“24 febroary–2 martsa: -Lehibe ny hasarobidin’ny olona-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
24 febroary–2 martsa: “Lehibe ny hasarobidin’ny olona”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18
Misy fomba maro samihafa hanandramana handrefesana ny lanjan’ny olona iray. Ny talenta, ny fianarana, ny harena ary ny bika aman’endrika dia mety hisy fiantraikany amin’ny fomba fanombantombanana ny tsirairay—ary ny tenantsika. Saingy eo imason’ Andriamanitra, ny fanontaniana momba ny lanjantsika dia zavatra tsotra kokoa, ary voalaza mazava ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18: “Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” (andininy 10). Io fahamarinana tsotra io dia manazava betsaka ny zavatra ataon’Andriamanitra sy ny antony anaovany izany. Nahoana Izy no nanome toromarika an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mba hanorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao? (jereo ny andininy 1–5). Satria lehibe ny hasarobidin’ny olona. Nahoana Izy no “mandidy ny olona rehetra, na aiza na aiza izany, hibebaka” ary mandefa Apôstôly hitory fibebahana? (andininy 9). Satria lehibe ny hasarobidin’ny olona. Ary nahoana i Jesoa Kristy no niaritra “fahafatesana tamin’ny nofo” sy “ny fangirifirian’ny olon-drehetra”? (andininy 11). Satria lehibe ny hasarobidin’ny olona. Na dia iray amin’ireo fanahy ireo aza no misafidy ny hanaiky ny fanomezan’ny Mpamonjy, dia faly Izy, satria “[lehibe] ny fifaliana amin’ny olona izay mibebaka!” (andininy 13).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–5
“Manangana ny fiangonako.”
Ao amin’ny fizarana 18, dia nanome torolalana an’i Oliver Cowdery ny Tompo mba hanampy amin’ny fametrahana ny fototry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Inona no tsikaritrareo momba ny torohevitra nomeny—indrindra fa ao amin’ny andininy 1–5? Azonao atao ny mieritreritra ny fomba hampiharana io torohevitra io aminao rehefa “manangana” ny finoanao an’i Kristy ianao. Ohatra:
-
Inona no “nirianao ho fantatra” momba ny Tompo? (andininy 1).
-
Inona no dikan’ny hoe “[miantehitra] amin’ny zavatra izay voasoratra”? (andininy 3). Ahoana no “[nampisehoan’ny Fanahy taminao]” fa marina ireo zavatra ireo? (verse 2; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24).
-
Ahoana no hanorenanao ny fiainanao eo amin’ny “fanorenan’ny filazantsaran’[ny Mpamonjy] sy ny vatolamp[iny]”? (andininy 5).
Mametraha fanontaniana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia porofo fa ny fanontaniana dia mitarika ho amin’ny fanambarana. Rehefa mandalina ny soratra masina ianao, dia raketo ireo fanontaniana tonga ao aminao. Avy eo dia manaova fandalinana ary mivavaha mba hikatsahana valinteny.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13
“Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”
Ahoana no hamaritana ny lanjan’ny zavatra iray? Ohatra, nahoana ny entana iray eny an-tsena no lafo kokoa noho ny iray hafa? Rehefa mamaky ny fizarana 18 ianao amin’ity herinandro ity, indrindra fa ny andininy 10–13, dia azonao atao ny mampifanohitra ny fomba hamaritan’ny olona matetika ny hasarobidin’ny olona amin’ny zavatra mahatonga ny fanahy ho sarobidy eo imason’Andriamanitra. Hevero ny hanolo ny teny hoe “fanahy,” “ireo fanahy,” ary “ny olona rehetra” amin’ny anaranao. Ahoana no ahafahan’ireo andininy ireo manampy ny olona iray izay mametra-panontaniana ny amin’ny hasarobidin’ny tenany?
Ireto misy andalan-tsoratra masina hafa izay mampianatra momba ny lanjan’ny fanahy iray: Lioka 15:1–10; Jaona 3:16–17; 2 Nefia 26:24–28; Mosesy 1:39. Raha miainga avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia ahoana no hamintinanao ny zavatra tsapan’Andriamanitra momba anao? Azonao atao ihany koa ny mikaroka ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Manan-danja Aminy ianao” (Liahona, nôv. 2011, 19–22) mba hahitana teny sy andian-teny izay manampy anao hahafantatra momba ny hasarobidinao amin’Andriamanitra.
Ahoana no ampisehoan’Andriamanitra aminao fa tena sarobidy Aminy ianao? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiheveranao ny tenanao sy ny hafa?
Jereo koa ny D. Jones, “Fananana lanja tsy hay refesina,” Liahona, nôv. 2017, 13–15; Lohahevitra sy fanontaniana, “Zanak’ Andriamanitra,” Médiathèque de l’évangile.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–16
Faly ny Tompo rehefa mibebaka aho.
Mariho hoe impiry ny teny toy ny mibebaka sy ny fibebahana no ampiasaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18. Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’ireo teny ireo isaky ny ampiasaina. Diniho manokana ny andininy 11–16. Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo eo amin’ny fahatsapanao momba ny fibebahana—ny fibebahanao manokana sy ny adidinao hanasa olona hafa hibebaka sy hivoatra? Ity misy fomba iray hanoratana ny zavatra nianaranao: manaova lisitra maro hamenoanao ilay fehezan-teny hoe “Ny fibebahana dia .”
Jereo koa ny Almà 36:18–21; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fibebahana,” Médiathèque de l’évangile; Dale G. Renlund, “Ny fibebahana: safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 121–24.
Ampahan-tsary avy amin’ny The Prodigal Son [Ilay zanaka adala], nataon’i Clark Kelley Price
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:14–16
Ny fifaliana dia avy amin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy.
Rehefa mamaky ny andininy 14–16 ianao, dia saintsaino ny dikan’ny hoe “miantso fibebahana”—ary nahoana izany no mitondra fifaliana toy izany. Inona avy ireo fomba sasany hitanao mba hanampiana ny hafa hanatona ny Mpamonjy sy hahazo famelan-keloka? Ahoana no nanaovan’ny olon-kafa izany taminao?
Jereo koa Craig C. Christensen, “Tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy izay fifaliako izay,” Liahona, mey 2023, 45–47.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36
Afaka mandre ny feon’ny Tompo ao amin’ny soratra masina aho.
Raha misy olona manontany anao hoe toy ny ahoana ny feon’ny Tompo dia inona no holazainao? Eritrereto io fanontaniana io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36 ianao. Inona no nianaranao momba ny feon’ny Tompo tamin’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? Inona no azonao atao mba handraisana fitaomam-panahy avy Aminy?
Jereo koa ny “Pour sonder tes Ecritures,” Cantiques, no. 163.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13
Isika tsirairay avy dia tena sarobidy tokoa amin’ Andriamanitra.
-
Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13 ianao sy ny ankizy dia soloy amin’ny anaran’ny tsirairay ny teny hoe “fanahy,” “ireo fanahy,” ary “ny olona rehetra.” Azonao atao ny miresaka momba ny fomba hanampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba antsika tsirairay avy.
-
Azonao atao koa ny manontany ny ankizy momba ny zavatra heverin’ny olona ho sarobidy. Na azonao atao ny mampiseho azy ireo zavatra sarobidy aminao. Ahoana no fomba handraisantsika ny zavatra izay sarobidy amintsika? Dia avelao izy ireo hifandimby hijery fitaratra. Rehefa manao izany izy ireo dia lazao amin’ny ankizy tsirairay fa zanak’Andriamanitra izy ireo ary manan-danja lehibe izy ireo. Ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’ny hafa fa “lehibe ny hasarobidin’ny olona” eo imasontsika?
-
Mba hanamafisana fa ny olona rehetra dia manan-danja lehibe amin’ny Ray any An-danitra, dia afaka mijery ilay sary any amin’ny faran’ity lesona ity ny ankizy rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13.
Ampahan-tsary avy amin’ny Worth of a Soul [Ny hasarobidin’ny olona iray], nataon’i Liz Lemon Swindle
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13–16
Mitondra fifaliana lehibe ny fizarana ny filazantsara.
-
Mba hanentanana ny ankizy hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia azonao atao ny mifampiresaka momba ny zavatra niainanao rehefa nahita zavatra tianao hozaraina amin’ny namanao na ny fianakavianao ianao. Nahoana ianao no te hizara izany, ary inona no tsapanao rehefa nizara izany? Azonareo vakina avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13, 16. Inona no mitondra fifaliana ho an’ny Tompo? Inona no lazainy fa hitondra fifaliana ho antsika? Afaka miresaka momba ny zavatra niainanareo rehetra ianao sy ny ankizy rehefa nizara ny fifaliana avy amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy.
-
Ny hira iray momba ny fizarana ny filazantsara, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 168), dia afaka manampy ny ankizy hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36
Afaka mandre ny feon’ny Tompo ao amin’ny soratra masina aho.
-
Ny ankizy dia mety hankafy lalao iray izay iezahany hamantatra ny feon’ny olona samihafa, toy ny olona ao amin’ny fianakaviana, na namana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ahoana no ahafantarantsika ny feon’ny tsirairay? Ahoana no ahafantarantsika ny feon’ny Tompo? Afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36 ianareo mba hifanakalozana hevitra momba ity fanontaniana ity. Azonao atao ihany koa ny mifampizara ny fomba nandrenesanao ny feon’ny Tompo ao amin’ny soratra masina.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.