Doctrine and Covenants 2025
30 Desambra–5 Janoary: “Mandroso ny famerenana amin’ny laoniny nampanantenaina”: Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy


“30 Desambra –5 Janoary: -Mandroso ny famerenana amin’ny laoniny nampanantenaina-: Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

miposaka eny an-danitra ny masoandro

30 Desambra –5 Janoary: “Mandroso ny famerenana amin’ny laoniny”

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ahoana no hahatsiarovanao ny faha-200 taonan’ny hetsika iray nanova izao tontolo izao? Izany no fanontaniana nosaintsainin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa nanakaiky ny Aprily 2020, izay nanamarika ny 200 taona taorian’ny Fahitana Voalohany niainan’i Joseph Smith. “Nanontany tena izahay raha toa ka tokony hisy tsangambato iray hafa hatsangana,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson nahatsiaro. “Saingy rehefa nodinihanay ny fiantraikan’izany Fahitana Voalohany izany manokana ara-tantara sy maneran-tany, dia nentanim-panahy izahay hamorona tsangambato tsy vita amin’ny granita na vato fa amin’ny teny … , tsy hosokirina eo amin’ny -vato fisaka- fa hosokirina kosa eo amin’ny -vato fisaka nofon’ny- fontsika [2 Korintiana 3:3]” (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 90).

Ny tsangambaton’ny teny noforonin’izy ireo dia mitondra ny lohateny hoe “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” Tsangambato tsy ho an’ny Fahitana Voalohany ihany izany fa ho an’ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa Kristy ihany koa—ary mbola ataony izany hatramin’izao. Nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany, rehefa nitodika tany amin’Andriamanitra ny olona iray ka nandre Azy. Mitohy amin’ny fomba toy izany ihany: fo iray, traikefa masina iray amin’ny fotoana iray - anisan’izany ny anao.

kisary fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

“Andriamanitra dia tia ny zanany any amin’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao.”

Araka ny hevitrao, nahoana ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny no manomboka amin’ny fanambarana momba ny fitiavan’ Andriamanitra? Rehefa mandalina ilay fanambarana ianao dia tadiavo ireo fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ny “Zanany any amin’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao.” Ahoana no nanampian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara anao hahatsapa ny fitiavany?

Jereo ihany koa ny Gerrit W. Gong, “Ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 38–41.

Nanomboka tamin’ny valin’ny fanontaniana iray ny Famerenana amin’ny laoniny.

Azo lazaina fa nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany tamin’ny alalan’ny famaliana fanontaniana iray ny Mpamonjy. Inona no hafatra tsapanao fa ananan’ny Fanambarana momba ny famerenana amin’ny laoniny ho an’ny olona iray izay manana fanontaniana momba an’Andriamanitra, na ny filazantsara, na “famonjena ny fanahiny”? Azonao atao ihany koa ny mandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:5–20 mba hahitana ny zavatra azonao ianarana avy amin’i Joseph Smith mikasika ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniana momba ny filazantsara.

Jereo ihany koa ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Mitady valinteny,” Médiathèque de l’Évangile.

hosodoko maneho an’i Joseph Smith mijery ao anaty ala kely iray

Ampahan-tsaryy avy amin’ny The Desires of My Heart [Ireo fanirian’ny foko], nataon’i Walter Rane

sary famantarana ny seminera
Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany.

Inona no fantatrao momba ny “Fiangonan’i Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao,” izay naverin’ny Mpamonjy tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith? Diniho ireto soratra masina ireto ary tanisao ireo endri-javatra sasany ao amin’ny Fiangonany:

  • Matio 16:15–19

  • Marka 16:15–18

  • Lioka 6:12–13

  • Asan’ny Apostoly 4:34–35

  • 1 Korintiana 15:29

  • Efesiana 4:11–15

Manaraka izany dia azonao atao ny mampifanaraka ny soratra masina etsy ambony amin’ireo etsy ambany, izay mamaritra ny fomba namerenan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ireo endri-javatra tao amin’ny Fiangonany tamin’ny alalan’i Joseph Smith:

Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Indray mandeha ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny vadiny dia nanandrana naka sary an-tsaina ny mety ho tsapan’izy ireo talohan’ny namerenana ny Fiangonana tamin’ny laoniny. “Inona no rarintsika ho nananantsika?” hoy izy ireo nanontany tena. Vakio ny zavatra niainan’izy ireo ao amin’ny, “Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra” (Liahona, mey 2020, 81–82). Ahoana no nanampian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fanatanterahana ny fanantenanao ara-panahy?

Jereo koa ny Lohahevitra sy ny fanontaniana, “Ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara,” Médiathèque de l’Évangile.

“Mandroso ilay famerenana amin’ny laoniny nampanantenaina.”

Efa nieritreritra ny tenanao ho isan’ny mpandray anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ve ianao? Diniho ireto teny avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ireto: “Indraindray isika dia mihevitra ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ho toy ny zavatra feno, izay efa any aorinantsika. … Raha ny marina, ny Famerenana amin’ny laoniny dia dingana mitohy; miaina ao anatin’izany isika izao” (“Sondrian-tory ve ianareo mandritra ny famerenana amin’ny laoniny?,” Liahona, mey 2014, 59).

Rehefa miomana ny handalina ny fomba namerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny tamin’ny taona 1800 ianao dia azonao atomboka amin’ny fisaintsainana ny fomba namerenana izany tamin’ny laoniny teo amin’ny fiainanao izany. Vakio ny Fanambarana momba ny famerenana amin’ny laoniny miaraka amin’ny fanontaniana toy ireto ao an-tsaina: Ahoana no nahafantarako fa marina izany? Ahoana no ahafahako mandray anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ankehitriny?

“Misokatra ny lanitra.”

Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “Misokatra ny lanitra”? Inona no porofo hitanao—ao amin’ny Fanambarana momba ny famerenana amin’ny laoniny, ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, ao amin’ny soratra masina ary eo amin’ny fiainanao—fa tena misokatra tokoa ny lanitra?

Azonao ampidirina ao amin’ny fandalinanao ihany koa ny “Le jour parait chassant, la nuit” (Cantiques, no. 1) Inona no hitanao ao anatin’io fihirana io fa mampitombo ny fahatakaranao ilay andian-teny hoe: “misokatra ny lanitra”?

Jereo ihany koa ny Quentin L. Cook, “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika,” Liahona, mey 2020, 96–100.

Miaraha mianatra. Nanasa antsika ny Filoha Nelson mba “handalina [ny fanambarana ny Famerenana amin’ny laoniny] manokana sy miaraka amin’ireo olona ao amin’ny fianakavian[tsika] sy ireo namantsika” (“Henoy Izy,” 92). Diniho ny fomba mety hampidiranao ny hafa amin’ny fianaranao.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

“Izahay dia manambara amin’ny fomba manetriketrika.”

  • Rehefa mamaky ny ampahany amin’ny Fanambarana momba ny famerenana amin’ny laoniny miaraka amin’ny ankizy ianao (na mijery ny horonan-tsarin’ny Filoha Nelson mamaky izany), dia ampio izy ireo hitady fehezan-teny izay manomboka amin’ny andian-teny toy ny hoe “manambara izahay,” “milaza izahay,” na “mijoro ho vavolombelona izahay.” Inona avy ireo fahamarinana ambaran’ireo mpaminanintsika sy apôstôlintsika? Azonao sy ny ankizy atao angamba ny mizara ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo.

    6:0

    The Restoration of the Fulness of the Gospel of Jesus Christ

“Nanana fanontaniana … i Joseph Smith.”

  • Mety hahaliana ny ankizy ny hamantatra ny sasany amin’ireo fanontaniana nananan’i Joseph Smith izay nitarika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Ampio izy ireo hahita ohatra vitsivitsy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:10, 29, 68. Inona no fitahiana azontsika amin’izao fotoana izao satria namaly ny fanontanian’i Joseph Smith Andriamanitra?

  • Azonao atao koa ny manome fahafahana ny ankizy hiresaka momba ny fanontaniana ananany. Inona no ianarantsika avy amin’i Joseph Smith mikasika ny fomba hahitana valinteny? (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–17).

“Nisy iraka avy any an-danitra tonga mba hanome toromarika an’i Joseph.”

  • Iza ireo “iraka avy any an-danitra [izay] tonga mba hanome toromarika an’i Joseph”? Mety ho tian’ny ankizy ny mitady ny sarin’izy ireo ao amin’ny Gospel Art Book (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara) (jereo ny lah. 91, 93, 94, 95). Ahoana no nanampian’ny tsirairay tamin’ireo iraka ireo “hanorina indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy”? Ireo soratra masina atolotra ao amin’ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity dia afaka manampy ny ankizy hamaly io fanontaniana io.

The Prophet Joseph Smith sitting on his bed in the Smith farm house. Joseph has a patchwork quilt over his knees. He is looking up at the angel Moroni who has appeared before him. Moroni is depicted wearing a white robe. The painting depicts the event wherein the angel Moroni appeared to the Prophet Joseph Smith three times in the Prophet's bedroom during the night of September 21, 1823 to inform him of the existence and location of the gold plates, and to instruct him as to his responsibility concerning the plates.

Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe haverina amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy? Angamba afaka manangana tilikambo tsotra misy biriky na kaopy izy ireo ary “mamerina amin’ny laoniny,” na manorina indray, izany. Na koa, raha toa ka voatery nanolo zavatra ny ankizy noho ny fahaverezana na simba, dia azonao ampitahaina amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany izany zavatra niainany izany. Ampio izy ireo hahita zavatra manokana voalaza ao amin’ny Fanambarana momba ny famerenana amin’ny laoniny izay naverin’ny Mpamonjy tamin’ny laoniny.

Ray sy zanaka milalao bolongan-kazo kely hanorenan-javatra

“Misokatra ny lanitra.”

  • Mba hanehoana ny dikan’ilay andian-teny hoe “misokatra ny lanitra” dia angamba azonao atao ny mizara hafatra amin’ny ankizy, voalohany ao ambadiky ny varavarana mihidy ary avy eo amin’ny varavarana misokatra. Avelao hifandimby hizara hafatra koa izy ireo. Inona no hafatra omen’i Jesoa Kristy ho antsika? Inona no traikefa nanampy antsika hahafantatra fa misokatra ho antsika ny lanitra?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.