Doctrine and Covenants 2025
Feon’ny famerenana amin’ny laoniny: Mivondrona ho any Ohio


“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Mivondrona ho any Ohio,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Mivondrona ho any Ohio,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

sary famantarana ny feon’ny Famerenana amin’ny laoniny

Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny

Mivondrona ho any Ohio

Kirtland tamin’ny taona 1830

Kirtland Village [Tanànan’i Kirtland], nataon’i Al Rounds

Phebe Carter

Picture of Phoebe Carter Woodruff, wife of Wilford Woodruff, circa 1840.

Anisan’ireo Olomasina maro niangona ho any Ohio tamin’ny taona 1830 i Phebe Carter. Tany amin’ny faritra avaratra andrefana ao Etazonia no nidirany ho mpikamban’ny Fiangonana tany akaikikaikin’ny faha-dimy amby roapolo taonany tany ho any na dia tsy niditra ho mpikambana aza ireo ray aman-dreniny. Nanoratra izy taty aoriana ny amin’ny fanapahan-keviny ny hifindra hankany Ohio mba hivondrona niaraka tamin’ireo Olomasina:

“Talanjona izay tsy izy, toa ahy ihany, ireo namako tamin’ny fanapahan-kevitro, kanefa nisy zavatra tao anatiko tao izay nanentana ahy tsy tapaka. Mila tsy ho tantiko mihitsy ny alahelon’ny reniko tamin’ny fandehanako ary raha tsy noho ny fanahy tao anatiko dia ho nihemotra aho ka dia ho tsy nandeha. Nolazain’ny reniko tamiko fa naleony nahita ny fandevenana ahy toy izay ny nahita ahy nandao ny tokantrano handeha any amin’ny tontolo tsy misy indra fo.

“-[Phebe],- hoy izy niaiky, -hiverina aty amiko ve ianao raha hitanao fa hoe diso ny fivavahana Môrmôna?-

“-Eny, ry neny; hiverina aho,- hoy aho namaly.… Nampisinda ny tebitebiny ny valinteniko; saingy niteraka alahelo lehibe ho anay rehetra ny hifandao. Nony tonga ny fotoana handehanako dia fantatro fa hoe tsy ho vitako ny hanao veloma farany; noho izany dia nanoratako taratasy fanaovam-beloma ny tsirairay ka napetrako teo amin’ny latabatro ireny, nihazakazaka aho nidina ny tohatra ary niditra faingana tao anatin’ny fiara fitaterana. Nilaozako noho izany ny tokantrano mamin’ny fahazazako mba hampifamatotra ny fiainako amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra.”

Toy izao no nosoratan’i Phebe tao anatin’ny iray tamin’ireo hafatra fanaovam-beloma:

“Ry ray aman-dreny lalaiko, eo am-pandaozana vetivety ny tranon’ny ray aman-dreniko aho ankehitriny … tsy fantatro hoe hafiriana, kanefa feno fankasitrahana aho tamin’ny hatsaram-panahy izay noraisiko hatramin’ny fahazazako mandraka ankehitriny. Saingy toa hafa noho ny teo aloha izao ny sitrapon’ Andriamanitra. Ndeha hapetratsika eo an-tanan’ Andriamanitra ireny zavatra rehetra ireny ka ho feno fisaorana ny amin’ny namelany antsika hiara-hiaina nandritra ny fotoana ela naharitra tao anatin’ny toe-javatra iainana tsara toy ny ananantsika Izy, sady hino fa ho tombontsoa ho antsika ny zava-drehetra raha tiantsika ambonin’ny zava-drehetra Andriamanitra. Aoka ho takatsika fa isika dia afaka mivavaka amin’ny Andriamanitra iray izay hihaino ny vavaka an-kitsim-po ataontsika ho an’ireo zava-boariny rehetra sy manome antsika izay tsara indrindra ho antsika. …

“Ry neny, mino aho fa sitrapon’ Andriamanitra ho ahy ny handehanako any andrefana ary resy lahatra aho fa efa toy izany hatry ny ela izany. Afaka ny handeha aho ankehitriny … ; mino aho fa ny Fanahin’ Andriamanitra no nanatontosa izany ka ampy ho an’ny zava-drehetra izany. Aza mitaintaina ny amin’ny zanakao. Ny Tompo no hampionona ahy. Mino aho fa hokarakarain’ny Tompo sy homeny izay tsara indrindra ho ahy aho. … Handeha aho satria miantso ny Mpampianatro. Efa nataony tsotra ny adidiko.”

Fanamarihana

  1. Ao amin’ny Edward W. Tullidge, The Women of Mormondom (1877), 412.

  2. Taratasin’i Phebe Carter ho an’ireo ray aman-dreniny, tsy misy daty, Church History Library, Salt Lake City; mari-piatoana nampanarahana fenitra. Tamin’ny 1834 i Phebe no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nifindra tany Ohio izy nanodidina ny taona 1835 ary nanambady an’i Wilford Woodruff tamin’ny 1837.