Doctrine and Covenants 2025
7–13 aprily: “[Asandratrato] ny feonareo … ka hitory ny filazantsarako”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36


“7–13 aprily: -[Asandratrato] ny feonareo … ka hitory ny filazantsarako-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

misiônera tany am-piandohana

7–13 aprily: “[Asandratrato] ny feonareo … ka hitory ny filazantsarako”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

Mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny iray volana teo ho eo i Parley P. Pratt rehefa nantsoina “[h]ankany an-tany foana” izy mba hitory ny filazantsara (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:2). Mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoana mbola latsaka izany i Thomas B. Marsh rehefa nilazana hoe “efa tonga ny ora ho an’ny asa fitorianao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:3). I Orson Pratt sy i Edward Partridge, ary ny maro hafa koa dia vao vita batisa vao tsy ela rehefa nandray ny antson’izy ireo. Saingy misy ihany koa lesona iray ho antsika ankehitriny ao amin’io lamina io: raha manana fahalalana ampy ianao hanekena ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny batisa, dia manana fahalalana ampy ianao hizarana izany amin’ny hafa. Mazava ho azy fa tiantsika hatrany ny hampitombo ny fahalalantsika ny filazantsara, saingy tsy nisalasala na oviana na oviana Andriamanitra niantso ny “tsy mahay” mba hitory ny filazantsarany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13). Raha ny marina dia manasa antsika rehetra Izy hoe “[sokafy] ny vavanao hanambara ny filazantsarako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5). Ary isika dia manao izany amin’ny fomba tsara indrindra tsy noho ny fahendrentsika sy ny traikefantsika fa “amin’ny herin’ny Fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

sary famantarana ny seminera
nantsoina ho vavolombelon’i Jesoa Kristy aho.

Na manana antso ofisialy ho misiônera ianao na tsia, dia afaka ny ho vavolombelon’i Jesoa Kristy ianao“amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:9). Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 ianao, dia raketo an-tsoratra ny zavatra nianaranao momba ny fahafahanao mizara ny filazantsara. Azonao atao ny manao ny lisitr’ireo zavatra angatahan’ny Tompo aminao sy ny lisitr’ireo fampanantenana hafa omen’ny Tompo rehefa mizara ny filazantsara ianao. (ohatra hoe, jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:8; 31:3–5; 32:1, 5; 35:13–1524). Azonao atao ihany koa ny mitady fitsipika izay afaka manampy anao hizara ny filazantsara. Inona no hitanao fa manentana anao “hitory vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:3).

Ny Loholona Gary E. Stevenson dia nampianatra fa ny fitoriana ny filazantsara dia “azo tanterahina amin’ny alalan’ny fitsipika tsotra sy mora takatry ny saina izay nampianarina antsika tsirairay hatramin’ny fahazazana: mitia, mizara ary manasa” (“Mitia, Mizara, Manasa,” Liahona, mey 2022, 85). Diniho ny fandalinana ny hafany sady mieritreritra momba ireo olom-pantatrao sy namanao ary fianakavianao. Inona no hevitra tonga ao an-tsainao mikasika ny fomba ahafahanao mizara amin’izy ireo “ny zavatra tianao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy”? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manasa azy ireo mba “ho avy ka hahita,” “ho avy ka hanompo,” ary “ho avy ka ho lasa mpikambana”? Rehefa mihira na mihaino ny “Ny lalanao no lalako” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p.92) na fihirana mifandray amin’izany ianao dia mety hanontany tena hoe: “Inona no tian’ny Tompo holazaiko sy ataoko mba hizarana ny filazantsarany?”

Jereo koa Marcos A. Aidukaitis, “Asandrato ny fonareo ka mifalia,” Liahona, May 2022, 40–43; Lohahevitra sy fanontaniana, “Manasa ny rehetra handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Médiathèque de l’Évangile.

4:30

Inviting All to Come unto Christ: Sharing the Gospel

rahavavy misiônera mampianatra ny vondrona vehivavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–2, 5–6, 9, 13

Afaka manampy ahy amin’ny fifandraisako amin’ny fianakaviako ny Tompo.

Ny fianakaviana tamin’ny taona 1830 dia niady tamin’ny olana mitovy amin’izay manahirana ny fianakaviana ankehitriny. Inona no fitarihana sy fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh momba ny fianakaviany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31? (jereo manokana ireo andininy 1–2, 5–6, 9, 13). Ahoana no ahafahan’ny teniny manampy anao amin’ny fifandraisanao amin’ny fianakavianao?

Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’i Thomas B. Marsh, dia jereo ny Olomasina, 1:79–80, 119–20.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32–33; 35

Manomana ahy amin’ny asa tiany hataoko ny Tompo.

Ny fandalinana ny fiainan’ny olona resahina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32–33; 35 dia afaka manampy anao hahafantatra ny fomba nanomanan’ny Tompo anao ho amin’ny asany. Ohatra, azonao atao ny mamaky momba ny fifandraisan’i Parley P. Pratt sy i Sidney Rigdon ao amin’ny “Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Mpikambana voalohany.” Ahoana no nitahian’io fifandraisana io ny zanak’Andriamanitra? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35).

Nanoratra i Ezra Thayer fa fotoana vitsy talohan’ny nanaovana batisa azy dia nahita fahitana izy, ka tao anatin’izany dia “nisy lehilahy iray nitondra horonan-taratasy ho ahy ary nampiseho izany ahy, ary koa trompetra ary nangataka ahy [hitsoka] izany izy. Nolazaiko azy fa tsy mbola nitsoka trompetra mihitsy aho hatramin’izay niainako. Hoy izy hoe afaka mitsoka izany ianao, fa andramo. … Namoaka ny feo kanto indrindra tamin’izay efa reko rehetra izany” (“Revelation, October 1830–B, Revelation Book 1,” historical introduction, josephsmithpapers.org). Taty aoriana rehefa naharay fanambarana ho an’i Ezra Thayer sy i Northrop Sweet i Joseph Smith, izay noraketina mba ho lasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 ankehitriny, dia noraisin’i Ezra ho ilay horonan-taratasy tao anatin’ny fahitany ilay fanambarana. Ahoana no nanomanan’ny Tompo an’i Ezra tamin’ny asa nanirahana Azy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1–13?

Inona no porofo hitanao fa teo amin’ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana voalohany ireo ny tanan’ny Tompo? Iza no napetraky ny Tompo eo amin’ny fiainanao mba hanampy anao hanatona an’i Kristy? Ahoana no fomba nanomanany anao hitahy ny hafa amin’ny alalan’ny fahatokianao, na ny fitiavanao, na ny fanasanao?

.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–18

Raha manorina ny fiainako amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy aho dia tsy hianjera.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 dia natao ho an’i Northrop Sweet sy i Ezra Thayer, mpikamban’ny Fiangonana roa vaovao. Niala tao amin’ny Fiangonana i Northrop taoriana kelin’ny nanomezana ity fanambarana ity. Nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny fotoana kelikely i Ezra, saingy nihemotra ihany koa izy taty aoriana. Ny famakiana momba azy ireo ato amin’ity fizarana ity dia mety hanosika anao hieritreritra hoe hatraiza ny fiorenanao “eo ambonin’ny vatolampy” (andininy 13) ao amin’ny filazantsara. Inona ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy anao hijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy?

Jereo koa ny Helamàna 5:12

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fandalinana

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–2

Tokony hifantoka kokoa amin’ny zavatr’Andriamanitra aho fa tsy amin’ny zavatr’izao tontolo izao.

  • Mety ho mahafinaritra an’ny ankizy ny manandrana manao asa roa miaraka, toy ny mitanisa ireo tonon-kira tena tiany sady manoratra ny anaran’ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviany. Nahoana no sarotra ny manao zavatra roa miaraka? Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–2 ianao avy eo. Inona avy ireo “zavatry ny tany” izay manodina ny saintsika tsy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Ahoana no ahafahantsika mifantoka Aminy hatrany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2–3, 6–10

Afaka mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–10, dia azonao atao ny manasa azy ireo mba hanandrana hilaza andian-teny iray kanefa tsy manoka-bava ary ianao sy ireo ankizy hafa kosa maminavina ny zavatra lazainy. Vakio ny andininy 8–10 ary angataho izy ireo hanokatra ny vavany isaky ny miverimberina ilay andian-teny hoe “sokafy ny vavanareo”. Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hanokatra ny vavatsika ka hizara ny filazantsara amin’ny hafa? Inona no azontsika lazaina amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika momba ny Mpamonjy na ny filazantsarany? Azonareo atao ihany koa ny mihira hira iray momba ny fizarana ny filazantsara toy ny “Hitory maneran-tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 92).

  • Eritrereto ny hizara ny zavatra niainanao mifandray amin’ireo fitsipika na fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–34. Inona no nianaranao na tsapanao momba ny Mpamonjy anao sy ny asany rehefa nanompo Azy ianao?

andiana ankizy mijery gazety

Misy fomba maro ahafahana mizara ny filazantsara.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manasa ny ankizy hiaina fitsipiky ny filazantsara iray ianao dia zarao ny fampanantenana nomen’ Andriamanitra an’ireo izay miaina izany fitsipika izany. Ohatra, afaka mijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana omeny antsika ianao rehefa manokatra ny vavantsika sy mizara ny filazantsara isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–13

Afaka manorina ny fiainako eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

  • Azonao atao ny mitondra ny ny ankizy any ivelany mba hijery ny fototry ny tranony na ny tranon’ny Fiangonana ary angataho izy ireo hamariparitra izany. Nahoana ny trano lehibe iray no mila fototra mafy sy matanjaka? Vakio miaraka amin’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–13, ary ifanakalozy hevitra ny zavatra tsapanao mikasika ny antony tian’ny Tompo hanorenantsika ny fiainantsika eo amin’ny filazantsarany. Fa nahoana ny “vatolampy” no teny tsara hamaritana ny filazantsara? Ahoana no ahafahantsika manorina ny fiainantsika eo amin’ny vatolampin’ny filazantsara? (jereo koa ny Matio 7:24–29).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

misionera tany am-boalohany mandeha tao anaty ranomandry

Go into the Wilderness [Mandehana any an-tany foana], nataon’i Robert T. Barrett

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy