Doctrine and Covenants 2025
27 janoary–2 febroary: “Hitohy ny asako”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5


“27 janoary–2 febroary: -Hitohy ny asako-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

mpiasa eny an-tsaha

27 janoary–2 febroary: “Hitohy ny asako”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

Tsy mbola nahalalala ny zava-drehetra momba ilay “asa mahatalanjona” niantsoana azy mba ho hataony i Joseph Smith nandritra ireo taona vitsy voalohany naha-mpaminan’ny Tompo azy. Kanefa ny zavatra iray nampianarin’ireo zavatra niainany tany am-boalohany azy dia ny mba ho mendrika ny hanao ny asan’ Andriamanitra, ka tsy maintsy “tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra” ny masony (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1, 5). Ohatra, raha nanoro hevitra azy ny Tompo mba hanao zavatra izay tsy azony antoka fa tiany hatao dia mila manaraka ny torohevitry ny Tompo izy. Ary na dia hoe nahazo “fanambarana maro … hanan-kery hanaovana asa mahatalanjona maro” aza izy, raha ny sitrapony no lasa nanan-danja kokoa teo imasony noho ny an’ Andriamanitra dia “tsy maintsy lavo” izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4). Saingy i Joseph dia nianatra zavatra hafa manan-danja torak’izany ihany momba ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra: “feno famindram-po Andriamanitra” ary raha mibebaka amin-kitsim-po i Joseph dia “mbola voafidy ihany” izy (andininy 10). Ny asan’ Andriamanitra rahateo dia asan’ny fanavotana. Ary izany asa izany dia “tsy azo sakanana” (andininy 1).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–16

sary famantarana ny seminera
Afaka matoky an’ Andriamanitra aho.

Tany am-piandohan’ny fanompoan’i Joseph Smith dia sarotra tadiavina ny namana tsara—indrindra ny namana toa an’i Martin Harris izay olona manan-kaja sy manan-katao, afaka hanome fanampiana manan-danja. Koa rehefa nangataka lalana i Martin mba hampisehoana ireo pejy 116 voalohany tamin’ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny vadiny, dia mazava ho azy fa te hanome lanja ny fangatahany i Joseph, na dia efa nampitandrina momba izany aza ny Tompo. Loza anefa fa very tany amin’i Martin ireo takila sora-tanana ka nofaizin’ny Tompo mafy i Joseph sy i Martin (Jereo ny Olomasina, 1: 51–53).

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–15 ianao dia ampio ny ankizy hahita ireo singa ao amin’ilay fiarovan-tena ao amin’ilay sary. Ohatra, inona no ianaranao momba ny:

  • Asan’ Andriamanitra? (jereo ny andininy 1–3, 16).

  • Inona no vokatry ny tahotra ny olona toy izay hatoky an’Andriamanitra? (jereo ny andininy 4–8).

  • Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fijanonana ho mahatoky? (jereo ny andininy 8).

  • Ahoana no fomba nanitsian’ny Tompo sy nankaherezany an’i Joseph? (jereo ny andininy 9–16).

Ao amin’ny hafany manao hoe “Mitodika mankaiza ianao?,” ny Loholona Lynn G. Robbins dia nanome ohatra maro ao amin’ny soratra masina momba ny olona izay natahotra an’Andriamanitra sy ireo olona nanaiky ny faneren’ny hafa. (Liahona, nôv. 2014, 9–11). Diniho ny famakiana ireo ohatra ireo ao amin’ny soratra masina izay tiany ho lazaina. Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo soratra masina ireo? Inona no zavatra niainanao izay nametrahanao fitokisana tamin’ny Tompo rehefa niatrika tsindry hanao zavatra hafa ianao? Inona no vokatr’ireo fihetsikao?

Jereo koa ny Dale G. Renlund, “Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana,” Liahona, nôv. 2022, 16–19; Lohahevitra sy fanontaniana, “Katsaho ny marina ary ialao ny fitaka,” Médiathèque de l’évangile; “Oui, tes commandements,” Cantiques, no. 66.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Afaka manompo ny Tompo amin’ ny foko, sy ny heriko, ny saiko ary ny tanjako rehetra aho.

Ny fizarana 4 dia matetika no mihatra amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Na izany aza dia mahaliana ny manamarika fa io fanambarana io tany am-boalohany dia nomena an’i Joseph Smith Rainy izay tsy nantsoina hanompo ho amin’ny fotoana feno kanefa dia “manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra” (andininy 3).

Fomba iray hamakiana ity fizarana ity ny maka sary an-tsaina hoe famariparitana ny andraikitra miandry amin’ny asa iray ho an’ny olona iray izay te hanao ny asan’ny Tompo izy io. Inona no notadiavin’ny Tompo? Inona avy ireo tombontsoa atolony?

Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo fanambarana ireo?

Nantsoin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “fanamby lehibe indrindra, tanjona lehibe indrindra ary asa lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao” ny fanangonana an’i Isiraely (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [fivoriana fampaherezam-panahy ho an’ny tanora, 3 jona 2018], Médiathèque de l’évangile). Inona no hitanao ao amin’ny lahateniny izay manentana anao handray anjara amin’ity asa ity?

misionera miresaka amin’ny vehivavy iray rehefa manao asa fanompoana

Izay rehetra manana faniriana hanompo an’Andriamanitra dia voantso ho amin’ny asa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna aho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Tamin’ny volana martsa 1829, i Lucy, vadin’i Martin Harris, dia nametraka fitoriana teo amin’ny fitsarana fa mamitaka olona i Joseph Smith raha nilaza ho nandika ireo takela-bolamena (jereo ny Olomasina,, 1:56–58). Noho izany dia nangataka porofo misimisy kokoa ny amin’ny maha-tena misy ireo takela-bolamena tany amin’i Joseph i Martin. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 5 dia fanambarana nomena ho valin’ny fangatahan’i Martin. Inona no ianaranao avy amin’ity fizarana ity momba ireto manaraka ireto:

  • Ny zavatra lazain’ny Tompo dia hitranga raha toa ka aseho ho hitan’izao tontolo izao ireo takela-bolamena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 5:7). Nahoana araka ny eritreritrao no mitranga izany?

  • Ny anjara andraikitr’ireo vavolombelona ao amin’ny asan’ny Tompo (jereo ny andininy 11–15;jereo ihany koa ny 2 Korintiana 13:1).

  • Ahoana no hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny tenanao (jereo ny andininy 16, 24; jereo ihany koa ny Môrônia 10:3–5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–10

Nanome antsika ny teniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith i Jesoa Kristy.

Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–10 anao momba ny anjara asan’i Joseph Smith amin’izao androntsika izao—sy eo amin’ny fiainanao? (Jereo ihany koa ny 2 Nefia 3:6–24.)

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:5–10; 5:21–22

Afaka misafidy ny tsara aho rehefa miezaka mitaona ahy hanao ny ratsy ny hafa.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fianarana matoky ny Ray any An-danitra dia azonao atao ny mamerina mijery ny tantaran’ireo takila sora-tanana very (jereo ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 18–21). Azonao atao avy eo ny milalao an-tsehatra miaraka amin’ny ankizy ireo toe-javatra izay mety hahatonga azy ireo ho alaim-panahy hanao zavatra izay fantany fa tsy mety. Inona no teny na andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:5–8; 5:21–22 izay afaka manampy azy ireo mandritra ireo toe-javatra ireo?

    4:39

    Martin Harris Helps Joseph: Learning to trust the Lord

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Manasa ahy handray anjara amin’ny asany ny Tompo.

  • Ny andininy tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 dia ahitana fahamarinana sarobidy izay afaka manampy ny ankizy hianatra momba ny fanompoana an’Andriamanitra. Ireto misy hevitra vitsivitsy hanampy azy ireo hahita ireto fahamarinana ireto:

    • Afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1 ianareo ary mampiseho sary maneho ny asa “mahatalanjona” an’Andriamanitra amin’ny andro farany. (toy ny misiônera, ny tempoly, ary ny Bokin’i Môrmôna).

    • Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra atao na hanao sary izay maneho ilay andian-teny hoe “hanompoanareo Azy amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakareo rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2).

    • Azonareo atao ny mijery ireo fitaovana ampiasaina eny an-tsaha. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fitaovana ireo antsika? Avy eo ny ankizy dia afaka mitady zavatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6 izay toy ny fitaovam-piasana hanaovana ny asan’Andriamanitra.

    • Ny ankizy lehibe kokoa dia afaka manao fikarohana samirery ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 ary hanao ny lisitry ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny hevitry ny hoe manompo an’Andriamanitra.

    • Miaraha mihira hira iray mahakasika ny asa fitoriana, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90).

zazalahy kely manampy amin’ny fambolena hazo

Afaka manampy amin’ny asan’Andriamanitra amin’ny fanompoana ny hafa aho.

Amboary ireo sahanasa mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana. Ny fanamboarana kely ireo sahanasa dia afaka manome antoka fa manana fahafahana hianatra ny tsirairay. Ohatra, raha toa ka mandroso hevitra ny sahanasa iray hoe tokony hampiseho sary, dia azonao atao ny manao hira mba hampandraisana anjara koa ireo ankizy manana olana amin’ny fahitana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–7, 11, 16, 23–24

Afaka ny ho vavolombelona aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mba hampianarana ny ankizy ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona, dia azonao atao ny mangataka azy ireo haka sary an-tsaina hoe nisy namana iray nilaza taminy fa nahita saka mandeha amin’ny tongony aloha. Hino izany ve izy ireo? Ahoana raha misy namanairay hafa niteny izany koa? Hazavao ny atao hoe “vavolombelona” ary nahoana no zava-dehibe ny vavolombelona. Azonao atao ny manampy ny zanakao hanao fikarohana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–3, 7, 11 mba hahazoana valiny amin’ireo fanontaniana toy izao manaraka izao:

    • Inona no tian’i Martin Harris ho fantatra?

    • Iza avy no afaka nampisehoan’i Joseph Smith ireo takela-bolamena?

    • Nahoana no mety tsy handresy lahatra ny olona iray hoe marina ny Bokin’i Môrmôna ny fahitana ireo takelaka ireo?

    • Inona no azontsika atao mba ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:16; Môrônia 10:3–5).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

sarin’i Joseph Smith sy ny ray aman-dreniny izay mitebiteby

Devastating Weight of 116 Pages [Ny vesatra lehibe naterak’ireo takila 116], nataon’i Kwani Povi Winder

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy