Doctrine and Covenants 2025
10–16 martsa: “Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22


“10–16 martsa, -Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22,” Come, Follow Me—For Home and Church: Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Joseph Smith mitory teny ao anatina efitrano feno olona

10–16 martsa: “Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22

Efa vita ankehitriny ny asan’ny Mpamonjy tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Saingy vao nanomboka ny asa Famerenana amin’ny laoniny. Ho fanampin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fotopampianarana sy ny fahefan’ny fisoronana, dia nasehon’ny Tompo mazava tamin’ny alalan’ireo fanambarana teo aloha fa te hamerina amin’ny laoniny ny rafitra ara-dalàna—Fiangonany koa Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:53; 18:5). Noho izany tamin’ny 6 aprily 1830 dia mpino mihoatra ny 40 no nameno ny tranon-dry Whitmer mianakavy tao Fayette, New York, mba hanatri-maso ny fametrahana ny rafitry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Misy olona manontany tena hoe nahoana no ilaina ny Fiangonana misy rafitra. Ny valiny dia mety ho hita, farafahakeliny amin’ny ampahany, ao amin’ireo fanambarana mifandray amin’izany fivoriana voalohany nataon’ny Fiangonana tamin’ny 1830 izany. Eto ireo fitahiana dia nofaritana fa tsy ho afaka ny hisy raha toa ka tsy “[n]iorina ara-dalàna ary voalamina” amin’ny andro farany ny Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1).

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:84–86.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–21

Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany.

Nahoana isika no manana Fiangonana misy rafitra? Angamba ny valiny tsara indrindra dia ny hoe “Satria i Jesoa Kristy no nandamina izany.” Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–21, ianao dia mety hahatsikaritra fitoviana eo amin’ny Fiangonana izay naoriny fahiny sy ilay naveriny tamin’ny laoniny ankehitriny. Afaka manome ireto andininy manaraka ireto izay mikasika ny Fiangonan’i Kristy taloha ianao: Matio 16:15–19; Jaona 7:16–17; Efesiana 2:19–22; 3 Nefia 11:23–26; Môrônia 4–5. Ampiasao ireto andininy ireto hianarana momba ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–25, 60, 72–79; 21:1–2. Azonao atao ny manoratra ny zavatra hitanao amin’ny tabilao toy ity iray ity:

Fotopampianarana

Ireo ôrdônansy

Fahefan’ ny fisoronana

Mpaminany

Ny Fiangonan’ i Kristy fahiny

Fotopampianarana

Ireo ôrdônansy

Fahefan’ ny fisoronana

Mpaminany

Ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny

Fotopampianarana

Ireo ôrdônansy

Fahefan’ ny fisoronana

Mpaminany

Inona no ianaranao avy amin’io asa atao io momba ny antony nanorenan’i Jesoa Kristy—sy namerenany tamin’ny laoniny—ny Fiangonany?

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Ny ilàna Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 24–26.

Asao mba hizara. Rehefa manasa ny olona hizara ny zavatra nianarany samirery ianao, dia mahatsiaro ho voatosika hanohy ny fianarany manokana izy ireo. Inona no azonao hanasàna ny hafa mba hozarain’izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 75–7922

Manampy antsika mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy ireo ôrdônansy masina.

Rehefa tafatsangana ny Fiangonana dia nampianarin’ny Tompo ny Olomasiny ny momba ireo ôrdônansy masina, anisan’izany ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mamaky momba ireo ôrdônansy ireo ianao dia saintsaino ny fomba hanampian’izy ireo anao mba hahatsapa ho mifandray amin’ny Mpamonjy. Ohatra, amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo ôrdônansy ireo anao hihazona ny “finiavana hanompo [an’i Jesoa Kristy] hatramin’ny farany”? (andininy 37). Azonao atao koa ny mamaky ny vavaky ny fanasan’ny Tompo (andininy 77, 79) ary alaivo sary an-tsaina hoe sambany ianao no nandre izany. Inona avy ireo hevi-baovao azonao?

Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Liahona, mey 2021, 116–19.

zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–60

Mitahy ny mpikamban’ny Fiangonana sy ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo ny fanompoana ao amin’ny fisoronana.

Efa nieritreritra ve ianao hoe nahoana no zava-dehibe tamin’ny Mpamonjy ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana ao amin’ny Fiangonany? Ny famakiana izay asainy ataon’ny mpihazona ny fisoronana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–60 dia mety hanome hevi-baovao ho anao. Ahoana no nitahian’ny Mpamonjy anao sy ny fianakavianao tamin’ny alalan’ny asa voalaza ao amin’ireo andininy ireo?

Ankoatra ireo izay voatendry ho amin’ny fisoronana, dia mampiasa ny fahefan’ Andriamanitra koa ireo vehivavy izay natokana hanompo ao amin’ny Fiangonana rehefa mandray anjara amin’ny asany. Mba hianarana izany, jereo ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana” (Liahona, mey 2014, 49–52).

Jereo koa ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Ny fampianaran’i Joseph Smith momba ny fisoronana, ny tempoly, ary ny vehivavy,” Médiathèque de l’évangile.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21

sary famantarana ny seminera
Ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny dia hanome ahy fiarovana avy amin’Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–9 dia ahitana fanasana hanaraka ny mpaminanin’ny Tompo sy ireo fampanantenana mahery vaika ho an’ny olona izay manao izany. Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hisaintsaina ireo andininy ireo:

  • Inona avy ireo teny ao amin’ny andininy 4–5 izay mamaritra ny zavatra tian’ny Mpamonjy hataonao amin’ny tenin’ny mpaminaniny velona? Nahoana ianao no mahatsapa fa ilaina ny “faharetana sy finoana” hanaovana izany?

  • Saintsaino ilay sary nampiasain’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 6 mba hamaritana ireo fitahiana avy amin’ny fanarahana ny mpaminaniny. Inona no dikan’ny hoe “ny vavahadin’ny helo”? Ahoana no fomba “hanesoran’ny Tompo ny herin’ny haizina” ho anao? Inona no dikan’ny hoe “hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo”?

  • Inona no angatahin’ny Tompo hataonao amin’ny alalan’ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny? Ahoana no nanatanterahan’ny Tompo ny fampanantenany rehefa nanaraka ny toroheviny ianao?

9:54

Amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra

Tanisao ireo hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ireto fizarana manaraka ireto ao amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen “Ilay mpaminanin’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2018, 24–27):

  • Nahoana isika no manaraka ny mpaminany

  • Mpitily eo amin’ny tilikambo:

  • Aza gaga:

Jereo koa ny ChurchofJesusChrist.org; Topics and Questions, “Mpaminany,” Médiathèque de l’évangile.

4:17

Watchman on the Tower

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–21

Tafaverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Ampiasao ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21, toko 9 ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (ChurchofJesusChrist.org) mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny zava-nitranga tamin’ny andro nananganana ny Fiangonana.

    2:37

    The Church of Jesus Christ Is Organized: A joyful Church meeting

  • Azon’ny ankizy atao angamba ny mampifandray ny sarin’i Jesoa Kristy, olona manompo, batisa, ary ny fanasan’ny Tompo amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny fizarana 20 (jereo ny andininy 21–23, 47, 72–74, 75–79). Ampiasao ireo sary sy andinin-tsoratra masina ireo mba hifanakalozana hevitra momba ireo fitahiana ananantsika satria namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 41, 71–74

Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana aho dia mampanantena fa hanaraka an’i Jesoa Kristy.

  • Mety ho tian’ny ankizy ny mahita sarin’ankizy iray atao batisa sy raisina ho mpikambana. Azon’izy ireo atao ny manondro ny fomba mifanaraka amin’ireo torolalana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:41, 71–74. Inona no ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 mikasika ireo olona izay maniry ny hatao batisa? Azonao atao ihany koa ny mihira ny “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53).

    3:10

    The Baptism of Jesus

    zazavavy atao batisa ary ny zazavavy raisina ho mpikambana
  • Raha efa vita batisa sy noraisina ho mpikambana ny ankizy, dia anontanio azy ireo ny zavatra niainany. Manana sary azony zaraina ve izy ireo? Resaho amin’izy ireo ny zavatra ataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hitahiany azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79

Afaka mitondra ny anaran’i Jesoa aho ary mahatsiaro Azy mandrakariva.

  • Ny ankizy dia afaka mitady ny teny hoe “vonona” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 (momba ny batisa) sy ny andininy 77 (ny vavaky ny fanasan’ny Tompo). Inona no tian’i Jesoa Kristy ho ataontsika? Afaka mijery zavatra izay misy anarana ihany koa ny ankizy (toy ny anaram-barotra na anarana fiantso). Inona no lazain’ilay anarana amintsika momba ilay zavatra? Midika inona ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika?

  • Iaraho vakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 ary asaivo fantarin’ny ankizy ireo fampanantenana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo. Angamba afaka mifandimby milalao zavatra iray izay azon’izy ireo atao izy ireo mba “hahatsiarovana mandrakariva” ny Mpamonjy sy haminavinana ny zavatra ataon’ny tsirairay. Araka ny andininy 77dia inona no fitahiana azontsika rehefa mahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6

Mitahy ahy i Jesoa rehefa manaraka ny mpaminaniny aho.

  • Rehefa avy nahita ireo fanasana sy fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6, ny ankizy dia afaka mijery sarin’ny mpaminany velona iray ary mizara zavatra izay nianarany na reny avy aminy. Mifampizarà fomba nitahian’i Jesoa Kristy anareo tamin’ny fanarahana ny mpaminaniny.

Filoha Nelson

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Joseph Smith natokan’i Oliver Cowdery

Oliver Cowdery Ordains Joseph Smith [Manendry an’i Joseph Smith i Oliver Cowdery], nataon’i Walter Rane

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy