ho iray, toy ny ampahan-damba mandrafitra akanjo iray, na ireo laro izay hanaovana mofo iray. Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika mikasika ny hoe lasa iray amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30
Raha miomana aho dia tsy mila matahotra.
-
Rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30 ianao sy ny ankizy dia afaka miresaka momba ny zavatra niainana vao haingana izay nitaky fiomanana ianareo. Avy eo dia azonao atao ny manontany ny ankizy momba ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hiomanantsika. Zarao amin’ny ankizy ny zavatra niainana iray izay nanampy anao tsy hatahotra satria efa niomana ianao.
Men's Hearts Shall Fail Them
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:6, 23
Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aho rehefa raisina ho mpikambana.
-
Hevero ny hampiseho sarin’olona iray raisina ho mpikambana. Angataho ireo ankizy hanazava ny zavatra mitranga ao amin’ilay sary. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hanondro ilay sary isaky ny mandre ireo teny hoe Fanahy Masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:6, 23 izy ireo (na amin’ny hira toy ny “ny Fanahy Masina,” Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Ifampizarao ny fomba nitahian’ny fanomezana ny Fanahy Masina anareo.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.