“3–9 martsa, -Mianara Amiko,- Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny Gethsemane’s Path [Ny lalan’i Getsemane], nataon’i Steve McGinty
3–9 martsa: “Mianara Amiko”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19
Nandany taona maro i Martin sy Lucy Harris vao nahazo ny iray amin’ireo toeram-pambolena tsara indrindra tao Palmyra, New York. Saingy tamin’ny taona 1829 dia nazava fa ny bokin’i Môrmôna dia tsy ho navoaka raha tsy nataon’i Martin antoka ny toeram-pamboleny mba handoavana ny saran’ny fanontana. Nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna i Martin, saingy tsy nanana izany i Lucy. Raha niroso tamin’ny fanaovana antoka i Martin ka tsy ho lafo ny Bokin’i Môrmôna dia ho very ny toeram-pamboleny, hanimba ny fanambadiany ary hanimba ny lazany eo amin’ny fiaraha-monina izany. Na dia tsy mitovy amin’ny an’i Martin aza ny toe-javatra iainantsika, dia miatrika fanontaniana sarotra toa an’ireo izay natrehiny avokoa isika rehetra indraindray: Inona no lanjan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho ahy? Vonona hamoy inona aho mba hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra? Nanapa-kevitra i Martin Harris tamin’ny farany fa hanao antoka ny toeram-piompiany izy mba hahafahana manao printy ireo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna miisa 5.000 voalohany. Saingy na dia io fahafoizan-tena io aza—sy ny fahafoizan-tena rehetra azontsika atao—dia kely raha oharina amin’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, “Ilay lehibe indrindra amin’ny rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18), izay nandeha ra tamin’ny mason-koditra rehetra mba hamonjena izay mibebaka.
Raha mila fanazavana fanampiny momba ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna, dia jereo ny Olomasina, 1:76–84.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–12
“Izaho, Andriamanitra, dia tsisy fiafarana.”
Nanazava i Joseph Smith fa ny fanambarana ao amin’ny fizarana 19 dia “did[y] … ho an’i Martin Harris, nomen’ilay Izy izay Mandrakizay.” (sasin-tenin’ny fizarana). Mitadiava toerana ao amin’ny andininy 1–12 izay hanamafisan’ny Tompo ny toetrany mandrakizay. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe tamin’i Martin Harris ny nahafantatra izany momba ny Tompo? Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra izany?
Araka ny eritreritrao nahoana i Jesoa Kristy no antsoina hoe “ny fiandohana sy ny fiafarana”? (andininy 1).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20
Nijaly i Jesoa Kristy mba hahafahako mibebaka sy manatona Azy.
Ny Testamenta Vaovao dia mamaritra ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane araka ny fijerin’ireo izay nandinika izany. I Jesoa Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20 dia nilaza momba ny fijaliany araka ny teniny manokana. Rehefa mamaky ity tantara masina manokana ity ianao dia tadiavo ny fomba namariparitan’ny Mpamonjy ny fijaliany. Diniho izay ampianarin’ny teny na andian-teny tsirairay anao. Nahoana ny Mpamonjy no vonona ny hijaly? Afaka mahita bebe kokoa ianao ao amin’ny Jaona 15:13; Môzià 3: 7; Almà 7:11-12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13.
Ny fahatsapana anananao rehefa mandalina ny fijalian’ny Mpamonjy ianao dia mety hiteraka fanontaniana toy izao: Nahoana ny Mpamonjy no tsy maintsy nijaly noho ny fahotako? Nahoana aho no mila mibebaka mba hahazoana ireo fitahiana feno avy amin’ny sorona nataony? Azonao atao ny mahita hevi-baovao momba ireo fanontaniana ireo sy ny hafa ao amin’ny hafatry ny Loholona Ulisses Soares “I Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika” (Liahona, mey 2021, 82–84). Rehefa mandalina ianao dia inona no fahatsapana tonga ao an-tsainao? Raketo an-tsoratra ireo fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony ho anao.
Ao anatin’ny fandalinanao sy ny fitsaohanao dia azonao atao ny mikaroka hira iray izay azonao henoina na hirainao, izay maneho ny fankasitrahanao ny Mpamonjy noho ny fijaliany ho anao. Ny “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 44) dia ohatra iray tena tsara.
Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hataonao vokatry ny zavatra tsapanao sy nohalalininao?
Jereo koa ny “Hanampy anao Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 6–9; Lohahevitra sy fanontaniana, “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” “Ny fibebahana,” Médiathèque de l’évangile; D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38–41.
The Savior Suffers in Gethsemane
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23
Tonga avy amin’ny fianarana avy amin’i Jesoa Kristy ary ny fanarahana Azy ny fiadanana.
Diniho ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Mianara Amiko.” Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19? Raketo an-tsoratra ny eritreritrao ary diniho ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy manampy anao hahita fiadanana. Inona no dikan’ny hoe “mandeha amin’ny fahalemem-panahi[ny]”?
Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Mikatsaka fiadanana an’ny tena manokana,” Liahona, mey 2023, 29–31.
Peace in Christ
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26–41
Lehibe noho ireo harena eto ambonin’ny tany ireo fitahian’ Andriamanitra.
Tsy dia lafo loatra ny Bokin’i Môrmôna tany Palmyra. Vokatr’izany dia voatery nivarotra ampahany betsaka tamin’ny toeram-pamboleny i Martin Harris mba handoavana ny saran’ny fanontana (jereo ny “The Contributions of Martin Harris,” ao amin’ny Revelations in Context, 7–8). Saintsaino ny sorona nataon’i Martin—sy ireo fitahiana azonao noho izany—rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26–41 ianao. Azonao atao koa ny mieritreritra ny zavatra nangatahin’ny Tompo mba hafoinao. Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay manentana anao hanao ireo fahafoizan-tena amin’ny fifaliana sy hanandratra ny fonao noho ny hafaliana? (jereo koa ny andininy 15-20).
Ampahan-tsary avy amin’ny Martin Harris Farm [Toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris], nataon’i Al Rounds
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19
Nijaly noho ny amiko i Jesoa Kristy.
-
Afaka manampy ny ankizy hahatsapa fanajana sy fankasitrahana ny Mpamonjy ianao amin’ny alalan’ny famakiana miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 na ny“Toko 51: I Jesoa nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 129–32. Hevero ny hiato kely mba hahazoana antoka fa mahatakatra ny ankizy, ary avelao izy ireo hilaza ny fihetseham-pony. Ohatra, ao amin’ny andininy 16, inona avy “ireo zavatra” izay niaretan’i Jesoa ho antsika? (jereo ny Môzià 3:7; Almà 7:11–12). Inona no ianarantsika avy amin’ny famariparitany ny fijaliany? Ahoana no anehoantsika fankasitrahana tamin’ny zavatra nataony ho antsika?
Chapter 51: Jesus Suffers in the Garden of Gethsemane
Ampio ny ankizy hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina. Ny ankizy sasany dia manana olana amin’ny famakiana soratra masina. Ny fifantohana amina andininy tokana na andian-teny iray ihany dia mety hanampy azy ireo.
-
Ianao sy ny ankizy dia afaka mijery hira ao amin’ny Fihirana na ny Bokin-kiran’ny ankizy izay manampy azy ireo haneho ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny fanoroam-pejy araka ny lohahevitra ao amin’ireo boky ireo).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19, 24
Nankatò ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy, na dia tamin’ny fotoana naha-sarotra izany aza.
-
Ny fijaliana noho ny fahotantsika dia tena sarotra, saingy i Jesoa Kristy dia vonona ny hanao izany mba hankato ny Rainy sy hanehoana ny fitiavany Azy sy ho antsika. Afaka miara-mijery ny sarin’i Jesoa Kristy nijaly tao Getsemane ianareo (tahaka ireo ao amin’ity lesona ity) ary angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny zavatra fantany momba ny zava-mitranga eo amin’ilay sary. Azonareo atao ny miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19, 24 mba hanamafisana fa ny fijaliana noho ny fahotantsika no zavatra sarotra indrindra nataona olona na iza izany na iza, saingy noho ny fitiavan’i Jesoa ny Rainy sy isika dia nankatò ny sitrapon’Andriamanitra Izy (jereo koa ny Môzià 3:7). Inona no zavatra sarotra asain’Andriamanitra ataontsika? Ahoana no ahafahantsika mahita herim-po hankatoavana Azy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23
“Mianara Amiko ary henoy ny teniko.”
-
Azonao atao ny manampy ny ankizy hieritreritra fihetsika tsotra izay mifandray amin’ireo andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23. Vakio im-betsaka ilay andininy eo am-panatanterahana ireo fihetsika. Inona avy ireo fomba ahafahantsika mianatra momba an’i Kristy sy mihaino ny teniny?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38
Lehibe noho ireo harena eto ambonin’ny tany ireo fitahian’ Andriamanitra.
-
Afaka mifandimby mihazona Bokin’i Môrmôna ianao sy ny ankizy ary mizara ny zavatra tianao momba izany. Resaho mandritra ny fotoana fohy ny fahafoizana nataon’i Martin Harris nahafahana namoaka printy ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 33). Inona no nolazain’ny Tompo tamin’i Martin ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38 ka mety nanampy azy mba ho mahatoky sy mpankatò? Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azony afoy mba hankatoavana an’ Andriamanitra na hanampiana amin’ny asany.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.