“3–9 aogositra. -Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao-: Estera” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“3–9 aogositra. -Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Queen Esther Saves Jehovah’s People [Namonjy ny vahoakan’i Jehovah i Estera], nataon’i Sam Lawlor
3–9 aogositra: “Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao”
Estera
Trangan-javatra maro ao amin’ny bokin’i Estera no mety ho toy ny kisendrasendra na fifandrifian-javatra. Ahoana no fomba hafa azonao hanazavana ny fomba nahalasa mpanjakavavin’i Persia ny zazavavy Jiosy kamboty iray tamin’ny fotoana nampety izany indrindra mba hanavotana ny vahoakany tamin’ny famonoana ho faty? Im-piry teo amin’ny fiainany no mety ho nahafahan’i Mordekay izay zanaky ny dadatoan’i Estera nahare tampoka ny fisian’ny teti-dratsy hamono ny mpanjaka? Fifandrifian-javatra fotsiny ve izany sa isan’ny drafitr’ Andriamanitra? Hoy ny Loholona Ronald A. Rasband: “Izay miseho ho toy ny vintana kisendrasendra, raha ny marina, dia voaramason’ny Ray any An-danitra be fitiavana … Ny Tompo dia mijery ireo antsipirin-javatra bitika eo amin’ny fiainantsika” (“Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 56). Mety tsy hahatsikaritra foana ny fitaomana avy amin’ny Tompo ao anatin’ireo “antsipirian-javatra bitika” ireo isika. Kanefa ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Estera fa afaka mitarika ny lalantsika Izy ary manomana antsika amin’ny andro toy izany (Estera 4:14) rehefa afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanany isika mba hanatanteraka ireo asany.
Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Estera dia jereo ny “Estera” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Estera
Mametraka ahy ao anatina toe-javatra izay ahafahako mitahy ny hafa ny Tompo.
Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fa isika tsirairay dia “mijoro eo amin’ny toerany manokana avy ary manana anjara andraikitra manokana izay [isika] ihany no afaka manao izany. … Ny Tompo dia nanolotra anao izany andraikitrao izany noho ny antony manokana. Mety misy olona sy fo izay ianao ihany no afaka ny hanampy sy hahakasika azy ireo. Angamba mety tsy hisy olona hahavita izany toy ny mety hanaovanao azy” (“Hampiakaro avo izay eo amin’ny tandrify anao,” Liahona, nôv. 2008, 56).
Eo am-pamakianao ny tantaran’i Estera dia saintsaino ny fomba iharan’io teny nambara io aminy. Tadiavo ireo fomba nanampian’ny Tompo azy ho afaka nanavotra ny Jiosy (jereo ohatra ny Estera 2:21–23; 3:10–14; 4:14–16). Dia saintsaino avy eo ny fomba nanomezany fahafahana anao hitahy ny hafa. Inona avy ireo toe-javatra misy na fifandraisana izay nitarihany anao “ho amin’ [ny andro toy] izao mihitsy”? (Estera 4:14). Raha manana tsodranon’ny patriarika ianao dia hevero ny hamaky izany mba hamantaranao kokoa ny asa asain’ny Tompo ataonao. Inona no azonao atao mba hanatanterahana io asa io?
ChurchofJesusChrist.org.
For Such a Time as This
Mianatra bebe kokoa isika rehefa manao zavatra raha oharina amin’ny hoe mihaino fotsiny ihany. Nanoro hevitra ireo mpampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Tsy tokony hoe -Inona no holazaiko azy ireo?- no zavatra kasaintsika.” Fa ny fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika kosa dia ny hoe -Inona no zavatra azoko angatahina amin’izy ireo mba hataon’izy ireo? Inona avy ireo fanontaniana tsara azoko apetraka izay hanomboka hanasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainan’izy ireo, raha vonona ny hamaly izy ireo?-” (ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25). Raha mampianatra ny fianakavianao ianao na mampianatra kilasy iray momba an’i Estera, dia inona no azonao angatahina mba hataon’izy ireo ka hanampy azy ireo hianatra?
“Rehefa nahita i Hamana fa Mordekay tsy mba nety … niankohoka … dia tezitra loatra izy” (Estera 3:5).
Estera 3; 5:9–14; 7
Afaka mitondra mankany amin’ny faharavana ny avonavona sy ny hatezerana.
Mianatra avy amin’ny fahatokian’i Estera sy i Mordekay isika ao amin’ny bokin’i Estera, fa mianatra ihany koa avy amin’ny avonavona sy ny hatezeran’i Hamana. Rehefa mamaky ny Estera 3; 5:9–14 ianao dia jereo tsara ny zavatra tsapan’i Hamana sy ny teniny ary ny zavatra nataony. Inona no ambaran’izy ireo mikasika azy sy ireo zavatra mamporisika azy? Inona avy ireo vokatr’izany izay nihatra taminy? (jereo ny Estera 7). Mety hitaona anao hanombantombana ny zavatra manosika ireo zavatra tsapanao sy ny zavatra ataonao ny famakiana mikasika an’i Hamana. Mitaona anao hanova zavatra ve ny Fanahy? Ahoana no ahafahanao miantehitra amin’ny Ray any An-danitra mba hahazoana fanampiana?
Jereo koa ny Ohabolana 16:32; Almà 5:28.
Estera 3–4; 5:2–3; 8:11–12
Ny fifadian-kanina dia mampiseho fa matoky sy miantehitra amin’ny Tompo aho.
Jereo ny antony nahatonga an’i Estera sy ny Jiosy sisa hifady hanina (jereo ny Estera 3:13; 4:1–3, 10–17). Ahoana no nitahian’ny fifadian-kanina azy ireo? (jereo ny Estera 5:2–3; 8:11–12). Nahoana isika no asain’ny Tompo mifady hanina? Eritrereto ny fomba ahafahanao manao izay hahatonga ny fifadian-kanina ho fitahiana lehibe kokoa eo amin’ny fiainanao.
Jereo koa ny Isaia 58:6–12ChurchofJesusChrist.org.
Fasting: Young Single Adult Ward, Amanda
Estera 3:1–11; 4:10–17; 5:1–4; 9:17–19
Mitaky herim-po lehibe kokoa matetika ny fanaovana zavatra tsara.
Rehefa niaro ny finoany sy ny vahoakany i Mordekay sy i Estera dia nampidi-doza ny ainy izy ireo. Mety ho tsy dia goavana toy izany ny vokatry ny safidy ataontsika, kanefa ny fanaovana ny tsara dia mety mbola mitaky herim-po. Inona no ianaranao avy amin’ny Estera 3:1–4; 4:10–17 momba ny fananana herim-po hanao ny marina? Jereo ireo vokany hafa nihatra tamin’i Mordekay sy i Estera rehefa avy naneho herim-po izy ireo (jereo ny Estera 3:5–11; 5:1–4). Nila nahafantatra inona momba an’ Andriamanitra i Estera sy i Mordekay mba hanaovana ireo safidy nataony?
Eritrereto ireo toe-javatra izay nilanao herim-po hijoro amin’ny marina. Inona no ianaranao avy amin’i Estera sy i Mordekay izay afaka manampy anao hanana herim-po ao amin’ny Tompo?
Ny herim-pon’i Estera dia nitarika ho amin’ny “andro mahafaly” (jereo ny Estera 9:17–19). Nanome anao “andro mahafaly” tamin’ny fomba ahoana ny herim-po tahaka ny an’i Kristy?
Jereo ihany koa ny “Courage,” “Ne craignez pas d’être seul” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; “Vas-tu faiblir, ô jeunesse,” Cantiques, no. 164.
Courage
Dare to Stand Alone
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Estera 2:5–7
Afaka manompo ny fianakaviako aho.
-
Mety hahatsapa ho taomim-panahy ianao hampiasa ny Estera 2:7 mba hampianarana ny zanakao momba ny fanampiana ireo olona sahirana ao amin’ny fianakaviana, tahaka ny nataon’i Mordekay ho an’i Estera. Azonareo atao ny miara-mamaky ilay andininy na mamintina izany amin’ny teninareo manokana. Avy eo ianao sy ny zanakao dia afaka mieritreritra olona ao amin’ny fianakaviana izay mety mila ny fanampianareo. Manaova drafitra hanampiana azy ireo.
Estera 3:1–11; 4:10–17
Afaka manampy ahy ho be herim-po ny Tompo.
-
Ny ohatra nasehon’i Estera sy i Mordekay dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra fa ny fananana herim-po lehibe dia midika hoe manao ny marina ianao na dia matahotra aza. Hevero ny hanoratra ireo andian-teny hoe Be herim-po i Mordekay rehefa … ary be herim-po i Estera rehefa … . Rehefa miara-mianatra ny tantaran’i Estera ianareo dia afaka manolotra fomba hamenoana ireo fehezan-teny ireo ny zanakao. Azonareo vakina ny Estera 3:1–11; 4:10–17 na ny “Estera Mpanjakavavy” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 166–70) na jereo ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity. Avy eo dia soraty hoe Ho be herim-po aho amin’ny alalan’ny … , ary asao ireo ankizy hitanisa ireo zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataon’izy ireo izay mitaky herim-po. Afaka manampy ny hira iray momba ny herim-po, toy ny “Sahia manao izay tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 80).
2:45Queen Esther
-
Lazao amin’ireo ankizy ny fotoana izay naha-be herim-po an’i Jesoa Kristy. Ohatra, rehefa nijaly noho ny fahotantsika tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana Izy (jereo ny Matio 26:36–39; 27:33–35). Angataho ny zanakao hizara fotoana iray izay naha-be herim-po azy ireo, ary zarao ihany koa ny zavatra niainanao manokana.
Estera 4:1–3, 10–17
Mitondra ireo fitahian’ny Tompo ny fifadian-kanina.
-
Ny famakiana ny Estera 4:1–3, 10–17 dia afaka manampy anao hampianatra ny zanakao momba ny fifadian-kanina. Nahoana no nifady hanina i Estera sy ny Jiosy? Lazao amin’ny zanakao ny antony hifadianao hanina. Azonao atao ihany koa ny manontany azy ireo ny fomba hanazavany ny fifadian-kanina amin’ny namana iray izay tsy mbola nanao izany mihitsy teo aloha. Ahoana no ahafahantsika manampy ireo namantsika hahatakatra ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fifadian-kanina?
-
Amporisiho ny zanakao hieritreritra zavatra izay mety ilan’izy ireo ny fanampian’ny Tompo. Toroy hevitra izy ireo hanao izany ampahany amin’ny fifadian-kanina izany mandritra ny alahady fifadian-kanina manaraka.
Satria be herim-po i Estera dia afaka nanavotra ny vahoakan’ny Tompo izy.
Estera 4:14
Afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra aho.
-
Ampio ny zanakao hahatakatra fa rehefa natahotra i Estera dia nankahery azy i Mordekay tamin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanampy azy ho lasa mpanjakavavy “ho amin’izao andro izao mihitsy” (Estera 4:14). Inona no tian’i Mordekay holazaina tamin’izany? Mifampiresaha momba ny fomba naha-fitaovana ho an’ny Tompo an’i Estera. Ahoana no ahafahantsika ho fitaovana ho an’ny Tompo?
-
Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hahatakatra ny atao hoe fitaovana? Azonao atao angamba ny manasa olona iray hitendry na handefa hira amin’ny zavamaneno na fitaovana iray fandefasan-kira, na hampiseho sarin’olona iray mampiasa fitaovana. Avy eo ianareo dia afaka miresaka mikasika ny dikan’izany hoe fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra izany.
Raha te hahalala misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.