“19–25 mey: -Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
19–25 mey: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50
Ny Mpamonjy no “mpiandry tsara[ntsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:44). Fantany fa misy ondry mania indraindray ary feno loza any an-tany foana. Noho izany dia mitarika antsika am-pitiavana ho ao amin’ny toerana azo antoky ny fotopampianarany Izy. Mitarika antsika lavitry ny loza toy ny “fanahy sandoka, izay efa naely patrana ety an-tany, mamitaka izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:2) Izy. Ny fanarahana Azy matetika dia midika hoe tsy mino ireo hevitra na fombafomba diso intsony. Nitombina izany ho an’i Leman Copley sy ireo olona hafa tao Ohio. Nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo saingy mbola nifikitra tamin’ireo finoanoam-poana sasany izay diso tsotra izao. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ny Tompo dia nanambara fahamarinana maro izay nanitsy ireo zavatra ninoan’i Leman tany aloha mikasika ireo lohahevitra toy ny fanambadiana sy ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Ary rehefa “nandray fanahy izay tsy hain[’izy ireo] fantarina” ireo niova fo tao Ohio dia nampianarin’ny Tompo azy ireo ny fomba famantarana ny tena fisian’ny Fanahy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:15). Manam-paharetana amintsika “ankizy madi[niny]” izay “tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahasoavana sy amin’ny fahalalana ny marina” Izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49; 50:24
Tian’i Jesoa Kristy hanaiky ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsarany aho.
Talohan’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana an’i Leman Copley dia mpikambana tao amina antokom-pivavahana iray izay nantsoina hoe Firaisan’ny Fiarahamonin’ny Mpino ny Fisehoan’i Kristy Fanindroany, izay nantsoina koa hoe Shakers izy. Rehefa avy nifampiresaka tamin’i Leman i Joseph Smith dia nikatsaka fanazavana tamin’ny Tompo mikasika ireo fampianarana sasany avy amin’ireo Shakers. Novalian’ny Tompo tamin’ny alalan’ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 49 izany. Voalaza eo amin’ny sasin-tenin’ny fizarana ny sasany amin’ireo zavatra ninoan’ny Shakers.
Inona no nampianarin’ny Tompo ao amin’ny fizarana 49 mba hanitsiana ny zavatra ninoan’ireo Shakers? Inona no porofon’ny fitiavany sy ny fiahiany ireo olona izay tsy manana ny fahafenoan’ny fahamarinana avy Aminy ao amin’io fanambarana io? Ahoana no fomba hanoloranao tanana azy ireo amim-pitiavana sy amim-piahiana?
Inona no manaitra anao momba ny fanamarihana nataon’ny Tompo ao amin’ny andininy 2? Azonao atao ny mampitaha izany amin’ny zavatra mitranga raha tsy mijery afa-tsy ampahany fotsiny ihany amina horonan-tsary ianao, mijery sombina piozila iray, na mihaino feon-dakolosy tokana amin’ny fifamaliana iray. Inona no ifandraisan’ny fampitandremana nataon’ny Tompo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24? Saintsaino ny zavatra ataonao mba handraisana hazavana misimisy kokoa avy amin’ny Tompo.
Jereo koa ny “Leman Copley et les Shakers,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 117–21.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17
Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra.
Mba hanaovana ezaka hanimba ny drafitry Ray any An-danitra dia mikatsaka ny hametraka fisafotofotoan-kevitra momba ny fanambadiana i Satana. Ny Tompo kosa, etsy ankilan’izay, dia manohy manambara fahamarinana momba ny fanambadiana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Afaka mahita ny sasany amin’izany fahamarinana izany ianao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17; Genesisy 2:20–24; 1 Korintiana 11:11; ary “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Ataovy lisitra ireo fahamarinana hitanao. Nahoana ny fanambadiana no manan-danja tokoa amin’ny drafitr’Andriamanitra?
Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares fa “ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia mitory ny fitsipiky ny fiaraha-miasa feno eo amin’ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray, eto amin’ny fiainana an-tany sy any amin’ny mandrakizay” (“Miara-miasa amin’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2022, 42). Afaka mandalina ny hafany ianao, ary mitady ireo fitsipika “izay mampatanjaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.” Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanao? Raha misy olona avy amina finoana hafa manontany anao ny antony maha manan-danja ny fanambadiana, dia inona no havalinao? Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho izany fahatakarana izany?
Jereo koa ny Sujets et questions, “Mariage,” “Famille,” Médiathèque de l’Évangile.
Renaissance of Marriage
Manàna fangorahana amin’ny toe-javatra iainan’ny olona tsirairay. Na dia ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana sambatra aza no tarigetra tsara indrindra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia tsy isika rehetra no hianoka ireo fitahiana ireo mandritra ny fiainana an-tany. Rehefa mifanakalo hevitra momba io lohahevitra io, dia manehoa fangorahana amin’ireo toe-javatra samihafa iainan’ireo isam-batan’olona sy fianakaviana, indrindra fa ho an’ireo olona izay “ eo am-piandrasana ny Tompo amim-paharetana,” mba hahatanterahan’ireo fampanantenana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50
Ireo fampianaran’ny Tompo dia afaka miaro ahy amin’ireo fitaka ataon’i Satana.
Maika handray ireo fiasan’ny Fanahy nampanantenaina ao amin’ny soratra masina ireo mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana tao Ohio. I Satana kosa anefa dia maika ny hamitaka azy ireo. Raha angatahina hanampy ireo mpikambana ireo ianao mba hahatakatra ny fomba hamantarana ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina marina, dia fitsipika inona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50 no hozarainao? (Jereo indrindra indrindra ny andininy 22–25, 29–34, 40–46). Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anao hahafantatra ny fahasamihafana eo amin’ny marina sy ny diso?
Jereo koa ny 1 Korintiana 14:1–28; 2 Timoty 3:13–17.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–24
Samy mahazo hery avy amin’ny Fahany ireo mpampianatra sy ireo mpianatra.
Manome fahafahana maro mba ho mpampianatra sy mpianatra ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na ao an-tokantrano na any am-piangonana. Fomba iray azonao handalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–24 ny fanaovana sarina mpampianatra iray sy mpianatra iray. Ataovy eo akaikin’ny tsirairay avy amin’izany ny lisitra iray ahitana ireo teny sy andian-teny avy ao amin’ireo andininy ireo izay mampianatra anao zavatra momba ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara. Oviana ianao no niaina toe-javatra izay nampianatra anao ny maha-zava-dehibe ny Fanahy eo amin’ny fampianarana sy ny fianarana? Saintsaino izay zavatra azonao atao hanatsarana ireo ezaka ataonao amin’ny maha-mpianatra sy mpampianatra filazantsara anao.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25
“Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana.”
Rehefa misaintsaina ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25 ianao dia eritrereto ny fomba handraisanao ny hazavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao sy ny fomba ahafahanao “mandroaka ny haizina”. Ohatra hoe ahoana no hitarihan’ireo andininy ireo ny safidy ataonao momba ny fomba handanianao ny fotoananao? ny fialam-boly na ny haino vaky jery tokony hotadiavina? ny resadresaka tokony handraisana anjara? Fanapahan-kevitra inona koa no azon’ireo andininy ireo anampiana anao? Ny hira toy ny: “Christ est ma lumière” (Cantiques, no. 50) dia mety hitondra hevitra fanampiny.
Jereo koa ny “Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 16–21.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:12–14
Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy aho.
-
Mba hampianarana ny ankizy ireo fitsipika ao amin’ireo andindiny ireo, dia afaka manomana dian-tongotra taratasy miisa efatra sy sary efatra maneho ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa ary ny fandraisanany ny Fanahy Masina ianao (jereo ireo sary ao amin’ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Afaka mametraka ireo dian-tongotra eo amin’ny tany sy ireo sary eo akaikin’izany ny ankizy. Avy eo dia afaka mifandimby mandeha eo amin’ireo dian-tongotra izy ireo eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 49:12–14. Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa manao ireo zavatra ao amin’ireo sary ireo isika dia manaraka an’i Jesoa Kristy isika izay.
-
Azonao atao koa ny manasa ny ankizy hampitaha ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:12–14 amin’ny Asan’ny Apostoly 2:38 sy amin’ny fanekem-pinoana fahefatra. Inona no zavatra mitovy hitan’izy ireo? Nahoana no zava-dehibe ireo fahamarinana ireo?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17
Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra.
-
Mba hampidirana ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia afaka manazava ianao fa ny Shakers dia antokom-pivavahana nino fa tsy tokony hanambady ny olona (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49). Asao ny ankizy mba hitady ireo zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fanambadiana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17. Inona no hevitry ny hoe “ny fanambadiana dia voatendrin’ Andriamanitra”? Azonareo atao angamba ny miara-mamaky ireo andiam-pehezan-teny telo voalohany ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Avy eo dia resaho ny antony maha manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ny Ray any An-danitra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25
“Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana.”
-
Mba hampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25, dia resaho amin’ireo ankizy ny maha samy hafa ny hazavana sy ny haizina. Nahoana isika no mila fahazavana? Afaka miara-mamaky ny andiam-pehezan-teny voalohany amin’ny “Mandehana ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (pejy 17) ianareo ary koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25. Resaho ireo fomba handraisantsika ny hazavan’ Andriamanitra sy ireo fomba ahafahantsika mandroaka ny haizina. Avy eo dia afaka miara-mihira hira iray momba ny hazavana ara-panahy ananan’izy ireo ianareo, toy ny “Mamiratra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 96).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46
I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsarako.
-
Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46 dia azonao aseho ilay sarin’ny Mpamonjy any amin’ny faran’ity lesona ity ary mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Inona no tsapan’ny mpiandry ondry momba ny ondriny? Ahoana no maha-toy ny mpiandry ondry ny Mpamonjy ho antsika?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.