“10–16 aogositra. -Mbola hanantena Azy ihany aho-: Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“10–16 aogositra. -Mbola hanantena Azy ihany aho,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
The Judgments of Job [Ny fitsarana an’i Joba], nataon’i Joseph Brickey
10–16 aogositra: “Mbola hanantena Azy ihany aho”
Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42
Tsy hafahafa akory ny mametra-panontaniana hoe nahoana no misy zavatra ratsy mitranga amin’ny olona tsara, ary tsy hafahafa toy izany koa ny mametra-panontaniana hoe nahoana no misy zavatra tsara mitranga amin’ny olona ratsy. Fa nahoana Andriamanitra, izay marina, no mamela izany hisy? Mamakafaka fanontaniana tahaka ireo ny bokin’i Joba. I Joba dia iray tamin’ireo olona tsara ireo izay nitrangana zavatra ratsy maro. Noho ireo fitsapana nanjo an’i Joba dia nanontany tena ireo namany raha tena olona tsara marina izy. Nanambara ny fahamarinany manokana i Joba ary nanontany tena raha tena mandala ny rariny tokoa Andriamanitra. Saingy na dia teo aza ny fijaliany sy ny fametrahany fanontaniana, dia nihazona ny fahamarinany sy ny finoany an’i Jesoa Kristy hatrany i Joba. Ao amin’ny bokin’i Joba dia hametrahana fisalasalana sy sedraina ny finoana, saingy tsy tena hafoy tanteraka izany mihitsy. Tsy midika akory izany fa voavaly daholo ireo fanontaniana. Saingy ny bokin’i Joba dia mampianatra fa mandrapahazoana ny valin’izy ireny, dia afaka sady misy ny fananana fanontaniana no manam-pinoana ny olona iray. Ary na inona na inona mitranga eny antsefantsefany eny, dia afaka milaza izao momba ny Tompontsika isika hoe: “Mbola hanantena Azy ihany aho” (Joba 13:15).
Raha hanao topimaso ny bokin’i Joba dia jereo ny “Joba” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (Médiathèque de l’Évangile).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Joba 1–3; 12–13
Afaka matoky an’ Andriamanitra amin’ny toe-javatra misy rehetra aho.
Ireo toko fanokafana ny Joba dia manantitrantitra, amin’ny endrika tononkalo, ny anjara asan’i Satana amin’ny maha-fahavalo na mpiampanga antsika azy. Tsy fanoritsoritana fifaneraserana tena nisy teo amin’ Andriamanitra sy i Satana izany. Rehefa mamaky ny zavatra nolazain’i Satana momba an’i Joba ianao (jereo ny Joba 1:9–11; 2:4–5), dia mety hanontany tena ianao hoe: “Nahoana aho no mijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitra?” Nahoana no mampidi-doza ny mankatò ny Tompo noho ireo antony naroson’i Satana fotsiny?
Inona no manan-danja aminao amin’ny fomba namalian’i Joba ireo fitsapana nolalovany? (jereo ny Joba 1:20–22; 2:9–10).
Nilaza ireo naman’i Joba fa nanafay azy Andriamanitra (jereo ny Joba 4–5; 8; 11). Inona avy no olana hitanao momba io fiheverana io? Vakio ny valin-teny nomen’i Joba ao amin’ny toko 12–13. Inona no fantatr’i Joba momba an’ Andriamanitra ka nahatonga azy ho afaka nanohy natoky hatrany? Inona no fantatrao momba an’ Andriamanitra ka manampy anao hiatrika ireo olanao?
Joba 19
I Jesoa Kristy no Mpanavotra ahy.
Indraindray isika dia mianatra ireo fahamarinana manan-danja indrindra mandritra ireo fotoan-tsarotra indrindra lalovantsika. Saintsaino ireo fitsapana nofariparitan’i Joba ao amin’ny Joba 19:1–22 sy ireo fahamarinana nambarany ao amin’ny andininy 23–27. Ahoana no ahafantaranao fa velona ny Mpanavotra anao? Inona no fiovana entin’io fahalalana io eo amin’ny fiainanao?
Hevero ny hihira na hihaino fihirana momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76). Teny inona avy ao amin’io hira io no maneho ny zavatra tsapanao momba Azy?
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–12, 122.
Joba 21–24
“Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.”
Hamaky ady hevitra teo amin’i Joba sy ireo namany ianao ao amin’ny Joba 21–24. Fanontaniana iray efa napetraky ny olona maro no nifantohan’io ady hevitra io hoe: Nahoana ny olo-marina no mijaly indraindray?
Na dia tsy manana ny valiny rehetra aza isika dia manana fahamarinana vitsivitsy isika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, izay afaka manampy antsika hahatakatra ny antom-pisian’ny fahoriana sy ny fijaliana. Ireto ambany ireto misy soratra masin’ny andro farany izay ahitana ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo. Inona no ampianarin’ireto soratra masina ireto anao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny?
Azonao vakina ihany koa ny fampianaran’ny Filoha Spencer W. Kimball momba ny fahoriana ao amin’ny “Tragédie ou destin?” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2011]), 11–21).
Raha miainga avy amin’ny zavatra nohalalininao dia ahoana no mety hamalianao fanontaniana iray toy ny hoe “Nahoana Andriamanitra no mamela ny olo-marina hijaly?”
Calm and Stars [Fitoniana sy kintana], nataon’i Yongsung Kim. Sary nahazoana lalana avy tamin’ny Havenlight.com
Joba 38–40; 42
Lehibe noho ny ahy ny fomba fijerin’ Andriamanitra.
Rehefa sorena tamin’ny fiampangana nataon’ireo namany (jereo ny Joba 16:1–5; 19:1–3) i Joba dia namerimberina nanontany an’ Andriamanitra ny antony tsy maintsy nijaliany mafy toy izany (jereo ny Joba 19:6–7; 23:1–9; 31). Tsy nanome antony mazava tao amin’ny bokin’i Joba ny Tompo. Kanefa nampianatra hafatra manan-danja Izy tao amin’ny toko 38–40. Ahoana no hamintinanao io hafatra io? Ohatra hoe, inona no ianaranao avy amin’ireo fanontanian’ny Tompo ao amin’ny Joba 38:1–7, 18–24?
Hotsikaritrao fa niresaka tamin’i Joba momba ny zavatra sasany nohariany sy ireo asany lehibe hafa ny Tompo (jereo ny Joba 38–39). Azonao atao ny mijery ny sasany amin’ireo zavatra nohariana ireo (na sarin’izy ireo). Ahoana no hanampian’ireo zavatra ireo anao hieritreritra an’ Andriamanitra amin’ny fomba hafa? hieritreritra ny fitsapana lalovanao amin’ny fomba hafa? Ahoana no nanovan’izy ireny ny fomba fijerin’i Joba? (jereo ny Joba 42:1–6; jereo koa ny Mosesy 1:8–10).
Ireto misy hafatra roa avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay afaka manampy hanovana ny fomba fijerintsika: Tamara W. Runia, “Mahita ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny fomba fijery ankapobeny” (Liahona, nôv. 2023, 62–69); Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!” (Liahona, nôv. 2023, 117–20). Tadiavo ao amin’izay tianao amin’ireo hafatra ireo ny zavatra izay tianao hotadidiana amin’ny fotoana manaraka izay ahitanao fa toa handifotra anao ireo fitsapana lalovanao. Ahoana no hampahatsiahivanao ny tenanao izay zavatra nianaranao?
Manàna toe-tsaina tia mamorona. Tsy voatery hoe ny famakian-teny sy ny fieritreretana ary ny firesadresahana ihany no mandrafitra ny fianarana. Indraindray dia azo avy amin’ny fomba maro hampiasam-batana ny fianarana tsy hay hadinoana indrindra. Ohatra, rehefa mamaky momba ny fomba nanovan’ny Tompo ny fomba fijerin’i Joba ianao ao amin’ny Joba 38–40, dia azonao atao ny mandehandeha sy mijery ny sasany amin’ireo zavatra noharian’ny Tompo, na lehibe izany na kely. Na azonao atao ny mijery zavatra iray avy amin’ny fomba fijery sy lafy maro samy hafa—avy eo ambony, eo ambany, manakaiky, lavitra, sns.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Joba 1–2; 12; 19
Hanampy ahy mandritra ny fotoan-tsarotra ny finoana an’i Jesoa Kristy.
-
Amporisiho ny zanakao hitantara aminao ny zavatra fantany momba an’i Joba. Raha mila fanampiana izy ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hijery ny Joba 1:1, 13–22; 2:7–10 na ny “Joba” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 145–47). Inona no nasetrin’i Joba ireo olana? (jereo ny Joba 1:21; 2:10).
1:55Job
-
Nahatoky i Joba tao anatin’ireo olany noho ny zavatra fantany momba ny Tompo. Azonao sy ny zanakao atao angamba ny mijery ny sarin’i Jesoa Kristy mifanerasera amin’ny olona hafa (toy ilay iray etsy ambany na ireo sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Resaho ny zavatra fantatrao momba Azy sy ny hoe toy ny ahoana Izy. Ireto misy andininy vitsivitsy izay mampiseho ny zavatra fantatr’i Joba momba ny Tompo: Joba 12:10, 13, 16; 19:25–27. Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ireo zavatra momba Azy ireo?
He Healed Them All (Nositraniny avokoa izy rehetra), nataon’i Michael Malm
Joba 14:14
Noho i Jesoa Kristy dia ho velona indray aho aorian’ny fahafatesako.
-
Nametraka fanontaniana iray manan-danja i Joba ao amin’ny Joba 14:14. Angamba afaka mifandimby mizara ny fomba ho namalianareo an’i Joba ianao sy ny zanakao. Azonareo atao ny mitady hevitra ao amin’ny Almà 11:42–44, ao amin’ny horonan-tsary “#GrâceÀLui, Un message de Pâques plein d’espoir et de triomphe” (Médiathèque de l’Évangile), na ao amin’ny hira iray momba ny Fitsanganana amin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45).
#BECAUSEofHIM: An Easter Message of Hope and Triumph
Joba 16:1–5; 22:5
Ny mpinamana tsara dia mifanohana sy mifampahery.
-
Rehefa nalahelo i Joba, dia nilaza ireo namany fa nosazian’ Andriamanitra izy satria nanota (jereo ny Joba 22:5). Raha toa ka naman’i Joba isika dia ahoana no fomba hiezahantsika manampy azy? Ahoana no ahafahan’ny tenintsika manampy ny hafa rehefa malahelo izy ireo? (jereo ny Joba 16:5). Hevero ny hampiseho ny iray na ny maromaro amin’ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo ianareo.
-
Angataho ny zanakao hitanisa toetra tsara vitsivitsy ananan’ny namana tsara ary hilaza anarana namana iray izay manana ireo toetra ireo. Avy eo dia afaka mijery sarin’i Jesoa Kristy ianareo. Ahoana avy no maha-namana tsara ho antsika tsirairay avy an’i Jesoa? Mety hieritreritra olona izay mandalo fotoan-tsarotra ianao. Manaova drafitra ny amin’ny fomba haha-namana tahaka an’i Kristy anao ho azy ireo.
Joba 19:23–27
I Jesoa Kristy no Mpanavotra ahy.
-
Rehefa avy mamaky ny Joba 19:23–27 ianao sy ny zanakao dia azonareo atao ny miresaka momba ny fomba ahafantaranareo fa velona ny Mpanavotra antsika. Afaka miara-miasa ianareo mba hanoratra ny fijoroana ho vavolombelona anananareo (na ny sarin’ny Mpamonjy natao tanana) ao anaty boky iray (jereo ny andininy 23).
-
Azonareo atao koa ny mihira hira iray izay mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, toy ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy,, lah. 76). Mizarà andian-teny avy ao amin’ilay hira izay manamafy orina ny finoanareo Azy. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa velona i Jesoa Kristy?
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.