“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fandikana ny Bokin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fandikana ny Bokin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny
Fandikana ny Bokin’i Môrmôna
Tamin’ny volana aprily 1829, izay volana nandraisana ny fizarana 6–9 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna no asa nifantohan’i Joseph Smith. Tsy mahafantatra antsipirian-javatra maro momba ny dingana mahagagan’ny fandikan-teny isika kanefa fantatsika fa i Joseph Smith dia mpahita iray izay nampian’ny fitaovana roa nomanin’ Andriamanitra, dia ny vato roa mangarahara antsoina hoe Orima sy Tomima niampy vato iray hafa antsoina hoe vaton’ny mpahita.
Taty aoriana rehefa nasaina nitantara ny fomba nandikana izany i Joseph dia nilaza izy hoe: “tsy ny hilazana amin’izao tontolo izao ny antsipirian-javatra rehetra no nanaovana izany.” Matetika izy no nilaza tsotra fa “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” no nandikana izany.
Ireto teny manaraka izay nolazain’ireo vavolombelona nahita maso ny fizotry ny fandikan-teny ireto dia manohana ny tenivavolombelon’i Joseph.
Ninoan’ny olona fa hoe an’i Hyrum Smith io boaty io ary nampiasaina nandritra ny fotoana fohy mba hanafenana ireo takela-bolamena.
Emma Smith
“Rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna ny vadiko dia nandray an-tsoratra ny ampahany tamin’izany aho raha izy kosa nanonona ny fehezan-teny tsirairay, ara-bakiteny, ary rehefa tojo anaran-tsamirery tsy hainy tononina izy, na teny lava be, dia notononiny tsirairay ny litera tao amin’izy ireny ary nandritra ny fotoana nanoratako ireny ka sendra nanao hadisoana aho tamin’ny fanoratana dia natsahany aho ka nahitsiny ny fomba fanoratako na dia tsy hainy aza hoe toy ny ahoana no nanoratako ireny tamin’izany. Na dia ny teny hoe Sarah aza tsy hainy ny nanonona azy tamin’ny voalohany fa voatery notononiny tsirairay ny fanoratana azy ary izaho no nanonona izany ho azy.”
“Matetika ireo takelaka no mipetraka eo ambonin’ny latabatra tsy tao an’eritreritra akory hoe ny hanafina izany, na handrakotra izany amin’ny lamban-databatra kely vita amin’ny lamba rongony nomeko azy mba hamonosana azy ireny. Indray mandeha aho no nahatsapa ireo takelaka raha nipetraka teo ambonin’ny latabatra ireo ka novinavinaiko ny habeny sy ny endriny. Toa afaka miforitra toy ny taratasy matevina ilay izy ary maneno toy ny vy mikasaosaoka rehefa ampiakarin’ny ankihibe ny sisiny, toy ireny ataon’ny olona amin’ny sisin’ny boky ireny indraindray. …
“Izaho dia mino fa ny Bokin’i Môrmôna dia avy amin’ Andriamanitra marina. Tsy manana ahiahy ny amin’izany aho na dia bitika aza. Mino tanteraka aho fa tsy misy olona ho afaka nanonona ny soratra tao amin’ny raki-tsoratra raha tsy notarihin’ny Fanahy. Satria rehefa [niasa] ho mpitantsorany aho dia nanonona tamiko teo izy nandritra ny ora maro [Joseph]; ary nanohy indray rehefa avy nisakafo. Ary rehefa avy nitsahatra kely izy, dia tonga dia nanomboka teo amin’izay nijanonany, tsy namerina nijery akory izay voasoratra na hoe nangataka ny hamakiana ampahany ho azy. Zavatra nahazatra azy ny nanao izany. Sarotra ny hahafahan’ny olona iray avara-pianarana hanao toy izany; ary ho an’olona … tsy nianatra toa azy, dia tsy ho azo heverina tsotra izao izany.”
Oliver Cowdery
“Nosoratako tamin’ny peniko ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo (afa-tsy pejy vitsivitsy) araka izay nanononan’ny vavan’ny Mpaminany ireo teny, rehefa nandika izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy, tamin’ny alalan’ny Orima sy ny Tomima, na, ilay antsoina ao anatin’ilay boky hoe, fandikan-teny masina. Nojereko tamin’ny masoko ary noraisiko tamin’ny tanako ireo takela-bolamena izay nandikana azy. Hitako ihany koa ireo fitaovana fandikan-teny.”