Doctrine and Covenants 2025
14–20 aprily: “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”: Paska


“14–20 aprily: -Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina-: Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Christus statue [Ilay sarivongana Christus]

14–20 aprily: “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”

Paska

Alahadin’ny Paska ny 3 aprily 1836. Rehefa avy nanampy tamin’ny fizarana ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo Olomasina niara-nivory tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izay vao notokanana i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia nitady toerana mangina iray tao ambadiky ny voaly tao amin’ny tempoly ka niondrika mangina nivavaka. Rehefa izany, tamin’io andro masina izay hankalazan’ny Kristianina n’aiza n’aiza ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty io, dia niseho tao amin’ny tempoliny ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ka nanambara hoe “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4).

Inona no dikan’ny filazana fa i Jesoa Kristy no “Ilay velona”? Tsy ny nitsanganany avy tao am-pasana sy ny nisehoany tamin’ireo Galileana mpianany fotsiny no dikan’izany. Midika izany fa velona Izy ankehitriny. Miteny amin’ny alalan’ireo mpaminany Izy ankehitriny. Mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny. Manasitrana ireo fanahy maratra sy ireo fo torotoro Izy ankehitriny. Noho izany dia afaka averintsika ireo tenin’i Joseph Smith izay mirakitra tenivavolombelona mahery vaika manao hoe: “Ary ankehitriny, aorian’ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona … izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22) Afaka mandre ny feony ao amin’ireo fanambarana ireo isika, mahita ny fiasan’ny tanany eo amin’ny fiainantsika, ary mahatsapa “ny fifaliana omen’ity fehezan-teny ity: -Velona ilay mpanavotra ahy!-” (fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

sary famantarana ny seminera
Velona i Jesoa Kristy.

Ny ankamaroantsika dia tsy nahita an’i Jesoa Kristy toy ny fahitan’ny Mpaminany Joseph Smith azy. Saingy afaka mahafantatra isika, tahaka ny nataony, fa velona ny Mpamonjy, mahafantatra ny fahombiazana sy ny fahasahiranantsika Izy, ary hanampy antsika amin’ny fotoan-tsarotra Izy. Eritrereto ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Kristy velona rehefa misaintsaina ireo fanontaniana etsy ambany ianao ary mandalina ireo loharanom-pahalalana miaraka amin’izany.

Ny hery dia avy amin’ny fitadidiana. Nanazava ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Misy hery lehibe azo avy amin’ ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny famantarana olona iray vaovao izany, izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana, afaka manentana ny fanahy sy mampionona, ary afaka ho loharano ahazoana risi-po hanaovana ny fanovana izay ilaina” (“Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6). Raha mahita soratra masina iray momba ny Mpamonjy izay manan-danja indrindra aminao ianao—izay mety hanome fampiononana anao amin’ny fotoan-tsarotra angamba—dia hevero ny hitadidy izany.

Mahatsapa ho amporisihina hanao inona ianao mba handraisanao ireo fahamarinana ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ao am-ponao sy ao an-tsainao?

2:5

Let Your Goals Be Guided by the Spirit

Raha te hianatra bebe kokoa momba ny fomba nitahian’ny Mpamonjy antsika ankehitriny dia azonao atao ny mandalina na mihaino na mihira ny “Velona ilay Mpanavotra Ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 76) Mety ho fitaomam-panahy ny fitadiavana fahamarinana ao amin’io fihirana io izay ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34; 84:77; 98:18; 138:23.

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

Fantatr’i Joseph Smith hoe toy ny ahoana izany misaona ny fahafatesan’ireo olon-tiana izany, anisan’izany ny rainy sy ny roa tamin’ireo rahalahiny. Nandevina ny enina tamin’ireo zanany i Joseph sy i Emma, ary latsaky ny roa taona avy izy ireo. Nahazo fomba fijery mibanjina ny mandrakizay avy amin’ireo fanambarana nomen’Andriamanitra i Joseph sy i Emma.

Mitadiava fahamarinana momba ny fahafatesana sy ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:26–27; 42:45–46; 63:49; 88:14–17, 27–31; 93:33–34. Inona no fiantraikan’ireo fanambarana ireo amin’ny fomba fijerinao momba ny fahafatesana? Inona no fiantraikan’ireny amin’ny fomba fiainanao?

Jereo koa ny 1 Korintiana 15; Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 174–76; Easter.ChurchofJesusChrist.org.

Nanatanteraka “sorompanavotana tonga lafatra” ho ahy i Jesoa Kristy.

Fomba iray hifantohana amin’ny Mpamonjy mandritra ny vaninan’andron’ny Paska ny mandalina ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay mampianatra momba ny sorona manavotra nataony. Ny sasany amin’izy ireny dia azo jerena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13; 19:16–19; 45:3–5; 76:69–70. Ataovy lisitra ireo fahamarinana izay hitanao ao amin’ireo andininy ireo. Mba hanamafisana ny fandalinanao, dia azonao atao ny manampy zavatra ao amin’ny lisitra nataonao amin’ny alalan’ny fanaovana fikarohana ao amin’ny Lioka 22:39–44; 1 Jaona 1:7; 2 Nefia 2:6–9; Môzià 3:5–13, 17–18; Môrônia 10:32–33.

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay afaka ny hitarika anao amin’ny fandalinanao:

  • Inona no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana i Jesoa Kristy no nisafidy ny hijaly sy ho faty ho antsika?

  • Inona no tsy maintsy ataoko mba handraisako ireo fitahiana avy amin’ny sorona nataony?

  • Inona no tsapako momba an’i Jesoa Kristy rehefa avy namaky ireo andininy ireo aho?

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Sorompanavotana,” Médiathèque de l’évangile.

8:48

The Savior Suffers in Gethsemane

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

  • Mba hampianarana ny ankizy momba ny fitsanganana amin’ny maty dia azonao atomboka amin’ny fampisehoana azy ireo ny sary maneho ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Avelao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ireo zava-nitranga ireo. Azonareo atao koa ny mihira hira toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45).

  • Mieritrereta lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana iray izay afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny zava-mitranga rehefa maty isika (misaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika) ary rehefa mitsangana amin’ny maty isika (miverina miaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika, ary tonga lafatra sy tsy mety maty ny vatantsika). Ohatra hoe, inona no mitranga rehefa esorintsika amin’ny jiro mandeha amin’ny herinaratra ny vatoaratra, na rehefa esorina amin’ny penina ny tsinainy? Inona no mitranga rehefa atambatra indray ireo zavatra ireo? (Jereo ny Almà 11:44–45.)

  • Mahafantatra olona efa nodimandry ve ireo ankizy? Avelao izy ireo hizara zavatra fohifohy momba ireo olona ireo ary avy eo dia iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:17. Mifampiresaha momba ny zavatra tsapanareo noho ny fahafantarana fa hitsangana amin’ny maty ireo olon-tiantsika ary hanana vatana indray.

  • Raha manan-janaka lehibe kokoa ianao dia azonao atao ny manasa azy ireo hitady andian-teny izay mirakitra ny hafatry ny Paska ao amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49; 88:14–17, 27; 138:11, 14–17. Ahoana no ahafahantsika mizara ity hafatra ity amin’ny hafa?

fandevenana an’i Kristy sy fitsanganany tamin’ny maty

Nahita an’i Jesoa Kristy ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Mety hahaliana anao sy ny ankizy ny hamaky momba ireo fotoana telo samy hafa nisehoan’i Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith sy ny hafa, araka ny voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:14–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–24; 110:1–10. Afaka mijery ny sarin’ireo trangan-javatra ireo koa ny ankizy ao amin’ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity. Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo traikefa tsirairay ireo? Nahoana no fitahiana ny mahafantatra fa nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty i Joseph Smith?

Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela amin’ny fahotako aho.

  • Ireo fahamarinana nianaran’i Joseph Smith momba ny famelan-keloka tamin’ny alalan’i Kristy dia afaka manome fanantenana ny ankizy fa afaka ny ho voavela amin’ny fahadisoany sy ny fahotany izy ireo. Asao ny ankizy hanao tabilao misy lohateny toy izao: Ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho ahy sy ny Zavatra tsy maintsy ataoko mba hahazoana ny famelany. Asao ny ankizy tsirairay hanao fikarohana ao amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto mba hahitana zavatra tafiditra ao amin’ireo lohateny ireo: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13; 19:16–19; 45:3–5; 58:42–43. Ifampizarao ny fifaliana sy ny fankasitrahana anananareo noho ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy ho antsika.

3:4

The Shiny Bicycle

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Niseho tamin’i Maria i Kristy nitsangana tamin’ny maty

Christ and Mary at the Tomb [I Kristy sy i Maria teo am-pasana], nataon’i Joseph Brickey

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy