Doctrine and Covenants 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Emma Hale Smith


“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Emma Hale Smith,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Emma Hale Smith,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

sary famantarana ny feon’ny Famerenana amin’ny laoniny

Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny

Emma Hale Smith

Emma Smith (Emma Hale Smith)

Ny tenin’ny Tompo ho an’i Emma Smith voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 dia maneho ny zavatra tsapan’ny Tompo momba azy sy ny anjara biriky azony entina eo amin’ny asany. Kanefa olona manao ahoana i Emma? Inona no fantatsika momba ny toetrany, ny fifandraisany aman’olona, ny tanjany? Ny fomba iray hahafantarana an’io “vehivavy nofinidy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3) io dia ny mamaky ny tenin’ny olona izay nahafantatra azy manokana.

Joseph Smith Zanany, vadiny

One drawing in pencil, charcoal and ink on paper.  A left profile, head/shoulders portrait of Joseph Smith; drawn basically in charcoal, highlighted with white paint and black ink.  titled at bottom "Jospeh Smith the Prophet."  Signed at left shoulder "Drawn from the most authentic sources by Dan Weggeland"  A drawn border surrounds it.  No date apparent.

“Faly loatra aho ka tsy haiko akory ny hilaza izany, ary tsapako ho heniky ny hafaliana aho tamin’io alina io, raha noraisiko tamin’ny tanany, i Emma malalako— izy izay vadiko, eny dia ny vadiko tao amin’ny fahatanorako, ary safidin’ny foko. Zavatra maro no nandalo ao an-tsaiko rehefa mandinika mandritra ny fotoana fohy ireo fitrangan-javatra maro izay tsy maintsy nolalovanay aho. Ny havizanana sy ny asa mafy, ny alahelo sy ny fangirifiriana, ary ny hafaliana sy ny fiononana tsindraindray, izay nitranga nandritra ny fiainanay sy nitahy ny fiainanay. Oh! Endrey ny fifangaroan’ny eritreritra tao an-tsaiko nandritra izany fotoana izany. Fa mbola eto ihany izy, eny fa na dia efa maro be aza ireo zava-tsarotra nolalovanay, dia tsy kivy, mafy orina, tsy mihozongozona, tsy miova, ary be fitiavana i Emma.”

Lucy Mack Smith, rafozambaviny

“Fony izy tanora, ary, noho ny toetra voajanahary tao aminy izay tia manatontosa zavatra na toa inona fahasarotana, dia nazoto tanteraka tamin’ny asan’ny Tompo izy, ary nanolo-tena tanteraka ho an’ny fiangonana sy ny foto-kevitry ny fahamarinana izy. Na inona na inona nataony dia nataony tamin’ny heriny izany ary izy dia tsy mba nanana eritreritra feno fitiavan-tena toy ny hoe: -Tsy mba tokony hahazo tombony mihoatra noho ny hafa ve aho?- Raha nirahina hitory ireo loholona, dia izy no voalohany nanolo-tena hanolo-tanana mba hanampy amin’ny fanafiana azy ireo ho an’ny dian’izy ireo, na inona na inona mety ho fahoriana niainany manokana.

Joseph Smith Rainy, rafozandahiny

Ny tsodranon’ny patriarika an’i Emma, notononon’i Joseph Smith Rainy, izay patriariky ny Fiangonana tamin’izany:

“Emma vinantovaviko, hotahian’ny Tompo ianao, noho ny fahatokianao sy ny fahamarinanao; hiara-hotahiana amin’ny vadinao ianao, ary hiravoravo amin’ny voninahitra izay ho avy aminy. Ny fanahinao dia efa nijaly noho ny faharatsian’ny olona amin’ny fitadiavana ny fandravana ny vadinao, ary ny tamin’ny fanahinao manontolo no nitolomanao am-bavaka ho fanafahana azy; mifalia, fa ny Tompo Andriamanitrao no efa nandre ny fitalahoanao.

“Nalahelo ianao noho ny hamafin’ny fon’ny olona ao amin’ny fianakavian-drainao, ary naniry mafy hatrany ny famonjena ho azy ireo ianao. Hihaino ny fitarainanao ny Tompo, ary amin’ny alalan’ny fitsarany dia hataony izay hahitan’ny sasany amin’izy ireo ny hadalany ka hibebaka amin’ny fahotany izy ireo; fa amin’ny alalan’ny fijaliana kosa no hamonjena azy ireo. Ho maro ny andronao; eny, ny Tompo dia hitsimbina anao ambara-pahafapo anao, fa hahita ny Mpanavotra anao ianao. Hifaly dia hifaly amin’ny asa lehiben’ny Tompo ny fonao ary tsy hisy olona hanaisotra ny fifalianao aminao.

“Hotsaroanao mandrakariva ny fiambaniana lehiben’ilay Andriamanitrao tamin’ny famelana anao hiaraka amin’ny zanako lahy rehefa nanolotra ny rakitsoratry ny Nefita ho eo an-tanany ny anjely. Nahita fahoriana be ianao noho ny nakan’ny Tompo taminao ny telo tamin’ireo zanakao; tsy homena tsiny ianao ny amin’izany, satria fantany ny faniriana madio anananao mba hitondra fianakaviana, mba ho voatahy ny anaran’ny zanako lahy. Ary ankehitriny, indro, lazaiko aminao fa izao no lazain’ny Tompo, raha mino ianao dia hotahiana amin’ ity zavatra ity ary hitondra taranaka hafa ho fifaliana sy fahafaham-po ho an’ny fanahinao, ary ho fifaliana ho an’ireo namanao.

“Homena fahatakarana ianao, ary hanana hery hampianatra ireo vehivavy hafa. Ampianaro ny fahamarinana ny ankohonanao, ary ampianaro ny lalan’ny fiainana ireo zanakao, fa ireo anjely masina no hiambina anao; ary hovonjena ianao ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra; izany tokoa. Amena.”

Emma Smith miaraka amin’ny ankizy

I Emma Smith miaraka amin’ireo zanany. Time to Laugh [Fotoana hihomehezana], nataon’ i Liz Lemon Swindle