“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Ireo Vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Ireo Vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny
Ireo Vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna
Nasehon’ny anjely Môrônia tamin’i Joseph Smith, sy i Oliver Cowdery, ary i David Whitmer tao anaty ala teo akaikin’ny tranon-dry Whitmer tao Fayette, New York ireo takelaka volamena. Nitsidika an-dry Whitmer ny ray aman-drenin’i Joseph tamin’io fotoana io. I Lucy Mack Smith, renin’i Joseph dia namariparitra ny fiantraikan’io zavatra niainana mahagaga io teo amin’ireo vavolombelona:
“Teo anelanelan’ny tamin’ny telo sy tamin’ny efatra tolakandro teo tamin’izay. Ramatoa Whitmer sy Andriamatoa Smith ary izaho dia nipetraka tao amin’ny efitrano fandriana iray. Nipetraka teo an-jorom-pandriana aho. Rehefa niditra i Joseph dia nitorevaky ny havizanana teo akaikiko izy. -Dada! Neny!- hoy izy. -Tsy takatrareo mihitsy ny hafaliako izao. Nataon’ny Tompo izay hanehoana ireo takelaka tamin’ny olona telo hafa ankoatra ny tenako, izay nahita anjely iray ihany koa sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana izay nolazaiko. Satria fantatr’izy ireo mihitsy fa tsy hamitaka ny olona no tanjoko. Ary mahatsapa ho toy ny nohamaivanina tamin’ny enta-mavesatra goavana aho, izay saika ho mavesatra loatra ka tsy vitako ny hiaritra izany. Saingy mila mizioga ampahany amin’izany izy ireo izao, ary mahafaly ny fanahiko ny hoe tsy ho izaho irery intsony no olona eto amin’izao tontolo izao nahita sy nihazona tamin’ny tanana ireo takela-bolamena.- Dia niditra i Martin Harris avy eo. Toa heniky ny fifaliana be loatra izy. Dia nijoro ho vavolombelona ny amin’izay hitany sy reny izy, ary nanao toy izany koa i Oliver sy i David. Ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo dia mitovy amin’ny hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. …
“I Martin Harris manokana dia tsy nahita teny mahalaza tanteraka ny fihetseham-pony. Hoy izy hoe: -Efa nahita anjely iray avy any an-danitra aho ankehitriny izay nijoro ho vavolombelona marina ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra rehetra reko momba ilay rakitsoratra, ary nahita azy ny masoko. Nijery ireo takelaka ihany koa aho ary nihazona azy ireo tamin’ny tanako ary afaka mijoro ho vavolombelona momba izany amin’izao tontolo izao. Saingy izaho dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako, izay tsy voalaza amin’ny teny, izay tsy misy lela afaka mamaritra izany, ary manome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny fahatsoran’ny fanahiko aho fa niambany Izy ka nanao ahy ho vavolombelon’ny halehiben’ny asany sy ny drafiny ho an’ny zanak’olombelona.- Niaraka nanolotra taminy fiderana ho an’ Andriamanitra noho ny hatsaram-pony sy ny famindram-pony i Oliver sy i David. Niverina nody izahay [nankany Palmyra, New York,] ny ampitson’io, vondron’olona kely feno fientanentanana sy fifaliana.”
I Oliver Cowdery, sy i David Whitmer, ary i Martin Harris
Teo ihany koa i Lucy Mack Smith rehefa niverina avy tamin’ny zavatra niainany ireo Vavolombelona Valo:
“Rehefa niverina tao an-trano ireo vavolombelona ireo, dia niseho indray tamin’i Joseph ilay anjely; tamin’izay fotoana izay dia nanolotra ireo takelaka teo an-tanany i Joseph. Ny harivan’io dia nanao fivoriana izahay, ka nizara fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny zava-nisy voalaza tetsy ambony ireo vavolombelona rehetra; ary ny fianakavianay rehetra, eny fa na dia i Don Carlos [Smith] izay 14 taona monja aza, dia nijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny fotoampitantanan’ny andro farany—fa efa naroso tanteraka izany.”
Sary sokitra an’i Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Valo
Ankoatra ireo Vavolombelona Telo sy Vavolombelona Valo, dia nahazo fitahiana koa i Mary Whitmer, renin’i David Whitmer, mba ho vavolombelon’ireo takela-bolamena. Nasehon’ny anjely Môrônia taminy izany ho fankasitrahana azy tamin’ny fanoloran-tena nataony raha nonina tao an-tranony i Joseph sy i Emma ary i Oliver. “Nahatoky sy nazoto tokoa ianao tamin’ny asanao,” hoy i Môrônia taminy. “Koa dia mety raha mandray vavolombelona amin’izay ianao mba hahafahan’ny finoanao ho mafy orina.”