Doctrine and Covenants 2025
17–23 martsa: “Hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26


“17–23 martsa: -Hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Emma Smith

17–23 martsa: “Hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny fanaovana batisa dia traikefa feno fanajana sy feno fiadanana. Ny batisan’i Emma Smith sy ny hafa anefa dia nokorontanin’ny mpihetraketraka iray izay naneso azy ireo sy nandrahona azy ireo ary nanery azy ireo handositra. Avy eo, rehefa iny handray ireo mpikambana vaovao ho mpikamban’ny Fiangonana iny i Joseph, dia nosamborina izy satria hono nanao izay hahatezitra ny fiarahamonina tamin’ny fitoriana nataony. Ahoana no nahafahan’i Emma nahazotoky fa nanao ny tsara izy tao anatin’izany fanoherana rehetra izany? Io toerana io ihany no ahafahantsika rehetra mahita izany—amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Tompo. Niresaka tamin’i Emma momba “ny zavatry ny [tontolo] tsara kokoa” Izy—ny fanjakany—sy ny toerany ao anatin’izany. Nilaza taminy Izy mba tsy hatahotra, “hanandratra ny fo[ny] sy hifaly,” ary “hifikitra amin’ny fanekempihavanana [izay] nataon[y].” Ary ireo teny fankaherezana sy torohevitra ireo dia “feo[ny] ho an’ny rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:9–10, 13, 16).

Jereo ihany koa ny Olomasina,, 1:89–90, 94–97.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24

Afaka “[m]anavotra [ahy] hiala [ao] amin’ny fijalia[ko]” ny Mpamonjy.

Ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24 dia nomena mba “hanatanjahana, hampaherezana, ary hampianarana” an’i Joseph sy i Oliver nandritra ny fotoam-pitsapana iray (sasin-tenin’ny fizarana; jereo koa ny Olomasina,, 1:94–96). Mitadiava teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24 izay tsapanao fa mety ho nampatanjaka sy nampahery azy ireo.

Inona no soso-kevitra omen’ireto soratra masina manaraka ireto anao momba ny fomba hanampian’ny Mpamonjy anao amin’ny fiatrehanao ireo olana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1–3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8

Isaia 40:28–31

Môzià 24:14–15

I Kristy manasitrana lehilahy iray

Ampahan-tsary avy amin’ny He Healed Many of Diverse Diseases [Nahasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samy hafa Izy], nataon’i J. Kirk Richards

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25

Manana anjara toerana lehibe ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra aho.

Rehefa nijery ny Famerenana amin’ny laoniny niseho tamin’ny alalan’i Joseph Smith vadiny i Emma Smith, dia mety ho nanontany tena izy hoe inona no mety ho anjara andraikiny. Mitadiava valiny nomen’Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25. Mahita zavatra ato amin’ity fizarana ity izay tsapanao fa ny “feo[ny] ho [anao]” ve ianao? (andininy 16).

Jereo koa ny Joy D. Jones, “Antso mendri-kaja manokana,” Liahona, mey 2020, 15–18.

5:15

"An Elect Lady"

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5, 14

“Mitozoa ao amin’ny fanahin’ny fahamorana.”

Inona no dikan’ny andian-teny hoe “fanahin’ny fahamorana” aminao? Diniho ny fizarana 25 mba hahitana teny sy andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe malemy fanahy. Hevero ny handalina ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Malemy fanahy sy mietry am-po” izay afaka manampy koa (Liahona, mey 2018, 30–33). Amin’ny fomba ahoana no maha-ohatra ho anao ny fahalemem-panahin’i Jesoa Kristy? (jereo ny Matio 11:28–30). Eritrereto ireo zavatra eo amin’ny fiainanao izay azonao atao “amin’ny fanahin’ny fahamorana.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10, 13

sary famantarana ny seminera
“Hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao ianao ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa.”

Rehefa misaintsaina ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10, ianao, dia mety hanampy ny fanaovana ny lisitr’ireo “zavatr’izao tontolo izao” izay tiany “hafoin[nao].” Avy eo ianao dia afaka manao ny lisitr’ireo “zavatr[y ny tontolo] tsara kokoa” izay tiany hokatsahinao. Azonao atao ny misafidy zavatra iray farafahakeliny amin’ny lisitra voalohany izay hapetrakao ary zavatra iray amin’ny lisitra faharoa izay hokatsahinao.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome torohevitra sy fampanantenana momba ny “[hanilihana] ny zavatra maro amin’izao tontolo izao.” Tadiavo izany ao amin’ny pejy 77 amin’ny hafany “Ireo harena ara-panahy” (Liahona, nôv. 2019). Ahoana no hampiharanao ny toroheviny?

Rehefa mamaky ny andininy 13, ianao dia eritrereto ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Midika inona ny hoe “mifiki[tra]” amin’ireo fanekempihavanana ireo? Nanoro hevitra an’i Emma ny Tompo mba “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa”?

Ireto misy soratra masina hafa izay afaka manampy anao hamantatra “ny zavatr’izao tontolo izao” sy ny “zavatry ny tontolo tsara kokoa”: Matio 6:19, 21, 25–34; Lioka 10:39–42; 2 Nefia 9:51.

Jereo koa ny LOhahevitra sy fanontaniana, “Fahafoizan-tena,” Médiathèque de l’Évangile.

Asao mba hizara. Raha mampianatra ny hafa momba ny fomba “hahafo[izana] ireo zavatr’izao tontolo izao” ianao, dia mieritrereta fomba hanasana azy ireo hizara ny zavatra ataony mba hanarahana io torohevitra io. Afaka mahazo tanjaka sy herim-po lehibe isika avy amin’ny fihainoana ny hevi-baovao sy ny traikefan’ny tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12

Ny Tompo dia faly amin’ny “hiran’ny fo.”

Inona avy ny sasany amin’ireo “hiran’ny fo”—hira izay maneho ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy? Hevero ny hihirana na hihainoana ny vitsivitsy amin’izy ireny. Inona no mampiavaka ireo hira ireo aminao?

Azonao atao ihany koa ny misaintsaina ny mampitovy ireo hira ireo amin’ny vavaka. Inona no mampitovy ny hira masina sy ny vavaka? Tamin’ny fomba ahoana no “[namaliana t]amin’ny fitahiana” ireo hira masina nohirainao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2

“Ary ny zavatra rehetra ao amin’ny fiangonana dia hotontosaina amin’ny faneken’ny rehetra.”

Ny andian-teny hoe “faneken’ny rehetra” ao amin’io andininy io dia entina ilazana ny asa fananganana ny tanantsika mba hanehoana fa manohana olona iray izay mandray antso na fanendrena ao amin’ny fisoronana isika. Ahoana no hanazavanao amin’ny mpitsidika ny fivorian’ny Fiangonana ny dikan’ny hoe manohana olona iray isika? Inona no valiny hitanao ao amin’ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring hoe “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana”? (Liahona, mey 2019, 58–60).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 03

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1, 8

Afaka “[m]anavotra [ahy] hiala [ao] amin’ny fijalia[ko]” ny Mpamonjy.

  • Mba hianarana momba ny sasany amin’ireo fahoriana na olana natrehan’i Joseph Smith sy ireo Olomasina tany am-boalohany dia azonao atao ny mamerina mijery ny “Toko 11: Nitombo ny isan’ny olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 46–47. Avy eo ianao sy ny ankizy dia afaka mamantatra ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph momba ny fahoriany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1, 8. Azonareo atao koa ny mifampizara ny fomba nanampian’ny Tompo anareo nandritra ny fotoan-tsarotra.

    1:52

    Chapter 11: More People Join the Church: April–June 1830

  • Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8 antsika momba ny faharetana? Ahoana no fomba hampahafantaran’ny Mpamonjy antsika fa “momba an[tsika] hatrany” Izy mandritra ireo fahoriantsika?

    2:42

    Continue in Patience

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12

I Jesoa dia tia “ny hiran’ny fo.”

  • Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12 ianareo dia afaka mifampiresaka momba ny hira tianao indrindra na ny hiran’ny Fiangonana—ny “hiran’ny fo”—ary miara-mihira izany. Ifampizarao ny antony itiavanareo ireo hira ireo. Nahoana no faly ny Tompo rehefa mihira ireo hira ireo isika? Nahoana no mitovy amin’ny “vavaka ho [Azy]” ny fihirantsika?

fianakaviana mihira eo amin’ny piano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13, 15

Mitondra fifaliana ho ahy ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny Ray any An-danitra.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Emma mandalina soratra masina

Emma’s Hymns [Ireo fihirana nosoratan’i Emma], nataon’i Liz Lemon Swindle

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga