“24–30 aogositra. -Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko-: Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“24–30 aogositra. -Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Saving That Which Is Lost [Mamonjy ilay very], nataon’i Michael Malm
24–30 aogositra: “Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko”
Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86
Nizara fahatsapana lalina an’ny tena manokana tao amin’ny tononkalon’izy ireo ireo mpanoratra ny Salamo. Nanoratra mikasika ny fahatsapana ho kivy, matahotra, ary latsa-panenenana izy ireo. Nisy fotoana aza izy ireo nahatsapa ho navelan’ Andriamanitra irery, ary naneho fahatsapana fahadisoam-panantenana na fahakiviana ireo salamo sasany. Raha efa nanana fahatsapana tahaka ireo ianao, dia afaka hanampy anao ny famakiana ireo Salamo fa tsy ianao irery no tahaka izany. Fa ho hitanao ihany koa fa ny salamo dia afaka hankahery anao rehefa manana fahatsapana toy izany ianao, satria ireo mpanoratra salamo dia nidera ihany koa ny Tompo noho ny hatsarany, talanjona tamin’ny heriny, ary nifaly tamin’ny famindram-pony. Fantatr’izy ireo fa vesaran’ny faharatsiana sy ny fahotana isika, fa ny Tompo nefa dia “tsara sady mamela heloka” (Salamo 86:5). Takatr’izy ireo fa ny hoe mino ny Tompo dia tsy midika hoe tsy hitolona amin’ny tebiteby na ny fahotana na ny tahotra mihitsy ianao. Midika izany fa fantatrao hoe any amin’ Iza ianao no tokony hitady fanampiana rehefa misedra izany.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Salamo 49; 62:5–12
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no ahatongavan’ny fanavotana.
Ny Salamo 49 dia manana hafatra ho an’ny “ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo” (andininy 2). Inona io hafatra io raha ny hevitrao? Inona no tsapanao fa hanatevenan’ny Salamo 62:5–12 an’io hafatra io?
Ny famakiana ireo salamo ireo dia mety hitaona anao hisaintsaina ireo fomba hakana fanahy antsika hatoky zavatra hafa ankoatra an’ Andriamanitra mba hahazoana fanavotana (jereo ny Salamo 49:6–7). Manova ny fiainanao amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona anananao “Fa Andriamanitra … hamonjy ny [ainao] amin’ny herin’ny fiainan-tsi-hita”? (Salamo 49:15).
Salamo 51; 85–86
Noho ny famindram-pon’ny Mpamonjy dia afaka ny ho voavela heloka aho.
Nanoratra ny Salamo 51 i Davida Mpanjaka rehefa fantany fa nila mafy famelan-keloka izy—zavatra izay ilaintsika rehetra. Andininy inona avy no mamariparitra fahatsapana nanananao? Inona no hitanao ao amin’io salamo io izay manome fanantenana anao hahazo famelan-keloka?
Azonao atao ihany koa ny mikaroka ireo fanoroana momba ny dikan’ny hoe mibebaka ao amin’ny Salamo 51. Ataovy lisitra ny zavatra hitanao. Jereo raha misy zavatra azonao anampiana ny lisitra nataonao amin’ny alalan’ny fanaovana fikarohana ao amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika” (Liahona, mey 2019, 67–69).
Ahoana no hamaritanao hoe manao ahoana izany mahazo famelan-keloka amin’ny alalan’i Kristy izany? Raha mila fanampiana ianao amin’ny famaritana ny zavatra tsapanao dia azonao atao ny mijery ao amin’ny Salamo 51:1–2, 7–12; 85:2–9. Ny olona sasany dia tia manao sary na mitady sary mba hilazana ny zavatra tsapany. Azonao andramana izany. Azonao atao koa ny mihira na mihaino fihirana iray momba ny Mpamonjy, toy ny “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44).
Raha hibebaka dia tsy vitan’ny hoe mila mino fotsiny isika fa afaka manadio antsika i Jesoa Kristy fa mila mino koa fa tena hanao izany Izy. Inona no hitanao ao amin’ny Salamo 86:5, 13, 15 izay izay manampy anao hahafantatra fa sady afaka mamela heloka ny Mpamonjy no vonona ny hamela heloka koa?
Jereo koa ny Almà 36; Peter F. Meurs, “Afaka manasitrana ahy Izy!,” Liahona, mey 2023, 39–41.
Salamo 51:13–15; 66:5–20; 71:15–24
Afaka manampy ny hafa hankany amin’i Jesoa Kristy ny fijoroana ho vavolombelona ananako.
Saintsaino ny fomba nahazoanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra. Avy eo, rehefa mandalina ny Salamo 51:13–15; 66:5–20; 71:15–24 ianao dia eritrereto ny fomba azonao hanasana ny hafa hoe “Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra” (Salamo 66:5). Raha toa ianao ka “[hilaza] izay natao[n’ny Tompo] ho an’ny fanahi[nao]” (Salamo 66:16), dia inona no holazainao?
Midika inona aminao izany hoe “[m]itory ny fahamarina[ny] mandrakariva” izany? (Salamo 71:24).
Jereo ihany koa ny Almà 26.
“Avia mihainoa, … fa holazaiko izay nataon’ [Andriamanitra] ho an’ny fanahiko” (Salamo 66:16).
Salamo 63; 69; 77–78
Hanampy ahy mandritra ny fotoana ilako fanampiana ny Tompo.
Salamo maro no mamariparitra ny hoe manao ahoana izany mahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra sy mila mafy ny fanampiany izany (jereo ny Salamo 63:1, 8; 69:1–8, 18–21; 77:1–9). Inona tao amin’ny Salamo 63; 69; 77–78 no hitanao fa nanome toky indray ireo mpanoratra salamo?
Rehefa ory ianao, dia ahoana no hanampian’izany anao “[hahatsiaro] ny asan’i Jehovah” sy ny “fahagagana natao[ny] fony taloha”? (Salamo 77:11). Ny sasany amin’ireo fahagagana ireo dia voafariparitra ao amin’ny Salamo 78. Eo am-pamakianao mikasika azy ireny dia saintsaino ny zavatra manampy anao “hametraka ny fanantena[nao] amin’ Andriamanitra” (andininy 7).
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Satria alahady fahadimin’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihana ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba hampiasa ireo sahanasa enti-mianatra ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”
Salamo 51; 86:5, 13, 15
Rehefa manao safidy ratsy aho dia afaka manampy ahy hiova i Jesoa.
-
Mba hanampiana ny zanakao hahita fahamarinana momba ny fibebahana ao amin’ny Salamo 51, dia afaka manao sarina fo lehibe iray ianao. Avy eo dia azonao atao ny manampy ny zanakao hanoratra ao anatin’ilay fo ireo zavatra ratsy hakan’i Satana fanahy antsika mba hataontsika. Ahoana no hanaisorantsika ireo zavatra ireo ao am-pontsika? Angataho ny zanakao hitady ny teny hoe “fo” ao amin’ny Salamo 51:10, 17. Resaho ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fibebahana. Avelao ny zanakao hamafa ireo teny ao anatin’ilay fo ary hanoratra teny vaovao izay milazalaza ireo fomba ahafahan’i Jesoa manova antsika rehefa mibebaka isika.
-
Azonao atao ny manampy ny zanakao hianatra ny dikan’ny hoe manana “fanahy torotoro sy mangorakoraka” (Salamo 51:17). Afaka mifandimby izy ireo hamaky zavatra misy akorany mafy iray toy ny atody na noix. Azonao atao ny manampy azy ireo hampitaha ilay akoran-javatra amin’ireo zavatra izay manakana antsika tsy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra. Ahoana no ahafahantsika manokatra ny fontsika Aminy?
-
Azonareo atao ihany koa ny miara-mijery sarin’ny Mpamonjy ary manontany ny zanakao ny teny izay ho ampiasain’izy ireo mba hamaritana Azy. Asao izy ireo hitady teny izay manoritsoritra Azy ao amin’ny Salamo 86:5, 13, 15. Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ireo zavatra momba Azy ireo?
Salamo 61:2–3
I Jesoa Kristy no vatolampiko.
-
Mety ho tian’ny zanakao ny hanao ny sarin’ireo fanehoana an’ohatra ao amin’ny Salamo 61:2–3. Inona no mampitovy an’i Jesoa Kristy amin’ny “vatolampy” avo (andininy 2), ny “aro,” ary ny “tilikambo” mafy? (andininy 3).
“Aroko Hianao sy tilikambo mafy” (Salamo 61:3).
Salamo 66:16; 77:11; 78:6–7
“Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho.”
-
Angataho ny zanakao hizara ny sasany amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina tian’izy ireo indrindra (mety hanampy ireo sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Inona no ampianarin’ireo tantara ireo antsika momba ny Tompo? Azonareo atao ny miara-mamaky ny Salamo 66:16 ary mifandimby mamaly ilay fanontaniana hoe “Inona no nataon’ny Tompo ho an’ny fanahiko”?
-
Rehefa miara-mamaky ny Salamo 77:11; 78:6–7 ianareo dia azonareo atao ny mifampizara ny fomba hiezahanareo “[m]ampahatsiaro ny asan’i Jehovah” (Salamo77:11), anisan’izany ny asany eo amin’ny fiainanareo. Ahoana no hanampian’ny fanasan’ny Tompo antsika “hahatsiaro Azy mandrakariva”? (Môrônia 4:3; 5:2).
Salamo 71:8
Afaka miresaka amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy aho.
-
Rehefa avy mamaky ny Salamo 71:8 miaraka amin’ny zanakao ianao dia asao izy ireo hanao sarina vava lehibe. Asao izy ireo hanampy anao hameno ilay vava amin’ny sary na teny izay maneho zavatra azontsika lazaina amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy.
-
Azonao atao ny mampitampita sarin’i Jesoa Kristy amin’ny tsirairay. Ilay olona mihazona ilay sary dia afaka milaza zavatra iray fantatr’izy ireo momba Azy. Ahoana no afahantsika manampy ny olona hafa hahafantatra momba ireo zavatra ireo?
Manan-javatra maro hozaraina ny ankizy. “Rehefa mianatra zavatra vaovao ny ankizy iray dia mazava ho azy fa te hizara izany amin’ny hafa izy ireo. Ampitomboy io faniriana io amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana ireo ankizy hifampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara sy hampianatra izany amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ny namany. Angataho koa izy ireo hizara aminao ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ary ny zavatra niainany izay mifandray amin’ireo fitsipika ampianarinao. Ho hitanao fa manana hevi-baovao izay tsotra sy madio ary mafonja izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32).
Salamo 86:7
Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.
-
Maro amin’ireo salamo no toy ny vavaka atao amin’ Andriamanitra. Rehefa mamaky ny Salamo miaraka amin’ny zanakao ianao dia azonao atao ny mampiseho azy ireo zavatra azontsika ampiasaina mba hifandraisana amin’ireo olona lavitra antsika, toy ny telefaonina na ny taratasy. Avy eo dia vakio ny Salamo 86:7. Ahoana no fomba hiantsoantsika ny Ray any An-danitra? Amin’ny fomba ahoana no hamaliany antsika?
-
Afaka miara-mihira hira iray momba ny vavaka ianareo, toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7; jereo koa ny Susan H. Porter, “Eny, mivavaha,” Liahona, mey 2024, 77–79). Mifampitantarà ireo fotoana namalian’ Andriamanitra ny vavakareo.
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.
Come unto Christ (Manatòna an’i Kristy), nataon’i Casey Childs