“24–30 martsa: -Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
24–30 martsa: “Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28
Ny fanambarana dia mbola zavatra vaovao ho an’ny Olomasina raha mbola teo an-dalam-pivoarana ny Famerenana tamin’ny laoniny. Fantatry ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany fa afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith. Afaka manao izany ve ny hafa? Ny fanontaniana toy izany dia nanjary nanan-danja rehefa nino i Hiram Page, iray tamin’ireo Vavolombelona Valo nahita ireo takelaka volamena, fa nahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana izy. Olomasina mahatoky maro no nino fa avy amin’ Andriamanitra ireo fanambarana ireo. Namaly ny Tompo tamin’ny fampianarana fa ao amin’ny Fiangonany “ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:13). Midika izany fa olona iray ihany no “voatendry handray didy sy fanambarana” ho an’ny Fiangonana manontolo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2). Na izany aza, ny hafa dia afaka mahazo fanambarana ho an’ny tenany manokana noho ny fandraisany anjara amin’ny asan’ny Tompo. Raha ny marina, ny tenin’ny Tompo ho an’i Oliver Cowdery dia fampahatsiahivana ho antsika rehetra hoe: “Homena anao … izay hataonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:15).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–4
Mandray ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy aho.
Natao batisa tamin’ny jona 1830 i Sally Knight sy i Emma Smith saingy nokorontanin’ny andian’olona iray ny fandraisana azy ireo ho mpikambana. Roa volana taty aoriana dia tonga nitsidika an’i Emma sy i Joseph i Sally sy i Newel vadiny, dia tapaka fa tokony horaisina ho mpikambana izy ireo ary tokony hiaraka handray ny fanasan’ny Tompo ilay vondrona. Raha mbola teny an-dalana haka divay ho an’ny fanasan’ny Tompo i Joseph, dia najanon’ny anjely iray izy.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–4 mba hahitana ny zavatra nampianarin’ilay anjely azy momba ny fanasan’ny Tompo. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fomba irin’ny Mpamonjy mba hiheveranao ny fanasan’ny Tompo? Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny “maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahi[ny]” izany? Saintsaino izany—ary mitadiava hevi-baovao hafa momba ny fanasan’ny Tompo—rehefa mamaky ny Lioka 22:19–20 sy ny 3 Nefia 18:1–11.
The Last Supper
Jesus Christ Blesses Bread in Remembrance of Him | 3 Nephi 18:1-7
Jesus Christ Blesses Wine in Remembrance of Him | 3 Nephi 18:8-11
Mba hianarana mikasika ny fanaovana ny fanasan’ny Tompo ho traikefa feno fitsaohana dia halalino ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson “Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra” (Liahona, nôv. 2017, 36–39). Inona no nampianarin’ny Loholona Christofferson izay afaka manampy anao hahatsapa fifandraisana bebe kokoa amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo? Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hiomanana bebe kokoa amin’ny fandraisana ireo tandindon’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy hitondra azy ireo amim-panajana na amin’ny tanjona lehibe kokoa.
Hevero ny mihira, mihaino, na mamaky hiran’ny fanasan’ny Tompo ary raketo an-tsoratra ny fahatsapanao mikasika ny fandraisana anjara amin’ity ôrdônansy masina ity.
Mampiasà hira. Manasa ny Fanahy hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara ny mozika masina. Afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba tsy hay hadinoina izany. Ny mozika koa dia manampy mba hahatonga ny fianarana ho mahasarika kokoa.
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79; 59:9–13; Lohahevitra sy fanontaniana, “Fanasan’ny Tompo,” Médiathèque de l’évangile; “Fahazoana sy fitanana ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ireo ôrdônansy,” ao amin’ny David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 60–62.
Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5–14
Ny Tompo dia manome ny mpanompony ny fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny asany.
Inona no zavatra fantatsika momba ireo mpaminany ao amin’ireo andininy ireo? Afaka mikaroka fampahalalana momba azy ireo ianao ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Inona avy ireo fitahiana nosokafana ho anao tamin’ny alalan’ireo fanalahidy izay nohazonin’ireo mpaminany ireo?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18
Ny fiadian’ Andriamanitra dia hanampy ahy hanohitra ny ratsy.
Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Tsy misy ny hoe zavatra lehibe sy goavana iray azontsika atao mba hiarovantsika tena ara-panahy. Ny hery tena izy ara-panahy dia hita ao amin’ireo asa kely marobe izay mitambatra ho lamban’ny fampatanjahana ara-panahy izay miaro antsika amin’ny ratsy rehetra” (“Be Strong in the Lord,” Ensign, jol 2004, 8).
Rehefa mianatra momba ny fiadian’ Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 ianao dia afaka mamorona tabilao tahaka ity iray ity. Inona no ataonao mba hitafiana ny tsirairay avy amin’ny fitaovam-piarovan’ Andriamanitra?
|
Ampahana fitaovam-piarovana |
Ampahan’ny vatana voaro |
Ny mety ho dikan’izany ampahan’ny vatana izany |
|---|---|---|
Ampahana fitaovam-piarovana Saron-tratran’ny fahamarinana | Ampahan’ny vatana voaro Fo | Ny mety ho dikan’izany ampahan’ny vatana izany Ny faniriako sy ny zavatra tiako |
Ampahana fitaovam-piarovana Satro-bin’ny famonjena | Ampahan’ny vatana voaro Loha sy saina | Ny mety ho dikan’izany ampahan’ny vatana izany |
Ampahana fitaovam-piarovana | Ampahan’ny vatana voaro | Ny mety ho dikan’izany ampahan’ny vatana izany |
Ampahana fitaovam-piarovana | Ampahan’ny vatana voaro | Ny mety ho dikan’izany ampahan’ny vatana izany |
Jereo ny Efesiana 6:11–18; Jorge F. Zeballos, “Manorina fiainana mahatohitra ilay fahavalo,” Liahona, nôv. 2022, 50–52.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28
Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona i Jesoa Kristy.
Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana ny zavatra iainana raha toa ka afaka mandray didy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo ny olona rehetra, na iza na iza. Rehefa nilaza i Hiram Page fa nahazo fanambarana toy izany dia maro ny mpikamban’ny Fiangonana no very hevitra. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, ny Tompo dia nanambara ny lamina iray ho an’ny fanambarana ao amin’ny Fiangonany. Inona no ianaranao avy amin’ity fizarana ity momba ny anjara asa miavaka sahanin’ny Filohan’ny Fiangonana? Inona no zavatra ianaranao momba ny fomba hahafahan’ Andriamanitra mitarika anao?
Jereo koa ny Dale G. Renlund, “Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana,” Liahona, nôv. 2022, 16–19.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–9
Nahoana no zava-dehibe ny asa fitoriana ho an’ny Lamanita?
Ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny “hahatonga ny Lamanita amin’ny fahalalana ny razany ary mba hahafantatra ny fampanantenan’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:20). Izany dia mifanaraka amin’ny fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ny mpaminany maro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ohatra ny 1 Nefia 13:34–41; Enôsa 1:11–18; Helamàna 15:12–13). Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nihevitra ireo Amerikana Indiana ho taranaky ny olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Ny fotokevitra ôfisialy ijoroan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia hoe: ny Lamanita “no anisan’ny razambe niavian’ny Indianina any Amerika” [Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna].)
Mampianatra anao inona momba ny Tompo sy ny asany io iraka natao io?
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2
Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.
-
Mety hanontany tena ny ankizy hoe nahoana isika no mampiasa rano ho an’ny fanasan’ny Tompo kanefa i Jesoa dia nampiasa divay (jereo ny Lioka 22:19–20; 3 Nefia 18:1–11). Afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2 ianareo ary mifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe mandray ny fanasan’ny Tompo “amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahi[tr’ Andriamanitra]” (andininy 2). Inona no azontsika atao mba hifantohana amin’ny Mpamonjy eo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo?
-
Angamba afaka manampy ny ankizy hahatsiaro Azy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ny fananana sary na andinin-tsoratra masina na tonon-kira momba ny Mpamonjy. Mety ho tian’izy ireo ny mamorona bokikely misy ny sasany amin’ireo sary sy andininy ary tononkira ireo. Afaka manao ny sariny manokana izy ireo na mitady vitsivitsy ao amin’ny gazetiboky Namana.
Ampahan-tsary avy amin’ny The Last Supper [Ny Fanasana Farany], nataon’i Simon Dewey
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18
Ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra dia miaro ahy.
-
Azonao atao ny mampiseho amin’ny ankizy ny sarin’ny fiadiana toy ilay ao amin’ity lesona ity na eo amin’ny pejin’ny sahanasa ao amin’ny lesona ho an’ny Efesiana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18, ianao dia ampio izy ireo hahita ireo singa mandrafitra ny fiarovan-tena ao amin’ilay sary. Ahoana no ahafahan’ny fiadian’Andriamanitra manampy antsika “hahatanty ny andro mahory”? (andininy 15).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 6–7
Mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana ny mpaminany; Afaka mandray fanambarana momba ny fiainako aho.
-
Raha manana ankizy maromaro ianao dia azonao atao ny manasa azy ireo hilalao ny “Araho ny mpitarika,” kanefa angataho ankizy roa na mihoatra mba ho mpitarika amin’ny fotoana iray ihany. Inona no mitranga rehefa misy mpitarika mihoatra ny iray? Afaka mianatra momba an’i Hiram Page ianao avy eo (jereo ny “Toko 14: Ny Mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny Fiangonana,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 56–57, na ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28). Ahoana no nanitsian’ny Ray any An-danitra ny fisafotofotoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany? Ahoana no fomba itarihany ny Fiangonana ankehitriny? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny mpaminany ankehitriny dia voantso hanampy ny Tompo hitarika ny Fiangonany amin’izao androntsika izao.
1:21Chapter 14: The Prophet and Revelations for the Church: September 1830
-
Na dia omena mandrakariva amin’ny alalan’ny mpaminany aza ny fanambarana ho an’ny Fiangonana, dia afaka hotarihin’ny Fanahy Masina avokoa isika rehetra. Ampio ny ankizy hanao fikarohana ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto mba hanaovana ny lisitr’ireo fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mitarika antsika: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1, 4, 15; Jaona 14:26; Môrônia 8:26; 10:4–5. Ifampizarao ny fomba nitarihan’ny Fanahy Masina anareo.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.