“5–11 mey: -Ho tanteraka ny fampanantenana-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
5–11 mey: “Ho tanteraka ny fampanantenana”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45
Araka ny sasin-tenin’ilay fizarana, ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 45 dia nahatonga “ny hafalian’ireo Olomasina” rehefa noraisina. Ary mbola betsaka ny zavatra mahafaly ao amin’io fanambarana io. Manome ny fampanantenany mamy mba hiaro antsika eo anatrehan’ny Ray ny Mpamonjy ao anatin’izany (jereo ny andininy 3–5). Miresaka momba ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay miely manerana izao tontolo izao Izy, toy ny “mpitondra hafatra … hanomana ny lalana eo aloha[ny]” (andininy 9). Ary maminany momba ny Fiaviany Fanindroany feno voninahitra Izy. Manao izany rehetra izany Mpamonjy sady miaiky ihany koa fa fotoana mahatahotra izany (jereo ny andininy 34), isan’ny anton’izany ireo loza izay hitranga alohan’ny fiaviany. Saingy izany loza izany, izany haizina izany dia tsy manana tanjaka hamono ny fahazavan’ny fanantenana. “Fa lazaiko aminareo marina tokoa,” hoy ny Tompo nanambara, fa “Izaho no … fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina” (andininy 7). Izany fotsiny ihany dia antony handraisana io fanambarana io, miaraka amin’izay torohevitra sy fampitandremana ary fahamarinana tiany omena, amim-pifaliana.
Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5
I Jesoa Kristy no Mpisolovava ahy eo amin’ny Ray.
Rehefa mahatsapa ho tsy mahay na tsy mendrika eo anatrehan’ Andriamanitra isika, dia afaka mahazo toky avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5. Rehefa mamakafaka ireo andininy ireo ianao dia mieritrereta fanontaniana tahaka ireto:
-
Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no tsapanao fa manan-danja indrindra aminao?
-
Ny mpisolovava dia olona manohana na manamarina ampahibemaso olona na tanjona iray. Araka ireo andininy ireo dia ahoana no anaovan’i Jesoa Kristy izany ho anao? Inona no mahatonga Azy hahafeno fepetra mba hanao izany?
-
Inona no zavatra mahatalanjona anao mikasika ny teny lazain’ny Mpamonjy amin’ny Ray? (andininy 4–5).
Azonao atao koa ny mandalina ny zavatra nampianarin’ny loholona Dale G. Renlund momba an’i Jesoa Kristy, ilay Mpisolovava antsika, ao amin’ny “Misafidiana ianareo anio” (Liahona, nôv. 2018, 104–5). Araka ny nolazain’ny Loholona Renlund dia toy ny ahoana ny tanjon’ny Mpamonjy raha ampitahaina amin’ny an’i Losifera?
Mety hampitombo ny fahatakaranao mikasika ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha Mpisolovava Azy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Rehefa mandalina azy ireo ianao dia hevero ny hanoratra ireo andian-teny na fahamarinana azonao zaraina amin’ny hafa: 2 Nefia 2:8–9; Môzià 15:7–9; Môrônia 7:27–28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5; 62:1. Nahoana no manan-danja aminao ireo andian-teny ireo?
Jereo koa ny “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44; Sujets et questions, “Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Médiathèque de l’Évangile; “The Mediator” (video), Médiathèque de l’Évangile.
The Mediator
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9–10
Ny filazantsara dia faneva ho an’ireo firenena.
Ny faneva tany aloha tany dia saina fitondra any an’ady nampiasaina mba hampivondronana sy hampiraisana hina ny tafika. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9–10 ianao dia saintsaino ny maha faneva ho anao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–75
Hiverina am-boninahitra i Jesoa Kristy.
Ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany dia nofaritana ho sady “lehibe” no “mahatahotra” (Malakia 3:23). Toa mitombina tsara ireo famaritana roa ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45. Samy hita ao amin’io fanambarana io ny fampitandremana hentitra sy ny fampanantenana mitondra fanantenana momba ny fiavian’ny Tompo. Rehefa mandalina ny andininy 11–75 ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao miomana ho an’ny Fiaviana Fanindroany amim-pinoana an’i Kristy fa tsy amin-tahotra. Raketo ao anatina tabilao tahaka ity iray ity ny zavatra hitanao:
|
Faminaniana na fampanantenana |
Ny zavatra azoko atao |
|---|---|
Faminaniana na fampanantenana Hisy hazavana (ny filazantsara) hiposaka amin’ireo izay mitoetra ao amin’ny haizina (andininy 28) | Ny zavatra azoko atao Mandray ny fahazavana, dia mizara izany (andininy 29) |
Faminaniana na fampanantenana | Ny zavatra azoko atao |
Faminaniana na fampanantenana | Ny zavatra azoko atao |
Faminaniana na fampanantenana | Ny zavatra azoko atao |
Ao amin’ilay horonan-tsary hoe “Men’s Hearts Shall Fail Them” (Médiathèque de l’Évangile), inona ny torohevitra nomen’ny Filoha Russell M. Nelson mba hanampiana antsika hiatrika toe-javatra iainana mampatahotra amim-pitoniana?
Men's Hearts Shall Fail Them
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:31–32, 56–57
Afaka “[m]itsangana eo amin’ny toerana masina” aho ary tsy hoesorina.
Inona no ianaranao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:31–32, 56–57 momba ny fiomanana ho amin’ny fiavian’ny Tompo? Inona avy ireo “toerana masi[nao]”? Inona no dikan’ny hoe “tsy hoesorina”? Ahoana no ahafahanao manao izay haha masina kokoa ny toerana misy anao?
Mariho fa niresaka momba ny fanoharana ny amin’ireo virijiny folo ny Tompo, ary nampitaha ny diloilo tao amin’ilay fanoharana tamin’ny fahamarinana sy ny Fanahy Masina. Hevero ny hamaky ilay fanoharana ao amin’ny Matio 25:1–13 sady mieritreritra izany. Inona no hevi-baovao azonao?
Jereo koa ny David A. Bednar, “Raha nahafantatra Ahy hianareoLiahona, nôv. 2016, 102–5.
Fanoharana momba ireo Virijiny Folo, nataon’i Dan Burr
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–15, 66–71
I Ziona dia toeram-pialofana ho an’ireo Olomasin’ Andriamanitra.
Ireo Olomasina tamin’ny andron’i Joseph Smith dia tsindrian-daona hanorina an’i Ziona, ilay Jerosalema Vaovao, (jereo ny Etera 13:2–9; Mosesy 7:18, 62–64). Inona no ianaranao momba an’i Ziona, na ilay tanàna fahiny tamin’ny andron’i Enoka izany na ilay tanàna amin’ny andro farany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–15, 66–71 Ankehitriny ilay didy hanangana an’i Ziona dia miresaka momba ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra na aiza na aiza toerana onenantsika. Inona no azonao atao mba hanampiana amin’ny fanorenana an’i Ziona na aiza na aiza toerana onenanao?
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5
I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo amin’ny Ray.
-
Azonao atao ny manampy ny ankizy hahatakatra fa ny mpisolovava dia olona manohana olona iray hafa. Avy eo dia azonao atao ny miresaka momba ireo ohatra amin’ny maha mpisolovava izay mety efa fantatr’izy ireo (toy ny miaro namana iray). Rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5 ianareo dia ampio ny ankizy hamantatra hoe iza no Mpisolovava antsika ary ahoana no hanampiany antsika.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32
Afaka “[mitsangana] eo amin’ny toerana masina” aho.
-
Mety hahafinaritra ny mametraka sarina tokantrano, trano fiangonana, ary tempoly manerana ny efitrano. Avy eo dia azonao omena fomba hoenti-mamanta-javatra izay mamaritra ireo toerana ireo ny ankizy ary asao izy ireo hijoro eo akaikin’ilay sary izay fariparitanao. Angataho izy ireo hijoro tsy an-kihetsika eo am-pamakianao ny andalana voalohany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32. Inona avy ireo toerana masina sasantsasany omen’Andriamanitra antsika? Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny “[mitsangana] eo amin’ny toerana masina … ary tsy hoesorina” dia midika hoe misafidy ny tsara amin’ny fotoana rehetra na inona na inona mitranga. Ahoana no fomba ahafahantsika manao ny tokantranontsika ho toerana masina kokoa?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia faneva ho an’izao tontolo izao.
-
Azonao hazavaina amin’ny ankizy fa fahiny ny faneva dia saina nentina tany an’ady. Nanampy ireo miaramila hahafantatra ny toerana hivondronana sy ny zavatra hatao izany. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9, ary ifanakalozy hevitra ireo fomba mampitovy ny filazantsara amin’ny faneva. Mety ho tian’ny ankizy ny hanamboatra ny faneva na ny sainan’izy ireo, isan’izany ny fanisiana sary na teny maneho ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy eo amin’izany.
Toy ny faneva na saina ny filazantsara.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44–45
Ho avy indray i Jesoa Kristy.
-
Mety hampatahotra ny ankizy ny faharavana izay hitranga alohan’ny Fiaviana Fanindroany. Ny fampifantohana azy ireo amin’i Jesoa Kristy dia afaka manampy azy ireo hibanjina ny hoavy amim-pinoana! Hevero ny hanasa azy ireo hieritreritra ny zavatra tsapany rehefa misy olona manan-danja aminy manokana tonga mitsidika, toy ny raibe na renibe, na namana. Ahoana no fomba hiomanan’izy ireo amin’izany fitsidihana izany? Avy eo dia afaka mampiseho sarin’ny Mpamonjy iray ianao ary mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 50:44–45. Ifampizarao ny zavatra tspanareo momba ny fiavian’ny Mpamonjy.
-
Mba hanampiana ny ankizy ho tsindrin-daona amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, dia azonao soratana amin’ny taratasy kely maromaro ny sasany amin’ireo fampanantenana mahavelom-panantenana ao amin’ny fizarana 45 (jereo ohatra ny andininy 44–45, 51–52, 55, 58–59, 66–71). Omeo taratasy ny ankizy ary angataho izy ireo mba hanangan-tanana rehefa voatonona ilay fampanantenana hazoniny eny an-tanany rehefa mamaky ireo andininy ianao. Ifanakalozy hevitra ny hevitra fonosin’ireo fampanantenana ireo. Azonao atao koa ny miara-mihira amin’ny ankizy hira iray momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47).
Ampio ny ankizy hahafantatra ny Fanahy. Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia lazao azy ireo rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina ianao. Resaho ny fomba ahafantaranao ny fitarihany. Ohatra, mety mahatsapa fahatoniana na fifaliana ianao rehefa mihira hira momba ny Mpamonjy.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.