“Zavatra tokony hotadidiana: Mamaky tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“Mamaky tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Zavatra tokony hotadidiana
Mamaky tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha
Ao amin’ireo bokin’ny Genesisy ka hatramin’ny Estera ao amin’ny Testamenta Taloha dia tantara no ankamaroan’ny zavatra hitantsika, fitantarana zavatra izay mamariparitra tranga ara-tantara avy amin’ny fomba fijery ara-panahy. Nanamboatra sambo fiara i Noa, nanafaka an’i Isiraely i Mosesy, nivavaka mba hahazo zanaka i Hana, sy ny sisa. Manomboka amin’i Joba dia mahita fomba fanoratana hafa isika. Ireo mpanoratra ao amin’ny Testamenta Taloha, ao amin’ireo boky ireo, dia nitodika tamin’ny fampiasana teny miendrika tononkalo mba hanehoana fahatsapana lalina na faminaniana goavana tamin’ny fomba tsy hay hadinoina.
Efa nahita ohatra vitsy amin’ny tononkalo miparitadritaka manerana ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha isika. Hahita misimisy kokoa amin’izany isika manomboka eo amin’ny bokin’i Joba. Ny bokin’i Joba, ny Salamo, ary ny Ohabolana dia efa saika ho tononkalo avokoa, tahaka ny ampahany amin’ireo boky mirakitra faminaniana tahaka ny Isaia, ny Jeremia, ary ny Amosa. Koa satria tsy mitovy amin’ny famakiana tantara ny famakiana tononkalo, dia mitaky fomba hafa ny fahatakarana izany. Ireto misy eritreritra vitsivitsy izay afaka manampy anao hahatakatra zavatra misimisy kokoa ao amin’ny tononkalon’ny Testamenta Taloha.
Miezaka ny hahafantatra ny tononkalo Hebreo
Voalohany dia mety hanampy anao ny mahafantatra fa tsy mifototra amin’ny rima ny tononkalo Hebreo ao amin’ny Testamenta Taloha, tahaka ireo karazana tononkalo hafa. Ka na dia toetoetra iraisana amin’ny tononkalo Hebreo fahiny aza ny ngadona, ny filalaovan-teny, ary ny fiverimberenan’ny feo, dia saika very tamin’ny fandikan-teny ireo zavatra ireo. Toetoetra iray hotsikaritrao anefa ny fiverimberenan’ireo eritreritra na hevitra izay antsoina tsindraindray hoe “mirazotra.” Ity misy ohatra tsotra avy ao amin’i Isaia:
Tafio ny herinao, ry Ziona ô;
tafio ny fitafianao tsara tarehy ry Jerosalema ô. (Isaia 52:1)
Ny Salamo 29 dia ahitana andalana manana endrika mirazotra maro—ohatra:
Ny feon’i Jehovah be hery;
ny feon’i Jehovah be voninahitra. (Salamo 29:4)
Ary inty misy ohatra izay ahitana fa ny fahafantarana fa mirazotra amin’ilay andalana voalohany ny andalana faharoa dia mahatonga ilay andininy faharoa ho mora azo:
Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra,
sy ny tsi-fahampian-kanina tamin’ny fonenanareo rehetra. (Amosa 4:6)
Ao amin’ireo ohatra ireo ilay mpanoratra dia namerina hevitra iray tamin’ny fomba misy fahasamihafana kely fotsiny. Io teknika io dia afaka manamafy ilay hevitra averimberina sy mampiasa ireo fahasamihafana mba hamaritana na hamelabelarana ilay izy kokoa.
Amin’ny toe-javatra sasany dia mampiasa teny mitovy ireo fehezan-teny roa mirazotra mba hampitana hevitra mifanohitra, tahaka ity ohatra ity:
Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy;
fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. (Ohabolana 15:1)
Tsy kisendrasendra io karazana endrika mirazotra io. Ninian’ny mpanoratra natao izany. Nanampy azy ireo izany haneho fahatsapana na fahamarinana ara-panahy tamin-kery sy hatsarana. Ka rehefa mahatsikaritra fimirazotra ao amin’ny asasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha ianao, dia manontania tena hoe ahoana no hanampian’izany anao hahatakatra ny hafatry ny mpanoratra. Ohatra, inona no mety ho nezahin’i Isaia nolazaina rehefa nampifandray ny “hery” tamin’ny “fitafiana tsara tarehy” izy, sy i “Ziona” tamin’i “Jerosalema”? (Isaia 52:1). Inona no azontsika tsoahina avy amin’ilay andian-teny hoe “famaliana mora” raha fantatsika fa “teny maharary” no mifanohitra aminy? (Ohabolana 15:1).
He Restoreth My Soul (Mamelombelona ny fanahiko Izy),, nataon’i Walter Rane
Tononkalo Hebreo toy ny namana vaovao
Ny olona sasany dia mampitaha ny famakiana tononkalo amin’ny fihaonana amin’ny olona vaovao iray. Ny famakiana tononkalon’ny Testamenta Taloha, dia mety hitovy amin’ny fihaonana amin’ny olona iray avy any amin’ny firenena lavitra iray sy kolontsaina vahiny izay miteny amin’ny fiteny hafa amin’ny antsika—izay efa ho roa arivo taona mahery eo. Azo antoka fa hilaza zavatra tsy azontsika io olona io amin’ny voalohany, saingy tsy midika akory izany fa tsy manana zavatra manan-danja holazaina antsika izy. Mila mandany fotoana miaraka aminy fotsiny isika, miezaka mahatakatra ny zava-misy amin’ny fomba fijeriny. Mety ho fantatsika fa raha ny marina dia mifankahazo tsara mihitsy isika ao am-pontsika. Ary raha maneho faharetana sy fangorahana isika dia afaka ny ho lasa namana malala ilay olom-pantatra vaovao amin’ny farany.
Koa rehefa mamaky andinin-tsoratra masina ao amin’ny Isaia ianao ohatra, dia raiso ho toy ny fampifankahafantarana anao amin’ny olona vaovao iray izany. Manontania tena hoe: “Inona no tsapako amin’ny ankapobeny?” Inona no tsapanao avy amin’ilay andinin-tsoratra masina, na dia tsy takatrao daholo aza ny teny rehetra? Dia vakio indray ilay izy avy eo, ataovy imbetsaka raha azo atao. Hevero ny hamaky mafy izany. Mahatakatra zavatra misimisy kokoa ny olona sasany amin’izany fomba izany. Jereo ireo teny voafaritra manokana nampiasain’i Isaia, indrindra fa ireo teny mahatonga anao hahita sarisary ao an-tsainao. Inona no tsapanao avy amin’ireo sary ireo? Inona no tian’izany holazaina momba ny zavatra tsapan’i Isaia? Arakaraka ny handalinanao ny tenin’ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha ireo no hahitanao fa ninian’izy ireo nosafidiana ireo teny sy teknika nampiasainy mba hilazana hafatra ara-panahy lalina iray.
Afaka ny ho namana mahafinaritra ny tononkalo satria manampy antsika hahatakatra ny zavatra tsapantsika sy iainantsika. Sarobidy indrindra ireo tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha satria manampy antsika izy ireny hahatakatra ireo fahatsapantsika sy zavatra niainantsika manan-danja indrindra, ireo izay mahakasika ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.
Rehefa mandalina ny tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha ianao, dia tadidio fa faran’izay manan-danja ny fandalinana soratra masina rehefa mitarika antsika mankany amin’i Jesoa Kristy. Tadiavo ireo teny misy hevitra ara-tandindona, sarin-teny, ary fahamarinana izay mampiorina ny finoanao Azy. Henoy ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ianao.
Literatioram-pahendrena
Sokajin-tononkalo iray ao amin’ny Testamenta Taloha ilay antsoin’ny manam-pahaizana hoe “literatioram-pahendrena.” Tafiditra ao anatin’izany sokajy izany ny Joba, Ohabolana, ary ny Mpitoriteny. Raha milaza fahatsapana fiderana ny Salamo, fanehoana alahelo, ary fitsaohana, ny literatioram-pahendrena kosa dia mifantoka amin’ireo torohevitra tsy tontan’ny ela na fanontaniana lalina ara-potodrafi-kevitra. Ny bokin’i Joba ohatra, dia mamakafaka ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny antony mahatonga ny fijalian’ny olona. Ny Ohabolana dia manolotra torohevitra mikasika ny fomba tokony hiainana tsara, isan’izany ireo oha-pitenenana misy fananarana feno fahendrena izay nangonina sy nampitampitaina avy amin’ireo taranaka tany aloha. Ary ny Mpitoriteny dia mampandinika ny tanjon’ny fiainana mihitsy, hoe rehefa toa mandalo sy kisendrasendra fotsiny ny zavatra rehetra, dia aiza no ahitantsika zavatra tena manan-danja eo amin’ny fiainana? Azonareo atao ny mandray ny literatioram-pahendrena ho toy ny resadresaka voasaina tsara atao amin’ireo mpanoro hevitra notaomim-panahy izay te hizara fomba fijery momba an’ Andriamanitra sy ny tontolo izay nohariany, ary izany dia mety hanampy anao hahatakatra kokoa ireo zavatra ireo noho ny teo aloha.