Doctrine and Covenants 2025
16–22 jona: “Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66


“16–22 jona: -Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Faribohitr’i Daviess, Missouri

Faribohitr’i Daviess, Missouri

16–22: “Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66

Tao anatin’ny hafanana migaingain’ny volana aogositra 1831 dia loholona maro no nanao dia niverina ho any Kirtland avy any an-tanin’i Ziona tany Missouri. Nafana sy reraka ireo mpandeha ary vetivety dia nivadika ho disadisa ny tsy fifanaraharan-kevitra. Toy ireny hoe mbola haharitra ela ireny mihitsy ny fananganana an’i Ziona, ilay tanànan’ny fitiavana sy firaisan-kina ary fiadanana.

Soa ihany fa tsy mitaky antsika ho tonga lafatra ny fananganana an’i Ziona tany Missouri tamin’ny 1831 na ao am-pontsika sy ao amin’ny fianakaviantsika any amin’ireo paroasintsika ankehitriny. Fa “takiana aminareo kosa ny hamela,” hoy ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10). Mitaky “fo sy ny saina marisika” Izy (andininy 34). Ary mitaky faharetana sy fahazotoana Izy satria i Ziona dia aorina amin’ny fanorenan’ny “zavatra madinika,” ary hotanterahin’ireo izay tsy “ketraka amin’ny fanaovan-soa” (andininy 33).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–11

sary famantarana ny seminera
“Mifamelà heloka.”

Saintsaino izao manaraka izao rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–11 ianao:

  • Mieritrereta fotoana iray izay namelan’ny Tompo heloka anao. Inona no zavatra tsapanao tamin’izany?

  • Moa ve misy olona tokony havelanao heloka? Nahoana no mety ho tena sarotra ny mamela ny hafa? Inona no nanampy anao handresy ireny zava-tsarotra ireny?

  • Fahamarinana inona momba ny famelan-keloka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 1–111 no toa manan-danja aminao? Araka ny eritreritrao, nahoana ny Tompo no mandidy antsika “hamela ny olon-drehetra” (andininy 10).

Raha sahirana mamela heloka ianao, dia hevero ny handalina ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Ny fanompoana fampihavanana” (Liahona, nôv. 2018, 77–79) na ny hafatr’i Kristin M. Yee hoe “Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka” (Liahona, nôv. 2022, 36–38). Inona no ianaranao momba ny fomba ahafahan’i Kristy manampy anao hamela heloka?

Afaka manome fahafahana maro hamela heloka ny fifandraisan’ny fianakaviana. Eritrereto ny olona ao amin’ny fianakavianao. Iza no olona tokony havelanao heloka? “[Mi]jaly” (andininy 8) toy ny ahoana isika rehefa tsy mifamela? Inona no ho fiantraikan’ny famelan-keloka eo amin’ny fifandraisan’ny fianakavianao?

8:24

Forgiveness: My Burden Was Made Light

Ray sy zanaka lahy mifamihina

“Tokony hifamela ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:31–34

Ny Tompo dia mitaky ny hananako “fo sy ny saina marisika.”

Efa nahatsapa ho “ketraka” tamin’ny “fanaovan-tsoa” izay nezahanao notanterahana ve ianao? Tadiavo ireo hafatry ny Tompo ho anao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 31–34. Inona no tian’ny Tompo hataonao mba hanatanterahana ny “asa[ny] lehibe”?

Mieritrereta lesona iray ampiasan-javatra izay maneho ny andininy 33—zavatra lehibe namboarina tamina zavatra kely maromaro, toy ny rafi-bato na rafi-pitaratra madinika na trano biriky. Inona no “zavatra madinika” azonao atao isan’andro mba “[handatsahana] ny fanorenan’ny” asa lehiben’ Andriamanitra? Inona avy ireo ohatra vitsivitsy ana “asa lehibe” izay nomen’ny Tompo anao?

5:48

Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:31–34

“Ny fo sy ny saina marisika”

Ny Loholona Donald L. Hallstrom dia nanolotra izao heviny azo handikana ny andian-teny hoe “ny fo sy ny saina marisika” izao:

“Ny fo dia fanoharana ny fitiavana sy ny fanolorantena. Mahafoy tena isika ary mizaka enta-mavesatra ho an’ireo izay tiantsika, izay tsy ho nozakaintsika noho ny antony hafa mihitsy. Raha tsy misy ny fitiavana, dia mihena ny fanolorantena ataontsika. …

“Ny hoe manana -saina marisika- dia midika hoe fanomezana ny ezaka tsara indrindra vitantsika sy ny eritreritsika tsara indrindra ary fikatsahana ny fahendren’ Andriamanitra. Midika izany fa ny fandalinana hanolorantsika tena indrindra mandritra ny fiainana dia ireo zavatra maharitra mandrakizay. Midika izany fa tsy maintsy misy fifandraisana tsy azo ravana eo amin’ny fandrenesana ny tenin’ Andriamanitra sy ny fankatoavana izany” (“The Heart and a Willing Mind,” Ensign, June 2011, 31–32).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 41–43

I Ziona dia ho “faneva ho an’ny vahoaka.”

Ny faneva dia “saina izay mampivondrona ny vahoaka noho ny tanjona na ny toetra iraisana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faneva”, Médiathèque de l’Évangile). Ahoana aminao no mahatonga an’i Ziona na ny Fiangonan’ny Tompo hitovy amin’ny faneva? Diniho ireto ohatrana zavatra hafa ireto izay ajoro ho toy ny faneva mba hitahiana ny olona: Nomery 21:6–9; Matio 5:14–16; Almà 46:11–20. Tadiavo ireo fomba hafa hamaritan’ny Tompo an’i Ziona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 41–43

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65

Manomana izao tontolo izao amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 dia manome famaritana manentana ny fanahy momba ny iraka ampanaovina ny Fiangonan’ny Tompo amin’izao andro farany izao. Hevero ny handalina io fizarana io, ary hitady ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no tian’ny Tompo hotontosain’ny fanjakany eto an-tany? Inona no tiany hataoko mba hitondrana fanampiana?

1:7

Prepare Today for the Second Coming

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66

Fantatry ny Tompo ireo eritreritry ny foko.

Fotoana fohy taorian’ny nidiran’i William E. McLellin tao amin’ny Fiangonana dia nangataka an’i Joseph Smith izy mba hanambara ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy. Tsy nahalala i Joseph fa i William dia nanana fanontaniana dimy manokana izay nantenainy fa hovalian’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminaniny. Tsy haintsika hoe inona avy ireo fanontanian’i William, saingy ilay fanambarana izay natao ho azy, izay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 ankehitriny, dia namaly ny fanontaniana tsirairay nananan’i William tamin’ny “fahafenoana sy fahafaham-po tanteraka” (“William McLellin’s Five Questions,” in Revelations in Context, 138).

Rehefa mamaky ny fizarana 66 ianao dia eritrereto ny zavatra fantatry ny Tompo mikasika an’i William McLellin sy ny olany ary ny fanirian’ny fony. Ahoana no nanehoan’ny Tompo taminao fa fantany ianao? Raha manana tsodranon’ny patriarika ianao dia diniho ny handalinana izany. Eo am-panaovanao izany dia fantaro hoe amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Fanahy Masina anao hahatakatra ny sitrapon’ny Tompo momba anao?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 03

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7–10

Tian’i Jesoa Kristy hamela ny olon-drehetra aho.

Fanamarihana: Rehefa mampianatra ny ankizy mikasika ny didin’ny Tompo mba “hamela ny olon-drehetra” ianao dia azonao atao ny manazava fa ny mamela heloka dia tsy midika hoe mamela ny olona handratra antsika. Amporisiho izy ireo hilaza amina olon-dehibe azo itokisana raha misy olona mandratra azy ireo na mikitika azy ireo amin’ny fomba tsy mendrika.

  • Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10 miaraka amin’ny ankizy dia ifampiresaho amin’izy ireo ny dikan’ny hoe mamela olona. Afaka mizara ohatra tsotra vitsivitsy ianao. Azon’izy ireo atao angamba ny milalao an-tsehatra ireo ohatra ireo mba hanaovana fanazaran-tena hamela heloka.

  • Azonao atao ny mangataka ireo ankizy hanomana ny fomba hampianaran’izy ireo olona iray, toy ny zandry iray, momba ny famelana ny hafa. Ampio izy ireo hitady andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 7–10 izay azon’izy ireo ampiasaina rehefa mampianatra izy ireo.

  • Mihirà hira momba ny famelan-keloka toy ny “Ray ô! Ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Inona no ampianarin’io hira io antsika momba ny famelana ny hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33

Ny “asa lehibe” an’ Andriamanitra dia miorina eo abonin’ny “zavatra madinika.”

  • Afaka mampiseho zavatra vitsivitsy vita amin’ny singan-javatra madinika toy ny piozila na karipetra amin’ny ankizy ianao. Avy eo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33 ianareo. Inona no “asa lehibe” an’ Andriamanitra? Inona avy ireo “zavatra madinika” azontsika atao izay hanampy amin’izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34

Afaka manara-dia an’i Jesoa amin’ny foko sy ny saiko aho.

  • Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 amin’ny ankizy ianao dia azonao atao ny manondro ny fonao sy ny lohanao rehefa mamaky ny hoe “fo” sy “saina” ianao, ary asao ny ankizy hiaraka hanao izany aminao. Ahoana no ahafahantsika manome ny fontsika (ny faniriana) sy ny saintsika (ny eritreritra) ho an’ny Mpamonjy?

Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Eritrereto ny fomba azonao hanantitranterana ny ohatry ny Mpamonjy rehefa mandalina na mampianatra ianao. Ohatra, rehefa mampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 ianao dia afaka miresaka amin’ny ankizy momba ny fomba nanomezan’ny Mpamonjy ny fony (faniriana) sy ny sainy (eritreritra) ho an’ny Rainy any An-danitra. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66

Mahafantatra ahy ny Tompo ary tiany aho.

  • Ampio ny ankizy hahatakatra fa nanana fanontaniana miisa dimy ho an’ny Tompo i Willim E. McLellin. Nandray ny valin’ireo fanontaniana ireo tao anatina fanambarana i Joseph Smith na dia tsy fantany akory aza ireo fanontaniana nananan’i William ireo. Tantarao amin’ny ankizy ny fotoana iray izay nanehoan’ny Tompo anao ny zavatra tiany hataonao, ary resaho ireo fitahiana izay azo noho ny fanarahana ny torolalana nomeny. Avy eo ianareo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:4 ary asao ireo ankizy hitady fahafahana hahatakatra ny zavatra tian’ny Tompo hataon’izy ireo.

    Ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany

    Ampahan-tsary avy amin’ny The Second Coming [Ny Fiaviana Fanindroany], nataon’i Kevin Keele

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65

Afaka manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao handray an’i Jesoa Kristy aho.

  • Rehefa mijery sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany iray ny ankizy dia angataho izy ireo hamariparitra ny zavatra hitany na fantany momba io trangan-javatra hiseho io. Azonao atao ihany koa ny manome ny ankizy teny sy andian-teny momba ny Fiaviana Fanindroany izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65. Inona no ampianarin’ireo teny na andian-teny ireo antsika? Ahoana no ahafahantsika miomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Ny Mpamonjy mamela heloka vehivavy iray

Forgiven [Voavela], nataon’i Greg Olsen

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy