“26 mey–1 jona: -Mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
First Furrow [Tatatra voalohany], nataon’i James Taylor Harwood
26 mey–1 jona: “Mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57
Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1830, ny fanangonana ny Olomasina sy ny fananganana ny tanànan’i Ziona dia asa ara-panahy sy ara-nofo niaraka tamin’ireo andraikitra ilaina vitaina: Nila olona hividy tany izay ahafahan’ny Olomasina hitoetra. Nila olona hanonta boky sy hamoaka vokatra hafa. Ary nila olona hitantana fivarotana hamatsiana ireo olona tao Ziona. Ao amin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57, ny Tompo dia nanendry sy nanome torolalana olona hanatontosa ireo anjara asa ireo.
Kanefa raha toa ka ilaina ao Ziona ny fahaiza-manao amin’ny zavatra toy izany, ireo fanambarana ireo dia mampianatra ihany koa fa irin’ny Tompo ny hahatongavan’ireo Olomasiny ho mendrika ara-panahy ny ho antsoina hoe vahoakan’i Ziona, dia ny vahoakany. Miantso antsika tsirairay Izy ho “ mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry,” manana fanahy manenina, “[mitoetra] tsara” amin’ny andraikitra nanendrena antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:19; 52:15; 54:2). Raha mahavita izany isika, na inona na inona fahaiza-manao ara-nofo ananantsika, dia afaka mampiasa antsika ny Tompo hanorenana an’i Ziona.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51
Tian’ny Tompo aho ho mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry aho.
Raha toa ianao ka mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny taona 1831 dia mety ho voasa hiaina ny lalàn’ny fanokanana tamin’ny alalan’ny fanolorana ny fanananao ho an’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny eveka. Avy eo izy dia mazàna no haveriny aminao ny zavatra natolotrao, ary miampy tombony aza indrindray. Saingy tsy hoe fanananao fotsiny ilay izy amin’izay, fa lasa fitantanan-draharahanao.
Ankehitriny dia tsy mitovy amin’izany ny fomba fiasa, kanefa mbola zava-dehibe hatrany ho an’ny asan’ny Tompo ireo fitsipika. Rehefa mamaky ny fizarana 51 ianao, dia eritrereto hoe inona no nampiandraiketan’ Andriamanitra anao. Inona no tian’ny teny hoe “mpitantan-draharaha” (andininy 19) sy ny hoe “natokana” (andininy 5) lazaina mikasika ny zavatra andrasan’ Andriamanitra aminao?
Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanazava hoe: “Ato amin’ny Fiangonana ny fitantanan-draharaha dia fahatokisana masina ara-panahy na ara-batana izay hitakiana ny maha-tompon’andraikitra. Satria ny zava-drehetra dia an’ny Tompo, dia mpitantana ny vatantsika, ny saintsika, sy ny fianakaviantsika ary ny fananantsika isika. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–15.) Ny mpitantan-draharaha mahatoky dia olona izay mampihatra fanapahana amim-pahamarinana, mikarakara izay azy ary mijery ireo mahantra sy ny sahirana” (“Welfare Services: The Gospel in Action,” Ensign,, Nov. 1977, 78).
The Law of Consecration
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:9–11, 22–27
Afaka manasa ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy aho na aiza na aiza alehako.
Rehefa nandefa mpitarika maro tao amin’ny Fiangonana ho any Missouri ny Tompo, dia niteny azy ireo Izy mba hampiasa ny fotoana lanin’izy ireo amin’ny diany ary “hitory eny an-dalana” (andininy 25–27). Ahoana no ahafahanao mizara ny filazantsara “eny an-dalana,” na mandritra ireo trangan-javatra mahazatra eo amin’ny fiainanao?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19
Manampy ahy hisoroka ny fitaka ny Tompo.
Koa satria maro no nilaza ho nisehoan-javatra ara-panahy dia sahiran-tsaina ireo Olomasina tany aloha sao ho voafitaka. Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo azy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14? Inona no vahaolana nomeny? (jereo ny andininy 14–19).
Ny lamina dia zavatra miverimberina tsy tapaka sy azo vinavinaina tsara. Ohatra amin’izany ny fanisana amin’ny isa ankasas (nombres pairs) na ny fiposahana sy ny filentehan’ny masoandro isan’andro. Inona koa ireo ohatra hafa azonao eritreretina? Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19 ianao dia fantaro ny lamina nomen’ny Tompo hisorohana ny fitaka. Mety hanampy ny manamarika fa ny hoe “manenina” dia midika hoe fahatsapana fanetrentena sy fibebahana, ny hoe “fanetrentena” dia milaza hatsaram-panahy sy fahaizana mifehy tena, ary ny “mampiorina” dia midika hoe mampianatra na manatsara na mankahery. Nahoana ianao no mahatsapa fa tafiditra ao anatin’ny lamina nomen’ny Tompo ireo toetra tsara ireo mbamin’ny fankatoavana? Ahoana no ahafahanao mampihatra io lamina io mba hisorohana ny fitaka?
Farito ireo teny sarotra. Ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile dia azonao kitihana ny teny iray sy tsindrinao elaela ary avy eo dia safidianao ny “Définir.” Dia hoentina mankany amina famaritana izany teny izany ianao. Andramo izany raha sendra teny tsy mahazatra ianao, na teny toa mahazatra kanefa tianao ho takatra kokoa.
Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny fitaka amin’izao androntsika izao? Ahoana no ahafantarantsika hoe voafitaka isika?
Ohatra, azonao heverina ny manombantombana ny safidinao mahakasika ny sarimihetsika, ny hira ary ny tambajotran-tserasera mifototra amin’ireo fenitra ao amin’ny “Mandehana ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 16–21.
Jereo koa ny Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy,” Liahona, nôv. 2019, 93–96.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54
Afaka mitodika amin’ny Tompo aho rehefa voaratra noho ny safidin’ny hafa.
Efa niaina fahadisoam-panantenana ve ianao rehefa tsy nihazona ny fanolorantenany ny olona izay niankinanao? Nitranga tamin’ireo Olomasina tao Colesville, New York izany, izay nanantena ny hipetraka tao amin’ny tanin’i Leman Copley tao Ohio. Mba hisintonana lesona avy amin’io zavatra niainana io dia hevero ny hamaky ny sasin-tenin’ny fizarana 54, (jereo koa ny “Un évêque pour l’Église,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 78–79). Raha nanana namana teo anivon’ireo Olomasina tao Colesville ianao, dia inona no torohevitra mety ho hitanao ao amin’ny fizarana 54 mba hozarainao amin’izy ireo?
Toeram-pambolena sy fiompiana an’i Leman Copley
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–20
Sambatra ny madio am-po
Ao amin’ireo andininy ireo ny Tompo dia sady miresaka amin’ny manan-karena no miresaka amin’ny mahantra; mety ho mahaliana ny mampitaha ny torolalana nomeny ho an’ireo sokajin’olona roa ireo. Inona amin’ireo andininy ireo no tsapanao fa mihatra aminao manokana?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9
Afaka ny ho marin-toetra aho.
-
Mba hanampiana ireo ankizy hianatra ny dikan’ny hoe marin-toetra, dia azonareo atao ny miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9 sy mitantara tantaran’ankizy nila nandray fanapahan-kevitra mba ho marin-toetra. Afaka mampiasa sary, ba kiraro atao miendrika saribakoly ahetsiketsika, na saribakoly vita amin’ny taratasy ianao mba hahatonga ireo tantara hahaliana kokoa. Ahoana ny fomba hitahian’ny Tompo antsika rehefa miezaka ny ho marin-toetra isika?
-
Hevero ny hanao kilalao miaraka amin’ny ankizy. Aorian’izay dia mifampiresaha mikasika ny hoe mety ho lasa niova toy ny ahoana ilay kilalao raha toa ka nisy olona namitapitaka. Nahoana no zava-dehibe ny “[m]ifampitondra amim-pahamarinana” ?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10; 53:3; 55:1
Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana aho.
-
Voalaza im-betsaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57 ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Mety ho fotoana tsara hampianarana ny ankizy mikasika io ôrdônansy io izany. Ohatra, afaka maka sarina ankizy iray raisina ho mpikambana izy ireo ary mamariparitra ny zavatra mitranga eo amin’ilay sary. Angataho izy ireo mba hitehaka rehefa maheno ny hoe “hametra-tanana” na “fametrahan-tanana” eo am-pamakianap ny: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10; 53:3; 55:1.
-
Azonareo hiraina koa ny “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56) na hira iray mitovitovy amin’izany. Ampio ny ankizy hitady teny sy andian-teny ao amin’ilay hira izay mampianatra momba ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19
Manana lamina mba hanampiana ahy tsy ho voafitaka Andriamanitra.
-
Mba hampianarana ny lamina nomen’ny Tompo hisorohana ny fitaka, dia azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fanampiana ny ankizy hitady ohatra ana lamina, eo amin’ny zavaboary, eo amin’ireo bodofotsy maro loko na akanjo, na eo amin’ny fiainana isan’andro. Ampio izy ireo hahita ny lamina nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–15. Alaivo antoka fa azon’izy ireo ny teny tsy mahazatra rehetra ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no ahafahantsika mampiasa io lamina io mba hamantarana ny marina?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:4–6
Tokony hitandrina foana ireo fanekempihavanako aho.
-
Zarao amin’ny teninao manokana amin’ireo ankizy ny zavatra nitranga tamin’ireo Olomasina izay nandeha nipetraka teo amin’ny tanin’i Leman Copley (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 54). Azon’ny ankizy atao ny mody manao hoe mpikamban’ny Fiangonana tonga tao Ohio. Inona no mety ho tsapan’izy ireo taorian’ny nandravan’i Leman ny fanekena nataony? Inona no ampianarin’izany antsika momba ny fitandremana ireo fanekempihavanana na fampanantenana nataontsika? Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:6 mba hahafantarana ireo fitahiana ho an’ireo olona izay mitandrina ny fanekempihavanany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55:1–4
Afaka mampiasa ireo fitahiana nomen’ Andriamanitra ahy aho mba hitahiana ny hafa.
-
Mba hampidirana ny fizarana 55, dia azonao atao ny manazava fa mpamoaka gazety an-tsoratra izay nianatra momba ny filazantsara i William W. Phelps ary lasa mpikamban’ny Fiangonana. Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55:1–4, ary ampio izy ireo hahita ny zavatra tian’ Andriamanitra hataon’i William. Inona no drafitra nataony mba hampiasana ny talentan’i William? Izany dia mety hitarika ho any amina fifanakalozan-kevitra momba ny fomba mety hanasan’ Andriamanitra antsika hampiasa ny talentantsika mba hitahiana ireo zanany.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.