“20–26 janoary: -Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny He Called Me by Name [Niantso ahy tamin’ny anarako Izy], nataon’i Michael Malm
20–26 janoary: “Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65
Telo taona no lasana hatramin’ny nisehoan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay ala kely saingy mbola tsy nahazo fanambarana fanampiny izy hatramin’izay. Nanomboka nanontany tena izy raha toa ka tsy faly taminy ny Tompo. Nanao fahadisoana toa antsika rehetra izy ary nahatsapa tena ho meloka noho ireny. Kanefa dia mbola nanana asa hampanaovina azy Andriamanitra. Ary ny asa niantsoana an’i Joseph mba hataony dia mifandray amin’ny zavatra angatahin’ Andriamanitra amintsika. Namoaka ny Bokin’i Môrmôna i Joseph; Asaina isika hizara ny hafatra entiny. Handray ny fanalahidin’ny fisoronana i Joseph mba hampitodika ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy; afaka mandray ôrdônansy ho an’ny razambentsika any amin’ny tempoly isika izao. Nolazaina tamin’i Joseph ny faminaniana izay ho tanteraka tsy ho ela; antsoina isika mba hanampy amin’ny fanatanterahana ireo faminaniana ireo. Rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy hiatrika fanoherana mbamin’ny fanenjehana tahaka ny nataon’ny Mpaminany. Kanefa afaka manam-pinoana ihany koa isika fa ny Tompo dia hanao antsika ho fitaovana eo an-tanany tahaka ny nataony ho an’i Joseph.
Jereo koa ny Olomasina, 1:20–48.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Manana asa hampanaovina ahy Andriamanitra.
Zavatra iray loha ny mino fa nanana asa ho an’i Joseph Smith Andriamanitra—afaka manao jery todika ny fiainany isika ary mahita mazava tsara ny zavatra vitany. Saingy efa nieritreritra ve ianao fa manana asa ho anao koa Andriamanitra? Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:27–33 ianao dia eritrereto hoe mety ho inona izany asa izany. Amin’ny fomba ahoana no handraisan’izany anjara biriky amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Mpamonjy?
Nampianatra ny Loholona Gary E. Stevenson hoe: “Rehefa manatona an’i Kristy isika ka manampy ny hafa hanao torak’izany koa, dia mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana, izay mifantoka amin’ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra. … Ireo andraikitra ireo dia tsotra, manentana ny fanahy, mandrisika ary azo atao. Ireto ary izy ireo:
-
Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
-
Mikarakara ireo izay sahirana
-
Manasa ny rehetra handray ny filazantsara
-
Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay” (“Kanto tsotra izao—Tsotra ao anatin’ny hakantony,” Liahona, nôv. 2021, 47).
Saintsaino ireo zavatra niainanao tamin’ny fandraisanao anjara tamin’ny tsirairay tamin’ireo valinteny voatendrin’ Andriamanitra ireo. Inona no tian’ny Mpamonjy hataonao manaraka? Misy pejy Lohahevitra sy Fanontaniana ho an’ny tsirairay amin’ireo andraikitra ireo (jereo ny “Ny anjara asantsika eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana,” Médiahtèque de l’Évangile). Azonao atao ny mikaroka ireto pejy ireto hanampy anao hamaly ity fanontaniana ity.
Mety hahatsapa ianao indraindray fa tsy afaka mampiasa anao ny Tompo noho ny fahadisoana nataonao. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith tao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:28–29? Ahoana no ahafantaranao ny “toera[nao] eo anolohan’ [Andriamanitra]”?
Mametraha fanontaniana izay mamporisika ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra mafonja. Ny fanontaniana izay misy valiny marina mihoatra ny anankiray dia manasa ny mpianatra hamaly amin’ny alalan’ny fifotorana amin’ireo hevitry ny tena manokana sy ny fahatsapan’ny tena manokana ary ny zavatra nianan’ny tena manokana. Ohatra amin’izany ireo fanontaniana ato amin’ity drafitra ity.
Jereo koa ny “Youth Responsibility in the Work of Salvation (Andraikitry ny zatovo amin’ny asa famonjena)” (horonantsary), ChurchofJesusChrist.org; “Asa famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 1.2.
Youth Responsibility in the Work of Salvation
Tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany dia nanatanteraka ireo faminaniana fahiny ny Mpamonjy.
Rehefa niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia dia nitanisa faminaniana maro tao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao izy, toy ny Isaia 11; Asan’ny Apostoly 3:22–23; ary Joela 2:28–32. Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:34–47, dia eritrereto ny antony mety maha-zava-dehibe ny fahafantaran’i Joseph ireo faminaniana ireo. Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra ireo?
Azonao atao ihany koa ny mamaky ny zavatra nampianarin’ny Loholona David A. Bednar momba ny fitsidihan’i Môrônia voalohany an’i Joseph Smith ao anatin’ny “Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” (Liahona, nôv. 2021, 28).
Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe
Jereo koa ny “Un ange saint de Dieu,” Cantiques, no. 8.
Hanomana ahy hiasa ao amin’ny fanjakany Andriamanitra.
Vao 17 taona monja i Joseph tamin’izy vao nahita voalohany ireo takela-bolamena. Tsy nomena azy anefa ny fikarakarana azy ireo raha tsy efa-taona taty aoriana. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:48–60, ka tadiavo ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Joseph nandritra izany fotoana izany. Ahoana araka ny eritreritrao no nanomanan’ireo zava-nitranga ireo azy ho amin’ny asa niantsoan’Andriamanitra azy? Inona no zavatra niainanao izay nanomana anao hanompo an’Andriamanitra sy ny hafa? Inona no iainanao amin’izao fotoana izao ka afaka manampy anao hiomana amin’ny fanompoana ho avy?
Hill Cumorah [Havoana Komôrà], nataon’i Al Rounds
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2
Nandefa an’i Elia ny Tompo mba hampitodika ny foko amin’ireo razambeko.
Mampianatra inona anao momba ny iraka notanterahin’i Elia sy ireo fitahiana avy amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay naveriny tamin’ny laoniny ny teny toy ny hoe “mamboly”, “fo”, ary “mitodika” ao amin’ity fizarana ity? Efa nahatsapa ve ianao fa nitodika tamin’ny razambenao ny fonao? Eritrereto ireo fomba ahafahanao miaina matetika kokoa ny fahatsapana toy izany. Ny fitadiavana ireo razambenao sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly dia fomba iray (jereo ny FamilySearch.org). Inona koa ireo hafa azonao eritreretina?
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16; Gerrit W. Gong, “Sambatra sy mandrakizay,” Liahona, nôv. 2022, 83–86.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Afaka mibebaka aho ary mahazo famelan-keloka.
-
Indraindray isika rehetra dia mahatsapa “meloka noho ny fahalemena[tsika] sy ny tsy fahatanterahan[tsika],” tahaka ny nataon’i Joseph Smith. Afaka miara-mandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:29 ianao sy ny ankizy mba hitady ny zavatra nataon’i Joseph rehefa nahatsapa toy izany izy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph ka afaka manampy antsika rehefa manao hadisoana isika? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa nantsoin’ Andriamanitra i Joseph na dia tsy tonga lafatra aza izy?
Niantso an’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra mba hanampy Azy hanao ny asany.
-
Mety hahafinaritra ny ankizy ny mody atao hoe Joseph Smith rehefa mitantara ny fitsidihan’i Môrônia ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:27–54 na ny “Toko 3: Ny anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 13–17). Ohatra, afaka manao tanam-bokovoko ny sandriny toy ny mivavaka izy ireo na mody mihanika ny Vohitr’i Komôrà, sy ny sisa. Avy eo dia azonao atao ny mangataka azy ireo hiresaka momba ny zavatra niantsoan’ Andriamanitra an’i Joseph Smith mba hataony sy ny fomba nitahiana antsika vokatr’izany. Ohatra, inona ny fitahiana azontsika satria nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith? Ahoana no nanampian’ny asany antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
2:29The Angel Moroni Visits Joseph Smith: Learning about a sacred book
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2
Tian’ny Ray any An-danitra ireo fianakaviana ho voafehy any amin’ny tempoly.
-
Angamba ho tianao sy ny ankizy ny mijery ny sarin’ny fianakavianao sasany, mety ahitana ny sarin’ny fianakavianao any amin’ny tempoly iray (na jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 120). Avy eo ianareo dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 ary mifampizara ny eritreritrareo momba ny antony ananantsika tempoly sy ny antony tian’ny Ray any An-danitra ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. Iaraho manao ny hira “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98). Inona no ambaran’io hira io fa azontsika atao mba hiarahantsika mandrakizay amin’ny fianakaviantsika?
Tempolin’i Palmyra New York
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2
Afaka mitondra fifaliana ho ahy ny fianarana momba ireo razambeko.
-
Afaka mientanentana sy mahatsapa fifaliana avy amin’ny tantaram-pianakaviana ny ankizy. Mba hanampiana azy ireo dia azonao atao ny mizara tantara na sarin’ireo razambenao. Miresaha amin’ny ankizy momba ny fiainan’ny razambeny fony izy ireo mbola kely. Ny ankizy koa dia mety hankafy ny sasany amin’ireo hetsika momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch.org/discovery.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.