Avia, hanaraka Ahy
29 jona–5 jolay. “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”: 1 Mpanjaka 12–13; 17–22


“29 jona–5 jolay. -Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy-: 1 Mpanjaka 12–13; 17–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“29 jona–5 jolay. -Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Elia eo anoloan’ny alitara mirehitra iray

Elijah Contends against the Priests of Baal [I Elia mifanandrina amin’ireo mpisoron’i Bala], nataon’i Jerry Harston

29 jona–5 jolay: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”

1 Mpanjaka 12–13; 17–22

Nikorontana ny mpianakavin’i Isiraely. Nizarazara ny fanjakana, ka foko folo no nandrafitra ny Fanjakan’i Isiraely tany Avaratra ary foko roa no nandrafitra ny Fanjakan’i Joda tany Atsimo. Saingy mihoatra lavitra noho ny fisarahan’izy ireo tamin’izy samy izy ny fisarahan’ireo fanjakana tamin’ny fanekempihavanany. Nitarika ny vahoaka hiala tamin’ny Tompo ireo mpanjaka ratsy fanahy, ary olona maro no nihozongozona tamin’ny finoan’izy ireo.

Teo anatrehan’izany dia niantso an’i Elia ny Tompo mba ho mpaminany. Ny fiainany dia maneho fa afaka manana finoana lehibe ny Tompo ny olona iray na dia ao anatin’ny toe-javatra ratsy aza. Indraindray ny Tompo dia mamaly ny finoana tahaka izany amin’ny alalan’ny fahagagana mampitolagaga eo imasom-bahoaka, toy ny afo milatsaka avy any an-danitra. Fa manao fahagagana mangingina sy amin’olona manokana ihany koa Izy, toy ny fanomezana sakafo an’ilay vehivavy mpitondratena mahatoky iray sy ny zanany lahy. Ary ny tena matetika, ny fahagagana ataon’ny Tompo dia tena mahakasika ny isam-batan’olona ka tsy misy mahalala izany afa-tsy ilay olona ihany. Ohatra hoe rehefa manambara ny tenany aminao amin’ny “feo [m]itsoka malemy” ny Tompo (1 Mpanjaka 19:12).

Raha te hahalala misimisy kokoa momba an’i Elia, dia jereo ny “Elia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

1 Mpanjaka 12:1–20

Manompo ireo olona tarihiny ireo mpitarika manana toetra tahaka ny an’i Kristy.

Ahoana no hanoritsoritanao ny fahadisoana nataon’i Rehoboama Mpanjaka, zanakalahin’i Solomona ao amin’ny 1 Mpanjaka 12:1–14? Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay mety ho nanampy an’i Rehoboama hamonjy ny fanjakany? (jereo ny andininy 7; Matio 20:25–28; Môzià 2:10–21). Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo toetra ireo amin’ny maha-mpitarika anao, na amin’ny antso ao am-piangonana na amin’ny maha-mpitarika anao eo amin’ny fiainanao manokana?

1 Mpanjaka 17:8–16; 19:19–21

sary famantarana ny seminera
Ny fanasana hanao fahafoizan-tena dia fahafahana hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy.

Nangataka ny vehivavy mpitondratena iray ny mpaminany Elia mba hanome sakafo sy rano azy alohan’ny hamahanany ny tenany sy ny zanany lahy izay noana. Nahoana izy no nanao izany? Azo raisina ho toy ny fitahiana ho an’io fianakaviana kely io ny fangatahana nataon’i Elia. Nila ny fitahian’ny Tompo izy ireo, ary ny fahafoizan-tena no mitondra fitahiana, anisan’izany ny fahazoana finoana mafy orina kokoa.

Eo am-pamakianao ny 1 Mpanjaka 17:8–16 dia alaovy sary an-tsaina hoe io vehivavy mpitondratena io ianao. Inona no manaitra anao mikasika azy? Azonao atao koa ny manao lisitra ireo safidy izay mitaky finoana an’i Jesoa Kristy (ohatra, jereo ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022]). Inona no ianaranao avy amin’io vehivavy mpitondratena io momba ny fampiharana finoana:

Inona no mampitovy ny fihetsik’i Elisa ao amin’ny 1 Mpanjaka 19:19–21 amin’ny zavatra nataon’ilay mpitondratena?

Eritrereto ireo fahafoizan-tena nataonao mba hanarahana ny Mpamonjy. Inona no ampianarin’ny 1 Mpanjaka 17:8–16; 19:19–21 momba ireo fahafoizan-tena ireo? Nahoana no manampy anao ny fahalalanao momba ny Mpamonjy rehefa angatahana hanao fahafoizan-tena ianao? Ahoana no nitahiany anao?

Jereo koa ny Matio 4:18–22; 6:25–33; Lioka 4:24–26; “L’amour de Dieu, sa force aussi,” Cantiques, no. 45.

10:13

Elijah and the Widow of Zarephath

1 Mpanjaka 18

“Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”

Mety nahatsapa ny Isiraelita fa nanana antony tsara hanompoana an’i Bala izy ireo, izay fantatra amin’ny hoe andriamanitry ny tafio-drivotra sy ny orana. Taorian’ny hain-tany nandritra ny telo taona dia nila orana mafy izy ireo. Ary ny fivavahana tamin’i Bala dia neken’ny fiarahamonina sy namporisihin’ny mpanjaka lahy sy mpanjaka vavy. Eo am-pamakianao ny 1 Mpanjaka 18 dia eritrereto ny antony mety hahatonga ny olona iray ho tsy tapa-kevitra ny hanaraka ny Tompo amin’izao androntsika izao. Ao amin’ity toko ity, inona araka ny eritreritrao no ezahan’ny Tompo hampianarina momba ny Tenany? Inona no zavatra niainanao ka nanampy anao hanolo-tena hanaraka ny Mpamonjy?

Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Safidy sy Fanoloran-tena” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 12 jan. 2020), Médiathèque de l’Évangile.

I Elia eo amin’ny Tendrombohitra Horeba

Sary maneho an’i Elia, nataon’i Wilson Ong

1 Mpanjaka 19:1–18

Matetika ny Tompo no miresaka amin’ny fomba tony sy tsotra.

Indrisy anefa fa ilay fahagagana teo amin’ny Tendrombohitra Karmela dia tsy nanamora ny asa nanirahana an’i Elia. Raha ny marina dia notandindomin-doza ny fiainany ary tsy maintsy niafina tao amina lava-bato iray tany an-tany foana izy. Rehefa nitolona tamin’ny fanireriny sy ny hakiviany tao izy dia nisy zavatra niainany niaraka tamin’ny Tompo izay tsy nitovy mihitsy tamin’ny zavatra niainany teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. Inona no ampianarin’ny zavatra niainan’i Elia tao amin’ny 1 Mpanjaka 19:1–18 anao momba ny fomba ifandraisan’ny Tompo aminao ao anatin’ny fotoana maha-sahirana anao?

Saintsaino ireo fotoana izay nahatsapanao fa niresaka taminao ny Tompo. Ahoana no hamaritanao ny fomba ifandraisany aminao? Nahoana no fomba tsara ilazalazana ny feon’ny Fanahy ireo teny hoe “tony” sy “malefaka”? Inona avy ireo teny hafa hitanao ao amin’ny Helamàna 5:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 11:12–14? Inona no tokony hataonao mba handraisana matetika kokoa ny fitarihan’ny Tompo?

Jereo koa ny Salamo 46:10.

Mampiasà retsipamantarana maro mba hanatsarana ny fianarana. Samy mianatra momba an’izao tontolo izao isika rehetra amin’ny alalan’ireo retsipamantarana dimy ananantsika. Ny fampiasana ireo retsipamantarana ireo dia afaka manatsara koa ny fianarana ny filazantsara. Ohatra, mieritrereta sary na feo azonao ampiasaina mba hanehoana ireo teny hoe “tony ”sy “malefaka” rehefa mianatra na mampianatra momba ny feon’ny Tompo ao amin’ny 1 Mpanjaka 19 ianao.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

1 Mpanjaka 17

Mitahy ahy ny Tompo rehefa manam-pinoana Azy aho.

  • Mba hanampiana ny zanakao hianatra ireo tantaran’ny finoana ao amin’ny 1 Mpanjaka 17, dia azonao atao ny mampiseho azy ireo sary na zavatra azo tsapain-tanana mba hanehoana ireo tantara, toy ny vorona, na mofo, na zazalahy. Rehefa mitantara ireo tantara ireo amin’ny zanakao ianao dia asao izy ireo hitady ilay sary na zavatra mifanaraka amin’ny tantara tsirairay. Afaka manampy anao hitantara ireo tantara ireo ny “Mpaminany Elia” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 121–24). Inona no ampianaran’ireo tantara tsirairay ireo antsika momba ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy?

    1:58

    Elijah the Prophet

  • Ampio ny zanakao hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo maneho ny finoany an’i Jesoa Kristy.

I Elia, ilay vehivavy mpitondratena, ary ny zanany lahy

Sary maneho an’i Elia sy ny fanasitranana ny zanakalahin’ilay vehivavy mpitondratena, nataon’i Charles Edmund Brock

1 Mpanjaka 17:8–16

Rehefa mangataka ahy hahafoy zavatra ny Tompo dia afaka mankatò amim-pinoana aho.

  • Azon’ny zanakao atao angamba ny manao ny sarin’ny zavatra nasain’ny Tompo nomen’ilay mpitondratena an’i Elia (jereo ny 1 Mpanjaka 17:12–13) sy ny zavatra noraisin’ilay mpitondratena ho valin’izany (jereo ny 1 Mpanjaka 17:15–16). (Jereo koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity.) Azon’izy ireo atao ihany koa ny mitady sarin’olona hafa izay nahafoy zavatra iray izay tian’izy ireo ho an’ny zavatra tsaratsara kokoa. Asao ny zanakao hitady sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny Avia, Hanaraka Ahy. Inona no angatahin’ny Tompo mba hafoinao? Ahoana no hitahiany antsika?

1 Mpanjaka 18:17–39

Afaka misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho.

  • Rehefa miara-mamaky ny 1 Mpanjaka 18:17–39 ianareo dia afaka maka andininy iray ny zanakao ary manao ny sarin’ny zavatra fariparitan’izany. Afaka mampiasa ny sariny mba hitantarana ny tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana izy ireo. (Jereo ihany koa ny “Elia sy ireo mpisoron’i Bala,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha , 125–28.)

    2:17

    Elijah and the Priests of Baal

  • Ampio ny zanakao hieritreritra toe-javatra izay mety hilainy hanapahan-kevitra raha toa ka hanaraka na tsia an’i Jesoa Kristy izy ireo. Angamba azon’izy ireo atao ny manao ny sarin’izy ireo manao safidy tsara. Ifampizarao ny antony isafidiananareo ny hanaraka an’i Jesoa.

1 Mpanjaka 19:9–12

Miresaka amiko amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaky ny Fanahy ny Tompo.

  • Rehefa mamintina ny 1 Mpanjaka 19:9–12 ianao dia asao ny zanakao hanao fihetsika mba hanehoana ny rivotra mahery vaika sy ny horohoron-tany ary ny afo. Avy eo dia asao izy ireo mba hipetraka milamina tsara eo am-piarahanareo miteny amin’ny feo malefaka ny hoe: “manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy” (andininy 12). (Jereo koa ny “Miteny amin’i Elia ny Tompo,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 129–31.) Tantarao amin’ny zanakao ireo fotoana nahatsapanao ny feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina.

    1:48

    The Lord Speaks to Elijah

  • Mihirà moramora hira iray momba ny Fanahy Masina, toy ny “Ny Fanahy MasinaBokin-kiran’ny Ankizy, 56). Inona no mety hanelingelina antsika ka tsy hahafantatra ny Fanahy? Inona no afaka manampy antsika haheno Azy?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Ilay mpitondratena tao Zarefata sy ny zanany lahy

Widow of Zarephath (Ilay mpitondratena tao Zarefata), nataon’i Rose Datoc Dall

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Rehefa mangataka ahy hahafoy zavatra ny Tompo dia afaka mankatò amim-pinoana aho.