“20–26 jolay. -Hianao no andrandrain’ny masonay-: 2 Tantara 14–20; 26; 30,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“20–26 jolay. -Fa Hianao no andrandrain’ny masonay,-” Avia, hanaraka Ahy: 2026
King Jehoshaphat’s Prayer [Vavaka nataon’ny Mpanjaka Josafata], nataon’i Keeley Rae
20–26 jolay: “Hianao no andrandrain’ny masonay”
2 Tantara 14–20; 26; 30
Voahodidina ny Fanjakan’i Joda. Samy niara-nandroso ny tafika avy amina firenena fahavalo matanjaka niisa telo ary vonona ny hiady. Nitodika tany amin’ny Mpanjakan’ny lanitra sy ny tany i Josafata Mpanjakan’i Joda tao anatin’izany fotoana nahakivy izany. Nanangona ny vahoakany teo amin’ny tempoly i Josafata ka nivavaka. Niaiky ny fahalemen’izy ireo amin’ny maha-olombelona azy ireo izy ka nitalaho mba hahazo fanafahana. Ho valin’izany dia nampanantena ny fiarovany ny Tompo hoe: “Aza matahotra, na mivadi-po” (2 Tantara 20:17).
Mety tsy manana tafika manafika eo amin’ny tokonam-baravarantsika izay manambana antsika isika, saingy indraindray isika dia mahatsapa ho voahodidin’ny fahoriana sy ny faharatsiana. Mitovy amin’izay nokatsahan’i Josafata ny lalantsika ho amin’ny fanafahana, ary ny vavaka ataontsika dia afaka ny ho tahaka ny azy koa: “Ry Andriamanitray ô, … izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo; koa tsy hitanay izay hataonay: fa Hianao no andrandrain’ny masonay” (2 Tantara 20:12).
Ao amin’ny 2 Tantara 14–30, ianao dia hamaky momba an’i Josafata sy ireo mpanjaka hafa tao Joda. Eritrereto ny fomba ahafahana mampihatra eo amin’ny fiainanao manokana ireo fiovana avy amin’ny finoan’izy ireo sy ny fandresen’izy ireo ary ireo olana nolalovan’izy ireo.
Raha hanao topimaso ny bokin’ny 2 Tantara ianao, dia jereo ny “Tantara” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
2 Tantara 14–16
Hitondra fiadanana ho ahy ny fahatokiana an’ Andriamanitra.
Fony mpanjakan’i Joda i Asa dia niatrika olana maro izy, tahaka antsika rehetra ankehitriny. Rehefa mamaky momba ireo fitsapana natrehany ianao dia jereo ny toerana nametrahany ny fitokiany sy ny fomba niovan’izany rehefa nandeha ny fotoana.
|
Toko sy andininy. |
Olana natrehan’i Asa |
Aiza no nametrahan’i Asa ny fitokiany |
|---|---|---|
Toko sy andininy. 2 Tantara 14:9–12 | ||
Toko sy andininy. 2 Tantara 15:1–8 | ||
Toko sy andininy. 2 Tantara 16:1–10 |
Nahoana isika indraindray no mitsahatra matoky ny Tompo? Inona ihany koa no ianaranao avy amin’ny fiainan’i Asa?
Jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2022, 78–80.
2 Tantara 18
Afaka miaro ny fahamarinana aho, na dia tsy tian’ny olona aza izany.
Tsy maintsy nahatsapa fanerena goavana ny mpaminany Mikaia mba hanambara mialoha ny momba ny fahombiazan’i Josafata Mpanjaka sy i Ahaba Mpanjaka amin’ilay ady hataon’izy ireo amin’i Syria. Tadiavo ny porofon’izany fanerena izany ao amin’ny 2 Tantara 18:1–12. Inona no porofo hitanao momba ny herimpo sy ny fahitsian-toetran’i Mikaia ao amin’ny andininy 13–27? (Mariho fa ao amin’ny andininy 14, i Mikaia dia manome valinteny mifono fanesoana; ny tena valinteniny dia ao amin’ny andininy 16.) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Mikaia ao amin’ny andininy 28–34?
Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany izay mety hiatrehanao faneriterena tahaka ny natrehan’i Mikaia? Inona no manome herimpo anao hijoro ho an’ny Tompo sy ny fampianarany?
Tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka dia nisy firenena telo nanafika an’i Jerosalema.
2 Tantara 20:1–25
Afaka mitodika any amin’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny aho ao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Eo am-pamakianao ny 2 Tantara 20:1–12 dia tadiavo ny zavatra nataon’i Josafata Mpanjaka rehefa nisy firenena maro tonga hanafika an’i Joda. Ahoana no ahafahanao mampihatra ny zavatra nataony ao anatin’ireo toe-javatra sarotra izay atrehinao?
Ny valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’i Josafata dia hita ao amin’ny andininy 14–17. Inona avy ireo andian-teny hitanao ao ka afaka mankahery anao na ny olona iray fantatrao mandritra ny fotoan-tsarotra?
Ny ampitson’io dia nivoaka ny vahoakan’i Jerosalema mba hihaona amin’ilay tafika manohitra. Eo am-pamakianao ny 2 Tantara 20:20 dia tadiavo ny hafatra nomen’i Josafata ny vahoakan’i Jerosalema. Ahoana no nahatanterahan’ny teniny? (jereo ny andininy 22–23). Ahoana no nitahian’ Andriamanitra anao noho ny finoanao Azy sy ny fanarahana ireo mpaminaniny?
Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny zavatra niainako dia hoe raha vantany vao mitsahatra mametraka baraingo ianao aorian’ireo teny nambaran’ny mpaminany ka mametraka tsoraka kosa ho solon’izany, sady manatanteraka izany, dia mirotsaka fotsiny ireo fitahiana. Tsy mba manontany tena mihitsy aho hoe, -Rehefa inona ny mpaminany no miteny amin’ny maha-mpaminany azy ary rehefa inona izy no tsy manao izany?- Ny mahaliana ahy dia ny hoe -Ahoana no hitoviako bebe kokoa aminy?-” (ao amin’ny Lane Johnson, “Russell M. Nelson: A Study in Obedience,” Ensign, Aog. 1982, 24).
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6; “Une ancre sûre” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile;“Manaova safidy entanim-panahy,” Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 4–5.
A Secure Anchor
Tadiavo ireo fehezan-teny tsotra milaza fahamarinana. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Manolotra diamondra ara-potopampianarana marobe ho antsika ny soratra masina. Ary rehefa mikasika ny lafy marobe ao amin’izy ireo ny hazavan’ny Fanahy dia mamiratra hazavana selestialy izy ireo ka manazava ny lalana izay tokony harahina” (According to the Desires of [Our] Hearts,” Ensign, nôv. 1996, 21). Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia makà fotoana hamantarana sy hanisiana marika ary hisaintsainana ireo hafatra fohy kanefa mahery vaika. Ny ohatra sasantsasany dia hita ao amin’ny 2 Tantara 14:11; 15:7; 18:13; 20:15; 26:5. Inona koa ireo “diamondra ara-potopampianarana” hafa hitanao?
2 Tantara 26:3–21
Mitondra any amin’ny faharavana ny avonavona.
Tahaka ireo mpanjaka maro hafa tao Joda, ny fanjakan’i Ozia dia nanomboka tamin’ny zava-bita lehibe saingy nifarana tamin’ny loza. Tadiavo ao amin’ny 2 Tantara 26 io fomba fisehoan-javatra io. Inona no holazainao fa kihon-dalana teo amin’ny fiainan’i Ozia?
Eo am-pamakianao ny andininy 16–23, dia ataovy ao an-tsaina fa tamin’io fotoana io dia ny mpisorona irery ihany no nahazo lalana handrehitra ditin-kazo manitra ao amin’ny tempoly. Nahoana araka ny eritreritrao no tsy nankatò an’ Andriamanitra ny Mpanjaka Ozia? Inona no ianaranao avy amin’io zava-nitranga mampalahelo io?
Jereo koa ny: “Oh! Sois humble,” Cantiques, no. 69.
2 Tantara 30
Afaka ny ho mpampihavana aho.
Ao amin’ny 2 Tantara 30 dia i Hezekia no mpanjakan’i Joda. Nanasa ny Fanjakan’i Isiraely mpifandrafy aminy izy mba hiara-hivondrona ao Jerosalema mba hankalaza ny Paska, izay zavatra tsy azon’ny Isiraelita natao nandritra ny taona maro (jereo ny andininy 1–12). Inona no manaitra anao momba ilay fanasana sy ny fomba nandraisana izany, na ny fomba nandraisan’ny Isiraelita nasaina izany na ny fomba nandraisan’ireo mpampiantrano azy ireo tao Joda izany?
Satria efa ela loatra no tsy nisian’izany dia tsy dia nahafantatra ny antsipiriany momba ny fomba fandraisana anjara amin’ny Paska ny sasany tamin’ireo mpitsidika an’i Jerosalema. Rehefa mamaky ny 2 Tantara 30:18–27 ianao dia inona no ianaranao avy amin’ny valintenin’i Hezekia sy ny vokatry ny valinteniny?
Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98–101.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
2 Tantara 14–16; 20
Afaka matoky an’ Andriamanitr aho.
-
Mba hampahafantarana ilay hevitra hoe matoky ny Tompo dia azonao atao ny mampiseho amin’ny zanakao zavatra iray izay atokisanao mba hiarovana anao tsy ho lena rehefa avy ny orana, toy ny elo na akanjo fiarovana amin’ny orana. Avelao izy ireo hiresaka momba ny antony ahafahantsika matoky ireo zavatra ireo. Avy eo dia ampio izy ireo hampitaha izany amin’ny fahatokiantsika ny Tompo. Nahoana isika no matoky Azy mba hiaro antsika ara-panahy?
-
Azonao atao ny manampy ny zanakao hahita ny fomba niatrehan’i Asa Mpanjaka sy i Josafata Mpanjaka ireo olana tamin’ny alalan’ny fatokiana ny Tompo (jereo ny 2 Tantara 14:11; 20:3–5, 12). Ifampizarao ny fomba ahafahanareo mampiseho amin’ny Tompo fa matoky Azy ianareo.
2 Tantara 20:1–19
Hamaly ireo vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.
-
Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ny tantaran’ny vavaka nataon’i Josafata sy ny valintenin’ny Tompo. Afaka mizara ny fotoana nandrenesan’ Andriamanitra sy namaliany ny vavaka nataonareo ianao sy ny zanakao. Hevero ny hampiditra ireo fotoana izay nahatongavan’ny valiny tamin’ny fomba na fotoana izay tsy nampoizinao. Ny hira momba ny vavaka, toy ny “Mivavaka am-pinoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 141), dia mety hanampy amin’ny fanorenana ny finoan’ny zanakao.
2 Tantara 26:3–23
Afaka manetry tena aho.
-
Mba hianarana momba ireo loza ateraky ny avonavona dia afaka manorina tilikambo avy amina goba na kaopy kely ny zanakao. Rehefa mametraka ny goba na kaopy tsirairay eo amin’ny tilikambo izy ireo dia ampio izy ireo hamantatra ny iray amin’ireo zavatra vitan’i Ozia ao amin’ny 2 Tantara 26:3–15. Rehefa vitan’izy ireo ilay tilikambo dia ifanakalozy hevitra amin’ny zanakao ny fomba ahafahan’i Ozia mihazona izany ho avo sy ho mafy orina. Inona no mety hahatonga izany hianjera? Avy eo, rehefa mamaky ny andininy 16 ianareo dia afaka miresaka momba ny dikan’ny hoe “miavonavona [ny fontsika] ka [m]anao izay ratsy [isika].” Zarao amin’ny zanakao ny zava-nitranga tamin’i Oza ao amin’ny andininy 16–23. Avelao izy ireo hampianjera ny tilikambony. Resaho ny zavatra azontsika atao mba hijanonana ho manetry tena.
King Hezekiah and the People Thank God [Misaotra an’ Andriamanitra i Hezekia sy ny vahoaka], © Lifeway Collection/licensed from goodsalt.com
2 Tantara 30
Afaka ny ho mpampihavana aho.
-
Ilay sary etsy ambony dia mampiseho ny zava-nitranga rehefa nanasa ireo olona nonina teny amin’ny faritra manodidina an’i Joda avy tao amin’ny fanjakan’i Isiraely i Hezekia mba hankalaza ny Paska miaraka aminy. Afaka mijery io sary io miaraka amin’ny zanakao ianao sady mamaky ny 2 Tantara 30:18–19, izay manazava fa ny sasany tamin’ireo vahiny dia tsy nanasa ny tenany araka ny lalàn’i Mosesy. Inona no nataon’i Hezekia? Inona no mety ho tsapan’ireo vahiny vokatr’izany? Ampio ny zanakao hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’i Hezekia eo amin’ny fomba hitondran’izy ireo ny hafa.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.