Doctrine and Covenants 2025
12–18 mey: “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48


“12–18 mey: -Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Fivoriana eo akaikina renirano

The Camp Meeting [Ilay fivoriana tao amin’ny toby], nataon’i Worthington Whittredge

12–18 mey: “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48

Rehefa nandao an’i Kirtland ry Parley P. Pratt sy Oliver Cowdery sy Ziba Peterson ary Peter Whitmer zanany, ka nanohy ny dia mba hanohy ny fitoriana ny filazantsara, dia nandao olona niova fo miisa 100 mahery izay feno fahazotoana saingy tsy dia nanana traikefa sy tsy dia nahay nitarika izy ireo. Tsy nanana boky torolalana izy ireo, tsy nisy fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika, tsy nisy fampitana fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Raha ny marina dia tsy nanana Bokin’i Môrmôna firy akory aza izy ireo mba hozarazaraina. Maro tamin’ireo mpino vaovao ireo no voasarika tamin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny noho ilay fampanantenana ny fiasan’ny Fanahy mahatalanjona, indrindra fa ireo izay voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ohatra ny 1 Korintiana 12:1–11). Saingy maro no nahita fa sarotra ny mamantatra ny tena fiasan’ny Fanahy marina. Rehefa nahita ny fifanjevoana i Joseph Smith dia nivavaka nangataka fanampiana. Manan-danja ny valintenin’ny Tompo amin’izao fotoana izao, fotoana izay handavan’ny olona na hanaovany tsinontsinona matetika ny zavatra avy amin’ny Fanahy. Nanamafy Izy fa tena misy ny fisehoana ara-panahy. Nohazavainy koa hoe inona izy ireny: fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana, “omena … ho tombontsoan’ireo izay tia [Azy] sy mitandrina ny didi[ny] rehetra, ary izay mikatsaka ny hanao izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:9).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–7

Mandray an-tanan-droa ireo rehetra izay te hivavaka ao amin’ny Fiangonany ny Mpamonjy.

Moa ve tsapanao fa mahatsapa ho voaray tsara ao amin’ny fivoriam-pivavahana ao amin’ny paroasinao ireo namanao sy ireo mpiray monina aminao? Inona no ataonao mba hahatonga ireo fivoriam-piangonana ho toerana tian’ny olona hiverenana? Saintsaino ny fomba azonao ampiharana ilay torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–7 (jereo koa ny 2 Nefia 26:24–28; 3 Nefia 18:22–23).

Azonao atao koa ny misaintsaina ireo fotoana izay vao sambany nanatrehanao fivoriana tao amin’ny Fiangonana, na fivoriana nataona vondrona hafa. Inona no nataon’ny olona mba hanampiana anao hahatsapa ho voaray tsara?

Jereo koa ny Môrônia 6:5–9; “Chantons du Christ le grand amour!,” Cantiques, no. 103; “Welcome” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

1:17

Tonga soa ato amin’ny ComeUntoChrist.org

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33

sary famantarana ny seminera
Manome ahy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra mba hitahiana ny hafa.

Ireo Olomasina tany am-piandohana dia nino ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy saingy nila fanampiana tamin’ny famantarana izany sy ny fahatakarana ny antony isian’izy ireny. Rehefa mianatra mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ianao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7-33, dia saintsaino ny antony “anomezana azy ireny” (andininy 8). Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra, ilay mpanome ireo fanomezam-pahasoavana ireo?

Misy ohatra ana olona nampiasa ireo na fanomezam-pahasoavana ara-panahy hafa azonao eritreretina ve? Ahoana no naha “tombontsoan’ny zanak’ Andriamanitra” (andininy 26) azy ireny? Mety ho hitanao ihany koa raha afaka mamantatra ohatra ana fanomezam-pahasoavana ara-panahy hafa ao amin’ny soratra masina tahaka ireto ianao: 1 Mpanjaka 3:5–15; Daniela 2:26–30; Asan’ny Apostoly 3:1–8; Helamàna 5:17–19; Môrmôna 1:1–5; Etera 3:1–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:10–12; Mosesy 7:13.

Mety hitarika anao hisaintsaina izay fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra anao ny fandalinanao momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ireo mba hitahiana ireo zanany? Raha manana tsodranon’ny patriarika ianao dia mety manambara ireo fanomezam-pahasoavana izay nomena anao izany. Ny famakiana ny hafatry ny Loholona John C. Pingree Jr. hoe “Manana asa ho anao aho” dia afaka ihany koa mampisokatra ny sainao amin’ireo fanomezam-pahasoavana tsy mbola noeritreretinao (Liahona, nôv. 2017, 32–35).

Raha maniry ny hianatra ny fomba hahazoana fanomezam-pahasoavana ara-panahy ianao dia afaka manampy ilay fanoharana any amin’ny fiandohan’ny hafatry ny Loholona Juan Pablo Villar hoe “Manatanjaka ireo hozatsika ara-panahy” (Liahona, mey 2019, 95). Inona no fanazaran-tena mampatanjaka afaka manampy anao hampitombo ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao?

Jereo koa ny Sujets et questions, “Saint-Esprit,” Bibliothèque de l’Évangile.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47

Tian’ny Tompo ny Fiangonany hirakitra tantara.

Ny antson’i John Whitmer ho mpanao tantaran’ny Fiangonana dia tohin’ny fomba fanao efa ela be nataon’ireo mpitana rakitsoratra teo anivon’ny vahoakan’ Andriamanitra. Nahoana araka ny eritrerirao no tena manan-danja tokoa amin’ny Tompo ny firaketana tantara? Saintsaino izany eo am-pamakianao ny fizarana 47, ary koa ireo torolalana mitovy amin’izany ao amin’ny 2 Nefia 29:11–12; Mosesy 6:5; Abrahama 1:28, 31. Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo horaketinao momba ny fiainanao?

Ao amin’ny FamilySearch ianao dia afaka mirakitra fahatsiarovana sy zavatra niainana avy amin’ny fiainanao, sy ny an’ireo razambenao (jereo ny FamilySearch.org).

Jereo ny Henry B. Eyring, “Oh ! souvenez-vous, souvenez-vous,” Liahona, nov. 2007, 66–69.

John Whitmer

John Whitmer

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47

Afaka mitarika ahy eo am-panatanterahako ny antsoko ny Fanahy Masina.

Azonao atao ny mampifandray ny tenanao amin’ny zavatra tsapan’i John Whitmer rehefa naniry ny hahazo antoka izy fa avy amin’ Andriamanitra ny antsony. Inona no nolazain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47 tamin’i John Whitmer, sy aminao, mba hananana fahatokian-tena amin’ny fanatanterahana ny antso izay omeny?

Ny anjara asan’ny mpampianatra. Mihoatra lavitra ny fanomezana fampahalalana ny fampianarana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorenana tontolo izay ahafahan’ireo mpianatra mianatra sy mamantatra fahamarinana amin’ny ezaka ataony manokana ary hizara ny zavatra nianarany amin’ny hafa (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy26).

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2–6

Afaka manampy ny hafa mba hahatsapa ho tongasoa ao am-piangonana aho.

  • Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:5 miaraka amin’ireo ankizy dia resaho ny hoe inona no tian’ny Mpamonjy ho tsapan’ny olona rehefa mankao amin’ny Fiangonany izy ireo. Asao ny ankizy haka sary an-tsaina fa nahita olona izay sambany vao hitan’izy ireo tao am-piangonana izy ireo. Ampio izy ireo hizatra hampiasa ireo fomba hanampiana io olona io hahatsapa ho voaray tsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–26

Manome ahy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra mba hitahiana ny hafa.

  • Mba hanampiana ireo ankizy hianatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voasoritsoritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–26, dia eritrereto ity hevitra ity. Azonao soratana amina sombin-taratasy ireo fanomezam-pahasoavana dia afeno manerana ny efitrano izany. Rehefa hitan’ny ankizy ny taratasy tsirairay dia ampio izy ireo hitady ny toerana hanononana izany fanomezam-pahasoavana izany ao amin’ny fizarana 46. Ho an’ny fanomezam-pahasoavana tsirairay dia resaho amin’izy ireo ny fomba ampiasana izany mba hitahiana ny hafa (afaka manampy ireo fanazavana ao amin’ny “Toko 20: Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 77–80).

    2:19

    Chapter 20: Gifts of the Spirit: 8•March 1831

  • Lazao amin’ireo ankizy ireo fanomezam-pahasoavana izay tsapanao fa nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo, ary avelao izy ireo hiresaka ireo fanomezam-pahasoavana tsikaritr’izy ireo eo amin’izy samy izy. Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–9, 26, dia nahoana ny Ray any An-danitra no manome antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananantsika mba hanampiana ny hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:1, 3

Afaka mirakitra ny tantarako aho.

  • Avelao ny ankizy hahita ny zavatra tian’ny Tompo hataon’i John Whitmer ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:1, 3. Azonareo ifampizarana ihany koa ireo tantara tianareo indrindra ao amin’ny soratra masina. Ampahafantaro fa mahafantatra ireo tantara ireo isika satria nisy olona nirakitra izany an-tsoratra.

  • Eritrereto ny fomba azonao itaomana ny ankizy hirakitra an-tsoratra ny tantaram-piainan’izy ireo manokana. Azonao atao ny mizara ampahany avy amin’ny diarinao manokana na tantara iray mikasika ny razambe anankiray (jereo ny FamilySearch.org na ny application Souvenirs). Azonao atao ny manome fanontaniana hoenti-manoratra ao anatin’ny diary toy ny hoe: “Inona no nitranga tamin’ity herinandro ity ka tianao ho fantatr’ireo zafikelinao?” na “Ahoana no nahitanao ny fitantanan’ny Tompo teo amin’ny fiainanao tamin’ity herinandro ity?” Afaka manao sarin’ny zavatra niainan’izy ireo ny ankizy kely, na azonao atao ny mirakitra ny feon’izy ireo eo am-pitantarany ny tantarany. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny firaketana “tsy miato ny tantara”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:1).

Zazavavy manoratra ao anaty diary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:2–3

Afaka manampy ny hafa aho amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra izay nomena ahy.

  • Rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:2–3 amin’ny ankizy ianao, dia mety ilainao ny manazava fa niainga avy tany Antsinanana ny olona mba hankany Ohio ary tsy nanana toerana honenana izy ireo. Inona no nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina mba hitondrana fanampiana? Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra efa nomen’ Andriamanitra azy ireo ka azon’izy ireo zaraina amin’ny hafa. Azonao atao ihany koa ny miara-mihira amin’izy ireo ny hira toy ny “Hoy ilay rano kely hoe -Manomeza-”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 116).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Mpikamban’ny Fiangonana mifampiarahaba

Raisina an-tanan-droa ao amin’ireo fivorian’ny Olomasina ireo rehetra izay te hitsaoka ny Mpamonjy.

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy