“6–12 janoary: -Mihainoa ianareo ry olon[a]-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
6–12 janoary: “Mihainoa ianareo ry olon[a]”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1
Vao iray taona sy tapany monja ny Fiangonana tafaverina tamin’ny laoniny tamin’ny nôvambra 1831. Na dia teo an-dalam-piroboroboana aza izy io, dia mbola vondrona mpino tsy dia be mpahalala izay nipetraka tany amin’ny tanàna kely, tarihina mpaminany teo ho eo amin’ny faha roapolo taonany teo. Saingy tamin’ Andriamanitra ireo mpino dia mpanompony sy irany ary tiany hambara amin’izao tontolo izao ireo fanambarana nomeny azy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 1 no sasin-tenin’ny Tompo, na teny fampidirana, ho an’ireo fanambarana ireo. Mampiseho mazava tsara izany fa na dia vitsy aza ny mpikamban’ny Fiangonana, dia tsy azo atao tsinotsinona ny hafatra tian’Andriamanitra hozarain’ny Olomasinany. Izany dia “feo fampitandremana” ho an’ny “mponin’ny tany” rehetra, izay mampianatra azy ireo hibebaka sy hampiorina ny “fanekempihavana[n’ Andriamanitra] maharitra mandrakizay” (andininy 4, 8, 22). Ireo mpanompo mitondra an’io hafatra io dia “ny malemy sy ny tsotra.” Saingy ireo mpanompo manetry tena no tena antsoin’Andriamanitra—tamin’izany sy ankehitriny—mba hamoaka ny Fiangonany “avy ao amin’ ny haizina sy avy ao amin’ ny haizim-pito” (andininy 23, 30).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1
“Mihainoa ianareo ry olon[a].”
Mampahafantatra ny boky iray ny sasin-teny. Izany dia mamaritra ireo lohahevitra sy tanjon’ilay boky ary manampy ny mpamaky hiomana hamaky. Rehefa mamaky ny fizarana 1, izay “sasin-teni[n’y Tompo]” ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, (andininy 6) ianao, dia tadiavo ireo lohahevitra sy ireo tanjona nomen’ny Tompo ho an’ireo fanambarany. Inona no ianaranao ka hanampy anao amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity? Ohatra hoe azonao saintsainina ny dikan’ny hoe “handre ny feon’ny Tompo” ao amin’ireo fanambarana ireo (andininy 14) na ilay hoe “[handinika] ireto didy ireto” (andininy 37).
Jereo ihany koa ny teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–6, 23–24, 37–39
Miteny amin’ny alalan’ny mpanompony ny Tompo, anisan’izany ireo mpaminanin’ny andro farany.
NyFizarana 1 dia manomboka sy mifarana amin’ny fanambaran’ ny Tompo fa Izy dia miteny amin’ny alalan’ireo mpanompo voafidiny (jereo ny andininy 4–6, 23–24, 38). Soraty ny zavatra nianaranao avy amin’ity fanambarana ity momba ny:
-
Ny Tompo sy ny feony.
-
Nahoana no ilaina ny mpaminany amin’izao androntsika izao.
Inona no tsapanao fa tokony hataonao vokatry ny zavatra hitanao?
Oviana ianao no nandre ny feon’ny Tompo tao amin’ny feon’ireo mpanompony? (jereo ny andininy 38).
Azonao alaina sary an-tsaina ihany koa fa misy namana iray izay tsy mahafantatra mikasika ireo mpaminany velona izay mamaky ny andininy 1 miaraka aminao. Inona no fanontaniana mety hananan’ny namanao? Inona avy ireo andininy tianao horesahina amin’ny namanao mba hanampiana azy hahatakatra ny fahatsapanao momba ny fananana mpaminany amin’izao androntsika izao?
Mety hahaliana anao ny mahafantatra fa rehefa nivory ny filankevitry ny loholona tamin’ny 1831 mba hiresaka momba ny famoahana ireo fanambaran’i Joseph Smith, dia nisy olona sasany nanohitra izany hevitra izany. Nahamenatra azy ireo ny tsy fahaizan’i Joseph nanoratra, ary natahotra izy ireo sao dia hiteraka olana bebe kokoa ho an’ny Olomasina ny famoahana ireo fanambarana (jereo ny Olomasina, 1:140–43). Raha toa ianao ka mpikambana tao amin’io filankevitra io dia ahoana no fomba hiatrehanao ireo olana ireo? Inona no hevi-baovao hitanao ao amin’ny fizarana 1 izay mety hanampy? (jereo ny ohatra andininy 6, 24, 38).
Hevero ny hampiditra fihirana toy ny “Viens écouter la voix de Dieu” (Cantiques, no.12) ao amin’ny fitsaohanao. Tadiavo ireo andian-teny izay mampianatra ny fitsipika mitovy amin’ny ao amin’ny fizarana 1.
Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny mpanompony, ny mpaminany, ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–30, 34–36
Manampy ahy hiatrika ireo olana amin’ny andro farany ny famerenana amin’ny laoniny.
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 1, dia manazava ny antony namerenany ny filazantsarany tamin’ny laoniny ny Tompo. Jereo hoe firy ny antony azonao tanisaina rehefa mamaky ny andininy 12–23 ianao. Araka ny traikefanao, toy ny ahoana no fahatanterahan’ny tanjon’ny Tompo momba ny Famerenana amin’ny laoniny?
Fantatry ny Tompo fa hisedra olana lehibe ny androntsika (jereo ny andininy 17). Inona no hitanao ao amin’ny andininy 17–30, 34–36 izay manampy anao hahatsapa fiadanana sy fahatokiana na dia eo aza ireo olana ireo?
Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 73–76.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:19–28
Mampiasa “ny malemy sy ny tsotra” ny Tompo mba hanatanterahana ny asany.
Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:19–28 ianao dia mety hisaintsaina ny dikan’ny hoe mpanompon’ny Tompo. Inona no toetra tian’ny Tompo hananan’ny mpanompony? Inona no ataon’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpanompony? Toy ny ahoana no fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ireo andininy ireo manerana an’izao tontolo izao sy eo amin’ny fiainanao?
Ambaran’ny malemy sy ny tsotra
Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Ny tanjon’ny soratra masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Hevero ny hanisy marika na soratra fanamarihana amin’ireo andininy izay mampianatra zavatra momba an’i Jesoa Kristy eo am-pamakinao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4, 37–39
Mampitandrina antsika amin’ny loza ara-panahy ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
-
Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fampitandremana avy amin’ny Tompo dia azonao atao ny miresaka momba ny fampitandremana azontsika avy amin’ny olona hafa momba ny loza izay tsy hitantsika. Mety ho ohatra amin’izany ny tany malama, ny tafio-drivotra na ny fiara manatona. Angamba ianao sy ny ankizy dia afaka mijery ohatra momba ny famantarana fampitandremana ary mampitaha ireo fampitandremana ireo amin’ny fampitandremana omen’ny Tompo antsika. Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4, 37–39, ohatra ny ahoana no hampitandreman’ny Tompo antsika? Inona no zavatra nampitandremany anao vao haingana? Azonareo atao ny mijery na mamaky ampahany amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana ka mitady ohatra amin’ny “feon’ny fampitandremana” avy amin’ Andriamanitra.
-
Iaraho manao ny hira iray mikasika ireo mpaminany, toy ny andininy farany amin’ilay “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 58). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny hoe milaza ny tenin’ Andriamanitra ny mpaminany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17
Manampy ahy hiatrika ireo olana amin’ny andro farany ny famerenana amin’ny laoniny.
-
Mba hamporisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, dia azonao sy ny ankizy atao ny maka sary an-tsaina hoe miomana hanao dia iray ianareo. Inona no ho entinareo ao anaty entanareo? Raha fantatrareo mialoha fa ho avy ny orana, na ho vaky kodiarana ny fiaranareo na fiara fitateram-bahoaka, inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fomba fiomananareo amin’ilay dia? Iaraho mamaky ny andininy 17, ary resaho ny zavatra fantatry ny Tompo fa hitranga amintsika. Ahoana no nanomanany izany? (Raha ilaina dia hazavao fa ny “antambo” dia midika hoe loza na zavatra mahatsiravina.) Ahoana no fomba ahafahan’ireo didin’ Andriamanitra manampy antsika amin’ny fiatrehana ireo olana misy amin’izao vanin’androntsika izao?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 29
Niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany ny Tompo.
-
Mba hianarana momba ny anjara asan’i Joseph Smith amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Mpamonjy dia afaka mijery ny sarin’ny Mpamonjy sy ny sarin’i Joseph Smith ianao sy ny ankizy (jereo ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity) ary miresaka momba ny zavatra nomen’ny Mpamonjy antsika tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Afaka mitady ohatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 29 ny ankizy. Lazao amin’ny ankizy ny fomba ahafantaranao fa Andriamanitra dia “niantso an’i Joseph Smith zanany mpanompony sy niteny taminy avy any an-danitra” (andininy 17).
© 1998 David Lindsley
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “fiangonan[’ny Tompo] marina sy velona.”
-
Inona no dikan’ny filazana fa “marina sy velona” ny Fiangonana? Mba hahatonga ny ankizy hieritreritra an’io fanontaniana io, dia azonao atao ny mampiseho azy ireo zava-manan’aina sy tsy mananaina—toy ny zavamaniry velona sy zavamaniry maty. Ahoana no ahafantarantsika fa velona ny zavatra iray? Avy eo ianao dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 ary miresaka momba ny mety ho dikan’ny hoe “marina sy velona” ny Fiangonana.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.