“28 aprily–4 mey: -[Ny] lalàko hitondrana ny fiangonako-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
28 aprily–4 mey: “[Ny] lalàko hitondrana ny fiangonako”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44
Nitombo haingana dia haingana ny Fiangonana tamin’ny taona 1830 sy 1831, indrindra noho ny fisian’ny olona marobe niditra ho mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio. Nampientam-po sy nampahery ny Olomasina izany fitomboana izany, saingy nisy fanamby vitsivitsy koa niaraka tamin’izany. Ahoana no hampiraisanao vondrona mpino izay nitombo haingana? Inona ny zavatra manokana ataonao rehefa miresaka fotopampianarana sy fomba fanao avy amin’ny finoany taloha izy ireo? Ohatra, rehefa tonga tao Kirtland i Joseph Smith tany amin’ny fiandohan’ny taona 1831, dia nahita mpikambana vaovao nifampizara fananana izay niraisana mba hakana tahaka tsotra izao ireo Kristianina tao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:32–37). Nanao fanitsiana sy fanazavana manan-danja vitsivitsy momba izany sy momba ny lohahevitra hafa ny Tompo. Nanao izany Izy, indrindra fa tamin’ny alalan’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 izay nantsoiny hoe “ny lalàko hitondrana ny fiangonako” (andininy 59). Ianarantsika ao amin’io fanambarana io ireo fahamarinana izay fototra amin’ny fananganana ny Fiangonan’ny Tompo amin’ny andro farany. Ary mianatra isika fa mbola maro ny zavatra tokony hianaranantsika: “Raha mangataka ianao,” hoy ny Tompo nampanantena,“dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61).
Jereo ihany koa ny Olomasina,, 1:114–19.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41
“Izay mandray ny lalàko ary manao izany, dia izy no mpianatro.”
Tany am-piandohan’ny taona 1831 dia nanomboka nivory tao Ohio ny Olomasina. Naniry mafy izy ireo ny handray ilay lalàna izay nampanantenain’Andriamanitra, fa hambara ao (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32). Kanefa nampianarin’ny Tompo voalohany azy ireo ny fomba tokony hiomanan’ny mpianany mba handraisana ny lalàny. Inona ireo fitsipika hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1–6 izay ho nanampy ny Olomasina handray ny lalàn’Andriamanitra? Ahoana no mety hanampian’ireo fitsipika ireo anao handray torolalana avy Aminy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42
Manome didy ahy ny Tompo satria tia ahy Izy.
Noraisin’ny Olomasina ho anisan’ny fanambarana manan-danja indrindra noraisin’ny Mpaminany ilay fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–72. Io no iray amin’ireo fanambarana voalohany navoaka. Nandritra ny taona maro dia nantsoin’ny Olomasina fotsiny hoe “ny lalàna” izany. Na dia tsy ahitana ny didy na ny lalàn’ny Tompo rehetra aza io fizarana io, dia mendrika hosaintsainina ny antony maha-nanan-danja ny hamerenana ireo fitsipika ireo tamin’ny Fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny. Nahoana izy ireny no zava-dehibe amintsika ankehitriny?
Koa satria somary lava ny fizarana 42 dia azonao atao ny mandalina azy io amin’ny ampahany kely kokoa, toy ireto manaraka ireto. Fantaro ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny tsirairay amin’izy ireo ary diniho ny fomba maha-mariky ny fitiavan’ny Tompo ny olony ireo lalàna ireo.
Nahoana Andriamanitra no manome antsika lalàna sy didy? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny fahalalana sy ny fanarahana ireo didy?
Amin’ny fivavaky ny finoana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42
“[Tsarovy] ny mahantra.”
Ao anatin’ny lalàna nambara tao amin’ny fizarana 42, dia nampianatra ny Olomasina ny fomba ahafahan’izy ireo “[miombona] ny fananany rehetra” (Asan’ny Apostoly 2:44; 4 Nefia 1:3) ny Tompo, ka “tsy nisy mahantra teo anivony” (Mosesy 7:18). Inona no ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42 mikasika ny fomba niainan’ny Olomasina ny lalàn’ny fanokanana? (Ny hoe manamasina dia midika hoe mametraka zavatra iray ho an’ny tanjona masina.)
Na dia tsy “[miombona ny fanana[ntsika] rehetra” aza isika amin’izao fotoana izao, dia manao fanekempihavanana hiaina ny lalàn’ny fanokanana ny Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tempoly. Ahoana no ahafahanao manokana ny zavatra nomen’Andriamanitra anao mba hitahiana ny olona sahirana? Afaka manome hevitra anao angamba ny fihirana hira toy ny “Seigneur, j’ai tant reçu” (Cantiques, n° 139).
Jereo koa ny Sharon Eubank, “Mivavaka aho mba hampiasany antsika,” Liahona, nôv. 2021, 53–56.
Christ and the Rich Young Ruler [I Kristy sy ilay zatovo mpanan-karena], nataon’i Heinrich Hofmann
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 65–68; 43:1–16
Manome fanambarana Andriamanitra mba hitarihana ny Fiangonany—sy hitarihana ahy.
Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia miresaka amin’ny mpikambana vaovao ato am-piangonana izay tsindrin-daona hahafantatra fa tarihina amin’ny alalan’ny fanambarana ny Fiangonana. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–16 mba hanazavana aminy ny lamin’ny Tompo amin’ny fitarihana ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminaniny? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 65–68 mba hampianarana momba ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana?
Inona avy ireo “zavatra mitondra fiadanana” sy zavatra mahafaly noraisinao tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fanahiny?
Mba hianarana mikasika ny fomba nandrenesan’ireo mpitarika ny Fiangonana ny feon’ny Tompo dia azonao atao ny mijery ny iray amin’ireo horonan-tsary ao amin’ny amboarana horonan-tsary“Henoy Izy” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Mamorona horonan-tsary ho anao manokana, izay manazava ny fomba ifandraisan’ny Tompo aminao.
Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 93–96.
Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana na ny fitaovana hita maso dia afaka manampy ny olona ampianarinao hahatakatra bebe kokoa ny fahamarinan’ny filazantsara sy hahatadidy izany ela kokoa. Ohatra, azonao atao ny mampiasa piozila iray, izay natambatra tsikelikely, mba hampianarana mikasika ny fandraisana “fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61).
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5
Ny mpianatra dia olona iray mandray ny lalàn’ Andriamanitra ary mankatò izany.
-
Mba hanampiana ny ankizy hahafantatra ny dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia azonao atao ny manoratra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5 amin’ny taratasy iray, ka mamela banga eo amin’ny toerana tokony hisy ny teny hoe mpianatra. Avy eo izy ireo dia afaka mijery ao amin’ny andininy 5 ny teny tsy hita. Araka io andininy io dia inona no dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy? Ahoana no iezahantsika ho tonga mpianatr’i Kristy tsara kokoa?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:2
Faly aho rehefa mankatò ny Tompo.
-
Mety ho tian’ny ankizy ny milalao kilalao iray izay mitaky azy ireo hihaino tsara sy hanaraka ny toromarika. Azonao atao ny mampiasa ity lalao ity mba hiresahana momba ny dikan’ny hoe “mihainoa sy mandrenesa ary ankatoavy” ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:2). Inona no torolalana nomeny antsika? Ahoana no hitahiana antsika amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàny sy ny didiny?
-
Azonao atao ny mamita ny pejin’ny sahanasa amin’ity herinandro ity miaraka amin’ny ankizy. Azonareo atao ihany koa ny mihira hira iray momba ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, toy ny “Te hiaina ny filazantsara aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 72). Hevero ny hifampizara ny fomba nitondran’ny fankatoavana ny lalàn Andriamanitra fahasambarana ho anareo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:38
Manompo an’i Jesoa Kristy aho rehefa manompo ny hafa.
-
Rehefa avy niara-namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:38 ianareo dia ampio ny ankizy hieritreritra ny fomba ahafahany manompo an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Afaka mijery sarin’ny Mpamonjy manampy ny hafa, manasitrana ny marary, na maneho hatsaram-panahy amin’ny ankizy koa izy ireo (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 42, 47).
2:18Pass It On
-
Azonao atao ny mampiseho an’ny ankizy ilay taratasy kely fandoavana fahafolonkarena ny fanatitra hafa ary miresaka mikasika ny fomba fampiasana izany mba hanomezana ny zavatra ananantsika hitahiana ny hafa (jereo koa ny “Dîme et dons en ligne”).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7
Ny mpaminany ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo.
-
Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe misy olona mitsangana mandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona ary milaza amin’ny paroasy fa nandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo izy (ohatra, fanambarana iray izay milaza fa tsy tokony hihinana karaoty intsony isika na tokony hanasa ny tanantsika amin’ny ronono fa tsy rano.) Milaza izy fa tokony hihaino izay teneniny isika fa tsy izay tenenin’ny mpaminany. Inona no tsy mety ao anatin’izany? Afaka miara-mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7 ianareo mba hahitana ny fomba fanomezan’ny Tompo didy ho an’ny Fiangonany.
-
Azonao atao koa ny mampiseho sarin’ny mpaminany velona ary manasa ireo ankizy hizara zavatra iray nampianariny vao tsy ela. Raha mila fanampiana izy ireo dia mandefasa ampahana horonan-tsary na mizarà andalana avy amin’ny hafatra farany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nahoana no fitahiana ny manana mpaminany velona amin’izao fotoana izao?
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.