Doctrine and Covenants 2025
2–8 jona: “Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59


“2–8 jona: -Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Independence, Missouri, tamin’ny taona 1830

Independence, Missouri, 1831, nataon’i Al Rounds

Jona 2– 8: “Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59

Rehefa sambany nahita ilay toerana ho an’ny tanànan’i Ziona, ao Independence, Missouri ireo loholon’ny Fiangonana, dia tsy araka izay nantenain’izy ireo izany. Ny sasany dia nihevitra fa hahita fiarahamonina mamokatra sy mandroso ahitana vondrona Olomasina matanjaka. Ny hitan’izy ireo kosa dia faritra zara raha nisy mponina, tsy nisy an’ireo mariky ny fandrosoana izay efa nahazatra azy ireo, ary nahitana mpanorim-ponenana bontolo fa tsy Olomasina. Tsy nampoizin’izy ireo fa tsy ny ho tonga ao Ziona fotsiny no notakin’ny Tompo tamin’izy ireo, fa tiany izy ireo hanorina an’i Ziona.

Rehefa tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy ny zavatra antenaintsika, dia afaka mahatsiaro ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ireo Olomasina tamin’ny 1831 isika: “Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’ Andriamanitrareo … ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3). Eny, feno fahoriana ny fiainana, eny faharatsiana mihitsy aza, saingy isika dia mbola afaka manao izay “hahatonga fahamarinana fatratra; fa ao amin[tsika] ny hery” (andininy 27–28).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–5; 59:23

“Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana.”

Nanantena ny Olomasina fa mandritra ny androm-piainan’izy ireo no handrobona ho lasa Ziona ny Fivondronan’i Jackson, ho toerana ahafahan’ny Olomasina rehetra mivondrona. Kanefa dia feno fahoriana ny fotoana niainan’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Tao anatin’ny taona vitsy monja dia noterena hiala izy ireo ary “[hiandry] mandritra ny fotoana fohy ny fanavotana an’i Ziona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9).

Inona no ianaranao momba ny fahoriana sy ny olana avy amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–5? Nahoana ny fitahiana sasany, araka ny hevitrao, no tsy tonga raha tsy aorian’ny fahoriana? Inona avy ireo fitahiana efa noraisinao taorian’ny fahoriana?

Inona no ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23 izay mitondra fanantenana ho anao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29

Afaka ny “hahatonga fahamarinana fatratra” avy amin’ny “nahim-po[ko]” aho.

Ao anatin’ny fandalinanao ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia azonao atao ny manao lisitra ny sasany amin’ireo zavatra izay hirotsahanao amim-pahazotoana. Moa ve “tanjona tsara” daholo izy ireny? Saintsaino ny zavatra azonao atao mba “hahatonga fahamarinana fatratra”, ary hevero ny hametraka tanjona hanaovana izany.

Araka ny hevitrao dia nahoana ianao no tian’ny Tompo hanao “zavatra maro amin’ny nahim-pon[nao]”? Inona no mety ho vokany raha “[baikoina] amin’ny zava-drehetra” ianao? Inona no anampian’ny 2 Nefia 2:27 ny fahatakaranao io fitsipika io?

Jereo koa ny Dale G. Renlund, “Misafidiana ianareo anio,” Liahona,, nôv. 2018, 104–6.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43

sary famantarana ny seminera
Mamela ahy ny Tompo rehefa mibebaka aho.

Mitaona fanahy ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42 mba hamela tanteraka ireo izay mibebaka, kanefa mampametra-panontaniana vitsivitsy ihany koa izany hoe: Inona no dikan’ny hoe mibebaka? Ahoana no ahafantarako fa efa nibebaka tokoa aho? Soa ihany fa notohizan’ny Tompo hoe: “Izao no ahafantaranareo…” (andininy 43).

Ireto misy fanontaniana fanampiny izay apetraky ny olona indraindray mikasika ny fibebahana. Inona no ampianarin’ny Fanahy anao rehefa mandalina ireo loharanom-pitaovana naroso nomena eto ambany ianao?

Manampy ahy hibebaka amin’ny fomba ahoana ny fibabohana ny fahotako? Jereo ny Salamo 32:1–5; Ohabolana 28:13; Môzià 27:34–37; Almà 39:12–13.

Miezaka miala amin’ny fahotako aho, saingy mbola mamerina manao fahadisoana hatrany. Mbola manan-kery ve ny fibebahako? Jereo ny Bradley R. Wilcox, “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema,” Liahona, nôv. 2021, 61–67.

5:27

Daily Restoration

Ahoana no ahazoako toky fa namela ahy ny Mpamonjy? Jereo ny Tad R. Callister, “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 85–87, indrindra fa ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “2. Fahotana.”

Afaka mahita hevi-baovao misimisy kokoa ianao ao amin’ny “Fanontaniana sy valiny” momba ny fibebahana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (pejy 8–9).

Jero koa ny Sujets et questions, “Le repentir,” Médiathèque de l’Évangile.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59

Iza moa i Polly Knight?

I Polly Knight sy ny vadiny, i Joseph Knight rainy, dia anisan’ireo voalohany nino fa voantso ho mpaminany i Joseph Smith. I Polly sy i Joseph dia nanolotra fanohanana tena niantoka ny aina ho an’ny Mpaminany teo amin’ny asa fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nandao an’i Collesville, New York, ny fianakaviana Knight mba hitambatra amin’ireo Olomasina tany Ohio, ary taty aoriana dia nodidina hifindra ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Teny am-pandehanana dia niharatsy ny fahasalaman’i Polly, saingy tapa-kevitra izy ny hahita an’i Ziona mialoha ny hahafatesany. Andro vitsy monja taorian’ny nahatongavany tany Missouri dia nodimandry izy (jereo ny Saints, 1:127–28, 132–33). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 dia voaray tamin’ny andro nahafatesany, ary ny andininy 1 sy 2 dia mety miresaka manokana momba azy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:4–19

Fitahiana ny didy.

Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “satro[hina] … didy”? (andininy 4). Eritrereto ny fomba hitahian’ny Tompo anao rehefa miezaka mankatò ireo didy ao amin’ny andininy 5–19 ianao.

Zarao ny zavatra ianaranao. Amin’ny toe-javatra maro dia afaka mampatanjaka ny finoan’ny fianakavianao, ireo namanao ary ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ireo hevitra ara-panahy voarainao rehefa mandalina ny soratra masina. Zarao amin’izy ireo ny zavatra niainanao, ny fahatsapanao, ary ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19

Andron’ny Tompo ny Sabata.

Rehefa avy nampanantena ny hitahy an’ireo Olomasina ao Ziona amin’ny “didy izay tsy vitsy” ny Tompo dia nanantitrantitra manokana ny didy anankiray, dia ny didy hoe hanaja ny “andro[ny] masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:4, 9). Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19 dia diniho ny antony mahatonga ny fanajana ny Sabata hanan-danja tokoa ho an’ireto Olomasina ireto teo am-pikatsahan’izy ireo ny hanorina an’i Ziona. Nahoana izany no manan-danja aminao?

Azonao saintsainina ihany koa raha toa ianao ka mampiasa ny andro Sabata araka ny fomba antenain’ny Tompo. Manampy anao “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao” (andininy 9) amin’ny fomba ahoana ny fitandremana ny andro Sabata ho masina? Inona no azonao atao mba hanatanterahanao “ny fanompoana ny Avo Indrindra”? (andininy 10).

Ny fanasan’ny Tompo

Mety ho tsikaritrao fa mampiasa teny toy ny hoe “fifaliana,” sy “falifaly” ny Tompo mba hampianarana momba ny andro Sabata. Inona no mahatonga ny Sabata ho feno fifaliana ho anao? Ahoana no hanazavanao amin’ny olona ny antony isafidiananao hanaja ny andron’ny Tompo?

Inona no ianaranao avy amin’ilay hira hoe “Elevons nos chants sacrés” (Cantiques, no. 83) momba ny tanjon’ny Sabata sy ny fitahiana avy amin’izany?

Jereo koa ny Genesisy 2:2–3; Isaia 58:13–14; Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 129–32.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28

Nanome ahy hery ahafahana misafidy ny Ray any An-danitra.

  • Ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58: 26–28 dia afaka manome anao sy ny ankizy fahafahana hiresaka momba ny hery nomen’ny Ray any An-danitra antsika mba hisafidy hanao ny tsara. Afaka mifampitantara ny safidy nataonareo sy ny zavatra nitranga vokatr’izany ianareo. Mety ho tian’ny ankizy ny hanao sary ny zavatra niainany.

  • Azonao soratana eo amin’ny lafiny ilany amin’ny sombin-taratasy iray ny hoe safidy ary ao ambadika ny hoe vokany dia ampiasao io taratasy io mba hanehoana fa tsy afa-misaraka ny safidy ataontsika sy ny vokatr’izany. Azon’ny ankizy atao angamba ny mitanisa safidy vitsivitsy ary miresaka ny vokatra aterak’izany. Avy eo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28 ianareo ary miresaka ireo safidy izay “hahatonga fahamarinana fatratra” na vokatra tsara. Ahoana no hanomezan’ny Ray any An-danitra valisoa na fitahiana antsika rehefa miezaka manao ny tsara isika? (andininy 28).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:7, 18–21

“Hisaotra ny Tompo Andriamanitrao ianao amin’ny zavatra rehetra.”

  • Hevero ny hamaky ireo andininy ireo eo am-piarahanao mandehandeha amin’ireo ankizy na mijery sarin-javaboary, ary mijery ireo zavatra izay “[m]ahafinaritra ny maso no [m]amalifaly ny fo” (andininy 18). Afaka mijery zavatra mitovy amin’izany koa ianareo ao anatina hira toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 16). Na azonao atao ny manasa ny ankizy hanao sarin’ireo zavatra mahavelom-pankasitrahana azy ireo ary avelao izy ireo hilazalaza aminao momba ny sary nataony. Ahoana no azontsika hanehoana ny fankasitrahantsika ny amin’ireo zavatra ireo?

Soimanga (colibri) sy voninkazo

Nahary zavatra tsara tarehy maro be ny Tompo mba hitondra fifaliana ho antsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–12

Andron’ny Tompo ny andro Sabata.

  • Inona no azontsika atao rehefa alahady mba hitsaohana ny Tompo sy hahazoana fifaliana? Ampio ny ankizy hitady hevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–12 sy ao amin’ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity. Azon’izy ireo atao koa angamba ny mitady sary na zavatra hanehoana ireo zavatra ataontsika rehefa alahady (toa ilay sarin’ny fanasan’ny Tompo ato amin’ity lesona ity). Ahoana no hanampian’ireo zavatra ireo antsika hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Miomana handray ny fanasan’ny Tompo

Sary nataon’i Marti Major

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy