Doctrine and Covenants 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fianakavian’i Joseph Smith


“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fianakavian’i Joseph Smith,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fianakavian’i Joseph Smith,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

feon’ny Famerenana amin’ny laoniny

Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny

Fianakavian’i Joseph Smith

Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny tsirairay avy amintsika ny fiainam-pianakaviantsika ary tsy misy hafa amin’izany i Joseph Smith. Nametraka voam-pinoana izay nahatanteraka ny famerenana amin’ny laoniny ny fironana ara-pivavahana nananan’ireo ray aman-dreniny. Voarakitra tao amin’ny diarin’i Joseph ity fanomezam-boninahitra ity: “Tsy misy voambolana na teny ampy hilazana ny fankasitrahana izay tokony omeko an’ Andriamanitra noho ny fanomezana ahy ray aman-dreny tsongoinolombolo toa azy ireo.”

Ireto teny manaraka nolazain’i Lucy Mack Smith reniny sy avy amin’i William Smith rahalahiny, ary avy amin’ny Mpaminany izy tenany mihitsy ireto dia manome antsika ampahana fahatakarana ny amin’ny hery mitaona nateraky ny fivavahana tao an-tokantranon’ny fianakaviana Smith.

sarin’ny fianakavian’i Joseph Smith rainy.

Joseph Smith Family [Ny fianakavian’i Joseph Smith], nataon’i Dan Baxter

Lucy Mack Smith

A painting depicting Lucy Mack Smith, mother of Joseph Smith.

“[Tokotokony ho tamin’ny taona 1802] dia narary aho. … Hoy aho anakam-po hoe tsy vonona ny ho faty aho satria tsy fantatro akory ny lalan’i Kristy ary ho ahy dia toa misy hantsana maizina sy manirery manelanelana ahy sy i Kristy ka tsy sahiko akory ny hanandrana miampita. …

“Nibanjina ny Tompo aho ary niangavy sy nitalaho tamin’ny Tompo hoe avelao aho mbola ho velona mba hahafahako manabe ireo zanako sy mampionona ny fon’ny vadiko. Ary dia tao anatin’izany no nandriako nandritra ny alina manontolo. … Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra aho [fa] raha avelany ho velona aho dia hanao izay tratry ny heriko aho hahitana ilay antokom-pivavahana izay ahafahako manompo azy araka ny tokony ho izy, na ao amin’ny Baiboly izany na aiza na aiza mety hahitana izany, eny na dia avy any an-danitra aza no hahazoana izany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny finoana. Nony farany dia nisy feo niteny tamiko nanao hoe: -Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo. Aoka ny fonao hahery. Minoa an’ Andriamanitra ianao; minoa ahy ihany koa.- …

“Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nahazo hery tsy tapaka aho. Tsy niresaka betsaka firy momba ny fivavahana aho saingy nieritreritra tsy tapaka momba ny fivavahana kosa aho ary hoy aho hoe hilomay aho vantany vao afaka mitady olona mpivavaka be izay mahafantatra ny lalan’ Andriamanitra mba hanoro ahy ny amin’ireo zavatr’ Andriamanitra.”

William Smith

Portrait of William Smith in latter years of his life.

“Ny reniko, izay vehivavy mpivavaka be sy liana tamin’ny mahasoa ireo zanany mandritra ity fiainana an-tany ity sy ny fiainana aorian’izao fiainana izao, dia nampiasa izay mety fomba rehetra tratry ny fitiavan-dreny ananany mba hanampiana anay hilofo amin’ny fiasana ho an’ny fanavotana ny fanahinay, na (araka ny fomba filazana izany tamin’izany fotoana izany) hoe -lasa mpivavaka.- Namporisihana izahay hanatrika fivoriana ary saika ny fianakaviana iray manontolo no lasa liana tamin’ny fivavahana sy lasa mpikatsaka fahamarinana.”

“Araka ny fahatsiarovako azy dia nanao vavaka ataon’ny mpianakavy lalandava izahay. Tsaroako tsara hoe nataon’ny raiko tao am-paosin’ny palitaony mandrakariva ny solomasony, … ka rehefa hitanay zanakalahiny izy mitsapatsapa ny solomasony dia fantatray fa fampahafantarana izany mba hiomana hivavaka ary raha tsy tsikaritray izany dia hoy ny reninay hoe: -William,- na izay mety ho tsy mandraharaha, -miomàna fa hivavaka.- Aorian’ny vavaka dia misy hira iray hirainay.”

boky soratra masina misokatra

Nampianarin’i Joseph rainy sy i Lucy Smith handalina soratra masina ny fianakavian’izy ireo.

Joseph Smith

One drawing in pencil, charcoal and ink on paper.  A left profile, head/shoulders portrait of Joseph Smith; drawn basically in charcoal, highlighted with white paint and black ink.  titled at bottom "Jospeh Smith the Prophet."  Signed at left shoulder "Drawn from the most authentic sources by Dan Weggeland"  A drawn border surrounds it.  No date apparent.

“Lazaiko ankehitriny fa teo amin’ny fiainany sy araka ny fahalalako azy, [ny raiko] dia tsy mba nanao zavatra tamin-karatsian-toetra izay mety hoheverina ho tsy am-pitiavana. Tiako ny raiko ary ny fahatsiarovana azy sy ny fahatsiarovana ireo asa mendri-piderana nataony dia nisy fiantraikana mahery vaika tamin’ny saiko, ary maro tamin’ireo teny feno hatsaram-panahiny sy ny tenin-dray nataony tamiko no voasoratra eo amin’ny vato fisaky ny foko. Masina tamiko ireo fahatsiarovana izay lalaiko momba ny tantaram-piainany ary tao an-tsaiko sy niraikitra tao tamin’ny alalan’ny fandinihako manokana hatramin’ny nahaterahako. … Isan’ny olona mendrika sy tsara indrindra raha samy vehivavy ihany koa ny reniko.”