Doctrine and Covenants 2025
23–29 jona: “Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70


“23–29 jona: -Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Ny Bokin’ny Didy amin’ny endrika sora-tanana

23–29 jona: “Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70

Nanomboka tamin’ny 1828 ka hatramin’ny 1831 dia nandray fanambarana maro avy tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith, anisan’izany ny torolalana masina ho an’olona manokana sy ireo torolalana mikasika ny fitantanana ny Fiangonana, fahitana ny andro farany, ary fahamarinana mandrakizay maro be manentana ny fanahy. Saingy betsaka ireo Olomasina no tsy namaky azy ireny. Mbola tsy navoaka ireo fanambarana ary ireo boky vitsivitsy nisy dia natao sora-tanana tamina taratasy izay nozaraina tamin’ireo mpikambana sy nentin’ireo misiônera.

Avy eo tamin’ny nôvambra 1831 dia niantso ny filankevitr’ireo mpitarika tato amin’ny Fiangonana i Joseph mba hifampiresaka ny amin’ny hamoahana ireo fanambarana. Rehefa avy nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo ireo mpitarika ireo dia nanao drafitra hamoahana ny Bokin’ny Didy izay niavian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Vetivety monja ny tsirairay dia ho afaka hamaky ny tenin’ Andriamanitra nambara tamin’ny alalan’ny mpaminany velona, porofo velona fa “ireo fanalahidin’ireo misterin’ny fanjakan’ny Mpamonjy antsika dia ankinina amin’olombelona indray.” Noho ireo antony ireo sy ny maro hafa dia raisin’ireo Olomasina tamin’izany sy amin’izao fotoana izao ho “sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo” ireny (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70, sasin-tenin’ny fizarana).

Jereo ny Saints, 1:140–43.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:1–968:3–6

Milaza ny sitrapon’ny Tompo ireo mpanompony rehefa entanin’ny Fanahy Masina.

Toa ohatran’ny tsotra ilay fanapahan-kevitr’i Joseph Smith hamoaka ireo fanambarana saingy ny sasany tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany aloha dia tsy nahazo antoka hoe hevitra tsara izany. Nisy nifandraisany tamin’ny tsy fahatanterahana teo amin’ny fomba nanoratan’i Joseph Smith ireo fanambarana ny olana iray. Ny fanambarana ao amin’ny fizarana 67 dia tonga ho valin’io olana io. Inona no zavatra ianaranao mikasika ireo mpaminanin’ny Tompo sy ny fanambarana ao amin’ny andininy 1–9? Inona no hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ny 68:3–6

Ahoana no nahafantaranao avy tamin’ny ezaka nataonao fa marina ireo fanambarana omen’ Andriamanitra ireo mpanompony? Azonao atao koa ny misaintsaina zavatra niainana tamin’ny fotoana nahatsapanao fa niresaka taminao tamin’ny alalan’ireo mpanompony ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4). Oviana ianao no nahatsapa ho “[nentanin’ny] Fanahy Masina” (andininy 3) hiteny zavatra iray? Ahoana no nijoroan’ny Tompo teo anilanao? (andininy 6).

Talohan’ny nanontana ny Bokin’ny didy dia mpitarika maromaro tato amin’ny Fiangonana no nanao sonia fijoroana ho vavolombelona an-tsoratra fa marina ireo fanambarana ao anatin’ilay boky. Raha hijery ny tahadikan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo dia jereo ny “Testimony, circa 2 November 1831, Revelation Book 1, 121, josephsmithpapers.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:10–14

“Mitozoa ao amin’ny faharetana.”

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fialonana sy ny tahotra ary ny hambom-po hanakana antsika tsy hanakaiky kokoa ny Tompo? Ahoana no handresentsika ny “olona araka ny nofo” na ny “saina araka ny nofo” mba hahafahantsika mahita Azy sy mahafantatra fa misy Izy? (andininy 12; jereo koa ny Môzià 3:19). Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay manentana anao “[hitozo] ao amin’ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka”? (andininy 13).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31

sary famantarana ny seminera
Afaka manampy amin’ny fampifantohana ny tokantranoko amin’i Jesoa Kristy aho.

Ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31 dia miresaka manokana momba ny ray aman-dreny, fa na ray aman-dreny ianao na tsia, dia afaka mampiasa ny toroheviny amin’ny hanavanao ny anjaranao mba hampifantoka ny tokantranonao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ireto voatanisa eto ambany ireto ny sasany amin’ireo fitsipika izay lazain’ny Tompo fa tokony hampianarina ao an-tokantrano. Eritrereto hoe ahoana no hanaovanao ny tsirairay avy amin’ireo ho singa handrafitra ny fototry ny tokantrano mifantoka amin’i Kristy, ilay tokantrano ipetrahanao amin’izao fotoana izao na ny tokantranonao amin’ny ho avy. Afaka manampy ireo loharanom-pitaovana sy fanontaniana nomena.

  • Fibebahana: Halalino ny Almà 36:17–20, ary jereo ny fomba nitahiana an’i Almà tamin’ny fotoana iray manan-danja satria nampianatra azy momba ny iraka manavotra nataon’ny Mpamonjy ny rainy. Ahoana no azonao hanampiana ny fianakavianao hahazo fitaomam-panahy mba hiverina amin’i Jesoa Kristy sy hibebaka? (Jereo koa ny 2 Nefia 25:26).

  • Finoana an’i Kristy: Vakio ireo sosokevitra dimy nomen’ny Filoha Russell M. Nelson mba hampitomboana finoana ao amin’ny “Nitsangana i Kristy: hamindra tendrombohitra ny finoana Azy” (Liahona, mey 2021, 103). Saintsaino ny fomba ahafahan’ireo sosokevitra ireo mamorona kolontsain’ny finoana eo anivon’ny fianakavianao.

  • Batisa: Avereno vakina ny fanekempihavanan’ny batisa araka izay voalazalaza ao amin’ny Môzià 18:8–10, 13. Ahoana no ahafahan’ny ezaka ataonao hitandrina io fanekempihavanana io mampatanjaka ny fianakavianao?

  • Fanomezana ny Fanahy Masina: Halalino ireo fanasana ao amin’ny pejy 17–19 an’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanasana ny fitaoman’ny Fanahy Masina ao an-tokantranonao?

  • Vavaka: Inona no ianaranao momba ny herin’ny vavaka ao an-tokantrano ao amin’ny “Fitia no ao”? (Bokin-kiran’ny ankizy, 102). Inona avy ireo fitahiana ampanantenain’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 18:15–21?

  • Fitsipika hafa hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68: 25–31:

Inona no torohevitra omenao ny olona iray izay tsy manohana ny ezaka ataony mba hampiorina finoana an’i Kristy ny olona ao amin’ny fianakaviany?

Jereo koa ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile; Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny,” Liahona, mey 2023, 55–59.

Fianakaviana miara-mianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:1

Manampy ahy hanaraka an’i Jesoa ireo namana “marina sy … mahatoky.”

Nahoana araka ny hevitrao no “fahendrena ami[n’ny Tompo]” ho an’ny olona iray izay “marina sy … mahatoky” ny niaraka tamin’i Oliver Cowdery tamin’ilay andraikitra nanendrena izay tantaraina ao amin’io andininy io? Ahoana no iantefan’io fitsipika io aminao?

Ampio ny mpianatra hifanohana. Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao na ny fianakavianao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo mba hifampizara sy hifampahery.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:1–4

Tompon’andraikitra amin’ireo fanambarana nomen’ny Tompo aho.

Ny Tompo dia nanome andraikitra an’ireo loholona sasany mba hiahy ny famoahana ireo fanambarana. Na dia tsy manana izany andraikitra manokana izany aza ianao dia inona no fitantanan-draharaha na andraikitra tandrify anao amin’ireo “fanambarana sy didy”? (andininy 3).

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67

Mampianatra ahy momba an’i Jesoa Kristy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  • Tantarao amin’ny ankizy ny fomba naha lasa boky vita printy ireo fanambarana nataon’i Joseph Smith (jereo ny “Toko 23: Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 90–92). Ampio izy ireo hitadidy ny sasany amin’ireo zavatra nianaranareo momba an’i Jesoa Kristy hatreto tamin’ity taona ity avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Azonareo ifampizarana ihany koa ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina tianareo indrindra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

    2:2

    Chapter 23: The Doctrine and Covenants: August–November 1831

  • Azonao aseho ny ankizy koa ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy lafo vidy, dia ifampiresaho amin’izy ireo ny zavatra maha samy hafa ireo soratra masina ireo sy ny zavatra itovizany (jereo ny famariparitana ireo boky ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina). Ahoana no ahafantarantsika fa marina ny soratra masina? Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:49 mikasika ireo fanambarana izay nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith?

Vehivavy iray mamaky soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31

Azo atao batisa aho rehefa feno valo taona.

  • Nofaritan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:27 ny taona tokony hanaovana batisa olona iray. Ampio ny ankizy hahita ny zavatra nolazainy. Nahoana i Jesoa no maniry ny hanaovana batisa antsika? Ny hira toy ny “Batisa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 54) dia mety hanampy. Ny fampiasana sary na ny andininy 25–31 (na izy roa), dia manampy ireo ankizy hahita ireo zavatra tian’ny Tompo ianaran’ny ankizy.

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny andraikitra nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery ao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69. Inona no torohevitra nomen’ny Tompo tao amin’ny andininy 1? Nahoana no zava-dehibe ny miaraka amin’olona izay “ho marina sy ho mahatoky”? Azon’ireo ankizy atao angamba ny mitantara momba ny olona iray fantatr’izy ireo hoe “marina sy … mahatoky.” Iaraho hiraina ny hira iray izay mamporisika ny ankizy ho marina sy mahatoky tahaka ny Mpamonjy, toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 40–41). Ahoana no fomba hakantsika antoka fa marina sy mahatoky amin’ny Tompo isika? Ahoana no ahafahany mampiasa antsika mba hitahiana ny hafa rehefa marina sy mahatoky isika?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Milina fanontana printy

Ny Bokin’ny didy, izay niavian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia natonta tamina fanaovam-printy toy ity anankiray ity.

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy