Doctrine and Covenants 2025
13–19 janoary: “Nahitako andrim-pahazavana”: Joseph Smith—Tantara 1:1–26


“13–19 janoary: -Nahitako andrim-pahazavana-: Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

ilay Ala kely Masina

Sacred Grove [Ala kely masina], nataon’i Greg K. Olsen

13–19 janoary: “Nahitako andrim-pahazavana”

Joseph Smith—Tantara 1:1–26

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia boky iray mirakitra valim-bavaka: maro amin’ireo fanambarana masina ao amin’io boky io no valina fanontaniana avokoa. Ny fanontaniana izay niantombohan’izany rehetra izany—ilay iray izay niteraka ny firotsahan’ny fanambarana amin’ny andro farany—dia napetraky ny tovolahy iray 14 taona. Ny “ady antsanga sy horakoraka teo amin’ny hevitra” (Joseph Smith—Tantara 1:10) dia nahatonga an’i Joseph Smith ho sahiran-tsaina momba ny fivavahana sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Angamba mety efa niaina izany koa ianao. Mahita hevitra maro mifanipaka sy feo mandresy lahatra isika amin’izao androntsika izao. Rehefa te handamina ireo hafatra ireo sy hahita fahamarinana isika dia afaka manao izay nataon’i Joseph. Afaka mametraka fanontaniana isika, dia mandalina soratra masina, sy misaintsaina, ary manontany an’ Andriamanitra amin’ny farany. Ho valin’ny vavak’i Joseph dia nisy andrim-pahazavana nidina avy tany an-danitra. Niseho Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary namaly ny fanontaniany. Ny fijoroana ho vavolombelon’i Joseph momba io zavatra niainana mahagaga io dia manambara fa na iza na iza “tsy ampy fahendrena dia mahazo mangataka amin’ Andriamanitra ary mahazo” (Joseph Smith—Tantara 1:26). Isika rehetra dia afaka mandray fanambarana avokoa, na dia tsy hoe tsy miseho amin’ny alalan’ny fahitana avy any an-danitra aza izany dia farafahakeliny afaka mahazo fahatakarana misimisy kokoa avy amin’ny fanampian’ny herin’ny lanitra.

kisary fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Joseph Smith—Tantara 1:5–26

I Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Ny tanjon’ny Joseph Smith tantara dia hametraka antsika amin’ny toerana izay “[hahalalantsika] ny zava-misy araka izay fitrangany” satria novaina matetika ny fahamarinana momba an’i Joseph Smith (Joseph Smith—Tantara 1:1). Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:1–26 ianao dia inona no manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha avy amin’ Andriamanitra ny antsony?

Jereo koa ny Olomasina, 1:3–19.

Joseph Smith—Tantara 1:5–25

sary famantarana ny seminera
Ahoana no ahafahako mahazo valim-bavaka?

Efa nisy fotoana ve ianao “tsy ampy fahendrena” na nahatsapa tena ho misavorovoro saina momba ny fanapahan-kevitra iray izay nilainao noraisina? (Joseph Smith—Tantara 1:13). Ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny 1820 dia mety ho ohatra tsara ho an’ny fanambarana ho an’ny tenanao manokana. Ohatra, rehefa mikaroka ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:5–25, ianao dia mitadiava traikefa izay azonao ifandraisana. Inona no ianaranao momba ny hoe:

  • Ahoana no nanomanan’i Joseph ny traikefa masina iray tao anatin’ny vavaka? (jereo ny andininy 8, 11, 14–15).

  • Ny anjara asan’ny fandalinana soratra masina amin’ny fikatsahana fanambarana? (jereo ny andininy 11–12).

  • Inona no tokony hatao raha tojo fanoherana? (jereo ny andininy 15–16, 21–26).

  • Manaiky sy manao zavatra mifanaraka amin’ny valinteny azonao? (jereo ny andininy 18–25).

Asao mba hizara. Ny fandalinana ny soratra masina dia miteraka fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fizarana ireo fahatsapana ireo dia afaka manasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amin’ny hafa, ary koa amin’ilay olona izay mizara.

Azonao atao koa ny mitady ohatra hafa ao amin’ny soratra masina momba ny olona mifandray amin’Andriamanitra. Ny sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny Avia, hanaraka Ahy dia afaka manome hevitra anao. Andramo valina ireo fanontaniana voatanisa teo aloha ho an’ny ohatra tsirairay hitanao. Inona no traikefa efa noraisinao tamin’ny valim-bavaka? Inona no azonao atao mba hanampiana ny hafa hanana traikefa tsara ihany koa?

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88–92; Lohahevitra sy fanontaniana, “Fanambarana ho an’ny tena manokana,” Médiathèque de l’évangile.

Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Nahita an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy i Joseph Smith.

Natoky i Joseph Smith fa hamaly ny vavaka nataony Andriamanitra saingy tsy fantany mialoha hoe amin’ny fomba ahoana no hanovan’ny valin’izany ny fiainany—sy izao tontolo izao. Rehefa mamaky momba ny zavatra niainan’i Joseph ianao dia saintsaino ny hoe tamin’ny fomba ahoana no nanovan’ny Fahitana Voalohany ny fiainanao.

Ohatra, ny Fahitana Voalohany dia nanambara fahamarinana maromaro momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, izay tsy nitovy tamin’ny zavatra ninoan’ny olona maro tamin’ny andron’i Joseph. Eo am-pamakianao ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20, dia soraty ireo fomba samihafa hamenoana fanambarana toy ity iray ity: “Satria nitranga ny fahitana voalohany, dia fantatro fa …”

Inona no fahatsapana anananao rehefa misaintsaina ny zavatra niainan’i Joseph sy ny zava-drehetra avy amin’izany ianao?

Jereo koa ny “Vavaka voalohany nataon’i Joseph Smith, Fihirana sy hiran’ny ankizy, 28.

6:35

Mangataha amin’Andriamanitra: Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith

I Joseph Smith tao amin’ilay Ala kely masina

Ampahan-tsary avy amin’ny If Any of You Lack Wisdom [Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena], nataon’i Walter Rane

Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Nahoana no misy fitantarana samihafa momba ny Fahitana Voalohany?

Nandritra ny androm-piainany i Joseph Smith dia nirakitra ny zavatra niainany tao amin’ilay Ala kely masina in-efatra farafahakeliny ary matetika izy no nampiasa mpitan-tsoratra. Ankoatra izany, dia maro ireo fitantarana tsy mivantana izay nosoratan’ny olona izay nahare an’i Joseph niresaka momba ny fahitany. Na dia tsy mitovy aza ny sasantsasany amin’ny antsipirian’ireny fitantarana ireny, izay niankina tamin’ny mpamaky sy ny toe-java-nitranga, dia azo antoka kosa fa nifanaraka izy ireny. Ary ny tsirairay amin’ireo fitantarana dia manampy antsipirian-javatra izay manampy antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny zavatra niainan’i Joseph Smith tahaka ny hanampian’ny tsirairay avy amin’ny filazantsara efatra antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.

Jereo ihany koa ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Fitantarana momba ny Fahitana voalohany,” Médiathèque de l’évangile.

Joseph Smith—Tantara 1:21–26

Afaka miaina mifanaraka amin’ny zavatra fantatro aho na dia mandà ahy aza ny hafa.

Taorian’ny Fahitana Voalohany niavaka dia naniry ny hizara ny zavatra niainany tamin’ny hafa i Joseph Smith. Nanaitra azy ny fanoherana natrehiny. Rehefa mamaky momba ny tantarany ianao, dia inona no zavatra mitaona anao hijanona ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao? Inona ireo ohatra hafa—avy ao amin’ny soratra masina na olona fantatrao—izay mankahery anao hijanona ho mahatoky amin’ireo traikefa ara-panahy efa niainanao?

Jereo koa ny Gary E. Stevenson, “Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao,” Liahona, nôv. 2022, 111–14.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

fizarana ho an’ny ankizy 03

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Joseph Smith—Tantara 1:3–14

Nomanina mba ho mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith.

  • Ny fianarana mikasika ny fahatanoran’i Joseph Smith dia afaka manampy ireo ankizy hampitovy ny tenany aminy ary hiomana hianatra avy amin’ireo zavatra niainany. Angamba afaka mihazona sarin’i Joseph Smith izy ireo ary mizara ny zavatra fantany momba azy. Raha ilaina, dia azonao atao ny manampy ny zava-misy momba azy avy amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:3–14 (jereo koa ny “Toko 1: Joseph Smith sy ny fianakaviany,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 6–8, na ny horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile). Inona no zavatra niainan’i Joseph ka nanampy azy hiomana ho lasa mpaminany? Inona no mety hanomanan’Andriamanitra antsika?

    3:22

    Joseph Smith's Family: A family of faith

hosodoko ahitana an’i Joseph Smith Zanany sy ny Fahitana Voalohany

Ampahan-tsary avy amin’ny Joseph Smith’s First Vision [Ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith], nataon’i Greg Olsen

Joseph Smith—Tantara 1:10–13

Afaka mamaly ireo fanontaniako Andriamanitra amin’ny alalan’ny soratra masina.

  • Asehoy an’ny ankizy ny boky isan-karazany, anisan’izany ny soratra masina. Ampio izy ireo hieritreritra fanontaniana azon’ireo boky ireo valiana. Avy eo dia iaraho mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:10–11 mba hahitana izay fanontaniana nananan’i Joseph Smith sy ireo valiny izay hitany tao amin’ny soratra masina.

  • Ampio ireo ankizy hahita ireo teny ao amin’ny andininy 12 izay mamariparitra ny fiantraikan’ny famakiana ny Jakoba 1:5 teo amin’i Joseph Smith. Avy eo ianao dia afaka mizara traikefa izay nisy andalan-tsoratra masina nanana fiantraikany lehibe teo aminao. Afaka miara-manao hira iray momba ny famakiana soratra masina toy ny hoe “Mandalina, misaintsaina ary mivavaka” ianareo (Bokin-kiran’ny ankizy, 66). Inona no ampianarin’ilay hira mikasika ny antony hamakiantsika ny soratra masina?

Joseph Smith—Tantara 1:10–17

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra dia mety afaka mifanakalo fanontaniana ianao sy ny ankizy amin’ny alalan’ny fomba fifandraisana isan-karazany, toy ny hafatra an-tsoratra, antso an-tariby, na taratasy nosoratan-tanana. Ahoana no ametrahantsika fanontaniana amin’ny Ray any An-danitra? Ahoana no hanehoantsika Azy fa tia sy manome voninahitra Azy isika amin’ny vavaka ataontsika? Iaraho mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:16–19 ary resaho ny fomba namalian’ny Ray any an-danitra ny vavak’i Joseph Smith. Avy eo ianao sy ny ankizy dia afaka mizara traikefa rehefa nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra ianao ary nahazo valiny.

Joseph Smith—Tantara 1:17–19

Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith.

  • Mety ho tian’ny ankizy ny mijoro miaraka amin’ny sandriny mivelatra sy mody manao hoe hazo ao amin’ny Ala kely masina rehefa miresaka amin’izy ireo momba ny Fahitana Voalohany ianao. Asaivo mihozongozona toy ny hoe tsofin’ny rivotra ny ankizy rehefa miresaka momba an’i Joseph mivavaka ianao. Dia angataho izy ireo mba hijoro tsara sy hangina rehefa milaza amin’izy ireo fa niseho tamin’i Joseph ny Ray any an-danitra sy i Jesoa.

  • Mety ho tian’ny ankizy lehibe kokoa ny mampiasa sary iray na maromaro ato amin’ity rindran-damina ity mba hilazana aminao ny zavatra fantany momba ny Fahitana Voalohany. Amporisiho izy ireo hijery ny Joseph Smith—Tantara 1:14–17 ary hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny zavatra niainan’i Joseph (jereo ihany koa ny “Toko 2: ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 9–12).

    3:23

    Joseph Smith's First Vision: An answer to a humble prayer

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

hosodoko ahitana ny fahitana voalohany

Truth Restored [Fahamarinana naverina tamin’ny laoniny], nataon’i Del Parson

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy