“31 aogositra–6 septambra. -Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah-”: Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“31 aogositra–6 septambra. -Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Reverential Return [Fiverenana amim-panajana fatratra], nataon’i Kelsy sy i Jesse Lightweave
31 aogositra–6 septambra: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah”
Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150
Ny anarana Jiosy nentim-paharazana ho an’ny bokin’ny Salamo dia hoe Tehillim, izay teny Hebreo iray midika hoe “fiderana.” Izany dia mifandray amin’ilay teny maneho fihetseham-po hoe haleloia (izay midika hoe “derao Jehovah” na “derao ny Tompo”). Raha tsy maintsy misafidy teny iray ianao hamintinana ny hafatra fototra ao amin’ireo Salamo, dia ho safidy tsara ny hoe fiderana. Ny salamo sasany dia mirakitra ilay fanasana mivantana hoe “Miderà an’i Jehovah” (jereo indrindra indrindra ny Salamo 146–50), ary afaka mitaona fanahy hitsaoka sy hidera izy rehetra. Ny Salamo dia manasa antsika hiaiky ny herin’ny Tompo sy ny famindram-pony ary ireo zavatra lehibe nataony. Tsy afaka hanonitra Aminy velively na inona na inona amin’ireo isika, fa afaka midera kosa isika. Izany fiderana izany dia mety hiseho amin’ny endriny samihafa ho an’ny olona samihafa. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fihirana, na ny fivavahana, na ny fijoroana ho vavolombelona. Matetika izany no mitarika ho amin’ny fanoloran-tena lalina kokoa amin’ny Tompo sy ny fanarahana ny fampianarany. Na inona na inona dikan’ny hoe “miderà an’i Jehovah” eo amin’ny fiainanao, dia afaka mahazo fitaomam-panahy ianao hanao izany eo am-pamakianao sy hisaintsainanao ny Salamo.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Salamo 102–3; 116
Afaka mampionona ahy ao anatin’ny fijaliako ny Tompo.
Jereo ny fomba hamariparitan’ny Salamo 102:1–11 ireo fahatsapana tebiteby sy fanirery izay tonga matetika mandritra ireo olana. Efa nanana fahatsapana toy izany angamba ianao na ny olona hafa fantatrao. Eo am-pamakianao ny Salamo 102:12–28; 103; 116, dia mitadiava andian-teny izay manome toky anao “hiantso ny anaran’i Jehovah” ao anatin’ireo fitsapana lalovanao (Salamo 116:13). Mety ho tianao ny hanisy marika, na hanao tsianjery, na hizara amin’ny hafa ireo andian-teny izay mahatonga anao hanantena Azy.
Jereo koa ny Isaia 25:8; Hebreo 2:17–18; Almà 7:11–13; Camille N. Johnson, “I Jesoa Kristy no fanamaivanana,” Liahona, mey 2023, 81–83; “Où pourrais-je chercher?” (Cantiques, no. 68).
Carl Heinrich Bloch (1834–1890), Christ Healing the Sick at Bethesda [I Kristy manasitrana ilay marary tao Betesda], 1883, huile sur toile, 256 x 319 santimetatra. Tranombakoky ny zavakanton’ny Brigham Young University, novidina tamin’ny vola nomen’i Jack R. sy i Mary Lois Wheatley, 2001.
Salamo 110; 118
Nanatanteraka faminaniana avy ao amin’ny Salamo i Jesoa Kristy.
Ny Salamo dia mirakitra andininy maromaro mampifantoka amin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesoa Kristy. Ireto misy ohatra vitsivitsy:
-
Salamo 110:1–4 (jereo ny Matio 22:41–45; Hebreo 5:4–10; 6:20)
-
Salamo 118:22 (jereo ny Matio 21:42; Asan’ny Apostoly 4:10–11; 1 Petera 2:7)
-
Salamo 118:25–26 (jereo ny Matio 21:9)
Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao momba an’i Jesoa Kristy? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra izany momba Azy?
Salamo 119
Hihazona ahy eo amin’ny lalany ny tenin’ Andriamanitra.
Ny Salamo 119 dia ahitana andian-teny maro mampitaha ny fiainantsika amin’ny dia miverina any amin’ny Ray any An-danitra. Eo am-pamakianao izany, dia tadiavo ireo teny toy ny hoe “mandeha”, “lalana”, “tongotra”, ary “mania.” Saintsaino ny dianao manokana eo amin’ny fiainana, taiza no nisy anao, aiza no misy anao izao, ary mihazo mankaiza ny lalanao. Inona no ianaranao avy amin’io salamo io mikasika ny dianao miverina any amin’ny Ray? Inona no nianaranao tamin’ny alalan’ny fijerena ny lalan’ny hafa? Araka io salamo io, dia inona no nomen’ Andriamanitra mba hanampiana anao hijanona eo amin’ny lalany?
Mieritrereta fotoana iray izay nanampian’ny fanarahana lalana na sarintany iray anao ho tody soa aman-tsara tamin’ny dia nataonao. Mampianatra inona anao momba ny fanarahana ny lalan’ Andriamanitra izany zavatra niainana izany?
Miresaka momba ny lalana iray ny Tompo sy ireo mpaminaniny ao amina soratra masina maro hafa. Misy ohatra vitsivitsy ireto eto ambany ireto. Hevero ny handalina ireo andininy ireo sy hanoratra na hizara amin’ny hafa ny zavatra nianaranao.
|
Soratra masina |
Ny zavatra ianarako momba ny lalana mankany amin’ Andriamanitra |
|---|---|
Soratra masina Ohabolana 4:11–19 | |
Soratra masina Matio 7:13–14 | |
Soratra masina | |
Soratra masina | |
Soratra masina | |
Soratra masina |
Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy anao hijanona eo amin’ny lalan’ Andriamanitra?
Inona avy ireo hevi-baovao fanampiny azonao ianarana avy amin’ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity?
“Raha te hahomby ny diantsika eo amin’ny fiainana dia mila manaraka ny fitarihan’ Andriamanitra isika. Hoy ny Tompo: -Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra- [Fotopampianaran sy Fanekempihavanana 6:36]. Ary nanoratra ny mpanao salamo hoe: -Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao- [Salamo 119: 105]. …
“Mandritra ny dianao mandritra ny fiainana dia ho tojo vato misakana maro ianao ary hanao hadisoana. Manampy anao hahafantatra ny lesoka ny torolalana ao amin’ny soratra masina ka hanao ny fanitsiana ilaina. Mitsahatra tsy mandeha amin’ny lalan-diso ianao. Halalininao tsara ny sari-tanin’ny lalana ao amin’ny soratra masina. Avy eo dia miroso amin’ny fibebahana sy ny famerenana amin’ny laoniny takina ianao hiverenana eo amin’ny lalana -ety sy tery mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay- [2 Nefia 31:18]” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, Nov. 2000, 17).
Jereo ihany koa Dieter F. Uchtdorf, “Ilay adala sy ny lalana miverina mody,” Liahona, nôv. 2023, 86–88.
Salamo 134–36
Mahery noho izay mety ho sampy rehetra ny Tompo.
Jereo ireo antony nomena ao amin’ny Salamo 135:15–18 mikasika ny maha-hadalàna ny fametrahana fitokisana amin’ireo andriamanitra sandoka. Inona no zavatra mitovy amin’ny sampy izay mety hahatonga anao alaim-panahy hitoky amin’izany? Azonao atao lisitra ireo zavatra azon’ny Tompo atao, tahaka ny nataon’ireo mpanao salamo ao amin’ny Salamo 134–36. Inona avy ireo zavatra mahatalanjona nataony ho anao?
Salamo 139
Mahafantatra ny foko ny Tompo.
Inona no hitanao ao amin’ny Salamo 139 izay manampy anao hahatakatra fa mahalala anao ny Tompo—ny eritreritrao sy ny zavatra ataonao, ny tanjakao ary ny fahalemenao? Inona no fiantraikan’izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao sy ireo safidy ataonao?
Salamo 146–50
“Miderà an’i Jehovah.”
Eo am-pamakianao ireo salamo fiderana farany ireo, dia eritrereto ireo antony anananao hiderana ny Tompo. Nahoana no zava-dehibe ny midera Azy? Inona avy ireo fomba vitsivitsy azonao hiderana Azy?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Salamo 102:1–2
Mankahery ahy sy manome fanantenana ahy ny Tompo.
-
Afaka mamaky ny Salamo 102:1–2 ianao na ny iray amin’ireo zanakao, dia mitady ny fomba anampian’ny Tompo antsika mandritra ny fotoan-tsarotra lalovantsika. Ahoana no ahafahantsika mahazo ny fanampiany? Azonareo atao ihany koa ny mifampizara ireo fotoana izay nilanareo fanampiana sy nahatsapanareo fa nandre ny vavaka nataonareo Andriamanitra.
Salamo 119:105
Tahaka ny fanilo ny tenin’ Andriamanitra.
-
Mety hahafinaritra ny zanakao ny miresaka momba ny hoe manao ahoana izany ao anatin’ny haizina izany. Na azon’izy ireo atao ny miresadresaka ireo zavatra sarotra atao ao anaty haizina. Azonao atao ny manasa azy ireo hanao zavatra sady mikimpy, toy ny hoe manao sary. Inona no ianarantsika avy amin’ny Salamo 119:105 momba ny fahazavana sy ny tenin’ Andriamanitra?
-
Mitadiava zavatra nomen’ny Ray any An-danitra antsika mba hanampiana antsika hijanona eo amin’ny lalany ato amin’ireto andininy manaraka ireto: Salamo 119:47–48; 119:105; 1 Nefia 11:25; 2 Nefia 31:20. Inona no azontsika atao mba hijanonana eo amin’ny lalan’ Andriamanitra?
-
Mety ho ankafizin’ny zanakao ny hijery ny sarin’ireo zavatra voalaza ao amin’ny Salamo 119:105. Azon’izy ireo apetraka araka ny filaharany ireo sary rehefa mamaky ilay andininy izy ireo. Azonareo atao ihany koa ny miara-mihira hira mifandray amin’izany, toy ny “Ampianaro aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 70) na ny “Raha manaraka Azy aho” (Médiathèque de l’Évangile).
Salamo 139:1–3, 23–24
Mahafantatra ahy sy tia ahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Manaova lisitra fohy ahitana ireo zavatra fantatrao momba ny zanakao tsirairay. Rehefa vakianao tsirairay ilay lisitra dia angataho ireo ankizy hamantatra hoe iza no fariparitanao. Avy eo, rehefa avy niara-namaky ny Salamo 139:1–3 ianareo dia afaka mitanisa ireo zavatra izay fantatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa momba antsika.
-
Soraty amin’ny taratasy na amin’ny solaitrabe ny teny ao amin’ny Salamo 139:23–24. Asao ny zanakao hanipika ireo teny izay mamaritra ireo zavatra azon’ Andriamanitra atao ho antsika. Nahoana no tiantsika hanao ireo zavatra ireo Andriamanitra?
Salamo 146:1, 5–9
Afaka midera ny Tompo aho.
-
Azon’ireo zanakao atao angamba ny mizara zavatra niainana izay nideran’ny olona azy ireo na nilazan’ny olona tamin’izy ireo fa nahavita zavatra tsara izy ireo. Zarao ny sasany amin’ireo zavatra tsara ao amin’ny Salamo 146:6–9 izay nataon’ny Tompo (ampio ny zanakao hahatakatra ireo teny tsy mahazatra). Asao ny zanakao hiresaka momba ireo zavatra hafa ataony ho antsika. Ahoana no ahafahantsika midera Azy noho ireo zavatra ireo?
Mianara any an-trano. Mizarà amin’ny hafa. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny tokantrano no tokony ho “ivon-toeran’ny fianarana ny filazantsara” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 13). Inona no azonao atao amin’ity herinandro ity mba hampitomboana ny fandalinanao manokana na ny fandalinan’ny fianakavianao ny Salamo? Rehefa avy mandalina ianao dia hevero ny hizara amin’ny hafa ny zavatra nianaranao sy tsapanao. Azonao atao amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra, na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra na ny tambajotran-tserasera, na any am-piangonana izany.
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.