“27 jolay–2 aogositra. -Asa lehibe no ataoko-: Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“27 jolay–2 aogositra. -Asa lehibe no ataoko,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
I Have a Great Work to Do [Manana asa lehibe hatao aho], nataon’i Tyson Snow
27 jolay–2 aogositra: “Asa lehibe no ataoko”
Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8
Voatazona ho babo tany Babylona nandritra ny 70 taona teo ho eo ny vahoaka Jiosy. Namoy an’i Jerosalema sy ny tempoly izy ireo ary maro no nanadino ny fanoloran-tena nataony tamin’ny lalàn’ Andriamanitra. Tsy nanadino azy ireo anefa Andriamanitra. Raha ny marina, dia nanambara tamin’ny mpaminaniny Izy hoe: “hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko … hianareo” (Jeremia 29:10). Noho ny fahatokiany tamin’io faminaniana io, dia nanomana fomba iray ho an’ny vahoakany ny Tompo mba hiverenan’izy ireo, tany Jerosalema sy, ny tena manan-danja indrindra, tamin’ny fanekempihavanan’izy ireo. Ary izy dia nanangana mpanompo izay nahatontosa “asa lehibe” (Nehemia 6:3): Nanara-maso ny fananganana indray ny tranon’ny Tompo ny governora iray nantsoina hoe Zerobabela. Nanampy ny olona hampitodika ny fon’izy ireo hiverina amin’ny lalàn’ny Tompo i Ezra, izay mpisorona sy mpanora-dalàna. Ary i Nehemia dia nitarika ny fanorenana indray ny rindrina fiarovana nanodidina an’i Jerosalema. Nisedra fanoherana izy ireo, kanefa nahazo ihany koa fanampiana avy tamina loharano tsy nampoizina. Ny zavatra niainan’izy ireo dia afaka manatevina sy ho hery mitaona ny zavatra iainantsika, satria manao asa lehibe koa isika. Ary tahaka ny azy ireo, ny asantsika dia misy ifandraisany lehibe amin’ny tranon’ny Tompo, ny lalàn’ny Tompo, ary ny fiarovana ara-panahy hitantsika ao Aminy.
Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Ezra sy i Nehemia dia jereo ny “Ezra” sy “Nehemia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Ezra 1
Manome fitaomam-panahy ny olona ny Tompo mba hanatanterahana ireo tanjony.
Taorian’ny nandresen’i Persia an’i Babylona dia notaomin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fanahy i Kyrosy mpanjaka Persiana mba handefa andiana Jiosy ho any Jerosalema mba hanangana indray ny tempoly. Eo am-pamakianao ny Ezra 1, dia jereo ny zavatra nataon’i Kyrosy mba hanohanana ireo Jiosy tamin’ity asa lehibe ity. Ahoana no ahitanao ny Tompo miasa amin’ny alalan’ireo lehilahy sy vehivavy manodidina anao, isan’izany ireo olona tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonany? Milaza inona aminao momba ny Tompo sy ny asany izany?
Jereo koa ny Isaia 44:24–28.
Ezra 3:8–13; 6:16–22
Ny tranon’ny Tompo dia toeran’ny fifaliana.
Rehefa nanani-bohitra tao Jerosalema ny Babyloniana dia norobain’izy ireo ny tempoly ary nodorany hirodana tanteraka (jereo ny 2 Mpanjaka 25:1–10; 2 Tantara 36:17–19). Inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao raha toa ianao ka isan’ireo Jiosy izay nahita maso izany? (jereo ny Salamo 137). Jereo ny zavatra tsapan’ny Jiosy am-polo taonany taty aoriana rehefa navela niverina izy ireo dia nanangana indray ny tempoly (jereo ny Ezra 3:8–13; 6:16–22). Mety hanentana anao hisaintsaina ny zavatra tsapanao manokana momba ny Tompo sy ny tranony izany. Nahoana no antony mendrika hankalazaina ny fananganana tempoly iray?
The temple of Zerubbabel [Ny tempolin’i Zerobabela], sary nataon’i Sam Lawlor
Ezra 4–7; Nehemia 2; 4; 6
Manana asa manan-danja hampanaovina ahy Andriamanitra.
Mahalana izany asan’ny Tompo mandeha tsy misy fanoherana izany. Mitombina izany mahakasika ilay asa notarihin’i Zerobabela sy i Nehemia. Ity misy fomba tsotra iray afaka manampy anao hianatra avy amin’ireo tantara ireo sy hisaintsaina ny fomba ahafahanao manao ny asan’ny Tompo na dia eo aza ny fanoherana:
Ny asan’ Andriamanitra ho an’i Zerobabela (Ezra 4:3):
Ny asan’ Andriamanitra ho an’i Nehemia (Nehemia 2:17–18):
Ny asan’ Andriamanitra ho ahy:
Ny fanoherana natrehan’i Zerobabela (Ezra 4:4–24):
Ny fanoherana natrehan’i Nehemia (Nehemia 2:19; 4:1–3, 7–8; 6:1–13):
Ny fanoherana atrehako:
Ny zavatra nataon’i Zerobabela ho setrin’izany (Ezra 5:1–2):
Ny zavatra nataon’i Nehemia ho setrin’izany (Nehemia 2:20; 4:6, 9; 6:3–15):
Ny zavatra azoko hatao ho setrin’izany:
Azonao atao ny mizara ampahany avy amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Nous avons un grand ouvrage à exécuter et nous ne pouvons descendre” (Liahona,, Mai 2009, 59–62), indrindra fa ny fizarana roa farany. Eo am-pieritreretanao ny asa nomen’ Andriamanitra anao dia azonao atao ny mandalina ny “Fanevan’ny Zatovovavy” na ny “Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna” (Médiathèque de l’Évangile). Na azonao atao ny mijery ao amin’ny fihirana toy ny “Nous soeurs de Sion” (Cantiques, no. 201) na ny “Ancien d’Israel” (Cantiques, no. 202).
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “[m]azoto [m]iasa” amin’ny fanompoana ny Mpamonjy? (Nehemia 3:38). Inona no mety ho dikan’ny hoe manana “ny soa nataon’ny tanan’ Andriamani[tra] tami[nao]” rehefa manao ny asany ianao? (Nehemia 2:8; jereo koa ny Nehemia 2:18; Ezra 7:6, 9, 27–28). Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny tanany tamin’ny ezaka nataonao hanompoana Azy?
Nehemia 8
Voatahy aho rehefa mandalina ny soratra masina.
Ho an’ireo taranaka nifandimby tao anatin’ny fahababoana dia voafetra ny fahafahan’ny Jiosy nandray ny “bokin’ny lalàn’i Mosesy” (Nehemia 8:1). Namaky ny lalàna tamin’ny vahoaka i Ezra ao amin’ny Nehemia 8. Inona no hitanao ao amin’io toko io izay mampiseho ny zavatra tsapan’i Ezra sy ny vahoakany momba an’ Andriamanitra sy ny teniny? (jereo indrindra indrindra ny andininy 1–12). Inona eo amin’ny fiainanao no mampiseho ny zavatra tsapanao momba an’ Andriamanitra sy ny teniny?
Jereo koa ny Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 115–24.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Ezra 3:8–13; 6:16–22
Ny tranon’ny Tompo dia toeran’ny fifaliana.
-
Mba hampianarana ny zanakao momba ny fifaliana tsapan’ireo Jiosy rehefa naorina indray ny tempolin’izy ireo dia azonao atao ny mampiseho azy ireo sary tahaka ilay iray etsy ambany. Resaho ny antony mety hahafaly an’ireo olona ireo rehefa mandeha ao amin’ny tranon’ny Tompo. Azonao lazaina amin’ny zanakao ihany koa ny antony maha-toeran’ny fifaliana ny tempoly aminao. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny tempoly anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy?
-
Eo am-pamakianao miaraka amin’ny zanakao ny Ezra 3:10–13 dia ampio izy ireo hitady teny izay maneho ny zavatra tsapan’ireo Jiosy rehefa naorina indray ny tempoly. Rehefa tonga any amin’ny faran’ny andininy 13, dia azonareo atao ohatra ny miara-manao hiakam-pifaliana. Ampio ny zanakao hieritreritra antony tokony hifaliana noho ny nanomezan’ny Tompo antsika tempoly. Ahoana no ahafahantsika maneho izany fifaliana izany?
-
Hevero ny hihira hira iray momba ny tempoly miaraka amin’ny zanakao, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy). Miatoa isaky ny andalana mba hangatahana ankizy iray hizara zavatra tiany momba ny tempoly. Azonareo atao ihany koa ny mijery ny sarin’ny tempoly eo am-pihiranareo.
Nehemia 2:17–20; 6:1–9
Hanampy ahy hanao ny “asa[ny] lehibe” ny Tompo.
-
Zarao amin’ny zanakao ny tantaran’i Nehemia (jereo ny Nehemia 2:17–20; 6:1–9; na ny “Nehemia” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 173–74). Rehefa mamaky ny Nehemia 2:20 ianao dia afaka “[m]itsangana” ianao sy ny zanakao ary mody manao hoe manampy amin’ny fanorenana ny mandan’i Jerosalema. Na mety ho tian’ny zanakao ny manorina rindrina amina vongan-javatra na zavatra hafa. Rehefa manao izany izy ireo dia azonao atao ny manampy azy ireo hieritreritra ireo zavatra manan-danja tian’ny Ray any An-danitra hataontsika.
1:38Nehemiah
-
Rehefa mamaky ny Nehemia 6:9 ianao dia asao ireo zanakao hanangana ny tanany rehefa maheno anao miteny hoe “ampaherezo e ny tanako!” izy ireo. Tantarao amin’ny ankizy ny momba ny fotoana iray nahatsapanao an’ Andriamanitra nampahery ny tananao mba hanao ny asany.
Nehemia 8:1–12
Fitahiana ny soratra masina.
-
Vakio mafy ireo andian-teny vitsivitsy ao amin’ny Nehemia 8:2–3, 5–6, 8–9, 12 izay manoritsoritra ny zavatra nataon’ny vahoaka rehefa naheno an’i Ezra namaky soratra masina izy ireo. Rehefa mamaky ianao dia afaka milalao an-tsehatra ireo andian-teny ireo ny zanakao. Avy eo dia azonareo atao ny mifampizara ny zavatra tsapanareo rehefa mamaky na mandre ny soratra masina ianareo.
-
Rehefa miara-mamaky ny Nehemia 8:8 ianareo dia azonao atao ny manontany ny zanakao ny zavatra manampy azy ireo hahatakatra ny soratra masina. Asehoy azy ireo ny fomba fampiasana ireo fitaovana fandalinana soratra masina toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina sy ny Lohahevitra sy fanontaniana (Médiathèque de l’Évangile). Asao ny zanakao hizara zavatra izay nianarany momba ny Mpamonjy avy ao amin’ny soratra masina.
Mitadiava fahamarinana maharitra mandrakizay ao amin’ny soratra masina. “Ny soratra masina … dia feno fahamarinana ao amin’ny filazantsara, saingy indraindray dia mitaky fiezahana mafy ny fitadiavana azy ireo. Rehefa miaraka mianatra ny soratra masina ianareo dia mijanòna kely ary anontanio an’ireo izay ampianarinao ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara hitan’izy ireo. Ampio izy ireo hahita ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Indraindray ambara ao amin’ny soratra masina ireo fahamarinana mandrakizay ary indraindray izany dia aseho ao anatin’ny tantara sy ny fiainan’ireo olona izay vakintsika ny momba azy. Afaka manampy ihany koa ny fiarahana mamantatra ny fototra ara-tantaran’ireo andininy izay vakinareo ary koa ny dikan’ireo andininy ireo sy ny fomba fiantefan’izany amintsika amin’izao fotoana izao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).
Raha te hahalala misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.